Taratasy misokatra ho an'i Ravalomanana

1. rabaradaka ( 19/11/2009 05:12)
Tompoko,
Tsy hoe mamoha fota-mandry na koa mandatsa no antony hanoratana an'ity taratasy ity fa misy kosa lesona azo tsoahina sy azo hanamboarana ny ho avy manoloana ny zava-niseho. Tsy hoe tapi-pahaizana na koa fara-fahendrena fa ny hevitra tokoa moa tsy azo raha tsy avy amin'olombelona.
Tsaroako tsara tamin'ny volana septambra 2008, nisy ray aman-dreny iray sy andian'olona vitsivitsy niteny taminao manao hoe : lasa any France i Andry Rajoelina, Ny Hasina Andriamanjato, Hajo Andrianainarivelo ary Ratsirahonana Norbert handamina sy hitady izay fomba handravana ny fitondranao ary ny governemanta. Dia namaly ianao Atoa Ravalomanana tamin'izay hoe : tsy misy atahorako eto. NIlaza taminao koa ny ambasadôro amerikana hoe tokony ho soloina ny praiministra Rabemananjara fa tsy mifanaraka amin'ny zava-misy intsony. Novalianao bontana hoe : izaho no mandidy. Dia ireny no vokany. Tsy fandatsana tompoko fa fampatsiahivana.
Ankehitriny, vao herinandro izay dia nisy ray aman-dreny niantso anao an-telefonina nilaza hoe : tsy mety ny ataon'ny TIM sy ny forongony ao Madagasikara fa diso tia tena loatra tsy anaiky hizara ny fitondrana amin'ny olon-kafa sy antoko hafa. Tsy nasianao resaka mihitsy izay mety hamahana zany, satria ianao rahateo koa moa tia tena loatra.
Dia manahy izahay fa raha hialan'ny MFM, ny antokon'ingahy Rakotoamboa ny TIM dia sahiko ny milaza aminao Atoa Ravalomanana fa tsy ho tafaverina an-tanindrazana intsony ianao. Tsarovy fa ny MFM no tompon'antoka tamin'ny fampahombiazan'ity Maputo sy Addis Abeba ity. Tsy hoe MFM akory ny mpanoratra fa mijery sy manaraka ny zava-misy.
Atoa Ravalomanana ô, ilazao ny mpiray antoko aminao hoe zarao mitovy amin'ireo antoko politika rehetra nandray anjara ny Ministère sy ny CES ary ny Congrès. Tsarovy fa ireo Député sy Sénateur TIM ireo efa maro no naloan'ny vahoaka any amin'ny misy azy ary tsy azo antenainy insony. Hanahirna anao ny tsy handray ity fepetra aroso ity ary hampalemy anteraka ny TIM izay efa mivaky.
Mpiray tanindrazana no maneho hevitra ary ho tombotsoam-pirenena no hilofosantsika.
Mahajanga, 18 novambra 2009
novalian'i pikatti ny 20/11/2009 10:39
2. terrywui ( 19/11/2009 11:49)
Dia namaly ianao Atoa Ravalomanana tamin'izay hoe : tsy misy atahorako eto
fombany rabaradaka io be taimbava amin'ny hafa io a! toy ilay teny malaza hoe : "inona koa no hiraharahiako zay vahoakan'Antananarivo any .....!"
NIlaza taminao koa ny ambasadôro amerikana hoe tokony ho soloina ny praiministra Rabemananjara fa tsy mifanaraka amin'ny zava-misy intsony. Novalianao bontana hoe : izaho no mandidy.
farehefa tonga tokoa ane zao ny tokoa izao de inona no vitanle taimbava beany? ny TIM sy ny Antokony no ataony sorona ho faty eo alohan'ny lilison sy sarla noho ny hadalany ,, rahatsara vava taminol io rabaradaka tsy nisy fanonganana azy teo a.....
Ankehitriny, vao herinandro izay dia nisy ray aman-dreny niantso anao an-telefonina nilaza hoe : tsy mety ny ataon'ny TIM sy ny forongony ao Madagasikara fa diso tia tena loatra tsy anaiky hizara ny fitondrana amin'ny olon-kafa sy antoko hafa
de io vava be sy taimbava io no tena mba fiadiny ee! angah tsy loza letsy fa presk nanaraka ny toetrany daholo koa ireto TIM sarimbavy be ato reo , vava zany ataony ato zany :evil: :evil: :evil:
3. xxx ( 19/11/2009 22:41)
miovaha tena ry wiwi fa tsy valiany kil intsony resa tena ,manao lohan'angidina loatra mantsy,espece de fozalahy maimbo voudi
4. pikatti ( 20/11/2009 10:39)
xxx2 ;ahoana ndray zany adinareo zany bainn :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.568