Krampy

1. simplex ( 14/10/2010 11:24)

sali,

inona kay no mahatonga ny krampy e??
dia inona koa no mety ho fanafodiny (zavatra atao refa voan'ny krampy) sy hoe fitandremana mba tsy ho voan'ny krampy mintsy??

ra ohatra ka voan'ny krampy aninkeo maraina, tokony manao baolina @ hariva ve sa tsia?
ra tena te ande mafy, misy precaution tokony raisina?

merci,

-simp
novalian'i Ratoa ny 25/03/2011 20:39
2. simplex ( 14/10/2010 11:26)

marihako fa tsy areti-mitaiza akory le izy fa efa t@ 2005 ah no voan'ny krampy farany... avy nilomano dia otran'ny hoe reraka sa inona...

androany indray tsisy in in fa le kamo be hifoha ireny dia mihinjitra mafy be eo ampandriana dia rehefa nanenjana tongotra dia lasa wazy lery...
3. Lejoba ( 14/10/2010 11:34)
tsy ampy calcium na magnésium, na kotrana mafy be tampoka tsy mahazatra ny vatana. na koa tsy ampy rivotra sy rano rehefa mikotrana.
Dia rehefa hikotrana izany dia tandremo ireo : aza tampohina be ilay vatana fa ataovy masaka tsara ny échauffement, raha efa tratra dia ahetsiketseho moramora fotsiny, na somary orina kely miakatra
4. simplex ( 14/10/2010 12:35)
ah okay
za alou tsy ampy torimaso tato ho ato ka mety le calcium ngambany izany...
le izy koa tsy kotrana hoe sport be fa bandy akama miaraka milalao isan-kerin'andro fotsiny...
le orina miakatra no efa fantako... asa ra misy fika hafa... le maharitra ela be le krampy no tena manirikiry be :-)

misaotra eee
5. Ratoa ( 14/10/2010 16:12)
mihinàna calcium pendant 20 jours (calcibronate ohatra fa tsy CAC1000), dia manaova paozy 10 jours dia mihinàna indray magnesium (magne B6). Dia misy pommade koa anorana azy , raha any Dago dia Ratsimamanga ampiasaina, raha tsy izany dia manantona Pharmacie: pommade nifluril dia efa mety
6. simplex ( 14/10/2010 18:48)
sali,

tsy zavatra naturel nga?
hoe zavatra be calcium/magnesium no pehana betsaka?
tsy dia tia fanafody loatra ah... mitondra aretina ireny nefa za mba efa elaela tsy narary :)
7. arialy ( 15/10/2010 09:00)
mihinana akondro , io koa no hanina mba tsy ho crampé, ny stress koa maha mora voan'ny crampe , za tratra foana refa misy mapiasa saina, mety mihinana cal sy magn be gamba ny vatana rafa miasa saina
ny resaka sport koa ra tsy manao étirement tsara après na brusque tsy ampy échauffement mety mapisy courbature sy crampes an
8. simplex ( 15/10/2010 14:26)

kiiiiiiiiiiiiiiiiii
za kanefany minana akondro isan'andro isan'andro
tena serieux izany an, voankazo prefereako ny akondro...

ary in ny kaly misy calcium??
9. arialy ( 16/10/2010 18:58)
misotroa ronono (fromage, yaourt sns...) misy cal, chocolat misy magnésium
10. ni81 ( 18/10/2010 21:21)
Rehefa tratran'ny krampy dia kapakapaina @ riran-tanana ilay faritra hampiverina ireo hozatra maharary ireo.
Misy olona maro² fantatro manisy savony ery akaikin'ny tongotra (ao anaty drap io), ary lazainy fa mba tsy mampihetsika ny krampy hono ny antony nametrahana an'ilay savony ao.
Zà tsy mbola nanandrana aloha an!
11. arialy ( 19/10/2010 08:13)
ni81
12. simplex ( 19/10/2010 17:19)
ni81
13. jojo-bebe ( 20/10/2010 21:03)

ny resaka sport koa ra tsy manao étirement tsara après na brusque tsy ampy échauffement mety mapisy courbature sy crampes an
14. ndotofetsy ( 31/10/2010 22:53)
efa ho faty hozatra no mahatoga ireny hahahaha
15. Ratoa ( 01/11/2010 01:55)
ny sakamalaho be magnesium, ny citron ndray tsara amin'ny calcium. trondron-dranomasina
16. niryna ( 04/11/2010 16:21)
Ny krampy dia maro no mety antony,tsy ny lahy ihany no voan'io fa ny vehivavy koa rehefa tonga ny fadibolana ohatra,rehefa bevohoka koa ohatra
Ny antony dia tsy fantatra fa ny mety hitranga raha toa ka sendra matory amin'ny alina iny ny tena dia tsy afa-mihetsika ny tongotra,injay anefa fa misy zavatra manindrona ary hila ho tapaka ny lalandra kanefa tsy afa-mihetsika ny tena
Raha tsy mitandrina koa anefa amin'iny dia mety hisy zavatra hitritra madinika tsy taza-maso any anaty any ary hakarary an'ny tena rehefa avy eo satria tsy afaka mitsotra akory ny tongotra,ny olona manodidina ny tena ao anatin'ny torimaso no foazina vonjeo aho fa voan'ny krampy

Atao daholo izao rehetra izao fa e,e,vao maika marary,ny zavatra kely azo atao dia horina moramora ary dia miandry ny sitrapony hijanona
Tsy msy mahalala hoy aho ny antony satria misy miteny hoe tsy ampy calcium,na potassium ny ra
Ny sasany miteny hoe tsy ampy rano,na tsy misotro rano matetika
Ny fantatro kosa aloha raha hilomano aho dia mila manao mafanafana vao mikotrana sao tapaka lalandra na vonjena eny ambony e,hi,hi
dia toy izany koa mila manafana tena vao manao exercices fa sao rovitra ny tissus sy marary ny hozatra
Ny sasany koa misy miteny hoe tsy ampy rivotra,eny mila rivotra tokoa isika amin'ny fiainana

Ny vehivavy koa dia toy izany rehefa tonga fotoana izy ka avelany amin'ny mangatsiaka ny tongony na mandeha any ivelany kanefa tsy manao mafana dia mety ho voan'ny krampy

Ny bevohoka koa dia eo am-patoriana dia mety ho voan'ny krampy ary ny mety ho antony dia noho ilay zaza ,mihinana ny sakafo ao aminy ka kely fotsiny no mety ho avelany ary mety koa tsy misotro rano firy

Ny olona manao kiraro tsy tokony anaovany: marary lamosina kanefa manao kiraro avo tongotra na manao kiraro avo be na fisaka loatra izay mety tsy mety ny vatany dia mety ho voan'ny krampy ihany koa na koa tsy manao kiraro na tennis rehefa manao exercices dia mety ho voan'ny krampy ihany koa
Maro e,toy ny olona vao avy natao operation koa,mety ho voan'ny krampy satria tsy nihetsika elabe ny vatany,miaka-pekarana kanefa tsy mampiditra fofon'aina sy mamoaka araky ny tokony ho izy dia tsy ampy rivotra dia mety ho voa ihany koa
Ny vatana mafana ety ivelany,ny ranomasina mangatsiaka be kanefa tonga dia miditra ao dia mety ho voa ihany koa ,eny e,mety ho fantatsika ny tokony atao sy tsia dia mila mitandrina
Eo koa ny olona manao akanjo tery,tsy afaka miaina ny vatana



17. niryna ( 04/11/2010 16:39)
simplex:



dia inona koa no mety ho fanafodiny (zavatra atao refa voan'ny krampy) sy hoe fitandremana mba tsy ho voan'ny krampy mintsy??


Ny fomba kely mety azo atao dia :
fanaovana exercices mba hampikoriana ny ra amin'ny vatana(circulation du sang)
fanaovana warm-up na manafana ny vatana alohan'ny anaovana exercices mba tsy tapohana izy (vatana mila mafana vao afaka manao exercices avy eo) na maraina io na alina ,izay mahazatra anao
fisotroana rano (jus tsy dia betsaka,ny soda fadio raha azo atao fa mihamafy ny hoditra,experiences itako io,fa ny tena tsara dia ny rano tsotra fotsiny izao) misotro izay zakan'ny vatanao(misy tsy mahazaka misotro valo vera dia aza force-na ny vatana fa misotroa araka izay zaka) ,ny voankazo koa misy rano ka efa manampy izay,ny paiso,ny voaloboka,ny voasary,ny paoma ets...
Ilaina ny potassium amin'ny vatantsika ka araky ny tenin'ny ankizy :ny akondro,ny orange,ny ovy ary ny legume maintso ireny (epignard,anandrano sns ) ,salade

alaviro mandifitra olona ny fihinanana ireny fakofakon-kanina ireny,ireny kiendiendy ireny,ny sakafo be menaka sy be taviny
Ity indray dia ahy manokana ary manampy: ny fanaovana ba kiraro rehefa matory dia sady manafana ny vatana,tsy midina izany ny tosi-dra no manampy ny tena tsy ho voan'ny krampy
Raha sendra ny tsy azo anoharana moa ka tonga ilay krampy dia asiko vicks kely ny manodidina azy,raha tsy misy ny vicks na fanafody manampy ny krampy ireny dia alaivo fotsiny ny serviette mafana dia apetrao eo ambony eo
izay ary e
18. Aynah ( 18/01/2011 09:35)
Marina zany! za tena taizana crampe hatrizay ka hatrizao! Ny problèmeko an, za mifoka sigara be dia tsy ampy aération, dia mihinana goûter goûter matavitavy ireny, dia tsy ampy rano mihintsy sady tsy dia manao exercices koa, dia stressé lava! Dia ny natondron'ol ana dia totoina ny persil 1 fehezany d angalana ranony dia misotro eran'ny sotrokely isan'andro fa calcium efficace be leizy, dia hitako tamin'ny boky hoe "en cas de douleur..." indray rehefa mihetsika le crampe dia mitsangana mahintsy, mitodika @ rindrina, somary mihataka kely eo amin'ny 40 à 50cm eo dia atsotra miankina amin'ny rindrina ny felatanana dia atao mahintsy sy plat tsara ny vodin-tongotra sy ny lohatongotra, tsy ingaingaina, dia mi-s'appuyer mafy tsara amy rindrina, enjanina tsara ny kibon-dranjo, dia mijanona eo sahabo 05 à 10mn dia ho hitanao fa mi-disparaître lay douleur! Tena marina io a, ary za mpanao an'io hatramizao! Dia mihinana complexeB na UVIMAGB6. Na akondro koa e! Voankazo sy crudités.
niryna:

simplex:



dia inona koa no mety ho fanafodiny (zavatra atao refa voan'ny krampy) sy hoe fitandremana mba tsy ho voan'ny krampy mintsy??


Ny fomba kely mety azo atao dia :
fanaovana exercices mba hampikoriana ny ra amin'ny vatana(circulation du sang)
fanaovana warm-up na manafana ny vatana alohan'ny anaovana exercices mba tsy tapohana izy (vatana mila mafana vao afaka manao exercices avy eo) na maraina io na alina ,izay mahazatra anao
fisotroana rano (jus tsy dia betsaka,ny soda fadio raha azo atao fa mihamafy ny hoditra,experiences itako io,fa ny tena tsara dia ny rano tsotra fotsiny izao) misotro izay zakan'ny vatanao(misy tsy mahazaka misotro valo vera dia aza force-na ny vatana fa misotroa araka izay zaka) ,ny voankazo koa misy rano ka efa manampy izay,ny paiso,ny voaloboka,ny voasary,ny paoma ets...
Ilaina ny potassium amin'ny vatantsika ka araky ny tenin'ny ankizy :ny akondro,ny orange,ny ovy ary ny legume maintso ireny (epignard,anandrano sns ) ,salade

alaviro mandifitra olona ny fihinanana ireny fakofakon-kanina ireny,ireny kiendiendy ireny,ny sakafo be menaka sy be taviny
Ity indray dia ahy manokana ary manampy: ny fanaovana ba kiraro rehefa matory dia sady manafana ny vatana,tsy midina izany ny tosi-dra no manampy ny tena tsy ho voan'ny krampy
Raha sendra ny tsy azo anoharana moa ka tonga ilay krampy dia asiko vicks kely ny manodidina azy,raha tsy misy ny vicks na fanafody manampy ny krampy ireny dia alaivo fotsiny ny serviette mafana dia apetrao eo ambony eo
izay ary e
19. niryna ( 21/01/2011 16:59)
Ny tena maha-mazana ilay krampy anie dia mandehandeha be izany ilay izy ary mety tsy ho takatra akory aza ilay izy rehefa tratran'izay ny ranjo.hi,hi
20. Ratoa ( 25/03/2011 20:39)
légumes sy rano tsotra no tena fanafody raha mpiavy matetika ny kirampy. Ny crampe nocturne dia avy amin'ny tsy fahampian'ny rano.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1614