ROMANA toko 2 "ny lalàna (an'Atra) sy ny fahasoavana (an'Atra)"

1. vonynive ( 01/10/2010 13:21)
mba tiako hofakafakaintsika io rom 2 io, saropady ihany ankehitriny io lohahevitre io nefa aoka ny hevitra no hiady fa tsy ny antokompivavahana na isika akory.

inoako fa hisy soa hotovozintsika avy @ io hevitra io.

misaotra antsika sahady !
novalian'i vonynive ny 06/10/2010 10:57
2. rijadolly ( 01/10/2010 16:49)
ROMANA 2 : 1 Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra hianao ralehilahy, na zovy na zovy hianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa hianao izay mitsara za dia mba manao izany ihany koa.2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany.3 Ary hianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra hianao?4 Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?5 Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra.6 Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy;7 ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;8 fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,9 eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa;10 fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.11 Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra.12 Fa izay manota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.13 Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;14 fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;15 fa ireo maneho ny asan'ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,16 amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.17 Fa raha saingy atao hoe jiosy hiana ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao18 ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra satria efa nampianarina ny lalàna hianao19 ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina,20 mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria hianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:21 ka moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao?22 Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va hianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va hianao?23 Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va hianao amin'ny andikanao ny lalàna?24 Fa araka ny voasoratra, dia hianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5).25 Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna hianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa hianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.26 Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?27 Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va hianao, izay mpandika ny lalàna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza hianao?28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana;29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.
3. rijadolly ( 01/10/2010 17:10)

1 Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra hianao ralehilahy, na zovy na zovy hianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa hianao izay mitsara za dia mba manao izany ihany koa.2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany.3 Ary hianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra hianao?4 Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
io amiko dia mitovy ilay ao amin' MATIO 18, ka ny andininy faha 32-35 : 32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao;33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.
"Aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko tanterao" ihihihi!
4. rijadolly ( 01/10/2010 17:52)

5 Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra.6 Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy
raha ao anatitsika ilay fanamarinantena izay mitarika fitsarana ny hafa nefa zavatra nataotsika ihany dia mitarika antsika tsy ahalala mibebaka izany.Ny zavatra tsy ho fantatsika anefa dia efa nibebaka ilay olona no tsaraitsika fa isika dia variana manamarintena mitsara fotsiny.
5. AndriambyII ( 02/10/2010 00:19)
Pppfff , tantara kou anie ny an' i Vonynive zany é !! na ny rivotra hiainana aza dé efa trosa miavosa tss maintsy efaina @ Andriananahary ka dé aôna ? inona no vahaolana ?
6. rijadolly ( 02/10/2010 02:07)
Marina mihitsy ny tenin' AndriambyII, hatramin' KARAMABENAO IO AZA DIA TROSA daholo. ROMANA 4 X 4


12 Fa izay manota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.13 Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;
Ny fahalala (indrindra Andriamanitra) dia zava-dehibe tokoa ary maha very arak' io voalaza ny 12 io, fa ny mafimafy kokoa dia ny fahafantarana ny lalàna nefa mandika azy. Tsy azo atao araka izany ny miniha tsy mahalala ny lalàna mba ahazoana famelana.
7. rijadolly ( 02/10/2010 03:23)
HS: Mialatsiny amin' ilay fananabe 4x4, tao antsaina no sady fomba fitadidina azy dia voasoratra ihihih!/

14 fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany 15 fa ireo maneho ny asan'ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,16 amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
Samy tsy ho afaka izay nataony na ny manana ny lalàna na ny tsy mahalala satria samy manana ny lalanà ao anatiny ao avy.

17 Fa raha saingy atao hoe jiosy hiana ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao18 ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra satria efa nampianarina ny lalàna hianao19 ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina,20 mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria hianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:21 ka moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao?22 Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va hianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va hianao?23 Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va hianao amin'ny andikanao ny lalàna?24 Fa araka ny voasoratra, dia hianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5).25 Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna hianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa hianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.26 Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?27 Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va hianao, izay mpandika ny lalàna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza hianao?28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana;29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.

MATIO 7 : 1 Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo.2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.3 Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?4 Ary ahoana no hilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin'ny masonao; nefa indro, ny andry eo amin'ny masonao?5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.6 Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo.
Raha hanao ny asan' Andriamanitra ianao dia mila midio tena NOMERY 8 : 21 Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy., azo lazaina ihany koa hoe manetritena FILIPIANINA 28 : 8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. ary koa ny nataon' paoly ao II KORITIANINA 11: 7 Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo!
, mba hananan' ilay manana sombin- kazo eo imasony fanantenana fa ho hafaka tokoa izy amin' izay tsy nety nataony na ny tsy fahalalany.
Lalana iray hanavotana ny rahalahin' ny tena izay diso ny fahafantarana sy ny fanalana ary ny fanadiovatena alohan' izay fanavotana ataonao izay.Izay ilay voalaza ao amin' andinin' 21 "ka moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va?"

FANAMARIHANA: Za zao eto sady mitanisa no mianatra marina an! tena misy tombony be ilay mamoaka ny hevitry ny tena. Ahitsio izay tsy mety nolazaiko fa aza mijery arina an-tava ô! Misaotra amin' ilay loha hevitra e!
8. rijadolly ( 02/10/2010 16:29)

25 Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna hianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa hianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.26 Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?27 Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va hianao, izay mpandika ny lalàna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza hianao?

Misy tenin' Zoky Fijo izay milaza hoe: tsy ny mpino ihany akory no mahalala ny zavatra atao tsara, eny na izy AT aza dia manao tsara sy manao soa koa. Mampiheritreritra tanteraka izany satria raha ny tokony ho izy dia tsy havelatsika ho maro noho ny soa ataony ny soa ataotsika mpino mba tsy hanamelohany antsika mba hafantarany fa ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.

29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.
eo ilay lazaiko foana hoe "ny ao anaty no mikaoty" , fa tsy ny fombafomba, ny fanamarinantena, ny filazana ny hafa ho tsy izy fa ny anay no voavonjy. Izany akory tsy milaza hoe aza tenenina ny MARINA a! Tenenina ny marina, afafy ny voa Tsara.

Ho antsika rehetra : I JAONA 2 : 1 Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;2 ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika.6 Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia ilay teny efa renareo.8 Ary koa, didy vaovao ny soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny.9 Izay milaza fa ao amin'ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny maizina ihany.10 Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy.11 Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin'ny maizina ary mandeha ao amin'ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
JAONA 13 : 34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
9. vonynive ( 04/10/2010 08:31)

rijadolly:

HS: Mialatsiny amin' ilay fananabe 4x4, tao antsaina no sady fomba fitadidina azy dia voasoratra ihihih!/

14 fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany 15 fa ireo maneho ny asan'ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,16 amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
Samy tsy ho afaka izay nataony na ny manana ny lalàna na ny tsy mahalala satria samy manana ny lalanà ao anatiny ao avy.

17 Fa raha saingy atao hoe jiosy hiana ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao18 ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra satria efa nampianarina ny lalàna hianao19 ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina,20 mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria hianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:21 ka moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao?22 Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va hianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va hianao?23 Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va hianao amin'ny andikanao ny lalàna?24 Fa araka ny voasoratra, dia hianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5).25 Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna hianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa hianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.26 Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?27 Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va hianao, izay mpandika ny lalàna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza hianao?28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana;29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.

MATIO 7 : 1 Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo.2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.3 Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?4 Ary ahoana no hilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin'ny masonao; nefa indro, ny andry eo amin'ny masonao?5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.6 Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo.
Raha hanao ny asan' Andriamanitra ianao dia mila midio tena NOMERY 8 : 21 Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy., azo lazaina ihany koa hoe manetritena FILIPIANINA 28 : 8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. ary koa ny nataon' paoly ao II KORITIANINA 11: 7 Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo!
, mba hananan' ilay manana sombin- kazo eo imasony fanantenana fa ho hafaka tokoa izy amin' izay tsy nety nataony na ny tsy fahalalany.
Lalana iray hanavotana ny rahalahin' ny tena izay diso ny fahafantarana sy ny fanalana ary ny fanadiovatena alohan' izay fanavotana ataonao izay.Izay ilay voalaza ao amin' andinin' 21 "ka moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va?"

FANAMARIHANA: Za zao eto sady mitanisa no mianatra marina an! tena misy tombony be ilay mamoaka ny hevitry ny tena. Ahitsio izay tsy mety nolazaiko fa aza mijery arina an-tava ô! Misaotra amin' ilay loha hevitra e!

misaotra anao miitsy, tena marina zany fa na izaho koa aza tena nampianarin'ny Fanahy Masina eto ampamakiana ny valinteninao, misy tombony tokoa le mifampahery an !
10. vonynive ( 06/10/2010 10:57)

AndriambyII:

Pppfff , tantara kou anie ny an' i Vonynive zany é !! na ny rivotra hiainana aza dé efa trosa miavosa tss maintsy efaina @ Andriananahary ka dé aôna ? inona no vahaolana ?

hazavaiko le oe "tsy fahasoavana ny karama fa trosa" : miasa ianao manomboka ny 1er n'ny volana, refa tonga ny 30n'ny volana dia aloa @ zay le karamanao, izany oe satria niasa 1volana enao an de nomena ny "valin'ny hasasaranao" @ ny faran'ny volana, mandoa trosa aminao izany le mpampiasa anao, azonao v?
tsy maintsy misasatra enao zany vao maazo ny valinkasasaranao
Ka noho izany dia tsy trosa ny rivotra fa fahasoavana, nomena antsika maimaimpoana izy nefa ange tsy nisasatra akory isika e.
eo miitsy no tiako hahatongavana : raha mivavaka @ Tompo mba hahazoana zavatra isika de te hahazo karama...
tohizo ho an'izay afaka manohy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 2.8219