hasarotampiaro diso tafahoatra , maladie ve sa ????

1. moustaraf ( 03/06/2010 13:54)
Vehivavy ity resahiko ity an, mitaraina amiko ilay lehilahy fa henjana loatra ny regime iainany ka mba mila torohevitra e:
-ady lava no ao an-trano satria
1/tsy mahazo mijery film ka vhvy no rôle
2/tsy mahazo mijery vaovao raha vhvy no présentatrice
3/tsy mahazo miherikerika rehefa mandeha an dalana
4/tsy azo atao ny mankafy hira hiraina vehivavy, na clip
5/tsy mahazo mandeh irery mamonjy lanonana na dia samy mpiara miasa aza, snsn....
efa 3 ny zanak'izy reo @ zao, ary atahorana be ny mety haharava ny tokantrano,efa ho 10 taona no nivadiana.
novalian'i labouche ny 26/01/2012 10:26
2. soanja ( 03/06/2010 16:42)


Vehivavy ity resahiko ity an, mitaraina amiko ilay lehilahy fa henjana loatra ny regime iainany ka mba mila torohevitra e:
-ady lava no ao an-trano satria
1/tsy mahazo mijery film ka vhvy no rôle
2/tsy mahazo mijery vaovao raha vhvy no présentatrice
3/tsy mahazo miherikerika rehefa mandeha an dalana
4/tsy azo atao ny mankafy hira hiraina vehivavy, na clip
5/tsy mahazo mandeh irery mamonjy lanonana na dia samy mpiara miasa aza, snsn....
efa 3 ny zanak'izy reo @ zao, ary atahorana be ny mety haharava ny tokantrano,efa ho 10 taona no nivadiana.



Mba mahagaga koa izany, tsy tazana ve izay toetra izay talohan'ny nanambadiana?

Raha tsia dia fantaro ny antony nanova ilay toetra ho tsy zaka intsony.

Ny olona manana izany fahasarotam-piaro diso tafahoatra dia tsy ianao vadiny ny olany fa ny tenany. Tsy mahatoky tena ary tsy ampy fijerena ny fiainana ho zavamahasoa rehefa ny tenany no resahina.

Tsy mahasalama ny manambady olona saropiaro loatra satria be ny adidy, indrindra ho an'ny ankizy efa nateraka sy tokony karakaraina. Tsara ny mitady psy hanampy azy hampiakatra ny momba azy (ilay vady saropiaro) ary omena fotoana izy hiova sy hanatsara ny filaminan'ny tokatrano. Ianareo roa mifampiresaka dia midika fa ianareo roa no miray ekipa amin'ny fiainana. Raha tsy misy ny ezaka dia afaka mifanao veloma satria mihelina ny fiainana. Tsy natao hifanelingelenana fa natao ifanampiana. Raha tsy misy fifanampiana ny tokatrano dia tsy hita izay hitondra soa amin'izany. Ny fitsinjovana ny zanaka no zava-dehibe rehefa hitanao fa nanao izay vitanao ianao vady mampiorina ilay fitiavana mahasoa aminareo roa.

Tsy mora ny miatrika olona saro-piaro, fa ianao lahy no tokony voalohany mitsangana amin'ny maha lehilahy. Saina matanjaka miteny fa tsy tsara izany ary fo mitia manome azy izay tsy ampy eo aminy hampiakatra ny momba azy. Alaviro ny adilava. Raha misy izany dia teneno izy hoe " satriko raha tsy hiady isika fa hiresaka, toneo ny fo. Ilay vadinao no iresahanao fa tsy fahavalo akory."

Rehefa miresaka aminy dia izao averina aminy hoe :" Tsy ny hafa ny olana fa ianao. Ianao tsara mamiratra eo anatrehako sy tiako. Raha hitanao ny masoko mijery sy mibanjina ilay nanamboarako ny sombinaiko dia hilamina isika."
3. mmmhh ( 04/06/2010 07:22)
zah mba saro-piaro fa ity kosa toa efa trop ka, aiza kou de tsy mahazo mijery film raha vao vehivavy no mi-jouer, na vaovao raha presentatrice vehivavy ???

Ny hasarontam-piaro dia toetra , tsy hataoko hoe novolena, fa voavoly, maniry ho azy ao anatin'ny tsirairay, mety ho vokatry ny nataon'ilay olona miaraka aminao dia lasa saro-piaro enao, na noho ny nataon'ny olona niaraka taminao taloha, na vokatry ny fitarafana ny fiainan'ny manodidina anao (mpiara-miasa, mpiray monina, mpiray tampo na koa ny ataonao mihintsy aza,) dia mety hieritreritra enao we ny ahy koa zany manao an'izany any ambadika any.
Ny hasarotam-piaro anefa dia tsy inona fa vokatry ny eritreritra mamorona zavatra, mety ho eritreitra mitombina , mety tsy mitombina,
ohatra we, tara fodiana ny vadinao, de efa lasa ilay eritreritra e, mety mampiarak iny zay any,
na koa we, nody izy tsy mihinan-kanina, de lasa ny saina we, niaraka t@ iza ary izy nisakafo tany?
be dia be e, ... amiko ny hasarotam-piaro dia aretina miteraka aretina, satria ny tena ihany no mijaly @ le izy, vokatry ny saina mamorona zavatra be loatra,
4. katiaa ( 04/06/2010 07:49)

Marina daholo izay voalaza etsy ambony fa mba ampiako kely fotsiny.

Za mahita hoe raha misy saropiaro ny iray na lahy io na vavy dia tsy ilay iray voan' ilay aretina iny ihany no afaka mitsabo an' ilay izy ho afaka fa tsy maintsy hiarahan' ny roa tonta miaraka.

Mila resahana mba hivoaka hoe inona no tena nahatonga an' ilay izy fa raha tsy fantatra ny pb aona arany no hitsaboana azy. Mety hety anefa izay lazaiko 'zay raha mbola tsy novonoin' ilay fahasarotam-piaro ilay fitiavana ka izay fitiavana misy izay no hifantohana toy izay hoe "mankaleo ahy mihitsy iny", "za tsy maninn akory d wawawa foana". Eny ee, raha tiana izany ilay olona d mety azo hiarahana mitsabo ilay izy ee, fa rehefa leo ny ray d ... ny fahasarotam-piaro no fiantombohan' ny fiafaran' ilay fitiavana (euuhhh raha nisy loll)

"Ny aza voany ihany hoy ilay tsy dia mahay miteny izay ..."
5. moustaraf ( 05/06/2010 08:35)



Marina daholo izay voalaza etsy ambony fa mba ampiako kely fotsiny.

Za mahita hoe raha misy saropiaro ny iray na lahy io na vavy dia tsy ilay iray voan' ilay aretina iny ihany no afaka mitsabo an' ilay izy ho afaka fa tsy maintsy hiarahan' ny roa tonta miaraka.

Mila resahana mba hivoaka hoe inona no tena nahatonga an' ilay izy fa raha tsy fantatra ny pb aona arany no hitsaboana azy. Mety hety anefa izay lazaiko 'zay raha mbola tsy novonoin' ilay fahasarotam-piaro ilay fitiavana ka izay fitiavana misy izay no hifantohana toy izay hoe "mankaleo ahy mihitsy iny", "za tsy maninn akory d wawawa foana". Eny ee, raha tiana izany ilay olona d mety azo hiarahana mitsabo ilay izy ee, fa rehefa leo ny ray d ... ny fahasarotam-piaro no fiantombohan' ny fiafaran' ilay fitiavana (euuhhh raha nisy loll)

"Ny aza voany ihany hoy ilay tsy dia mahay miteny izay ..."


tena marina ireo voalaza rehetra ireo, araka ny fandinihako ny atao hoe jalousie,
EFA TOETRA hatramin'ny voalohany niarahana ny azy roa raha ny fahalalako ny momba azy ireo, fa saingy t@ voalohany dia noheverin'ilay bandy , hoy izy , fa digrém-pitiavana vao mitsiry cy avo dia avo ity an'ilay vadiny ka tena very ny anao lahy,
fa @ izao efa telo anaka izao vao tena hita fa mampahavesatra ny fiainana ilay izy satria eo ny adidy sns...
MBA NIPETRAKA tany an dafy elaela ihany ny tena ka afak amanao fampitahana ny momna by fanatonana PSY,
ATy Dago dia mbola vitsy izy ireny, ary noho izany tsy mahazatra ny gasy velively izany ka eo indrindra ny olana,
Fanampiny:
Ilay madama dia tena olona sariaka raha jerena indray mijery, na firesaka na fomba , na fandraisana olona, sy @ manodidina, ary raha mba nandihady ny proche ny aho dia hafa ny image asehony mikasika ilay vadiny: "tena olona tsara fanahy raha iny, sambatra aho manana azy, izao sy izary...." hany ka na ny hanampiana azy dia tankina eo ianao.
ka ahoana moa ny hanampiana azy raha tsy mety tsapany fa mampijaly ny iray anie ny toetrany???
ARY izy dia ireny olona tia mananatra ny hafa irony,
Tsy haiko izay conseil homeko ilay namako, na izaho aza lasa mijaly saina miaraka aminy koa,
Marihko fa na dia maso sendra mivilana aza dia ahitana angano tokoa
FANtatro anefa fa raha ilay madama dia tena tsy hahtanty fisarahana @ ilay bandy vadiny.

NISY démarche mba nataon'ilay bandy hoe: asaina mialavoly ilay madama matetika , miditra association, club de sport, natation, sns.... fa e e e! mba hananany namana maro sy hi- distraire azy.
@ izao fotoana anoratako izao dia fantatro fa manomboka manana sakaiza ilay bandy, mbola te hi sauver io couple io anefa ny tenako, toroy hevitra ihany sao mba .....
6. Mirananirina ( 05/06/2010 14:51)
Hono hoa mba tiako ho fantatra,ilay ramatoa izany tsy mijery raha vao lehilahy no ao @télé sa ahoana????sa mijery izy fa rangahy no tsy mahazo raha vhv no ao??
7. Djhamhal ( 07/06/2010 08:08)
efa nandalo kely tamin'io ihany za fa ny ahy ny ataoko ihany no ataoko ! zany oe zé fahafahana sy zo tokony ho anana'ny lehilahy dia tsy maintsy ataoko ! ary matetika gidragidra lé izy fa tsy maintsy mitrôtra enao raha té ho tafavoaka @ io ! tsy vaha olana kosa anefa ny oe ndeha hampirafy za fa any no mahazo fahafinaretana sy tambitamby fa tsy ôtr'ty vadiko ty ! fa tsy maintsy asehonao sy resenao lahatra izy fa manantsafidy malalaka ny tsirairay fa tsy toy ny sôvaly tampena-maso akory !! mahereza é!
8. moustaraf ( 07/06/2010 13:20)
ilay madama dia libre tsara mijery izay tiany jerena ka! film, clip, mozika, ect...fa ilay bandy no tsy afaka mihitsy amin'izay mba tokony ho hita sy jerena. izany hoe rehefa sex feminin; na olona na sary , na feo ,na inona na inona dia itrangan'izany hasarotana izany daholo.
9. soanja ( 07/06/2010 21:54)


ilay madama dia libre tsara mijery izay tiany jerena ka! film, clip, mozika, ect...fa ilay bandy no tsy afaka mihitsy amin'izay mba tokony ho hita sy jerena. izany hoe rehefa sex feminin; na olona na sary , na feo ,na inona na inona dia itrangan'izany hasarotana izany daholo.


Tsy tena hasarontam-piaro no fijery an'io fihetsika sy fomba fisainana io fa " fanjakazakana amin'iray izay heveriny fa malemy" na " controlling woman".

Sarotra ny manova izany olona izany fa ny fanomezana azy fotoana hiovany miaraka amin'ny lisatra ny zavatra tsy zaka ka mety sy afaka ialany tokoa, ka ny vadiny ihany no afaka miresaka aminy izany satria izay no iharan'ny fanandevozana/ fanjakazakana.

Raha tsy mahavita izany anefa ny lehilahy dia aleo misaraka satria tsy hankaiza izany fianakaviana misy tsy fifandanjana izany ary indrindra raha hisy ny fampirafesana dia vao maika hiditra an-davaka.

Ny fiarahana dia mamy foana amin'ny voalohany fa rehefa elaela dia tsy maintsy viavy roa indray no atrehany miaraka amin'ny olany avy, ka hilaza aho fa tsy mora io raha lehilahy somary malemy toy izao voalaza izao.

Mazotoa indray ary!
10. moustaraf ( 08/06/2010 08:30)
Ny TENA Marina dia tsy hoe malemy na faible ilay bandy , fa olona nianatra be ze ilay izy ary azo lazaina fa expert en communication ,psychologie etc.... tout ce qui est relationnel ect... ka io fahalalany io no nahatonga ilay 10 taona nivadiana ,vao mitaraina ny anao lahy fa tsy tafavoaka intsony ny tolona. EfA NAMPIASAINA DAHOLO NY STRATEGIE TECHNIQUE SY THEORIQUE REHETRA fa nandamoka avokoa. jaloisie sa dominance ? mifangaro votaka ao daholo ireo rehetra ireo fa saingy @ i sex féminin ihany no itrangany, @ resaka hafa dia tony ny resaka izay ifanaovana
11. vale ( 08/06/2010 11:29)
Bjr,
manamafy ny voalazan'i Soanja etsy ambony zah fa ny TSY FAHATOKISAN-TENA no mahatonga azy hanana toetra tahaka izany, ka anjaranao ny miezaka mi-rassurer azy, fa tena aretina ilay izy, fa tsy fanahy iniany akory, mehereza!!!
12. maryline ( 08/06/2010 14:59)
fa gegy koa izany fahasarotam- piaro izany hihih tokony ho tapahany ny an' ilay vadiny de ataony firavaka hahaha
13. soanja ( 09/06/2010 02:38)


Ny TENA Marina dia tsy hoe malemy na faible ilay bandy , fa olona nianatra be ze ilay izy ary azo lazaina fa expert en communication ,psychologie etc.... tout ce qui est relationnel ect... ka io fahalalany io no nahatonga ilay 10 taona nivadiana ,vao mitaraina ny anao lahy fa tsy tafavoaka intsony ny tolona. EfA NAMPIASAINA DAHOLO NY STRATEGIE TECHNIQUE SY THEORIQUE REHETRA fa nandamoka avokoa. jaloisie sa dominance ? mifangaro votaka ao daholo ireo rehetra ireo fa saingy @ i sex féminin ihany no itrangany, @ resaka hafa dia tony ny resaka izay ifanaovana


Betsaka ny olona fantatro mampiasa fanjakazakana toy io amin'ny resaka vola ao an-trano fotsiny. Ity iray ity izany dia ny vehivavy no olany satria nalalaka tsara izy nomena bahana hatramin'izay nampiasa izany satria nihevitra ny iray fa fitiavana avo lenta, taty afara anefa dia lefy ihany izany fanekena fa tsy izay no mitranga. Satria izay tiana dia omena fahafahana amin'ny mahaolona azy handrombona ary hanome fitiavana miverina aminao koa hanafaka anao. Sa tsy izay!
Mora ny manjakazaka amin'ny lafiny " fiarovana" na " hasarontam-piaro" satria mifandray eo amin'ny tsipika manify ny fitiavana sy ny fahefana.
Amiko ny iray manaiky iaparan'izay koa aman-taonany dia mila fitsaboana satria malemy tsy afaka mampiseho ny mahaizy azy, hametra ny fahafahan'iray manelingelina ny fiodin'ny fiainany. Olana izany ary tsy vitan'ny fahaizana, diploma any ampianarana sns sns ny mamaha izany rehefa tojo azy fa tena ny fitsanganana ny hoe "iza ianao ary hatraiza ny fahafahan'ny hafa mangeja anao. Na ara-piarahamonina io na ara-batana na ara-tsaina"

Ny famelarana ny fetra ihany no ahalalana fa matanjaka ny iray na tsia amin'ny ziogan'ny fanjakazakana.

Mazotoa izany namako!
14. 3188 ( 10/06/2010 18:19)
tena dange be kou zany leaza a!tsy aleo tonga fatorana eo am-pandriana dia tapenana ny masony hi hi hi zay zany ilay didy dimy fa tsy folo
15. 3188 ( 10/06/2010 18:21)
tena dange be kou zany leaza a!tsy aleo tonga fatorana eo am-pandriana dia tapenana ny masony hi hi hi zay zany ilay didy dimy fa tsy folo
16. kotobekibo ( 25/06/2010 22:39)
raha za dia ipitsihako izany, tsy mety @ fihainako!
hahahahaha

17. milamm ( 26/06/2010 15:20)
marn zany kotobekibo , tonga de elao pas fa tsisy mpizaha.sangy mihoatsa ny loha zany
tsy vitany sexist fotsn fa macho ,ny tsara @io lhl anaty tranga io de mivady @ lhl mitovy fisainana aminy lol
18. arialy ( 28/06/2010 09:39)
hahaha izay ndray za vo nahita tantara otran'izany, isaorako ny Tompo aloha fa za tsy saropiaro loatra é, na ilay vehivavy saropiaro aza ve tsy vizana ny sainy hi contrôler anireo rehetra ireo?
ilay lehilahy moa sûr fa vizana be mandrapaha ahitany fika ialana ami'ny lalàna avoakany vadiny.
en tout cas tôt ou tard tsy maitsy mahita fika ny olona voageja hialana amin'izany sinon misaraka ny farany, ahoana no iainana amin'izany ? tsy maladie aloha io fa hagegena amiko é, ahoana no hiainana amin'izany, na ny resaka ifanaovana aza anie ho limité amin'izany é, ts afaka hisangy, tsy afaka hifapizara ny rehetra fa sao manafitohana andramatoa na mapisy doute azy .
Sa kosa ilay lehilahy mandrangitra ny vadiny foana am ny vehivavy? misy koa lehilahy manao izany manko, fa na de zany aza tsy fiainana izany sarotiny be lotra zany .
19. nathie86 ( 01/07/2010 05:43)
trop b ko zany, mdrrr. Olona misy pb ngamba zany
20. Miharena ( 07/07/2010 07:08)
Hoy Moustaraf:
"Ny TENA Marina dia tsy hoe malemy na faible ilay bandy , fa olona nianatra be ze ilay izy ary azo lazaina fa expert en communication ,psychologie etc.... tout ce qui est relationnel ect... ka io fahalalany io no nahatonga ilay 10 taona nivadiana ,vao mitaraina ny anao lahy fa tsy tafavoaka intsony ny tolona. EfA NAMPIASAINA DAHOLO NY STRATEGIE TECHNIQUE SY THEORIQUE REHETRA fa nandamoka avokoa. jaloisie sa dominance ? mifangaro votaka ao daholo ireo rehetra ireo fa saingy @ i sex féminin ihany no itrangany, @ resaka hafa dia tony ny resaka izay ifanaovana "

Raha io no jerena dia mandalina izany le bandy ka tokony tsy ho olana loatra ny fanovany ny vadiny.

Controle permanent ataon'ny vadiny no mitranga eto. Olona possessive ilay ramatoa izany ary tsy manana pied sur terre fa mirimorimon'izao fiheverana tsy mahomby rehetra izao ny sainy dia miteraka tahotra ny tsy ho firaharahain'ny vadiny azy. Misy complexe d'infériorité be ao aminy nefa koa te-handrombaka tanteraka ny attention'ny vadiny foana izy. Tsy saro-piaro izy fa possessive sady zaza saina. Fitaizana ara-tsaina taloha no nahatonga izany ary azo lazaina fa kely bagage izy amin'io lafiny fifandraisana aman'olona io nefa mibodo mampanjaka izay heveriny ho marina amin'ny fitazomana ny vadiny ho azy (izay tsy mandao akory fa fiheveran-diso ao aminy fotsiny no misy).

Izay le théorie aloha raha dinihina.

Pratiquement indray, dia ilay lehilahy no mila mamaha tsikelikely izay toetram-badiny izay. Tsy hatao théorie fa pratique.
Jerena izay tsy ampy ao an-trano. Ny fifanakalozan-kevitra ve? ny fitaizan-tsaina sy fitaizam-panahy ve? Ny fifaneraserana aman'olona ve misy olana (tsara fantatra izay namany mambotry ny fisainany eto)? Dia ireo no ezahana ary ny lehilahy amin'izay no mila mamboly ireo circonstances rehetra ahazoana mijery ireo fanontaniana ireo. Raha be théorie fa tsy mahomby amin'ny pratique dia naman''ny tsy manana ihany.
Ankoatr'izay dia raisina ho mpampianatra koa le vehivavy e! dia mba zarao aminy izay azonao aminy dia omeo izay ao amponao koa izy dia mifampizara amin'izay fa tsy atao mandeha ila fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1936