raha ny toy izao aloha d tsy hay tsony hoe aiza ihany no aleha ?????

1. ravatorano ( 08/06/2010 14:57)
Raharaham-pirenena
Anjakan’ny petatoko sy fihemoran-dava

Tsy hentitra amin’ny fanapahan-kevitra sy ny teny ary ny fampanantenana atao ny mpanao politika sy ny mpitondra eto amintsika. Ho an’ny fitondrana, manjaka ny petatoko sy ny tefy maika, ny fihemorana lava sy ny fivadibadihan-kevitra.

Ny ankolafy telo, efa mihakely hery ka mamafy hevitra tsy voadinika ho an’ny mpanara-dia azy. Tsy mahagaga raha tsy resy lahatra intsony ny vahoaka ary leo amin’ny fomba fanaovana politika eto.

Nambaran’ny fitondrana tamin’ny taon-dasa, ohatra, fa alohan’ny 26 jona ny fahavitan’ny fifidianana Filoham-pirenena. Natsidika indray fa ny 20 marsa teo ny fifidianana ary nahemotra ho amin’ny volana mey… saingy tsy tanteraka ihany. Tsy voahaja ny « Teny ifampierana » teny Ivato : fifidianana depiote no hoe hatao mialoha, nefa novaina ho fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 12 aogositra. Ny dinika nasionaly tokony ho natao tamin’ny 27-30 mey, nafindra tanana tamin’ny «Raiamandreny mijoro». Nokasaina hatomboka omaly ny dinika santatra any anivon’ny Faritany teo aloha, lasa hatao isaky ny distrika 119… amin’ny andro tsy fantatra. Enim-bolana izay no nanambarana ny ady amin’ny dahalo amin’ny alalan’ny helikoptera. Tsy nisidina indray mandeha akory izany taorian’ny nitokanana azy, ny volana marsa teo. Efa tany am-piandohana no tsy nazava ny foto-kevitry ny fitondrana : nilaza matetika tsy hanao fifampidinihana, ohatra, nefa nanao ihany ; indraindray, nilaza mbola hifampidinika, toy ny tamin’ny Pretoria farany teo, nefa tsy nandeha intsony. Izay nekena sy natao sonia nivadihana : ny satan’i Maputo sy Addis-Abeba. Vao ny tamin’ny asabotsy teo, niseho indray ny petatoko sy tefy maika tamin’ny fanombohana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fahaleovantena teny Andohalo. Tsy fahaizana, tsy fahombiazana, tsy fahafehezana andraikitra… ?

Ny ankolafy telo koa

Tsy afa-bela amin’izay petatoko sy fihemoran-dava izay koa ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy roa : Zafy sy Ratsiraka. Nampanantenaina herintaona toy izao, ohatra, fa ho avy ny faran’ny volana avrily 2009 ny Filoha Ravalomanana. Nandrasana sy nohamafisiny indray fa hankalaza ny fetim-pirenena eto Ravalomanana ny 26 jona 2009 fa tsy mbola tonga ihany. Efa tsy azo an-telefaonina teny Ankorondrano aza ny Filoha teo aloha tamin’io fotoana io ka nilazana fa efa an-dalana. Amin’izao fotoana izao, hirahirain’ny ankolafy telo eny an-kianja fa ho avy eto alohan’ity 26 jona ity ny Filoha roa lahy : Ratsiraka sy Ravalomanana. Inona indray koa ny manaraka ? Tsy zava-baovao ny fampanantenana fandresena, famaranana ny krizy, ny faharesen’ny Fat, sns.

Hatramin’izao, ny omaly tsy miova ihany ny raharaham-pirenena. Ny vahoaka no tena fadiranovana amin’izany rehetra izany. Tsy hitany intsony hoe iza no tena manana ny marina sy manatanteraka ny teniny. Na ny firaisamonina sivily, lazaina fa misy ny olom-pirenena tsotra ankapobeny aza, mizarazara be ihany : efa nisy, ohatra, ny nilaza fa hanao hetsika, raha tsy misy fifanarahana ny any Addis-Abeba. Mbola izao ihany ny raharaha… Iza na inona no andrasana vao hilamina izao ? Leo sy lao ny vahoaka.

Synèse R. sy R. Nd.
gazety taratra
08/06/2010
http://www.taratramada.com/spip.php?article1101
novalian'i pikatti ny 09/06/2010 22:05
2. rijadolly ( 08/06/2010 16:25)
Ny fanotaniana tokony hapetra voalohany aloha dia ny hoe: Inona ny vato misakana tsy afahan' ireo ankolafy nahazo kiana ireo? Ny valiny araka ny hevitro dia tsy manan- kery hanantanteraha azy izireo, satria izany hery izany tsy eo an- tananany. Inona io hery io? samy hafa araka izany io hery io amin' ankolafy samy hafa. Ny manam- pahefana amin' izao ( HAT) dia ny " fankatohavana iraisam- pirenena" ny fitondrany no hery tsy eo an- tananany mba hanantaterahany ireo fifidianana ireo; Ny mpanohitra indray dia " sécurité " no hery tsy ananany. Satria na dia ny Mpanoratra aza eto mahatsapa fa mihen- kery izireo noho ny inona? mety ho anisany ny voalazany matetika hoe: ho avy ny filoha teo aloha, nefa inoako fa tsy dia mavesatra amin' izy ireo izany mihotra noho ny hery mamoritra azy tsy hietsika fa miforitra anaty ao fotsiny ilay tiana ambara.
Raha ny zavatra nampanatenaina dia tsy atao mahagaga satria na dia ny mpanohitra eto an-toerana aza nosamborina tsy misy mpiaro, io ihany koa ny antony iray tsy hankatoavan' firenena mikambana izao Fitondrana izao satria tsy hita ilay demokrasia.==> tsy misy azo atao fa ny eo ihany no miverina.
3. pikanety ( 08/06/2010 17:58)
tsy olona natao hitondra anie ireo e,jereo ny scoreny rehefa misy election eto @ tanana,ny program an'ireo dia hoe ra8 degagé,izay ihany ka inona moa ny zavatra handeha amin'izany
4. fijo ( 08/06/2010 20:07)
marina io voalazan'i rija io.samy tsy ampy "hery" ireo andiany roa ireo.ka izay indrindra no hilana ny fifanantonana handravonana azy sy ahazoana ireo hery ireo,hamitana ny tetezamita.rah atsy misy fifanatonaa sy dinika hiraisana ,dia eo ihany isika,ary ny vahoaka no hiazaka izany
5. Mirananirina ( 09/06/2010 06:16)
fa iza aloha ireto "petatoko sy tefy maika "fa tena tsy haiko??
6. terrywui ( 09/06/2010 16:28)
"peta-toko" le coup d'etat "vendrana nataon'i MOMO kely sy ny mpanao magie ny iny !!
"tefy maika" efa nolazain'ireo officiers (mbola betsaka ireo te hanao iny coup d'etat iny ny officiers) fa nopotehinle MOMO nandra de iny kofona be iny !!...zao niala ilany daholo ry lerony fa efa petsa ry MOMO mianakaby kou!......
7. pikatti ( 09/06/2010 22:05)

tsy misy azo atao fa ny eo ihany no miverina.

resaka guerre psychologique d'usure , aloha ekena,misy ny fanoherana hita maso (Magro , mpanao gazety, radio, ex-ministra ,miaramila.... sns )fa mba hahomby tsara ny tetika dia misy koa ary betsaka ny fanoherana tsy hita maso(diplomatie sns....) ary io no tena mitondra ny baolina hatreto, Frantsay , Sadec, Usa, UE,UA,ONU,izay tsy hafan'ireto foza manapi-bava ny tolona misy,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3889