Satria nahita ahy hianao dia nino

1. niryna ( 18/05/2010 05:26)
19 Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorana ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.

20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.

24 Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.

25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tànako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho.

26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.

27 Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tànanao, ka jereo ny tànako; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa.

28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamantro!



29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.Jaona 20:19-20

Indraindray isika dia manao ny ataon'i Tomasy,tsy mino maty raha tsy avy mandevina -Sambatra kosa izay tsy mahita azy kanefa mino
Ahoana no ataonareo rehefa sendra misy fisalasalana kely iny ao anaty ?
novalian'i niryna ny 28/05/2010 02:27
2. xxx ( 18/05/2010 05:43)
:?: ka Tomasy ange ka réalista e
3. Mirananirina ( 19/05/2010 13:03)
mahagaga tokoa hoe ireo olona nahita an'i Jeso nefa tsy mino.Ary ny tsy nahita mino.
4. ikaretsaka ( 19/05/2010 14:09)
Etre realiste: c'est savoir observer les évènements qui se passent dans son environnement, interpreter les observations acquises et émettre une hypothèse plausible
5. soanja ( 19/05/2010 14:15)
niryna:

19 Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorana ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.

20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.

24 Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.

25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tànako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho.

26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.

27 Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tànanao, ka jereo ny tànako; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa.

28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamantro!



29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.Jaona 20:19-20

Indraindray isika dia manao ny ataon'i Tomasy,tsy mino maty raha tsy avy mandevina -Sambatra kosa izay tsy mahita azy kanefa mino
Ahoana no ataonareo rehefa sendra misy fisalasalana kely iny ao anaty ?



Amiko ny finoana dia tsy misy fisalasalana fa rehefa mino dia mino. Ny zavatra tsy hita no inoana. Tsy hita maso Andriamanitra. Tsy misy fisalasalana ny finoako azy.

Raha resaka hafa kosa no ilazana ny fisalasalana dia izao no fahitako azy:

Ny fisalasalana dia vokatry ny tahotra. Ny tahotra anefa dia isan'ny mahaolombelona. Noho izany normal raha manana tahotra isika indraindray saingy izany akory tsy midika hoe ratsy. Ny tahotra no manome antsika hery bebe kokoa hitandrina ny zavatra atrehina ary ampiasaina ny saina eo ampiatrehana azy.
Ny tahotra koa anefa isany mampihemotra ny tsy firosoan'ny finoana hanjaka. Noho izany , mila fotoana ny zavatra iray toa ka mampisalasala satria ny fotoana no manome fisainana. Ny fotoana no manome fahafahana mivavaka. Mila fantarinao ny fifandanjan'ny finoanao sy ny mahaolombelona anao izay matetika mitaky zavatra tsapa!


6. niryna ( 28/05/2010 02:19)


:?: ka Tomasy ange ka réalista e


Dia ahoana
7. niryna ( 28/05/2010 02:21)


mahagaga tokoa hoe ireo olona nahita an'i Jeso nefa tsy mino.Ary ny tsy nahita mino.
toa fomban-javatra tokoa ilay izy ka,tsy mino maty raha tsy efa avy mandevina
Io doute ataon'i Tomasy io dia lasa fomba fiteny
8. niryna ( 28/05/2010 02:27)


niryna:

19 Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorana ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.

20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.

24 Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.

25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tànako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho.

26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.

27 Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tànanao, ka jereo ny tànako; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa.

28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamantro!



29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.Jaona 20:19-20

Indraindray isika dia manao ny ataon'i Tomasy,tsy mino maty raha tsy avy mandevina -Sambatra kosa izay tsy mahita azy kanefa mino
Ahoana no ataonareo rehefa sendra misy fisalasalana kely iny ao anaty ?

soanja:


Amiko ny finoana dia tsy misy fisalasalana fa rehefa mino dia mino. Ny zavatra tsy hita no inoana. Tsy hita maso Andriamanitra. Tsy misy fisalasalana ny finoako azy.
izay koa aloha e
soanja:


Raha resaka hafa kosa no ilazana ny fisalasalana dia izao no fahitako azy:

Ny fisalasalana dia vokatry ny tahotra. Ny tahotra anefa dia isan'ny mahaolombelona. Noho izany normal raha manana tahotra isika indraindray saingy izany akory tsy midika hoe ratsy. Ny tahotra no manome antsika hery bebe kokoa hitandrina ny zavatra atrehina ary ampiasaina ny saina eo ampiatrehana azy.
ary Atra koa anefa tsy nanome antsika fanahy atahotra,nomeny hery isika mba hino azy ary tsy ho kivy fa hivavaka aminy na inona mitranga na tsara io na ratsy dia misaotra azy foana.Fa rehefa tonga kosa izay fanahiahiana izay dia eo isika no mangovitra
soanja:

Ny tahotra koa anefa isany mampihemotra ny tsy firosoan'ny finoana hanjaka. Noho izany , mila fotoana ny zavatra iray toa ka mampisalasala satria ny fotoana no manome fisainana.
rehefa mandinika an'izany aho dia mieritreritra ny fampianarana antsika amin'ny fanomezana ireo ohabolana marobe.
Ny andro lava hisy hisainana.
soanja:

Ny fotoana no manome fahafahana mivavaka. Mila fantarinao ny fifandanjan'ny finoanao sy ny mahaolombelona anao izay matetika mitaky zavatra tsapa!
misaotra nizara soanja


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.007