firy taona ny zaza no tokony tsy hipipy @ fandriana intsony

1. rhina ( 29/09/2009 11:07)
misy akizy 2 lahy eo @ 5 sy 8 taona akaiky ahy zay. Tsy mipetraka ato amiko izy ireo fa indraindray manao vacance fa tena gaga aho ry zareo fa dia mbola mipipy @ fandriana foana ry zareo ireo ary tena otsaka mintsy ny fandriana.
Ny mpitaiza azy ireo ve no kamo tsy mampifo azy ka mahatonga azy reo anana fahazarandratsy toa izao sa aona e!!!
tena valaka mintsy aho sady sorena satria tena masiso mintsy ny trano izaho anefa tsy sahy mikapoka na mibedy mafy azy ireo fa manahirana @ fiaraha monina inona no tokony afatra homena ny renin'izy ireo izay mitaiza azy fa tena tsy ita mintsy izay hatao. Rehefa mba tenenina ry zareo dia milaza oe: Izahay rehefa mipipy @ fandriana any amiany tsy bedy n'i mamany zany fa ozy oe : soloy ireny pataloanareo roa lahy ireny dia vita.

tena ankona aho nandre an le izy sady sorena oe zany ve no fitiavana zanaka.
tena mba mila toro hevitra aho ry reto a. Rehefa mba manao vacance aty zareo hanitsiko azy fa tena tsy lasa kan; tsy mety amiko le fomba fijerin'ilay renin'izy roa lahy ireo.
novalian'i xxx ny 03/11/2009 15:43
2. booboo ( 29/09/2009 11:51)
fahazaran-dratsy @ ahoana koa ? :roll:. Hitsiana ahoana koa ? :roll: :roll: .

Rehefa @ ireo taona ireo dia raha 2 ihany no antony : na aretina na misy tsy milamina loatra @ maha-izy azy ilay ankizy ( mety no-forcer-na hahay hi-pipi irery t@ izy mbola zazakely nefa mbola tsy @ fotoany ).

Nisy cousines-nay izay, 4 mirahavavy zareo fa samy ni-pipi am-pandriana aby hatr@ faha 11 ans teo ho eo an-dreo. Menatra be foana zareo rehefa maraina satria anay cousines-ny hafa tsy nanao an'izay. Dia ny nataon'ny bebenay, alainy foana izy 4 vavy rehefa w-e na vao tsy mianatra. Afa-po be zareo tany sady niha-nivelatra bebe kokoa dia nijanona ho azy ilay ni-pipi am-pandriana. En fait, ny renin-dreo stricte be tena tsisy ohatra izany t@ fitaizana an-dreo : tsy maintsy mahazo 20 / 20, tsy maintsy madio foana ny akanjo ( nefa vacances ny andro dia zareo tsy sahy milalao ), tsy maintsy mi-se tenir bien à table sns

Marina ny an'ny renin-dreo hoe tsy bedesina zareo satria tsy fanahy iniana ireo fa " aretina ". Sa Rhina rehefa mandany mouchoirs be loatra rehefa voan'ny sery dia bedy ? dia ohatra izay koa...



3. ni81 ( 29/09/2009 11:57)
Aretina io ka! ny anadahiko efa 14 taona mbola nanditsaka foana. Dia nampme be fa nitady izay rehetra ahafahana miala t@ io izy dia andramany daholo izay resaka henony atoron'olona azy, toy ny hoe: alaina ny lakile dia alona anaty rano adiny iray dia sotroina iny rano iny avy eo :-D :-D :-D fa dia nataony tokoa, kanefa izany ve dia hampijanona azy fa mba hevitra manidina fotsiny.
Dia taty aoriana rehefa nanambady izy dia ny zanany lahy koa nanahaka azy mihitsy fa dia nipipy am-pandriana ary tsy nijanona raha tsy efa classe de 6è.
4. soanja ( 29/09/2009 12:21)
Tokony eo amin'ny 4 taona eo no vao tena afaka malalaka ny zaza tsy hipipy ampandriana. Zany hoe alohan'io izy mahavita tsara ihany fa eo ho eo ihany , miankina amin'ny fahavitrin'ilay zaza amin'ny fiainana.

Ny fanafodiny dia zarina lalandava ny zaza handeha hipipy sy hikaka alohan'ny hatory. Io no atao farany dia miakatra ny fandriana hatory. Tsy tokony hisotro jus na zavatra mamy be loatra intsony na ronono aza adiny roa alohan'ny atoriany. Rano tsotra dia izay.

Raha mpamany ampandriana (zaza misy olana) ny zaza dia tsara ny hamohazana azy amin'ny alina be hoe ndao hipipy indray raha toa ka efa mananika ny 6 taona izy nefa mbola lenabe foana. Omanina mialoha koa ny fandriana atoriany. Mila asiana zavatra tsy lena izany ny tampony raha toa ka ianao tsy hampanao azy diapers na couches. Tsy omena fandriana tsara ny zaza tia mamany ampandriana. Atao izay tsy maha a l'aise azy dia amin'izay izy afaka mandini-tena. Ny zaza miakatra ny 5 taona dia afaka mandini-tena tsara ary manova ny fihetsika manoloana ny zavamisy. Zany hoe manao ezaka mafy kokoa satria efa misokatra ny sainy na conscious mind.

Teneno ny reniny raha toy izany hoe ampianaro tsy handena fandriana aloha ny zaza raha possible. Dioa omeo azy ny sopapa rehetra. Fa ny tranonao akory tsy kabone lava.

Fa misy tokoa ny zaza manana problem psy de mipipy lava ary ireny no mila tsaboina sy manao couche rehefa hatory.
5. booboo ( 29/09/2009 12:47)
na ho fohazina isaka ny adiny 2 na adiny X ( izay tsy tsara mihitsy satria tapaka ny cycle n'ny torimaso, indrindra ka au mauvais moment du cycle no tapahana tampoka ny torimason'ny zazakely na zaza na ankizy na ado ) aza izy rehefa tsy ilay antony hatrany an-dreniny no traiter-na dia tsy hisy vokany. Toy izany koa, na asaina handini-tena lava aza izy sy tsy hatao tsara ny fandriana ( izay hitako fa fampijaliana zaza, satria ohatra miendrika famaizana izany ilay izy : satria ianao mi-pipi fandriana = diniho ny tenanao = tsy atao matory tsara @ zay afaka mandin-tena tsara ...) dia tsy misy dikany.

Na aretina ara-batana mahakasika ny taovany ( manaraka tokoa ) na pb psy lalina kokoa izay mety any @ subconscient any no mitoetra ka na handini-tena eo aza izy rehefa tsy tonga ao @ faritry ny concsient dia tsisy dikany. Ny hany hitan'ny vatana hamahana ilay pb dia io : lasa mi-pipi fandriana ilay zaza.

Ny tena tokony hatao dia ny manatona urologue avy hatrany, na généraliste koa tsy maninona. Rehefa tsisy olana ny @ ara-batana dia manatona pédopsy hanampy azy hampivoitra ny tena olana sy hanome azy pistes-na vahaolana hihoarana ilay raha.

Ilay hampanaovina couches ny ankizy @ ireo taona ireo dia resaho aloha zareo, sao vao maika mampitombo ny olany eo ny fahitana fa traiter-na ohatra ny zazakely izy nefa efa " lehibe "

6. xxx ( 29/09/2009 13:48)
énuresie no anaran'ilay aretina io , misy part psychologique betsaka io raha ny fahalalàko azy, brochures koa no nahitako an'io tany @ Dr

Nanan-jandry 2 aho, dia maty tampoka ilay zandriko farany t@ faha 5 taonany, dia nanomboka nipipy am-pandriana tampoka teo ilay zandriko iray

Nisy zanaky ny namako koa , efa lehibe tsy nipipy am-pandriana intsony, dia voatery nifindra toeram-ponenana tampoka be rizareo, dia niverina nipipy am-pandriana indray ilay zaza
7. rhina ( 29/09/2009 15:01)
soanja:

Tokony eo amin'ny 4 taona eo no vao tena afaka malalaka ny zaza tsy hipipy ampandriana. Zany hoe alohan'io izy mahavita tsara ihany fa eo ho eo ihany , miankina amin'ny fahavitrin'ilay zaza amin'ny fiainana.

Ny fanafodiny dia zarina lalandava ny zaza handeha hipipy sy hikaka alohan'ny hatory. Io no atao farany dia miakatra ny fandriana hatory. Tsy tokony hisotro jus na zavatra mamy be loatra intsony na ronono aza adiny roa alohan'ny atoriany. Rano tsotra dia izay.

Raha mpamany ampandriana (zaza misy olana) ny zaza dia tsara ny hamohazana azy amin'ny alina be hoe ndao hipipy indray raha toa ka efa mananika ny 6 taona izy nefa mbola lenabe foana. Omanina mialoha koa ny fandriana atoriany. Mila asiana zavatra tsy lena izany ny tampony raha toa ka ianao tsy hampanao azy diapers na couches. Tsy omena fandriana tsara ny zaza tia mamany ampandriana. Atao izay tsy maha a l'aise azy dia amin'izay izy afaka mandini-tena. Ny zaza miakatra ny 5 taona dia afaka mandini-tena tsara ary manova ny fihetsika manoloana ny zavamisy. Zany hoe manao ezaka mafy kokoa satria efa misokatra ny sainy na conscious mind.

Teneno ny reniny raha toy izany hoe ampianaro tsy handena fandriana aloha ny zaza raha possible. Dioa omeo azy ny sopapa rehetra. Fa ny tranonao akory tsy kabone lava.

Fa misy tokoa ny zaza manana problem psy de mipipy lava ary ireny no mila tsaboina sy manao couche rehefa hatory.



misaotra betsaka anareo lo namaly fa ity nolazain'i soaja ity no tena valiny nilaiko satria mitovy @ fievitro ary tena mifanaraka tsara @ cas an-dry zareo
ireo zaza ireo dia mahalala tsara fa tsy mety ny mipipi @ fandrina fa ny olana

dia izao: ny renin'izy ireo araka ny filaza dia malahelo azy ireo ony ka aleo ry zareo hanao izay tiany hatao nefa tsy mety izay fomba fitaiza izay ka mampifanditra anay foana. Tsy dia olona laitra hatoro loatra mantsy izy. ka manahirana

Ka izao no nanaovako azy rehefa tonga aty:

rehefa tonga 2 na telo andro aty aminay izy ireo dia tsy mipipy @ fandriana intsony (satria izao no anaovako azy: asianay reveil in 2 manasaka tsara ny alina iray manotolo ka mifoha in2 isaky ny alina izy ireo mipipy) efa natsahatro ihany koa ny fisotroana rano @ ariva zany oe @ 4 hariva ny makany @ alina.

dia hita fa tsy mipipy @ fandriana izy ireo ; tsy aretina alony ilay izy fa efa nanontany ny Dokotera aho satria ato antrano koa misy dokotera fa dia fahazarandratsy tsotra fotsiny zao. Satria ny reniny tsy milaza fa ratsy sy mahamenatra ary mandoto ny fipipiazana ampandriana.

Nefa dia rehefa tonga 1 andro monja any @ reniny izy ireo dia miverina mipipy @ fandriana indray dia tena mandreraka ary dia mahamenatra tokoa satria izy roa lahy ireo dia miara matory @ reniny.

efa tao an-tasiko ihany ilay oe andeha apatoriana @ fandriana tsy maha alaise anazy nefa otrany tsy nety ny eritreritro fa ozy fotsiny za oe : izay mbola mipipy @ fandrina dia matory @ tany satria simba ny fandrina .

tena tezitra mafy aho satria ohatran'ny maty eritreritra izy. Sa ve tena izay no tiany itaizana ny zanany dia aleo izy ireo ho any fa tsy hiraharaha aho. Mariako ry reto fa tsy izay lafiny izay ihany no olana eo @ izy 2lahy kely reo fa maro fa izay lo no azoko resahana eto tena sahirana ny saiko nefa za tsy afaka miala



8. xxx ( 29/09/2009 17:08)
Matetika aretina ny mahatonga ny ankizy hi pipi fandriana satria ny cousine-ko efa ho 15 ans bola nanao izany bedindrainy izy ary napalahelo be satria voakapoka fa refa notenenina 'ny dokotera dia nivaha ny olana.
kAPOKA MAFY NO NAHAZO AZY TA@IO PIPI fandriana io ary naharary azy nefa tsy nisakana azy tsy nipipi fandriana fa aza bedesina izy ,tsara aloha ny tsy omena rano intsony izy refa hariva na hasaina mipipi alohan'ny handeha hatory.
9. xxx ( 29/09/2009 17:53)
Tsara nidiran'ity adihevitra ty teto mba ahafahana mandinika fa ny zanako 2 lahy koa mipipy ampandriana ny zokiny efa 12 afaka BPCE teo mbola mipipy ampandriana foana raha tara kely zahay mivady mamoha efa lena ny fandriana ny zandriny efa 9 taona tsy mahatsiaro na in-1 mandeha za na ho kotsa ao izy,za efa ts hitako ny ho atao efa nampatoriko t@ rairampandrian t@ vacance lasa fa eeh!
10. xxx ( 29/09/2009 18:04)
Tsara nidiran'ity adihevitra ty teto mba ahafahana mandinika fa ny zanako 2 lahy koa mipipy ampandriana ny zokiny efa 12 afaka BPCE teo mbola mipipy ampandriana foana raha tara kely zahay mivady mamoha efa lena ny fandriana ny zandriny efa 9 taona tsy mahatsiaro na in-1 mandeha za na ho kotsa ao izy,za efa ts hitako ny ho atao efa nampatoriko t@ rairampandrian t@ vacance lasa fa eeh!
11. booboo ( 29/09/2009 18:18)
ilay inona no tena maha-tezitra an'i Rhina @ renin'ireo ankizy ireo ? tandremo² ihany fa délicat be izany mifampiteny² @ fomba fitaizana zaza izany ( rehefa tsy maltraités ireo ankizy)...

Manomboka à 16h ireo ankizy no tsy ampisotroina rano ? ouh là...dia ilay dokotera ao an-trano ve mi-approuver an'izany ? tena euh... euh...re ouh là...

Aza bedesina, aza faizina, aza rahonana, aza kapohana, aza latsaina sy tsy haiko aby ny ankizy raha mi-pipi am-pandriana fa tsy fanahy iniany !!! Mahagaga sy mahavariana io vatantsika io fa matetika rehefa misy olana ka tsy haintsika ny mamaha azy dia manao izay fantatry ny vatana tokony hatao izy hi-évacuer-na ilay olana. Ny an'ireo ankizy ireo dia any @ ilay mi-pipi am-pandriana. Averiko indray hoe : tsy fanahy iniany ! Ny an'ny sasany mivoaka eczema, ny an'ny sasany mi-degôba sns.

Aza hodian-tsy hita ny olana hafa raha misy hafa fa mety mifandray @ ilay aretina aby izany.

re- re- re- re- raha te hanafongana ilay aretina dia ny antony hatrany an-dreniny sitranina dia foana ho azy ny manifestations n'ilay aretina.
12. rhina ( 30/09/2009 04:58)
booboo:

ilay inona no tena maha-tezitra an'i Rhina @ renin'ireo ankizy ireo ? tandremo² ihany fa délicat be izany mifampiteny² @ fomba fitaizana zaza izany ( rehefa tsy maltraités ireo ankizy)...

Manomboka à 16h ireo ankizy no tsy ampisotroina rano ? ouh là...dia ilay dokotera ao an-trano ve mi-approuver an'izany ? tena euh... euh...re ouh là...

Aza bedesina, aza faizina, aza rahonana, aza kapohana, aza latsaina sy tsy haiko aby ny ankizy raha mi-pipi am-pandriana fa tsy fanahy iniany !!! Mahagaga sy mahavariana io vatantsika io fa matetika rehefa misy olana ka tsy haintsika ny mamaha azy dia manao izay fantatry ny vatana tokony hatao izy hi-évacuer-na ilay olana. Ny an'ireo ankizy ireo dia any @ ilay mi-pipi am-pandriana. Averiko indray hoe : tsy fanahy iniany ! Ny an'ny sasany mivoaka eczema, ny an'ny sasany mi-degôba sns.

Aza hodian-tsy hita ny olana hafa raha misy hafa fa mety mifandray @ ilay aretina aby izany.

re- re- re- re- raha te hanafongana ilay aretina dia ny antony hatrany an-dreniny sitranina dia foana ho azy ny manifestations n'ilay aretina.


le manabedy lo tena tsy mba atoko fotsiny e!!
fa za matsy le tezitra rery reny fa tsy mba mikapokapoka zanak'olona zany ny ahy no anaparako ny atezerako ra misy sany saingy ny dinika ohatran'izao no anaparako ny atezerako fa ny zanako koa mbola kely.

Tsy mbola nikapoka azy ireo mihitsy aho na 1 mande aza fa ny miteny no ataoko rehefa tsy miaino izy dia ao zany tsy miasa saina a fa lasa a miasa dia eto aho no maneo ny atezerako.

Ny olona rehetra mantsy samy manana ny fomba hitondrany sy higereny ny ao am-pony ao ka ny ahy tsy kapoka velively fa resaka ohatran'izao dia mampiva azy.

le oe @ 16h dia tsy misotro rano tena ny dokotera mihitsy no nanoro aho an'io fa tsy iza kory ary ; ka ny oe fahaizany sy tsy fahaizany tsy miditra lalina aho fa inona fotsiny no n ianarany nandritran'ny 8 taona aleo tsy asina commentaire betsaka.

Ny oe miteniteny indray tena tsy izaho no miteny ny renin'ireo zaza fa ny rainy izy ireo ihany ka mampifandritra azy roa ireo matetika dia vaha olana no tadiavin'ny rainizy ireo aty amiko. ZANANY REO KO AHOANA NO ITENITENENEKO AZY
Ny fanaovany vacance ato amiko kosa nefa no tsy misy ady evitra tsy maintsy idirako @ fitaizana azy.

efa nolazaiko ombieny ombieny fa tsy aretina tsy ny dokotera tato antrano ihany fa efa nadeha dokotera maro izahay. Fa ireo zaza ireo dia ampiantain'ny reniny @ zavatra ratsy be loatra ka ny farany dia tsy itany intsony izay anaovany azy. Na izy aza mantsy @ zao fotoana izao dia mitaraina fa tsy itany izay anaovana azy ireo fa maditra loatra ony nefa izy reniny tena gaga be a t@ zay
fa zany oe : na inona na inona tsy afaka miala @ fandraisana anjara @ fitaizana azy ireo aho saingy rehefa tonga ato amiko izy no miditra mivantana aho fa rehefa any aminy any izay anaovany azy any tsy miiditra lalina aho fa ZANANY IREO.

fa eto dia ilaiko ny tsikera sy ny toro hevitra afa mba hampivoatra azy ireo ara-tsaina sy ara-batana sns ......
Mariako fa ny iray @ reo zaza ireo koa dia mipipy @ patako na @ atoandro be nanahary zao aza fa oe kamo ony izy ny ho any @ WC nefa ny zanako 15 mois efa miteny fa mbola tsy mande aza mahalala oe : 'pipi, pô'
ka aona aiza zany no tena lesoka sy azo hanarenana azy.
13. xxx ( 30/09/2009 07:49)
ento any @ psy ilay zaza , raha tsy izany dia ianao no mankanesa any :-)

averiko fa misy part psychologique be dia be io fa tsy hakamoana na fanahy iniana

heverinao ve fa mety hahafinaritra ilay zaza koa ilay "maimbo ampy" ????
14. xxx ( 30/09/2009 08:06)
ento any @ psy ilay zaza , raha tsy izany dia ianao no mankanesa any
fa ahoana kosa e!
15. rhina ( 30/09/2009 08:40)
xxx:

ento any @ psy ilay zaza , raha tsy izany dia ianao no mankanesa any :-)

averiko fa misy part psychologique be dia be io fa tsy hakamoana na fanahy iniana

heverinao ve fa mety hahafinaritra ilay zaza koa ilay "maimbo ampy" ????



tsotra be ny havaliko anao ra xxx
indray andro ra nanontaniko izy ireo oe: tsy bedy ve nareo raha mipipy ampandriana any an-trano dia ozy oe : ie! ozy mamanay oe esory fotsiny reny pataloanareo roa lahy ireo ho sasaiko! dia vita tsy misy oe zao na zao.

tsy mampalaelo anareo ve i neny sasatra manasa lamba isanandro? dia ozy ireo oe: izay no natao ho asany koa aona izy no tsy hanasa.

tena mampametraka fanontaniana an!!!!

ka iza ary no maha tonga azy manao valimpanontanina ohatran'izany ny psy ve hahavaly an'izany sady efa nolazaiko fa vacace fotsiny izy ireo no aty amiko fa tsy maharitra sady ra resaka psy tsy takatry ny fahefamividin'ny reniny zany.

raha ny momba ahy manokana indray no tiana alefa any @ psy dia izao no avaliko anao raha toa ka inao ilay xxx mifamaly matetika @ ni8 iny dia inao no mila manakany @ psy.

misaotra indrindra namaly fa tsy mahavaha olana ra resaka psy eto madagasikara.
16. ni81 ( 30/09/2009 08:48)
raha ny momba ahy manokana indray no tiana alefa any @ psy dia izao no avaliko anao raha toa ka inao ilay xxx mifamaly matetika @ ni8 iny dia inao no mila manakany @ psy.
mampme ahy koa nareo :lol: :lol:
17. xxx ( 01/10/2009 13:22)
rhina >>> ka diso varavarana mihintsy ianao @ fitadiavanao ny olana, efa hoe tsy any @ resaka fanasàna lamba na inona fa misy resaka psychologique, matoa misy psychologue nianatra dia izy mahalala azy fa ianao irery no midohika hoe "zaza ratsy taiza " ilay zaza ==> ianao no mila mandeha psy

Izaho aloha tsy mpifamaly aman'olona eto e, en particulier tsy mbola nifamaly @ ni81

18. soanja ( 01/10/2009 22:57)
Ilay atao hoe MIBEDY- fibedesana dia matetika mifandraika foana amin'ny hetsika mifangaro haratsiana fa misy teny iray fampiasanay hoe "Natural consequences" izay azo adika hoe " Vokatry ny natao" angamba akaiky indrindra dia tsara ampiharina amin'ny zaza tokoa hahafahana mahalala na olana psy no mahazo ilay ankizy na araka ny voalazan'i Rhina hoe "ratsy taiza".
Tena misy tokoa ny zaza ratsy taiza. Ary tsy ny zaza velively no ratsy amin'izany fa ao anaty fanabeazana azy no misy olana. Io olana io dia matetika na misy olana ny reniny amin'ny resaka psy na tsy voahevitra ny zavatra atao ao an-trano fa miodina fotsiny mba hiodina. Ny fiainana miaraka amin'ny ankizy anefa dia ilaina lalandava fijerena akaiky sy planina ary fandaminana mifanaraka amin'ny fivoatry ny fitombony na ara-tsaina na ara-batana na ara-panahy sy sosialy.

Rehefa ampiharina amin'ny zaza ny natoraly consekansa dia raha in-3 na in-4 miverina ilay olana nefa izy tsy mihontsona nefa ny taonany tokony efa hahalala ny mahasarotra ny fiaretany izany dia misy olana ilay zaza.
Raisiko ny ohatra,
Misy kely vao mahita bibikely dia tonga dia maika ery hanitsaka sy hamono an'iny. Dia miteny aminy ianao ampitiavana hoe raha tsy hanaikitra anao ilay biby dia avelao handeha na sakatsankanana fa misy aina ao anatin'io toy ianao koa. Raha hanaikitra dia akifika dia miala teo haingana na antsoy aho hanampy anao sao maratra mantsy ianao raha mitazona azy na izy mety haratra koa. Eo zany fantany fa zavadehibe aminao na izy na ilay biby. Dia raha mbola haveriny ilay famonoana biby dia miteny ianao hoe amin'ny manaraka raha mamono biby ianao dia tsy afaka hilalao ety an-tokotany intsony fa tsy maintsy any an-trano satria mila malalaka ny biby toa anao malalaka milalao koa. Ianao tsinona matanjaka noho izy dia mampalahelo izy mijaly. Dia avela izy hieritreritra sady ampiana ilay biby hiala teo. Raha mbola mitohy ihany iny famonoana biby iny dia lazaina mazava amin'izay fa " Tsy fanao ny mamono biby fa mandratra na ianao na ilay biby. Mila milalao any an-trano ianao raha tsy izany." Raha mbola mitohy ihany dia " Mila mankany an-trano ianao. Tsy fanao ny mamono biby." Tsy resaka lava fa izay ihany dia avela any an-trano izy. Miana-desona ny zaza rehefa mahazo ireo dingana ireo ary hatrany matetika dia manova fihetsika manoloana ny biby ka raha zaza hendry izy dia te hikasika izy saingy mandeha ny eritreriny dia tsy manao izy fa mijery fotsiny eo. Ka raha mihaona ny masonareo dia izy mahalala moa ianao mahalala izay ao an-tsainy. Tsy fanao ny mamono biby.

Toy izay koa ny mipipy ampandriana. Raha toa ka efa misy planina natoraly konsekansa atao amin'ilay zaza eo amin'ny hafa 5 taonany eo dia mbola mipipy foana izy dia misy olana psy ilay zaza. Fa raha alohan'izay dia ampiharina daholo aloha ny NC mba hahalalana fa tsy afa-manoatra izy. Ny mamoha zaza amin'ny alina dia asabe tokoa saingy anjaran'ny RAD no tena manao an'io ho anton-draharaha mba halalana fa tsy aretina no mahazo ny zaza fa fihetsika tsy arifomba fotsiny amin'ny taonany. Tsy dia tian'ilay zaza ny fohazina amin'ny alina saingy izay ilay hoe NC ka rehefa lazaina izy fa tokony hifoha rehefa mahatsiaro dia mandeha mipipy dia iny no alalana fa miasa ny NC fa raha tsy izay dia tena ao anaty olana hafa ilay zaza ka mila jerena akaiky ilay olana.

Raha ny fahitako ny hoe zaza efa lehibe miara matory amin-dreny izany dia misy olana ankoatran'io ilay fianakaviana fa saingy io aloha izany no tazako. Tokony hanana ny fandriany avy ny zaza na farahafaratsiny dia izy roalahy miara matory ary i Neny manana ny fandriany. Isan'ny olana koa ny fahantrana ao amin'ny fitaizana ary ireo zaza mahatra dia isan'ny manana olana kokoa amin'ny fianana sosialy satria be ny zavatra tsy maintsy iarehan'ny sainy mba hamenoana ny filaminan'ny vatany.


Koa asa na te hizara izany i Rhina.

Izay indray ary!
19. soanja ( 02/10/2009 00:19)
rhina:



tena tezitra mafy aho satria ohatran'ny maty eritreritra izy. Sa ve tena izay no tiany itaizana ny zanany dia aleo izy ireo ho any fa tsy hiraharaha aho. Mariako ry reto fa tsy izay lafiny izay ihany no olana eo @ izy 2lahy kely reo fa maro fa izay lo no azoko resahana eto tena sahirana ny saiko nefa za tsy afaka miala




Sarotra ny mitaiza zanak'olona. Matetika isika dia mahita olana ny zanak'olona fa ny antsika dia mahajamba antsika satria tiantsika. Sarotra koa ny tezitra amin'olona noho ny fitaizany ny zanany saingy kosa raha misy fifandraisana aminao ireo ankizy dia ilaina lalandava ny fandaminana amim-pitiavana eo amin'ny samy mpitaiza, zany hoe RAD. Izay no mahatsara ny bebe sy dadabe rehefa alefa hanao vacances any amin-dry zareo ny ankizy dia ny ddabe sy bbe efa mahalala hoe inona no fanao raha izao no mitranga any amin'ny misy azy any. Ny fitohizan'ny fitaizana na fahafahana manao ny mahazatra an'ilay zaza ihany no fanafody afaka manampy zaza iray fa raha vao miovaova ny zavamisy sy ny fiantraikany dia mety hipatitaka koa ny monba azy ireo.

Ny ohatra resahiko zao dia hoe raha zaza zatra matory any an-tranony ka raha vao miova toerana na tanana na olona ipetrahana dia mety hipipy ampandriana tokoa na dia tsy manao izany izy ireo any aminy any. Ny zaza tezerina lava dia hipipy ampandriana koa. Ny tiako tenenina izany dia tsapan'ny ankizy ianao rehefa misy tsy itiavanao azy ireo na manirikiry anao azy ireo ary izy mety tsy hiteny fa ny fomba tsy fanahiniana no mety hitranga avy hatrany. Ny mipipy ampandriana dia tsy fanahin'ny ankizy fa saingy ny hakamoana mety hanjaka aminy. Dia io no ametrahana ny NC foana hijerena hoe kamo ve izy sa misy olana.

Tsy anjarantsika ny mitsara ny fitaizan'olona ny zanany. Izay aloha no nianarako fa anjarantsika kosa ny manome azy ireo fanampiana raha mangataka ny ray aman-dreniny. Fa raha ny zanakao no milalao amin'ny zaza tsy ampy fanabeazana feno dia na anjaranao manala ny zanakao tsy hilalao amin'izy ireo intsony na atoro ny zanakao ny olana manoloana ireo zaza ireo mba hitany ny lalan-kalehany amin'ny fampiasana saina. Afaka mifandray ny ankizy samy hafa fitaizana ary io mahatsara ny fiarahana sy fifandraisana satria samihafa isika saingy mifampianatra sy afaka mifankatia ihany. Mora mifampianatra ny zaza samy zaza ary ireo aza no tena mpampiantra matomboka noho isika olondehibe masiaka indraindray.

Mahereza daholo!


20. niryna ( 02/10/2009 03:37)
Misy antony maro aloha no mahatonga ny zaza hipipy amin'ny alina.Na dia izany aza maro ny fanafody na ny fomba fa misy mandaitra amin'ny hafa fa tsy mandraitra amin'ny sasany.
Ny vatantsika dia mila rano ka raha tsy misotro isika dia ho mangetaheta,ny fisotroana be loatra koa anefa dia miteraka ny rehetra te hivoaka amin'ny alina.Toy izany koa ny ankizy,satria ry zareo mbola tsy maha tsapa izany dia lasa misy mipipy ao am-pandriana.
Nisy fomba iray izay asiana alarm ao ampandriana ka raha vao mitete ilay pipy dia maneno ilay alarm ary mahatonga ny zaza ho taitra, mandraitra kely ilay izy no sady lafo fa amin'ny farany e,e,raha mbola tsy vonona ny vatany dia miverina ihany ,noho izany tsy tsara atao izany ny zaza
Misy koa mamoa ny zaza matory,io no tena ratsy satria ilay zaza mbola matory ny vatany dia asiana mipipy ary dia tsy ho afaka ilay zaza,raha anontaniana izy amin'ny maraina dia tsy nahatadidy hoe nifoha nipipy koa aza atao raha izany fa tsy mandaitra koa io fa toa manasazy azy an-kolaka.
Afaka asiana mivoaka mipipy izy alohan'ny atory ary atao mafana tsara koa ny vatany fa raha mangatsiaka na ny olon-dehibe aza poritra
Omena fanafody ? ny vola fotsiny no lany fa misy manampy kely raha toa ka mandeha any amin'ny camp na any an-tranon'olona indray andro angaha fa raha amin'ny androny rehetra dia tsy mamokatra ihany koa
Efa misy tatin-jaza ireny any amintsika e,ary efa misy taty natokana ho an'ny olon-dehibe koa ve? ny antony dia misy tsy mahatana pipy na olon-dehibe aza ka tsy maninona izy raha ampanaovina an'io,fadiana fotsiny ny mibedy ny zaza satria tsy nanao fanainiana izy,tambatambazana tsara izy ary ampahafantarina azy koa fa tsy izy irery no voan'io .
Jereo koa fa ny fahatezeran'ny zaza dia miteraka ilay izy mipipy am-pandriana,tadidiko nampianatra ankizy kely aho ,maro ny olana amin'ny fianakaviana ary izaho moa tia milalao ireo mpianatro rehefa manao recreation kely iny dia mibitabitaka eo daholo ilay mpianatra keliko,nisy roa tamin'ireo tsy dia niresaka na niaraka ny ankizy ,ny nataon'izy ireo dia nipipy tamin'ny cul foana,indray andro izay dia nalaiko ilay slip kely ary nasaiko nakatia amiko izy ho soloina,inona no nahazo fa tsy falifaly be toa izany izy ary nierikerika nijery ery hoe jereo fa soloin'ny Mlle aho,dia toy izany koa ilay iray.Taty aoriana dia fantatro fa ny iray tsy manan-dray ary sahirana ilay reniny ,ny iray indray dia miady an-trano foana ny RAR.
Tsy midika akory izany hoe voatery toa io ilay izy ,misy mitady fitiavana irery dia manao fanahiniana na atoandro aza,misy indray mbola tsy ari-fomba ny fitaovana ao anatiny ary mbola tsy fantany tsara ilay izy na mbola kely dia ireny forcena ampanaovina ireny kanefa mbola tsy mahalala firy,maro e.
Ny tena zava-dehibe izany dia ny fitiavana izay asehon'ny RAR ilay zaza fa tsy anaovana tarehy ratsy na fijery vilana na tarehy vinitra izy satria izy indray no manontany tena kanefa zavatra tsy nampoiziny ,fa rehefa mitia azy kosa ka mampiseho izany fitiavana aminy izany ary manome hery azy rehefa manao io izy dia io no anova zavatra tsikelikely.Tadidio fa raha mbola tsy vonona ny vatany dia tsy misy azo atao na lany eo aza ny vola an
lavabe fa azafady
niryna
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2823