réve prémonitoire

1. arialy ( 25/08/2010 11:02)
iza aminareo no efa nanonofy ka tanteraka ilay nofy?
efa tratran'io aho, efa nanonofy in4 atramin'ny nahakely ahy, ary tairin'ilay nofy, tonga dia mitepo² be ny fo, ary ny ampitso na ny afak'ampitso dia tena miaina ao anatin'ilay nofy.
Mbola tena mystère amiko ny antony, ary nampitahotra ahy foana satria zavatra ratsy foana matetika.
Mba izarao trai-kefa
novalian'i Miharena ny 31/08/2010 08:00
2. soanja ( 25/08/2010 12:53)
Ny tenako dia matetika manonofy zavatra mitranga. Tamin'ny mbolakely toa anao koa dia mitantara ilay izy foana amin'i RAD -ko aho satria tsy azoko fa ry zareo tonga dia mamaly hoe tonga dia mifoha, dia mandoaliha ary mivavaha eo ampotom-pandriana fa nofy ratsy izany. Kanjo gaga be ry zareo hoe iny fa mitranga ilay nofy. Taty afara dia nilaza izy ireo fa tsy azoko lazaina olona ny zavatra hitako. Satria manjary matahotra ny olona. Dia nanaiky aho.
Ny tantara tiako tantaraina anefa dia ny nofy nahitako ny fomba nialan'ny raiko aina teto an-tany. Mbola salama tsara izy no nitsidika azy ireo tany Dago aho. Hitako ao anaty nofy anefa izy nandritra ny fitsidihako miresaka amiko milaza hoe handeha dia rehefa nanam-potoana aho dia ni-interview azy ny fiainany rehetra sy ny ho avy tiany atao. Tsy nolazaiko taminy ny zavamisy.
Nony niverina taty US aho dia tsy ampy 2 herinandro akory dia hitako ny tranon-drazanay any ambanivohitra sy izy sy ny zavanitranga. Torakovitra aho ka namoha ny vadiko nilaza fa "hofaty i Papa", nofy ratsy izany no valiny olona salama izy ko no. Kanjo vao tsy ampy antsakadiny akory dia tonga ny tel avy Dago hoe marary mafy tampoka izy. Kalma tsara ny tenako nivavaka tamin'izay nangataka fitahiana tamin'Andriamanitra. Ny alin'iny dia nofy isan-karazany no hitako, tsy azoko vinanina fa dia tanteraka avokoa taty afara. Nony maraina handeha hiasa aho any anaty fiara mamily no nisy fahatsapana tsy nisy ohatr'izany tamin'ny tenako, fahangovitana sy fanina ary saina mifoha nefa toa matory. Tsy azoko mihitsy. Tonga tany ampiasana ihany anefa aho nony afaka adiny iray tao aorian'io ary efa niandry ahy ny tao hoe tsy mahazo mampianatra aho io andro io fa afaka mipetrapetraka sy mamky boky na manao zavatra mahafinaritra. Ny mpianatra efa niparitaka daholo. Jereko ny olona be dia be no tonga manodidina ahy miresa-dresaka amiko. Hay ny vadiko no efa nampilaza ilay vaovao ratsy tamin'izy ireo ka nilaza fa ho avy any fa aza tenina amiko ny vaovao ratsy raha tsy efa any izy sy ny namako rehetra. Ny tenako moa tsy mba nanana ireny finday ireny mihitsy ka tsy azo raha vao eny an-dalana. Nikaroka ahy teny an-dalana anefa ny vadiko fa tsy nahita ahy satria lalan-kafa no nalehako io andro io. Torakovitra izy satria fantany fa mahafantatra aho. Io andro io anefa no nahalalako fa n'inona n'inona zavamitranga amin'ny fiainako dia ho zakako tanteraka satria afaka niresaka tsara izahay mianaka nony niala aina izy tany Mada ka namonjy ahy nanome fionona ahy. Vetivety no niampitako iny ranomasimbe iny hanantanterahako ny faniriany rehetra.
Teo koa nahalalako fa betsaka ny zavatra tsy azo hazavain'i siansa amin'ity fiainana ity na dia nolalovako foana aza ka tsy nazahoako valiny. Misy tokoa ireo nofy mampita hafatra, ireo nofy manampy manala stress ary ao ireo izay nisy mba handamina ny saintsika hatory tsara.
3. ouioui ( 25/08/2010 13:52)
Mampalahelo tokoa ny fitrangany izy izany ,nefa manome fampaherezana anareo hatrany
Mety azo hovana nofy tsara ve? Sarotra be angamba izany satria ny ankabeazan'ny olona manonofy dia miankina @ zavatra hitany ,ohatra nahita olona voahitsakin'ny fiarakodia izy ny atondroa dia mety tafanonofy an'iny fa nahataitra azy tampoka,na avy nijery cinéma thriller na nahita trano tsara tarehy dia nanonofy nahazo Loto mety ao koa ny havizanana , sns
Sao mba mety azo ampiaraina ireto mba hanonofy ratsy

http://www.oserchanger.com/sept_strategies.php
4. soanja ( 25/08/2010 14:29)

Mino aho fa mety hahaliana izay liana amin'ny resaka nofy ny tantarako amin'ny Vondrona Serasera Aingam-panahy. Miala tsiny anefa fa tantaran'olon=dehibe ilay izy ka aoka mba tsy hisy ankizy hiditra any. Misaotra mialoha.
5. ouioui ( 25/08/2010 14:38)
izaho
Sao mba mety azo ampiaraina ireto mba hanonofy ratsy

Diso tsipelina aho teo fa ialana tsiny , toy izao no izy " Sao mba mety azo ampiaraina ireto mba tsy hanonofy ratsy "
6. soanja ( 25/08/2010 14:48)

ouioui:

izaho
Sao mba mety azo ampiaraina ireto mba hanonofy ratsy

Diso tsipelina aho teo fa ialana tsiny , toy izao no izy " Sao mba mety azo ampiaraina ireto mba tsy hanonofy ratsy "



Resaka tsy mifampitohy indray ny an'i Oui Oui. Misaotra anefa fa manampy olona tokoa io rohy io raha ny fahitako azy.
7. ouioui ( 25/08/2010 15:03)
soanja
Resaka tsy mifampitohy indray ny an'i Oui Oui. Misaotra anefa fa manampy olona tokoa io rohy io raha ny fahitako azy.

arialy
Mba izarao trai-kefa

Tsy voafaritra na rohy hialana @ izany nofy izany ve sa rohy misy karazana olona manonofy mitovitovy @ arialy koa no tena tadiavina
Ho ahy tsy mantsy dia mahalàna ny manonofy ratsy ary raha manonofy ratsy ary dia tsy tanteraka fa mijanona ho nofy ihany

soanja
Mino aho fa mety hahaliana izay liana amin'ny resaka nofy ny tantarako amin'ny Vondrona Serasera Aingam-panahy. Miala tsiny anefa fa tantaran'olon=dehibe ilay izy ka aoka mba tsy hisy ankizy hiditra any. Misaotra mialoha.

Ny nofin'olon-dehibe aloha no tena matetika mitranga,misaotra fa hitsidika ilay vondrona Aingam-panahy , tsy mandoa vola an hihihi
8. arialy ( 25/08/2010 15:29)
soanja< faly aho fa tsy irery, tsy mbola nanofy olona maty aloha aho atramin'izao , oufff
fa ny farany mbola tadidiko tsara dia nanofy zaza mijaly aho ny zoma alina, zaza mitomany, ary tsy iray fa maro², ny sabotsy alina indray nanofy nahita olona niady ary tafiditra tao anaty ny ilay ady, notantaraiko tamin'ny ilay olona teo akaikiko ilay izy, tsy taitra izy, ny alahady hariva, dia nifanaraka fa haka ny zanaky ilay ramatoa iray aho, nefa resi-tory, nanofy nisy nisintona aho ary taitra dia niakanjo dia lasa nijery ilay ramatoa izay efa niandry ireo zanany aterin'i rainy satria nisaraka, tonga ireo zaza, nitomany be dia nilaza fa hody anaraka ny rainy ny voalohany, tsy nanaiky ny reniny satria misy didimpitsarana izay milaza fa izy no tompony fitaizana ny zaza, tezitra ilay rangahy dia nanome totohondry anilay ramatoa, dia nanakana aho ka nahazo koa, nentiko nitsoaka ilay zaza faharoa mbola kelikely, dia nitantara fa ny zoma alina tsy nahazo natory izy roalahy tany am rainy fa nasaina nianatra tsianjery izay teny holazaina am reniny, ny sabotsy koa torak'izany, nohidiana anaty hefitra.
Taitra be aho nahare ilay tantara fa tena ilay nofiko ny zoma alina, ny nitranga ny alahady moa dia ilay nofiko ny sabotsy alina, tsy azoko ary napitaotra ahy oe, fa maninona no izaho no nanofy anireo zaza fa tsy ny reniny? inona no antony sns
ny mahagaga ilay nofy hoy aho, mitovy tamin'ny mbolakely, izay nofy manaitra, dia tonga dia tafarina, dia tadidy daolo izay nitranga, mitempo² be ny fo sns....
Soanja
9. Miharena ( 31/08/2010 08:00)
Raha resaka nofy dia mety hitranga tokoa ny fialokalofan'ny fiainan'ny olona iray handalo ao anaty nofintsika. Toy ny antenne capteur isika amin'ny nofy milaza ny zavatra mety hitranga amin'ny fiainantsika.

Tsy ny nofy ihany fa na dia ny fieritreretantsika andavanandro koa aza dia misy fiantraikany amin'ny ho avintsika sy izay hiainantsika.

Izay no antony tokony hanavaozana mandrakariva ny fanadiovana ny ao anaty amin'ny vavaka mba tsy hanome fiantraikany ratsy ho antsika ny ho avintsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0581