Colique

1. vvgasy ( 07/02/2010 09:16)
Inona kay no tena fanafody colique mahomby? fa efa very hevitra aho .
Na tambavy na fanafody tsy mila ordonnance. Misaotra
novalian'i hery ny 13/03/2010 07:07
2. xxx ( 08/02/2010 18:49)
ny colique ve tsy otran'ny diaré ihany! sa be rivotra sy marary be foana ny kibo? zà mantsy vao haingana nanontany indrindra momba ireo ka ireto no fanafody natoro ahy tsy misy ordonnance:ARGILE VERTE (confort digestif) gellule izy io, dia ARKOPHARMA NO LABO manao azy. dia tsara ono raha ampiarahana ARKOLEVURE(saccharomyce boulardii et inuline) en sachet gout buble gum sady mi équilibre ny flore intestinale koa izy io. nanandramako t@ zanako ireo fa tena efficace be.salamà e.
3. vvgasy ( 09/02/2010 18:23)
Misaotra betsaka fa tsy maintsy mbola ho afarana io, ary sao de mbola misy mahafantatra hafa?
Ary raha argile verte fotsiny @ zao ve tsy mety?
4. xxx ( 09/02/2010 21:27)
fa ngaha ianao any dago? raha any mantsy ianao! dia tsy misy tsara toan'ny fitsaboana gasy ihany oh oe reny tambavy ireny.raha ilay argile verte indary a! azonao soloina ilay vahona efa vita @ tavoangy kely amidy eny @ farmasia any ireny.sinon! tena azonao ampiasaina tsara ilay argile verte irery.( fa hono oa raha tsy mahadiso! olondehibe ve sa zaza no tianao ho traiténa ?) raha izay indray mantsy dia tena hafa mihintsy indray. veloma e!
5. vvgasy ( 10/02/2010 11:54)
Izaho mihitsy no mila traitena, marary be foana kiboko sady feno gazy, colique hono hoy dokotera.
Tsy any dago aho fa afaka manafatra raha ilaina
Misaotra betsaka
6. xxx ( 11/02/2010 17:12)
tena hotry ny mahazo ny zanako vavy mintsy zany no mahazo anao, ka dia ireto no torohevitry ny dokotera taminay;(ajanona ny fihinanana voankazo cru, ny vinaigrette,ny laisoa,ny poireaux)dia tsara ihany koa raha manao radio na ecographie fa sao misy problem colon, na intéstin.courage e!
7. vvgasy ( 12/02/2010 13:00)
Misaotra betsaka, ho andramako ireo nolazainao. Efa nanao echo fa feno gaz hono, toa tsisy nandaitra anefa lay fanafody.
Sitrana tsara ve lay zanakao vavy?
8. Ratoa ( 12/02/2010 20:38)
Misotroa rano mafana matetitetika fa mamoaka toxine sy ny rivotra ary mampitony ny marary. Manaova koa bouillote raha matory ka ataovy eo amin'ny faritra mampadisadisa anao
9. vvgasy ( 13/02/2010 15:06)
Fa inona kay "bouillote" azafady. Tena zao vao tsapako fa tsy misotro rano mafana mihitsy aho hatr@ nialana tany dago, maraina aza de mbola jus naturel na thé glaçé
10. Lejoba ( 24/02/2010 11:58)
bouillote = tavoahangy asiana rano mahamay, dia iny no apetaka eo @ kibo hanafana azy. Misy efa vita any @ pharmacie na bazar sasany, azonao atao ady gasy : tavoahangy mahatanty mahamay afaka mihidy tsara, dia fonosina lamba tsy handoro sy tsy halaky hangatsiaka.
Hatsiaka sy sakafo be fibres no ialàna. Fa ilay rano mafana tsy tsara sotroina raha vao mifoha na raha foana ny kibo fa mankarary vavony, miampy eo indray ny olana
11. arialy ( 25/02/2010 10:35)
coca sy vary ve tsy mahafaka collique é? zay no apesaiko am zanako alo é
zay vo miditra fanafody zany. de tsy mahazo misotro zavatra misy lactose mandritry ny fotoana.
12. vvgasy ( 27/02/2010 19:15)
Kay ve zay lay bouillote! efa mpanao an'io aho tany dago (petamafana fiantsonay azy), fa hatr@ nadidiana anahy tsy sahy intsony. sa tsy maninona refa sitrana tanteraka ny fery?
13. Ratoa ( 27/02/2010 21:52)
tsy maniona rehfa mikatona tsara ny fery. Izaho koa nodidiana. mampivaoka ny gaz tafa angona ao ankibo ny hafanana; izay ny anton'ilay bouillote sy misotro rano mafana.
Raha mizihitra ny kibo tsy dia tsara ny coca satria misy gaz ary misy acide citrique. Ialàna daholo ny karazana gaz raha mizihi-kibo . na ny sakafo mety mampizihitra ny kibo.
Fa raha mihinana (eo am_pihinanana izany) sakafo saro- devonina ianao dia tsara ny misotro coca kely.
14. hery ( 13/03/2010 07:07)
Tena efficace be koa ny fenouilles. Ilay dité azo amin'ny fenouilles no nampiasainay. Nosotroina isanandro hatramin'izao fa tena afaka tanteraka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3236