lafy tsara sy lafy ratsy @ fikapohana zaza

1. xxx ( 27/10/2009 21:55)
Mieritreritra za fa refa miteraka any aoriana any de tsy mba hikapoka ny zanako zany mitsy. Ny hevitrareo momba ny fitaizana zaza??? Ilaina ve ny fikapohana zaza???? Hoy mantsy ny fiteny hoe: ny zaza tiana tsy hitsitsian-rotsakazo. Mitombona ve io???
novalian'i xxx ny 28/12/2009 14:10
2. soanja ( 28/10/2009 03:19)
xxx:

Ny zaza tiana tsy hitsitsian-rotsakazo. Mitombona ve io???


TSIA tsy mitombina io. Tsy misy lafy tsarany mihitsy ny fikapohana zaza fa dia fanimbana zaza ankitsirano amin'ny lafiny isan-karazany. Raha tianao ny zanakao dia iasao mafy ny manoro azy izay mety rehetra fa matoa izy maditra dia mbola misy asa be dia be tsy vitanao ray aman-dreniny ao!


3. kotobekibo ( 01/11/2009 22:51)
ILAINA , Izay no ahafatarany ny atao hoe AUTORITE sy ny LOIS . Misy kokoa ny fanajana raha misy atahorany ao .
Io no tena olana b eto frantsa @ izao fotoana . Raràna tsy hikapoka ny zanany ny ray amandreny ary mahazo mitory any @ tribonaly ny zaza raha voakapoky ny RARny .
Vokany = Tsy matahotra an'iza n'iza intsony ny zaza aty frantsa , eny fa nany RARny aza . Lasa mahasahy mamaly ny mpampianatra , manindrona antsy azy ireny aza , tsy matahotra ny polices na ny manampahefana hafa , lasa mahavita mangalatra sy mamono ol ankitsy rano , tsy misy fanajana intsony eo @ fiarahamonina ( civisme ) na any anaty bus na @ toerana hafa ...
Nitombo b ny isan'ny hadalana sy ny hamafin'izany eo @ resaka sekoly h@ nanafoanana ny fikapohana ataon'ny mpampianatra sy ny RAR . Ary eo ampieritreretana lalina ny famerenana ilay sazy tahaka ny taloha ny ao @ ministeran'ny fampianarana aty frantsa ankehitriny .

Aza afangaro ny hoe mikapoka = taper ( felaka , tsongo , kapoka majinika ....) sy ny hoe midaroka = tabasser ( milako @ fil , fehikibo , taho-kifafa ....)
Mifangaro ireo aty frantsa ary izay no tsy mampety ny fihainan'ny zaza aty @ izao fotoana
4. Mirananirina ( 03/11/2009 14:42)
Aza afangaro ny hoe mikapoka = taper ( felaka , tsongo , kapoka majinika ....) sy ny hoe midaroka = tabasser ( milako @ fil , fehikibo , taho-kifafa ....)
Mifangaro ireo aty frantsa ary izay no tsy mampety ny fihainan'ny zaza aty @ izao fotoana
marina mihitsy ny voalazan' i kotobekibo.Ilaina io fa tsy hoe andeha hovonoina ny zaza akory(fessier)hoy ny vazaha izay.
Tsy ilay koa anefa ny mamono zaza aminy tsy antony.Ohatra namaky vera izy avy dia vono,miteny ratsy mahazo vono,mihetsika kely dia vono.Ny zaza voavono lava hono dia manjary lasa mpiady lavaIzay no mampaditra be ny zanaky ny tavany(silamo)satria izy ireny maty vono be ao antranony ao.
5. soanja ( 03/11/2009 17:25)
kotobekibo:

Nitombo b ny isan'ny hadalana sy ny hamafin'izany eo @ resaka sekoly h@ nanafoanana ny fikapohana ataon'ny mpampianatra sy ny RAR . Ary eo ampieritreretana lalina ny famerenana ilay sazy tahaka ny taloha ny ao @ ministeran'ny fampianarana aty frantsa ankehitriny .



Tsia hoy aho indray. Mbola misy lesoka ao fa tsy hitan'ireo mpanabe amin'ny asany. Tsy fanafana ny fikapohana zaza na malefaka na marary.


6. booboo ( 03/11/2009 20:07)
" Pourquoi appelle-t-on cruauté le fait de frapper un animal, violence le fait de frapper un adulte, et éducation le fait de frapper un enfant ? ". C. Schuchl in " Les douces violences ", Paris, 2005.

Voafehin'io fehezan-teny io tsara ny hevitro momba ny fikapohana ny zaza.

+1 @ hevitr'i Soanja.
7. sakaizakely ( 04/11/2009 10:22)
booboo:

" Pourquoi appelle-t-on cruauté le fait de frapper un animal, violence le fait de frapper un adulte, et éducation le fait de frapper un enfant ? ". C. Schuchl in " Les douces violences ", Paris, 2005.

Voafehin'io fehezan-teny io tsara ny hevitro momba ny fikapohana ny zaza.

+1 @ hevitr'i Soanja.




+ 2 Soanja
8. Samoana ( 04/11/2009 14:48)
lafiny tsara azo kapohina : eo @ dodosy (fessée) satria matevintevina misy arony. Tsy mampiasa kapa na ratsan-kazo fa fela-tanana indray mipika ihany :D

lafiny ratsy : ny loha. Sady mahafanina zaza no mahadonto mety ahalasa adala azy.

Rehefa avy bedesina izy dia lafihina laoka bobaka sy matsiro ny variny :miam:

(Mazava ho azy fa HS ny valin-teniko ry xxx an! Idealy ny mahataiza zaza tsy mila kapoka na tsongo sofina kely. Mirary izany ho an'ny mpitaiza rehetra :wink: )
9. Hinagasy ( 04/11/2009 22:48)
Izaho koa dia manao hoe TSY ILAINA ny mikapoka zaza. Tsy ilaina satria afaka atao tsara ny mitaiza zaza tsy mikapoka fa amin'ny firesahana an'ilay zaza. Mila fotoana betsaka kokoa io firesahana sy fanoroana ny zaza io, dia io no tsy hananan'ny RAD ankehitriny.
Izaho tsy mino hoe noho ny tsy fikapohana no mampaditra ny ankizy (any Frantsa araky ny ohatra ery ambony) fa ny fotoana iarahana'ny RAD sy ny zanaka ankehitriny mihitsy no tsy ampy firy intsony, dia lasa ny any ivelany no manabe kokoa ny zaza fa tsy ny ao antrano. Anjarantsika RAD no miezaka manome fotoana betsaka ho an'ny zaza ary miezaka manararaotra ny fotoana kely hananana miaraka aminy.



10. kotobekibo ( 04/11/2009 22:59)
Tsy hilaina hoy nareo ?
ahoana izany ny hevitrareo satria ny ankabezan'ny zaza maditra @ izao fotoana d eo @ 13 taona . Age béte hoy ny vazaha !
Mivaky loha ny mpitondra retra aty frantsa @ izao fotoana hoe " inona no hatao an'ireo RAR tsy mahafehy ny zanany ? "
hadisoan'iza anefa raha lasa tsy voafehy ilay zaza ? tena ny RAR v ? TSIA hoy aho , ny fanjakana amiko !
n'inn n'inn ataonao ny zaza ref tsy matahotra izy , tsy rarahiny izany . Ref tsy matahotra ny RAR izy , iza no hatahorany , ny mpampianatra v ? sa ny polisy sa ny inn ? ny havaliny : " fa iza ianao no hiteny amiko izay mety na tsy mety hataoko ? "
D ho saziana injay hono ny RAR tsy omena fanampiana intsony ref tsy mety mandé mianatra ny zanany . Ilay zaza anefa tsy mihaino ! inn no ataonao raha teo @ toerany ?
Na koa hoe omena valinkasasarana hono izay mpianatra mianatra tsara tsy manapaka ( tssssss..., n'importe koi )
Misy tsy ampy hoy nareo , inn aza no hevitra azo omena ny RAR , izay tsy mahalala izany hevitra mahomby izany ? 8-)
11. soanja ( 04/11/2009 23:52)
kotobekibo:

Tsy hilaina hoy nareo ?
ahoana izany ny hevitrareo satria ny ankabezan'ny zaza maditra @ izao fotoana d eo @ 13 taona . Age béte hoy ny vazaha !
Mivaky loha ny mpitondra retra aty frantsa @ izao fotoana hoe " inona no hatao an'ireo RAR tsy mahafehy ny zanany ? "
hadisoan'iza anefa raha lasa tsy voafehy ilay zaza ? tena ny RAR v ? TSIA hoy aho , ny fanjakana amiko !
n'inn n'inn ataonao ny zaza ref tsy matahotra izy , tsy rarahiny izany . Ref tsy matahotra ny RAR izy , iza no hatahorany , ny mpampianatra v ? sa ny polisy sa ny inn ? ny havaliny : " fa iza ianao no hiteny amiko izay mety na tsy mety hataoko ? "
D ho saziana injay hono ny RAR tsy omena fanampiana intsony ref tsy mety mandé mianatra ny zanany . Ilay zaza anefa tsy mihaino ! inn no ataonao raha teo @ toerany ?
Na koa hoe omena valinkasasarana hono izay mpianatra mianatra tsara tsy manapaka ( tssssss..., n'importe koi )
Misy tsy ampy hoy nareo , inn aza no hevitra azo omena ny RAR , izay tsy mahalala izany hevitra mahomby izany ? 8-)


Ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay hamarara hoy ny fiteny Gasy. Na hanome fanabezana idealy aza isika dia tsy maintsy hisy ny hibioka satria izay no maha fiarahamonina; antsika tsy mitovy ny olombelona ary hisy ny haningana fa matoa maro ny olana amin'ny ireo miala sakana dia misy tsy voafehy ny fanabeazana azy. Saingy kosa raha maharaka tsara ny filana fitomboan'ny ankizy ny RAD isanisany dia tsy hitoetra loatra ireo olana apetrakao ireo satria efa any amin'ny fototra dia efa voafehy tsara ny fikarakarana ny ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy na moralin'ny zaza.

Ny solution atoroko satria izay no iavakian'ny lohako isanandro dia " ny fanabezana feno" avy amin'ny alalan'ny fampianarana Montessori. Io fanabeazana io dia manome lanja ny fahaizana mamaha olana amin'ny samy ankizy na dia zaza vao 1 taona sy tapany aza. Manome fahafahana ny zaza hahalala ny tokony ataony mifanahaka amin'ny taonany ary mahalala fa olom-pirenena vanona izy ka mitana ny andraikiny amin'izay misy azy avy na eo amin'ny sehatry ny fianakaviana na ny fiaraha-monina mivelatra amin'ny hafa.

Mbola vao 6 taona ny zaza dia efa miditra skoty ary miatrika zavatra tsy azo atao hoe mora fa tsy maintsy izy no mahalala mamaha azy avy amin'ny alalan'ny fampianarana omena azy. Mifandray amin'ny rehetra eo amin'ny misy azy " cosmic education" ary " peace education" . Miara-miady hevitra ny hamahana olana tsotra ao anaty fiarahamonina iray. Arahina maso ny tontolo iriariavany ary mitana andraikitra akaiky amin'izany ny RAD-niny. Ny zavatra vokisana ny sainy dia ilaina voafehy tokoa ary voatily mifanaraka amin'ny taonany. Ny firesahana aminy ho isan'ny mpandray anjara mavitrika ao anaty tokatrano dia isan'ny fanomezana lanja azy sy ny momba azy ary ny heviny dia zava-dehibe. Fa ny tena goavana indrindra mahasarona izany dia ny fanehoana fa ampitiavana no mahaolombelona azy n'aiza n'aiza misy azy ary TIANA izy satria olona toy ny hafa ary isan'ny zavadehibe ny fisiany. Ianao RAD no hanome azy izany voalohany.

Ny olantsika amin'izao fotoana dia araka ny voalazan'ny namana etsy ambony hoe" tsy manam-potoana firy ny RAD manabe ny zanany" fa manantena ny hafa izy hanao izany angamba. Tsia, tsy ny kapoka no hanova ny zaza ho hendry tompoko fa ny fahafahanao miresaka aminy manoro azy ny lalan-kaleha, ary indrindra ny fisendrana ny fiainana. Raha tsy hainao io dia tokony hikaroka ny RAD ahoana no ahitana io vahaolana io ary fantatr'ilay zaza fa mitady ny mahasoa azy ianao RAD fa tsy milavo lefona ka hamela azy hivarilavo sy dombon'ny kapoka.

Tsoaka, fantaro ny tontolo iriariavan'ny zanakao dia ho fantatrao hoe IZA izy. Raha hitanao fa tsy mifanaraka amin'ny soatoavinareo ao an-trano izany dia fotoana tsara ahafantaranao RAD izany fa misy lesoka avy aminao ary mahaiza mijery fitaratra. Modely ve ianao amin'ny momba anao? Sa manao mitaribato vilam-bava? Fotoana tsara ijerevana hoe ilaina ny mifindra toerana na tanana aza. Fotoana tsara ahalalana hoe mila mandray andraikitra izy ka ampidirina fikambanana sportifa na art martial na hafa sosialy sns sns .... mifanaraka amin'ny taonany.

Tokotelo mamasanahandro anefa no ilaina ny fanabeazana ka raha vitanao ny manorina izany eo amin'ny zanakao dia milamina ianareo. Izay no ilaina fandraisana andraikitra koa amin'ny firenana raha te hanova ny fanabeazan'ny be sy maro. Inona no andraikitra raisinao amin'ny maha olom-pirenana anao RAD????? Raiso ho adidy ny hanova ny fampianarana tsy mahomby ao amin'ny firenenao. Tsinjovy ny taranaka. Soanja




12. Djhamhal ( 05/11/2009 08:25)
amiko dia ilaina fa tsy atao matetika ! za zao dia mananjanaka 2 : lahy 10taona sy vavy 7taona ! ilaina hoy aho indrindra ho an'ny lahy kely satria tsy mitovy ny lahy sy ny vavy ; ny vavy vô tenenina sy anarina in1 mandeha dia manaraka sy mankato ny rad ; fa ny lahy dia manana toetra hi domine sy manao défi fôna , eny fa na dia izy samy mpiara- milalao aza dia hita zany ! tsy ratsy io ! fa kosa asiana fetrany zay ! zany we hafa ny fomba fiaina refa milalao miaraka @ ankizy ary hafa miitsy koa ny fitsipika refa ao antokantrano ! mazàna anefa dia mifangaro reo @ maha zaza azy ary io no tsy maintsy hanitsiana azy ! oh : asaina misasa ny lahy kely , fa vita ny filalaovana kanety ! dia ny ataony ao @ douche?: kanety ao am-paosy klou no isaina de variana eo !dia ny kanety klou no sasana ; zay vô misasa ! zany we manao izay baikonao izy fa aminy dia ny azy klou ny priorité ! zay anefa amiko mila mihenjana aho fa tsy afaka ny hilefitra aminy miitsy ! marina ny an'i Soanja momba ny scout fa manao miitsy izy ary le vavy zao @ ty taona ty no miditra kou !
13. Mirananirina ( 05/11/2009 11:45)
Ka io na force na hanao scout,na manao sport be,rehefa haditra ny zaza dia maditra.Nitondra scout ny tenanay taloha mahita izany.Ilaina kely ihany ny fahasiahana.Raha hikapoka ihany dia ny tanany aza no tsaratsara kokoa.
14. sitlo ( 05/11/2009 16:36)
Mila kapohina ny zaza ka. Tsy atao be loatra fotsiny. Mahasosotra mantsy ilay mandefa azy any amin'ny zaza maditra rehefa tafahoatra ny riaka...

15. booboo ( 05/11/2009 18:06)
=)) =))
16. Djhamhal ( 07/11/2009 08:01)
mapmé be le sary sy sitlo â! aôna no nahitanao an'io ???
17. Ratoa ( 08/11/2009 01:25)
Tsy ilaina kapohana mihitsy ny zaza fa misaina izy ireny. Anarina izy fa tsy vonoina ary tsy latsaina. Ny herisetra tsy hery fa fahalemena. Ny teny no hery lehibe indrindra raha miaro faharetana sy fitiavana. Ny zaza zatra kapohana manjary tia mikapo sy mamely koa, indrindra ny kely noho izy. heveriny fa vono sy kapoka ny fiainana. Fa raha tenenina sy ampianarina hiteny ny antony nyatao izy dia misaina ary miha maivana ny ao am-po, indrindra raha ampianarina ilaza izay mahadisadisa azy maha tonga azy ho mafy loha. Misy antony ao fa tsy mandeha ho azy. Ary ny zaza mafy loha dia mandrakariva manan-tsaina (intelligent) saingy tsy hainy ny manambara ka dia mihizingizina fotsiny fa raha azavaina aminy dia mba manazava koa izy.
18. ikaretsaka ( 08/11/2009 01:30)
ka atao azony ny antony hikapohana /hitenenana/hanasaziana azy .. fa matetika ange ny 90% ny kapoka tsy azon le zaza akory hoe inona no antony hikapohana azy e.. dia izay no maha mafy loha azy
19. Ratoa ( 08/11/2009 22:19)
tena marina mihitsy fa tsy takatry ny sainy akory ny anton'ilay kapoka. Fa mba manana tanjona izy dia sakana fotsiny amin'izao fa tsy azvaina azy hoe nohoana no tsy azo atao izany. Dia iny izy no midrikina. Dia vao maika mitombo ny kapoka.
20. Hinagasy ( 09/11/2009 02:24)
Samy manana ny fomba fitaizany ny zanany marina zareo ary samy mahafantatra ny mety amin'ny zanany. Fa raha izaho manokana aloha dia 100% manohitra ny fikapohana zaza raha ny amin'ny zanako.

Raha ohatra ilay tantaran'i Dhjamal io izao hoe milalao kanety izy dia ny manasa ilay kanety aloha ny priorité-ny, mateti-pitranga ny zavatra ohatra izany ato aminay, indrindra ilay lahikeliko 3 taona mafiloha kely, fa aminay aloha raha io ohatra io no raisiko dia ny important amiko dia ny hoe nandro ihany ve izy, raha te hanasa ny kanety aloha izy vao mandro, dia mampaninona ahy moa. Satria izy olombelona manana ny priorité-ny koa na kely aza, important aminy hoe sasana ny kanety na dia tsy hitako aza ny maha important izany, dia hajaiko aloha fa ny zavatra nanirahako azy dia maintsy vita ohatra ny mandro afaka 15minitra, dia madio, ohatra ho'ah io an!

Koa raha hoe azavaina ny antony hikapohana azy, ry fantany, dia efa afaka resahana tsara ange izany izy e! koa inona indray no anton'ilay kapoka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2055