satria matavy ve?

1. xxx ( 06/03/2010 02:07)
Nony niteraka aho dia nahazo kg be, iray taona izao ny zanako, in enina angamba izaho sy ny vadiko no niray tanatin izay fotoana izay fa hoe matavy hono aho. 1m 56 aho ary 70 kg izao. Maivantsaina ve izy ka tsy mijery hafa tsy ny ivelany sa izaho mila manena tena hanejika ny fitiavany?
novalian'i karinah ny 17/03/2010 13:12
2. arialy ( 06/03/2010 03:55)
raha hanena tena ianao dia ho anao aloha vao hoan'ny olona hafa, raha tsapanao fa tena ilainao ilay izy, raha tsapanao fa tena important hoan'ny fiainanao ( épanouissement perso sy ny tokatrano sns ...)
mahereza
3. Djhamhal ( 06/03/2010 05:03)
in enina angamba izaho sy ny vadiko no niray tanatin izay fotoana izay fa hoe matavy hono aho

Fa raha ny tokony ho izy dia impiry ??? na ianao ihany angamba dia efa mahafantatra ny fahazarany sy ny fomba fanaony ! fa ny fahitako azy dia zarany aza misy io teo-batanao io hamaharany ka hanakonany ny @ zay zavatra ataony any ambadika any ! io angeh azo kianina fôna ny olona iray refa misy tsy fahazoazoanao ny olona iray é! refa kely kianina ; ngeza kianina ; fa jereo sy fakafakao fa mino tanteraka aho fa misy antony hafa ao !
raha tena tia anao izy dia izy miitsy ary no hitady vaha olana(na miaramitady ianareo) hanao izay haha kelikely anao ! satria aza hadino koa fa ny vady anie jerijery é! :-D :-D :-D ! mirary soa é!!
4. xxx ( 06/03/2010 11:49)
Ilay hoe impiry Djamal, inenina anaty taona iray anie izany e.....fa misy fahamarinany daholo ny lazainareo. mieritreritra mihitsy aho indraindray hoe, angamba misy zavatra any ambadika any fa izao peratra mariazy-ny izao mody adinony indraindray anefa izy manana memoire be...
5. xxx ( 06/03/2010 12:13)
Ny fahitako izany indray dia izao hoe: rehefa nokotinay tovolahy ianareo tovovavy fony mbola fahiny dia mi-joué be tao anatin'ny safidinay ny endrik'ivelanareo, dia mety aty aoriana izahay vao mahita ny hatsaram-po na tsia anareo. Ka noho izany raha miala izany io hatsarana ivelany hanananareo io dia ny hatsaram-ponareo sisa tavela. Izany hoe plus ilay olona roa miaraka mitoetra plus izany miala io mistery mikasika ny hatsarana ivelanareo io. Plus izany, amiko manokana, mihena ny fitiavan'ny lehilahy ny tovovavy. Indrindra moa ka avy niteraka, dia matetika ny tovovavy no tsy mahakaraka tena intsony, ny volo misaritaka,sy ny sisa efa fantatrao ihany. ny zaza koa etsy andaniny tsy maintsy karakaraina, lasa tsy ilay couple-nareo roa kely intsony no centre d'intéret.

Fehiny fa lasa lava loatra, important aminay ny endrika ivelany satria efa hatrany amboalohany io. Dia avy eo, tokony hijery ny hatsaram-ponao fotsiny ve izahay??,...ie, afaka atao mba tsy hijerenay ilay endrika ivelany fotsiny nefa tadidio fa misy tokoa ny vavy tsy misy hatsaram-po izany fa ny hana-merde anao ihany no ataony. Izany rehetra izany akory tsy midika hoe handeha hampirafy any ivelany izahay, ny mitsiriritra fotsiny no ataonay.

Vaha-olana, tsy manana vaha-olana omena anao zà. Mahereza zany e! betsaka ny couple no mbola te hiaina ohatrin'ilay tamin'ny voalohany indrindra niarahana nefa indrisy.... :)
6. soanja ( 06/03/2010 17:01)
xxx:

Nony niteraka aho dia nahazo kg be, iray taona izao ny zanako, in enina angamba izaho sy ny vadiko no niray tanatin izay fotoana izay fa hoe matavy hono aho. 1m 56 aho ary 70 kg izao. Maivantsaina ve izy ka tsy mijery hafa tsy ny ivelany sa izaho mila manena tena hanejika ny fitiavany?


Mety izay tokoa no tiany sy faniriany ka. Tsy ho maivan-tsaina velively izany. Saingy izy kosa mila mahalala hoe ahoana ny fiovan'ny toebatan'ny vehivavy rehefa avy miteraka. Mividiana ireny boky manoro momba ny reny mampinono sy ny fiai-piainan'ny vehivavy sy ny zanaka rehefa avy niteraka, indraindray maharitra telo -efa-taona ny baby faty vao afaka. Maniry anao aho mba hamaky an'ity boky ity hoe satria ato milaza bebe kokoa momba ny vehivavy sy ny fiainany. Raha vonona mamaky an'iny izy dia ianao koa miezaka mba manao spaoro hanena tena raha vao milamina ny fahasalamana ka tsy hanimba ny fitaizana sy ny momba anao.
Zany hoe hifanojo eo ampovoany eo ny fifankazahoanareo satria izy mila mahalala anao moa ianao mahafantatra fa miezaka amin'ny fitiavany.
Mila marimaritra iraisana ny fiainan-tokatrano! Mifampiresaha lalandava!


7. karinah ( 06/03/2010 20:28)
xxx> zavatra efa nihatra tamiko io andalovanao io, ary za miteny aminao fa tena important ho an'ny lhl ny resaka physique, nihena ny resaka relation sxuelle eo aminareo, normal, tu n'es plus désirable, mila attirance dhl ny fahatongavana amin'izany desire izany, eny tokony hanao izay hampiverina ny vatanao amin'ny talo tokoa ianao, tsy misy afa-tsy izay ny fanafodiny raha mila calins mitovy @ teo aloha ianao,efa nanjo ahy koa hoà io, tsy misy afa-tsy izay ny fanafodiny, raha tsy tianao hiodikondina any @ vhv hafa izy. Bon courage!
8. cowgirl ( 06/03/2010 21:25)
xxx:

Ilay hoe impiry Djamal, inenina anaty taona iray anie izany e.....fa misy fahamarinany daholo ny lazainareo. mieritreritra mihitsy aho indraindray hoe, angamba misy zavatra any ambadika any fa izao peratra mariazy-ny izao mody adinony indraindray anefa izy manana memoire be...



:roll: :roll: :roll: :roll: fa gaigy koa izany koa
Mety efa nisy nahataitra azy any ho any angamba koa raha tena fitiavana izany tsy miova na de ho 100kg ary ianao koa
9. cowgirl ( 06/03/2010 21:29)
Adinoko ny fanampiny teo fa azafady ! karakarao ny vatana ny volo ny rehetra na tsy ho azy ihany ary fa ho an´ny mpandalo sy ho anao indrindra indrindra e!.
Korazy retsy e! manaova metimety
10. xxx ( 07/03/2010 08:14)
tsotra fotsiny akia a!tsy manan_pitiavana tanteraka andry izy, indrindra raha vao 1 zany ny zanakareo.karakarao ny vatana ary tena marina io voalazn'i cowgirl io! na matavy aza rehefa manao mety2( maquillage,lokomena sns) dia tsy maintsy misy attirance foana.ny mba torohevitro dia aza miteraka fanindroany aminy intsony ary ataovy zay hananana situation stable(asa,relation any ivelany sns) dia valio faty ataovy mihinan'ny fatiny rhf tonga koa ny anjaran-ndry.
11. Mirananirina ( 07/03/2010 14:40)
izaho mila manena tena hanejika ny fitiavany?
ny olona rehefa tia dia tiany aminy anao ianao.tsy asiana hoe nahoana.Fa matoa misy izany dia efa mihamihena angamba ilay fitiavany.
Anjaranao indray no mihetsika haka indray izany.Tokony hihena kely aloha ianao hoanao voalohany indrindra.
12. xxx ( 07/03/2010 15:33)
mino zà fa tsara tarehy indry na dia lazaina fa oe matavy.misy mantsy ny vehivavy sasany a! sady efa ratsy tarehy be no mbola matavy be koa, tsy mitovy loatra ireo amiko. hany ka mody any @ fanenàna tena sy fanaovana sport no tena hiazakazahana mba hanaromana ireo haratsiana ireo.
13. soanja ( 07/03/2010 16:49)
Fahasoavana ho an'ny rehetra ny sport voatandrina, sady fitondravona ny fahasalamana, fanatsarana bika no sady koa fanatanjahan-tena ho an'ny vatana sy ny saina ary fanahy mba hiatrika ny fikarakarana tokatrano.

Manaova spaora lalandava na ny matavy na ny mahia!
14. Djhamhal ( 07/03/2010 17:03)
Manaova spaora lalandava na ny matavy na ny mahia!

marina io fa matetika lé volonté miitsy no tsy ao amiko ! ôtran'ny kamo be zany fôna za! dé ra misy f'tôna malalaka ndray nefa dia lôzana manao brikôlazy madinidinika ao antrano ! hi hi hi !!!!!
15. xxx ( 07/03/2010 17:44)
Tena misaotra betsaka t@ torohevitra rehetra. Mila manena tena marina angamba aloha na dia ho ahy ihany aloha..fa you look your best hono no best revenge!!! fa ny hahatongavana eo an......
16. soanja ( 07/03/2010 17:46)
Djhamhal:

manao brikôlazy madinidinika ao antrano ! hi hi hi !!!!!


Mahafinaritra ahy mahita lehilahy tia brikolazy. Mazotoa hatrany amin'izay mahafinaritra ny saina e.
Ny spaoro anie tsy voatery hoe ndeha hanao azy atao fotodrafitrasa fa na ny mandeha tongotra mandeha miasa na miodikondina ao anaty supermarche ao mijery izay mahasalama, miakatra tohatra rehefa misy izany, na mandihy rehefa mihaino Radio Vazo Gasy, manasa lamba eny amorondrano ohatra ka mikosoka mafy aza ka manary sy manovo enerjia dia efa spaoro izay.

Fomba iray hitako mahomby ho an'ny reny be dia be aty aminay dia sady mitondra ny zanany rotsirotsiana anaty posety mijery ny manodidina no mihazakazaka manosika izany sady miresaka amin'ny namany mitovy aminy izy ireo izay tsara tokony atao amin'ity fiainana ity. Iray ao anatin'ny telo dia vita ny spaoro!




:-* :-* :-* (l) (l) (l)
17. xxx ( 07/03/2010 23:50)
Djhamhal:

Manaova spaora lalandava na ny matavy na ny mahia!

marina io fa matetika lé volonté miitsy no tsy ao amiko ! ôtran'ny kamo be zany fôna za! dé ra misy f'tôna malalaka ndray nefa dia lôzana manao brikôlazy madinidinika ao antrano ! hi hi hi !!!!!


Na mamonjy seara manadala sipa hihihhihihi
18. botra10 ( 08/03/2010 05:28)
xxx:

in enina angamba izaho sy ny vadiko no niray tanatin izay fotoana izay


tena raharaha indray zany in1mandeha isakiny 2volana anie izany raha atao ny kajy tsotsotreeeh lol!!!! be zany;fanotaniana adaladala sao de mba manana ireny aretina tsy mahavelonkozatra ireny alo ny vadindry de afeniny andry de mody any no anariany ny diany ka mba testevo ihany alo 8O
19. xxx ( 08/03/2010 09:49)
mety ho marina tokoa io teneninn'i botra10 io a! ny lhl mantsy rhf manana an'io blem io! dia matetika menatra sy sty sahy milaza an'ilay izy @ lay ankilany.mba hanotanio2 ihany fa sao izy no tena tokony handini-tena kokoa fa tsy indry lazaina fa oe matavy sns.
20. Djhamhal ( 08/03/2010 12:25)
Hoy i xxx:

in enina angamba izaho sy ny vadiko no niray tanatin izay fotoana izay



tena raharaha indray zany in1mandeha isakiny 2volana anie izany raha atao ny kajy tsotsotreeeh lol!!!! be zany;fanotaniana adaladala sao de mba manana ireny aretina tsy mahavelonkozatra ireny alo ny vadindry de afeniny andry de mody any no anariany ny diany ka mba testevo ihany alo

kou inona ny blem tsy ilazany an'zany ?? sa andrasana ho in 2 isantaona ve vao hilaza ?? hi hi hi !!!

xxx16
Na mamonjy seara manadala sipa hihihhihihi

enao an! taiza njay ary za no nanao an'zany teo é! ??? :-* :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4326