SOLUTION MALGACHO-MALGACHE?

1. Ruz9 ( 25/07/2010 10:58)
Dinika nasionaly: ilaina ve?
Dinika inona moa no azo eto? olona maneho fotsiny sy milaza ny marina aza samborina; raha tsy hilaza afa-tsy ny HMF sy ny mapanao gazetin'ny Radio fahazavana. Mifanakaiza anefa ny zavatra lazain'ny radio fahazavana sy izay lazain'ny radio viva? Ny mahasamihafa azy fotsiny ny iray mpanohana ny fitondrana ary ny iray manohitra. Ka dinika inona ity omanina lava eto ity? Avelao aloha halalaka ny fanehoan-kevitra vao mieritreritra dinika izany.
Faharoa azo antoka ve ny hahatanterahan'izay hevitra tapaka @ izany dinika izany? Ity fitondrana ity; indrindra ny filohan'ny FAT mantsy dia miavaka @ tsy fitazonany ny teniny sy @ tsy fanajana an'izay fifanarahana nataony.
Raha hofehezina ny hevitra dia izao. tsy misy fitokisana azo apetraka @ ity fitondrana ity sy ny mpiara miasa aminy.
Atao fialokalofana foana ny hoe ny VAHAOLANA SAMY MALAGASY. VAHAOLANA MALAGASY SAMY MALAGASY ANGAHA ITY FIFIDIANANA KETREHIN'NY FAT SAMIRERY ITY SADY MIHEMOTRA TSY MISY FARANY ITY? TSIA AVY HATRANY ny valiny. SOLUTION FRANCO-HAT IO. Ny marina kokoa angamba dia vahaolana frantsay fa mpanatanteraka ny FAT. Ary raha ny filatsahana na tsy filatsahan'ny filohan' ny FAT @ fifidianana; tsy any no olana, ny olona dia ny fiziriziny eo @ fitantanana ny firenena na hita izao aza ny tsifahombiazany.

Noho izany; voaporofon'ny sehon-javatra rehetra fa tsy mahomby io fitondrana io; tsy misy lanjany aminy akory izay hoavin'ny firenena sy ny vahoaka; ny zava-dehibe aminy dia izay hijanonany ela eo fitondrana ihany.Ny hoe tsy hilatsaka hofidina moa dia resabe tahaka ny fanaony ihany, misy lalan-kafa ketrehina hijanonana eo any izany, jereo ohatra iti fifidianana mihemotra lava ity.

TSY HITONDRA VAHAOLANA HO AN'ITY FIRENENA ITY MIHITSY NY FAT SY NY FILOHANY. Ny mametraka olana no hainy fa tsy ny mamaha. NY FIALANY NO VAHAOLANA VOALOHANY raha tiana ny hivahan'izao "crise" izao haingana. Tsy ilaina ny miandry fifidianana fa tsy ny FAT akory no hahavita hanatanteraka an'izany, ary raha hoteren-ko masaka eo aza izany dia vao mainka ho olana lehibe kokoa indray no hipetraka.
Isika vahoaka samy mahatsapa fa tsy ilaina io fitondrana io. Manainga antsika rehetra HIHETSIKA @ izay fotoana izao. Atambaro ny hery ry HMF sy ankolafy Madagasikara ary ny hery politika hafa....Aoka ianareo hiaraka hitarika ny tolona.
Tsy misy afa-tsy ny tafika sisa no ianteheran'ny FAT
" O MANDROSOA RY MPANARATO"
novalian'i pikatti ny 26/07/2010 18:16
2. Noue ( 25/07/2010 12:07)
Tsy misy afa-tsy ny tafika sisa no ianteheran'ny FAT

tena marina io eee ! ny tafika voavidy vola fa mbola hisy farany avokoa ny atao ee ! fa nga ny faty tsy ho ritra zay volany eo nefa eee ! dia ho hitan'ny havany eo fa valy fingika fingaka oa ee
3. andrywui ( 25/07/2010 14:01)
noue !.. inona lety zany fingika , fingaka zany ?

- ka le tafika mihitsy anie no manohana ny tgv fa tsy ny tgv tsony zao no manohana ara-bola ny tafika e! satria : raha vao miongana eo ny fitondrana sanatria de efa sur ry lerony fa hiditra amponja daholo anaovanze mpitondra vaovao eo azy de aleondry lerony tafika manohana mafy sy mitazona mafy miangavy ny mpitondra HAT fa mataoatra ry lerony ! azon'i noue ve le fika nle resaka e ??
4. andrywui ( 25/07/2010 14:03)
- Miaro mafy ny rambony tsy ho tapaka daholo ny tafika amin'izao dia miangavy mafy ny Mpitondra mba tsy hiala fa tonga de Tsiafahy eo daholo de zay le mampasiaka ny tafika amin'izao io! ny tena loza anefa de amindry lerony tafika ny hery sy ny tanjaka (basy sy tafondro ) ary ny 70% nle tafika manohana anle HAT io daholo !

inona ary ny fika ???
5. diloo ( 25/07/2010 14:42)

Sali Ruz9, sali Noue,
Io voalazan'i Ruz9 io ny fond ny olana, resaka franco-HAT. Koa misaotra indrindra tamin'ny famelabelarana nataonao.
Ny fahitako azy koa, miandry ny fametrahan'ny vozongo ny système tiany apetraka sy tiany ho mafy orina, mialohan'ny hanomezany feu vert ny retour à l'ordre constitutionel.
Ny zava-baovao aseon'ny vozongo fotsiny, dia efa manome endrika an'ny HAT izy fa hiova fenatra izy atsy ho atsy, satria vita ny antony nampiasana azy ireo.
Heveriko, fa voatery ihany la frantsa, hifanaraka @'ny bekintana, ny rain'i boto, sy ny CE ary indrindra ny SADEC, mikasika ny bizina UA.
Efa tsapan'ny gaulois fa raha mitarazoka ny afera malagasy izy, dia malazo ny image manjo azy manoloana ny CI. Indrindra, fa mahazo vahana ny karana sy ny sinoa, izay mpanjanaka tao aoriany.
Ny zavatra mahagaga koa, inona marina no mahatonga an'i rasarkozy mipanika mikasika an'i Joyandet sy ny fomba fiasany mikasika ny raharaha HAT. Misy vola caisse noire tsy tiany ho fantatry ny vahoaka frantsay ve? Misy blanchiment ny vola french connection ve? Hitsipaka ny raharaha bolloré-CGM sy ny bola-bolagate(BDR) ve?
Sa kosa, miomana hametraka olom-baovao hisolony an'i andry TGV, izay mety nandiso fanantenana azy no koa tsy dia manana charisme politika manoloana ny CI?
Ahazo vahana ve i Pierrot, izay miandry ny fotoanany ankehintriny?
Message politika mazava amiko ireny jerikina nataon'i satanier ireny, mikasika ny FIS (izay miankina amin-dreo ny fiarovana ny système FATE).
Ny FATE tsisy basy=mihinana ny fatiny.
Ahoana tokoa ny fipetraka ny baolina sy ny mety hanjo ireo FATE ireo, raha ohatra ka hiverina ho neutre ny miaramila?
6. Noue ( 25/07/2010 17:37)
sali diloo

Ny FATE tsisy basy=mihinana ny fatiny.

o l'ty wiwi aaa ! ialahy nga tsy mahay tena gasy klet'ieee ! ialahy no tsy mahazo resaka zany koo
7. andrywui ( 26/07/2010 06:00)

tsy any no olana, ny olona dia ny fiziriziny eo @ fitantanana ny firenena na hita izao aza ny tsifahombiazany.
ka efa hoe tsy hijanona eo ny oul , tsy hilatsaka ka fiziriziriana inona ndray e! mila oul fotsiny am fanomlanana ny fifidianana sady sao mananibohitra eo lay raikalahy voboty iny no hianoanoana eo alou

Ahoana tokoa ny fipetraka ny baolina sy ny mety hanjo ireo FATE ireo, raha ohatra ka hiverina ho neutre ny miaramila?
sali diloo ... nandeha tsara ve ny varotra ny WE ? hon hon zao le izy e!tsy hiverina ho neutre zany mihitsy ireo miaramila ireo satria raha vao miova loko hafa eo le fitondrana de tsisy afa-tsy ny hanagadragadara Tsiafahy ny miaramila amperin'asa izao no ho ataonze tonga eo ! mazava be izay !! otrizay foana tsinona le lohan'ny gasy !! de aleo samy miaro ny rambony !!


--- miaro ny rambony ny miaramila (mba tsy hiditra Tsiafahy sns...) = Tsy famelàna loko hafa hiditra eo !!
8. xxwx ( 26/07/2010 07:37)
Ruz,diloo, Noue

Masaka tsara kosa rafozakely tato izany klé
Ampidiro ao anaty lohan-drangahy ao marina reo kôzy ireo e
Petsa sahady ny hevitra taingina e
9. pikatti ( 26/07/2010 18:16)
Ruz9:

Atao fialokalofana foana ny hoe ny VAHAOLANA SAMY MALAGASY. VAHAOLANA MALAGASY SAMY MALAGASY ANGAHA ITY FIFIDIANANA KETREHIN'NY FAT SAMIRERY ITY SADY MIHEMOTRA TSY MISY FARANY ITY? TSIA AVY HATRANY ny valiny. SOLUTION FRANCO-HAT IO.

Hitan'elah le fikafika 90% ao olon'ny tgv , midika mazava ho azy izany fa lafrantsa, satria ry zalahy ireo no tena mitetika le sôsibe solika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0961