Miamboho ny razana sy ny rano fandroana

1. niryna ( 12/02/2010 18:58)
Sendra nandeha teny Ambohimanga izany izahay dia zavatra maro no itako teo: misy ilay lavaka toa toerana fandroan'ny mpanjaka taloha izay,rano maloto ary efa misy moka mandehandeha ireny mbola tsy foy ireny ao anatiny ao ,misy olona maka ilay izy ary misy mandro amin'io rano io sy misotro ihany koa.Tonga saina aho saingy tsy niteny satria na rano nampangotrahana izao aza no nosotroiko dia nivalana nipiriritra aho,ka maika fa rano maloto.Dia misy koa eo anilany eo misy vola ,dia misy labozia ary misy vatomamy.Raha efa teny hianareo ,inona no antony amietrahan'ny olona ireo vatomamy ireo eo?
Ny nahavariana ahy koa dia niditra toerana iray izahay ary dia tsy nahazo nandroso toa ireny mandeha ireny fa miverina ,izany hoe ny lamosina no nandeha aloha ary dia mivadika izany rehefa mandeha,ny vototongotra no mialoha. Miamboho ny razana sa moa inona no fiteny ireo mpanjaka rehefa maty ? dia hoy ilay rangahy nanoro anay hoe izao no atao rehefa miditra ato,toerana misy ny mpanjaka ity hoy izy ka izao no fomba atao rehefa miditra ato
Fomba izany ilay izy satria manaja ilay mpanjaka efa nodi-mandry.
Dia nisy tovovavy iray izay no nitantara fa nasain'ny rafozany naka rano tany foana hono izy ary izy efa kristiana ,tsy mino izany rano izany,tsy te hiady anefa izy dia nandeha foana ary farany rehefa reraka sy leony izy dia rano tao amin'ny paompy no nalanainy ary tezitra ity rafozambaviny ary dia natondrany teny amin'ny tavany ilay izy satria tsy ilay rano tao anatin'ilay toerana fandroana no nalainy
Ilaina amin'ny inona io rano maloto io ry zareo raha efa nisy naka rano teny Ambohimanga hianareo ? misaotra mialoha
Mahavariana ihany ilay finoana indraindray an
novalian'i niryna ny 24/02/2010 05:11
2. diamondra27 ( 12/02/2010 19:07)
mbola tsy teny fa mahaliana be zany. Miandry ny namna hitantatara
be de be tokoa ny fombafomba ary aleo manaja ihany na tsy mino aza.
3. mibalika ( 14/02/2010 20:45)
:D ao amin'ilay Dobon'ny Andriana ve io lazainao io?Araky ny tatarain'dry mamanay dia eo no atao ilay FANDROANA,raha tsy diso aho dia amin'ny Asaramanitry ny Malagasy ,izany hoe any amin'ny volana Marsa any???
ny fantatro rehefa mandeha eny izahay dia mangataka azafady sy fitahiana amin'ny razana ,fa alohan'ny zavatra rehetra dia manasa tanana eo amin'ny paompy akaiky ny vavahady;fa tsy maintsy madio hono vao miakatra eny,Fady kisoa koa, izany no hanasana tanana sao mantsy nandray na nihinana kisoa ...

Ilay fomba miemotra rehefa handao ny efitra ,dia hitovizana amin'ny fomba tany maro misy mpanjaka eto an-tany;tsy fomba ny manome lamosina azy ireo,Fomba FANAJANA angamba izany!

Ny labozia sy bonbon indray dia nisy "nanamasina"="nangata-pitahina" angamba teo alohan'ny nahatongavanareo:tsy azo kitihina koa ireny FANOMEZANA atao ireny satria tsy fantatra hono ny "vavaka"nataon'ny olona teo...

Tsara ny mahalala ny fombafomba isan-karazany,fa ny fahendrena rehefa tsy mahalala izany dia ny manaja izay tenenin'ny olona hoe:izao atao... na fady izao ...

Mahereza daholo!
4. Mifenty ( 17/02/2010 10:59)
dia ilay izy koa fanajana mitovy amin'ny mpanao karate hoe :
- esorina ny kiraro rehefa miakatra ery ambony ery
- na miondrika rehefa zao sy zao

ilay bonbon sy sokolà sns ... hoy ny gasy izay hoe :"Ny vato aza rehefa nahitan-tsoa hosora-menaka koa"
>> izay no mba nahafinaritra azy ireo tamin'io fotoana io dia nataony eh.

Sahala amin'ilay hoe refa manjamanja ny toriteny d atao bobaboka ny rakitra.
Na koa hoe manao ny fanaon'ny olona eh, rehefa ilay vilia maneno iny ny itatazana rakitra dia atao ravina ilay izy. dia toa izany koa angamba ilay bonbon e, manao ny fanaon'ny olona izy dia mba mametraka.

sa..... sa atao resa-be ve izy ito ?
5. Mifenty ( 17/02/2010 11:00)
@mibaliaka : volana Alahamady ilay Asaramanitra (indraindray mars, ary miovaova isaky ny fitrangan'ny volana toy ny an'ny sinoa hoe tam lahady ny taom-baovao)
6. fijo ( 17/02/2010 21:16)
niryna an,fomban drazana izany ka tsy hoe ratsy na tsara fa izay le izy.le fandroana,fomba fanao fahiny io,ary mbola misy manaraka azy hatramin'izao.misy vokany ve???asa fa izay koa ny finoann'ny sasany.
le miamboho rehefa mandeha,io toa le fomba sasany hoe tsy azo jerena ny mpanjaka,(any japon)ohatra.
ilay bonbon sy tantely,fanatitra io,tamin'ny andron'ny abrahama ondry no natolotra,izoa bonbon syt tantely ary akoho.
7. Mifenty ( 18/02/2010 09:53)
zay !
8. Mirananirina ( 18/02/2010 14:37)
rano maloto ary efa misy moka mandehandeha ireny mbola tsy foy ireny ao anatiny ao ,misy olona maka ilay izy ary misy mandro amin'io rano io sy misotro ihany koa.
efa olona tena adala kosa raha hita fa maloto nefa mbola sotroina ihany.Efa teny aho ary hitako izy io,marina mihitsy ilay fomba isakarazany sns....fa izaho moa tsy dia miraika loatra amin'izy ireny,nony tonga teny aminy faratampony aza izahay dia nasaina nanipy vola miamboha.dia hoy aho mantsy ireo ol teo.asaina miamboha ve anay hoe dia alainareo ilay vola avy eo hihihi sady nihomehy moa aho.Fa hoe fomba dia nataoko.Fa mahafinaritra ahy ny mijery ireny toerana ohatra ireny manko.
Dia misy koa eo anilany eo misy vola ,dia misy labozia ary misy vatomamy.Raha efa teny hianareo ,inona no antony amietrahan'ny olona ireo vatomamy ireo eo?
fanomezana sy fanajana izy ireo fa tsy inona akory ka.
9. niryna ( 18/02/2010 18:32)
diamondra27:

mbola tsy teny fa mahaliana be zany. Miandry ny namna hitantatara
be de be tokoa ny fombafomba ary aleo manaja ihany na tsy mino aza.
zaho koa miandry ilay fanazavana :D


10. niryna ( 18/02/2010 18:40)
mibalika:

:D ao amin'ilay Dobon'ny Andriana ve io lazainao io?Araky ny tatarain'dry mamanay dia eo no atao ilay FANDROANA,raha tsy diso aho dia amin'ny Asaramanitry ny Malagasy ,izany hoe any amin'ny volana Marsa any???
tsy fantatro na dobon'ny Andriana no filaza azy,toy ny bassin fandroana ilay izy,somary lehibe kely fotsiny,misy rano miangona ao ary misy olona mitondra tavoahangy mitondra rano mody.

ny fantatro rehefa mandeha eny izahay dia mangataka azafady sy fitahiana amin'ny razana ,fa alohan'ny zavatra rehetra dia manasa tanana eo amin'ny paompy akaiky ny vavahady;fa tsy maintsy madio hono vao miakatra eny,Fady kisoa koa, izany no hanasana tanana sao mantsy nandray na nihinana kisoa ...
hay ve e,izahay indray tsy nasiany nanasa tanana ka, misy toerana famonoana omby koa eo,lavaka be izay ary tsy afaka mivoaka ilay omby raha vao tafiditra ao,fanaovana joro hono ilay izy hoy ilay rangahay.
Inona izany joro ? mangataka azafady ahoana izany ? misaotra mialoha

Ilay fomba miemotra rehefa handao ny efitra ,dia hitovizana amin'ny fomba tany maro misy mpanjaka eto an-tany;tsy fomba ny manome lamosina azy ireo,Fomba FANAJANA angamba izany!
hay ve e,misaotra tamin'ilay fanazavana

Ny labozia sy bonbon indray dia nisy "nanamasina"="nangata-pitahina" angamba teo alohan'ny nahatongavanareo:tsy azo kitihina koa ireny FANOMEZANA atao ireny satria tsy fantatra hono ny "vavaka"nataon'ny olona teo...
fanomezana toy ny rakitra izany e,misy vola madinika koa mantsy eo

Tsara ny mahalala ny fombafomba isan-karazany,fa ny fahendrena rehefa tsy mahalala izany dia ny manaja izay tenenin'ny olona hoe:izao atao... na fady izao ...

Mahereza daholo!

miombokevitra koa aho .misaotra e :-*
11. niryna ( 18/02/2010 18:48)
Mifenty:

dia ilay izy koa fanajana mitovy amin'ny mpanao karate hoe :
- esorina ny kiraro rehefa miakatra ery ambony ery
- na miondrika rehefa zao sy zao
misaotra e


ilay bonbon sy sokolà sns ... hoy ny gasy izay hoe :"Ny vato aza rehefa nahitan-tsoa hosora-menaka koa"
>> izay no mba nahafinaritra azy ireo tamin'io fotoana io dia nataony eh.
eny fomba avy izany ka hajaina tokoa ny an'ny hafa

Sahala amin'ilay hoe refa manjamanja ny toriteny d atao bobaboka ny rakitra.
ny anay ny rakitra mialohan'ny torinteny ka,isaorana ilay Ray nahary nanome hery sy tanjaka ,isaorana izy fa azy ny fahefana rehetra,isaorana izy fa mbola afaka midera sy mankalaza ny anarany ary isaorana koa izy fa tsy toa izao raha tsy nisy azy ary dia mendrika omena fiderana izy ka vonona anome izay anjara kely mampahalalaka ny fo ny tena satria hoy izy hoe omeo an'i kaisara izay an'i kaisara ary omeo an'Atra izay an'Atra :D avy Aminy avokoa ny zavatra misy eo amin'ny fiainana ka izay mba foy no omena Azy

Na koa hoe manao ny fanaon'ny olona eh, rehefa ilay vilia maneno iny ny itatazana rakitra dia atao ravina ilay izy. dia toa izany koa angamba ilay bonbon e, manao ny fanaon'ny olona izy dia mba mametraka.

sa..... sa atao resa-be ve izy ito ?
:D ka na kely na lehibe no omena Azy dia efa fantany tokoa ny ao ampontsika ka.Hikarakaraka ny tranon'Atra sy ny mpitondra fivavahana iny na ny jiro sy ny rano aza tsy mandeha fotsiny amin'izao ,noho izany mila vola foana ny fiangonana ary ny fo madio ,malala tanana manolotra azy amin'ny fo no tadiaviny fa tsy ny isany :D


12. niryna ( 18/02/2010 18:51)
Mifenty:

@mibaliaka : volana Alahamady ilay Asaramanitra (indraindray mars, ary miovaova isaky ny fitrangan'ny volana toy ny an'ny sinoa hoe tam lahady ny taom-baovao)

hay ve e ,misaotra ary e HAPPY LUNEAR NEW YEAR ! ho an'izay sinoa ary e

13. Mifenty ( 23/02/2010 10:53)
Mafinaritra ahy ny miresaka sy mifanakalo hevitra amin'i Nyryana

Bonne année kou e
14. niryna ( 24/02/2010 05:11)
Mifenty:

Mafinaritra ahy ny miresaka sy mifanakalo hevitra amin'i Niryna

Bonne année kou e



:D :-* :-* ka mizara izay kely mba fantatro aho ka :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0987