Fantatrareo va?
1. soanja
(
28/03/2010 16:18)
Misy zavatra mampihomehy ahy kely dia tiako ho zaraina,
Fantatrareo ve fa tamin'ny andro voalohany nitondra ny soavaly teto Madagasikara ka tonga tamin'ny sambo dia tonga tany mihitsy ny Mpanjaka Radama I nitsena azy. Akory tokoa ny hatairany nahita ilay biby hafahafa nefa mahatsikaiky. Tsipaky ny hehy aloha izy. Nony nisy nitaingina ilay izy nanoro azy ny hatao dia vaky nandihy ny Mpanjaka tsy menatra mihitsy nampiseho ny hafaliana. Nony tonga tany androva dia tsy namelany mihitsy isanandro raha tsy afapo izy nitaingina soavaly.
Mahatsikaiky ahy tokoa ny fahalalana io Mpanjaka io..... :)

novalian'i arialy ny 25/08/2010 10:54
2. ikaretsaka
(
29/03/2010 16:00)
fa ny voamariko t@ io mpanjaka io dia be dia be ny zavatra tsy hainy fa nianarany sy tsy nahamenatra azy ny niteny hoe tsy hainy..
toy ny tao toa masina izy tsy nahalala hoe masira ny ranomasina ohatra

3. rakapy
(
30/03/2010 09:32)
Resaka soavaly ihany ity ! Ary mbola tsy henonareo angaha ny tantaran'ilay moseniera katolika nanao mission nitety faritra tany @ faritry Fianarantsoa iny?
Efa nampianarina sy nolazaina tsara daholo ny zana-piangonana fa handalo i moseniera @ herin'andro. "Vive mon seigneur" sy hira sns...
Tonga tokoa ary ny fotoana. Ity moseniera sy ny ekipany tonga ary nitaingina soavaly ny sasantsasany tamin'izy ireo ary moseniera koa dia isan'ny nitaingina soavaly.
Nisamahotaka ary ny zanam-piangonana, tsy nahafantatra marina hoe iza ary izany moseiniera izany. Ilay moseniera moa vazaha ka tsy dia nanaitra loatra ny zanam-piangonana satria efa mba nisy vazaha nandalo na koa nahita vazaha ihany izy ireo. Fa ilay soavaly dia zava-baovao tamin'izy ireo.
Rehefa akaikin'ny toerana handraisana azy ary ry moseniera dia nibaiko ny zanam-piangonana ny evanjelista hoe rodony amin'izay ny hira. Dia lasa ny hira sns...
Faly be i moseniera nahare sy nahita ireto olona maro be.
Tonga nanantona azy ny zanam-piangonana mba handray tanana azy ka dia ireo soavaly no noraisin'izy ireo tanana fa tsy ilay tena moseniera.
Ary ny tena nahatsikaiky dia ilay teny hoe "vive mon seigneur" dia lasa hoe " Biby moseniera! biby moseniera!...

4. soanja
(
31/03/2010 01:50)
ikaretsaka:
fa ny voamariko t@ io mpanjaka io dia be dia be ny zavatra tsy hainy fa nianarany sy tsy nahamenatra azy ny niteny hoe tsy hainy..
toy ny tao toa masina izy tsy nahalala hoe masira ny ranomasina ohatra
Izy aloha dia tena olona mahafinaritra raha ny fintantarana momba azy!
:D
Fa saingy ny nahavoa azy dia tia toaka sy ampela loatra! :(
Be ihany koa izay vehivavy matiny izay teny amoron-drano. :(
5. soanja
(
31/03/2010 01:54)
rakapy:
Resaka soavaly ihany ity ! Ary mbola tsy henonareo angaha ny tantaran'ilay moseniera katolika nanao mission nitety faritra tany @ faritry Fianarantsoa iny?
Efa nampianarina sy nolazaina tsara daholo ny zana-piangonana fa handalo i moseniera @ herin'andro. "Vive mon seigneur" sy hira sns...
Tonga tokoa ary ny fotoana. Ity moseniera sy ny ekipany tonga ary nitaingina soavaly ny sasantsasany tamin'izy ireo ary moseniera koa dia isan'ny nitaingina soavaly.
Nisamahotaka ary ny zanam-piangonana, tsy nahafantatra marina hoe iza ary izany moseiniera izany. Ilay moseniera moa vazaha ka tsy dia nanaitra loatra ny zanam-piangonana satria efa mba nisy vazaha nandalo na koa nahita vazaha ihany izy ireo. Fa ilay soavaly dia zava-baovao tamin'izy ireo.
Rehefa akaikin'ny toerana handraisana azy ary ry moseniera dia nibaiko ny zanam-piangonana ny evanjelista hoe rodony amin'izay ny hira. Dia lasa ny hira sns...
Faly be i moseniera nahare sy nahita ireto olona maro be.
Tonga nanantona azy ny zanam-piangonana mba handray tanana azy ka dia ireo soavaly no noraisin'izy ireo tanana fa tsy ilay tena moseniera.
Ary ny tena nahatsikaiky dia ilay teny hoe "vive mon seigneur" dia lasa hoe " Biby moseniera! biby moseniera!...
:-D :-D :-D Mahita raha koa ianao zany Rakapy a!
Nisy biby nanaitra ny fahitako azy voalohany fa ny platypus dia tena dadany ka.
http://images.google.com/images?hl=en&q=platypus&um=1&ie=UTF-8&ei=3K6yS8LhMYeEswPQt9D9AQ&sa=X&oi=image_result_group&ct=title&resnum=1&ved=0CBQQsAQwAA
Za aloha vaky hehy ihany saingy tsy nandihy kosa aloha! :D
6. arialy
(
25/08/2010 10:54)
hahaha mapmé anà fa mitovy amle hatsikan'i gothlieb koa ny lazain'i rakapy
le oe: iza no vazaha ilay tengenana sovaly) sa ilay mpitaigina hozy rabenitsara mdrrr