Davida

1. sitlo ( 11/11/2009 05:20)
Nijery ny tantaran'i Davida aho fa kay ve izy ity ka mpamono olona be eh. Kay na ankizy aza natsatony tamin'ny hazo fijaliana.

Soa ihany ny taranany fa niteny hoe taloha izany. Fa izay mandresy am sabatra dia ho lavo am sabatra.
novalian'i sitlo ny 28/11/2009 02:42
2. AndriambyII ( 17/11/2009 08:53)
:o :o
3. rzakarivola ( 25/11/2009 13:49)
Nandika ny Didy hoe "aza mamono olona" i Davida.
Betsaka ny mpitondra fanjakàna sy mpitondra firenena voalaza fa "mihosin-drà" ny tanany.
Fantatro fa misy na dia mamono akoho aza tsy tantiny akory eto, fantatro satria izaho mba isan'izany. Fa ho an'izay toa ahy, ka mety hihevitra fa tsy meloka, ny tenin'i Jesoa milaza ny fitsaràn' Andriamanitra marina hoe :
"Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe:" Aza mamono olona" [Eks.20.13]; ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe : Olom-poana hianao, dia mendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo.
".

Andriamanitra tsy miangatra amin'ny fitsaràna.
4. sitlo ( 28/11/2009 02:42)
Hmmmm! Mila hodinihina izany fa satria be dia be mantsy no olona tsy tiako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1979