Ny adala no tsy miova hevitra
1. hery
(
18/09/2009 08:47)
Manomboka hita fa miha tonga saina ny olona. Indrindra ireo izay nieritreritra hoe ho tafita ilay TGV. Aty aoriana vao mahita hoe tsy mety tafa ilay izy. I Andry Rajoelina mety ho nilay ihany fa ilay fikany nanongana fanjakana mijoro ara-dalàna no tena blem ka tsy mety tafa mihitsy satria tsy mahazo saosy. Na ireo mafana fo tamin'ny 8 volana lasa aza dia maro no efa hita hoe kivy satria tsy nisy vokany ny tolona natao... fahavoazana no hita.
Tsara dia tsara ny hevitra hoe Tanora no hitondra, tokony hiala ny goaika saingy tamin'ny fotoana tsy nampety azy fotsiny. Azo inoana tanteraka fa mety ho nilay raha niandry fifidianana ny TGV.
Koa mankahery ireo tanora ireo ny tenanay hoe aza kivy fa mbola TENA hitondra ny tanora. Marina fa vokatr'izao tsy fahamatoran'ny tanora eo @ fitondrana izao dia mety ho sarotsarotra ny handresy lahatra ny Malagasy hifidy tanora indray. Kanefa mbola lavalava ny fotoana hijoroana hialana sy hanadiovana ny maha tanora... dia ny miala ao amin'ny TGV dieny izao.
Aza menatra hoe nafana fo tamin'ny 8 volana lasa kanefa dia hihemotra amin'izao ka hiditra @ resaka ara-dalàna. Raha hita fa diso ny natao dia ny adàla ihany no tsy miova hevitra. Mbola tsy tara mihitsy raha izao no mahatsapa tena, dieny mbola afaka manadio tena sy mbola manaiky anao ny tantara.
Mahereza hatrany.

novalian'i dadabe ny 19/09/2009 12:22
2. naritsimba
(
18/09/2009 08:52)
sao dia diso toerana ary znay zavatra ataon'i hery zany, aty @ fety sy fihaonana ange no nampidirinareo ilay izy eh! tokony ho any @ politika nefa na iznay aza ho valiako ihany, fa raha izaho dia manohana an'ny Andry na dia tsy TGV aza, satria tsy mila an'i ra8 hiverina eto. Ary tsy hampiova hevitra ahy mihitsy na inona na inona ilazan'ny hery azy.
3. halloween
(
18/09/2009 08:57)
sao dia diso toerana ary znay zavatra ataon'i hery zany, aty @ fety sy fihaonana ange no nampidirinareo ilay izy eh:-D :-D :-D
naritsimba ah !! sahirana amin'ny fikarakarana Ambondrona amin'ny Annif n'ny serasera kosa Lery defa asian'ny Naritsimba mafy ery !! tsy matory andro , tsy matory alina anie lery ee!! :-D :-D
4. Noue
(
18/09/2009 08:58)
naritsimba:sao kosa aza mila solomaso i Naritsimba tsy nahita fa tena ato @ dinika politika izy ity fa tsy any à fety sy fihaonana zany ee ??
sao dia diso toerana ary znay zavatra ataon'i hery zany, aty @ fety sy fihaonana ange no nampidirinareo ilay izy eh! tokony ho any @ politika nefa na iznay aza ho valiako ihany,
Tena marina fa nandiso fanantenana olona be dia be TGV ? INDRINDRA FA IREO TANORA IZAY nanotrona azy t@ voalohany, tsy ireo tanora ihany anefa no diso fanantenana fa presque ny olona rehetra satria niova dia niova ny nitondran'i TGV ny tantara avy eo nefa t@ voalohany oe liberté d'expression , démocratie sns , aiza izany zao ?
Enganie fotsiny ho an'ireo tanora mikatsa hiditra politika mba tsy haka tahaka ny nataon'io TGV lasa nivadika ho VTG io zao. Mba tsy hanohy ny hadisoan'ny hafa fa tena hanangana zavatra matotra ee !
5. hery
(
18/09/2009 08:59)
naritsimba> diso toerana ilay izy teo fa azafady.
Ka i Andry mihitsy no iantefan'io resaka io.
Na izaho koa aza dia tena ho nanohana an'i Andry raha ohatra ka fifidianana tsotra no nidiran'i leiry. Manana ambition izy. Mbola tanora rahateo. Fa tsy entina amin'ny lohamboto no fitondra firenena.
Tsy mahita tanora hafa naritsimba, ary mieritreritra hoe rehefa tsy Andry dia ra8, ka izay no mampidrikina an'i naritsimba. Fa izaho mino hoe misy tanora mahavita mitondra firenena kanefa mba hendry sy tsy manao loham-boto fa manaraka tsara ny fitsipi-dalao. Sa ve dia tsy misy tanora hahavita an'izany mihitsy?
Ka izay no lazaiko hoe mba tsy hiova hevitra hamerina ny goaika antitra ny vahoaka amin'ny fifidianana manaraka (ra8 ao anatiny) dia ovao ny famindra. Mbola tsy tara raha izao dia miala sy tsy miray petsapetsa amin'ny TGV.
Tsy lany tanora i Madagasikara ka.

6. halloween
(
18/09/2009 08:59)
zay no nahatonga le dinika ho lasa any amin'ny fetim-piangonana Laiika! ni trouble ny lohany nefa mamy le te hamaly ato politika de mbola nanaonao foana ndray zany !! efa niteniteny foan tatsy ambany !! ha ha ha ha !! hon hon hon !!
7. terrywui
(
18/09/2009 09:02)
miteniteny foana , manaonao foana , maminaninany foana ! leeeee !! innnn daolo zany klé ? :-D :-D :oops: :oops: :oops: :-D :-D
8. halloween
(
18/09/2009 09:06)
fa hono oa Hery !! mbola tohin'ilay famotehana Tanindrazana sy fandorana Tanindrazana ihany ty !!
----ary toa tsy tanteraka oa ilay fika maloton'ny TIM saika handoro ny ROVAN'Ambaitra (ambohidratrimo)?? nitsefotra le izy ! le panneaux INJET ihany zany alou no tafa zao !
----ary toa tsy tanteraka oa ilay fika maloton'ny TIM saika handoro ny ROVAN'Ambaitra (ambohidratrimo)?? nitsefotra le izy ! le panneaux INJET ihany zany alou no tafa zao !
9. ravatorano
(
18/09/2009 10:23)
za aloha tsy hanohana an i andry rajoelina izany ary tsy hanohana an dravalomana na ny tim izany fa mila olona vaovao mihitsy ary koa heveriko fa hahavita hanarina ny fahavoazan'ny firenena amin'izao.
Tsy hoe i ravalo na i andry na i roindefo rery no olona favo eto fa bobaka be eto saingy mbola tsy niseho ry zareo aary ny irariana dia ny mba hiavian'nizany fa raha mbola ry zareo ireo dia manasa tanana aho kle ! ireo rehetra ireo ihany no mahatonga izao fiainam-bahoaka mihasarotra izao !
:x

10. tsiafoi1
(
18/09/2009 10:43)
Salut Zoky Nary a! Ka TSY HO AFAKA hiova na oviana na oviana ny fo feno fankahalana, satria ny fankahalana sy ny lolom-po dia karazana demonia matanjaka mahafeno ny fo, izany no nahatonga ny Tompo hiteny hoe \"Aza manome fitoerana ho an\'ny devoly, fa omeo lalana ny fahatezeranareo, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika izany\". Koa raha ireo no mibahan-toerana ao am-po dia tsy hiasa na hitoetra ao am-po mihitsy ny Fanahy Masina. Mazava ho azy arak\'izany fa tsy ho tonga @\'ny famindra-po na hahay hamela heloka ilay olona ary tsy ho afaka ny hiova-hevitra ihany koa fa hiziriziry be fahatany fotsiny. Ny valifaty hatrany hatrany no masaka ao ampony sy ao an-tsainy.
11. tywa68
(
18/09/2009 10:46)
ravatorano:
za aloha tsy hanohana an i andry rajoelina izany ary tsy hanohana an dravalomana na ny tim izany fa mila olona vaovao mihitsy ary koa heveriko fa hahavita hanarina ny fahavoazan'ny firenena amin'izao.
Tsy hoe i ravalo na i andry na i roindefo rery no olona favo eto fa bobaka be eto saingy mbola tsy niseho ry zareo aary ny irariana dia ny mba hiavian'nizany fa raha mbola ry zareo ireo dia manasa tanana aho kle ! ireo rehetra ireo ihany no mahatonga izao fiainam-bahoaka mihasarotra izao !
:x
Ary enao @oviana no hirotsaka e ? :lol: :wink:
12. harybe
(
18/09/2009 10:48)
ravatorano:
za aloha tsy hanohana an i andry rajoelina izany ary tsy hanohana an dravalomana na ny tim izany fa mila olona vaovao mihitsy ary koa heveriko fa hahavita hanarina ny fahavoazan'ny firenena amin'izao.
Tsy hoe i ravalo na i andry na i roindefo rery no olona favo eto fa bobaka be eto saingy mbola tsy niseho ry zareo aary ny irariana dia ny mba hiavian'nizany fa raha mbola ry zareo ireo dia manasa tanana aho kle ! ireo rehetra ireo ihany no mahatonga izao fiainam-bahoaka mihasarotra izao !
:x
ny frantsy no ao ambadik'izao fa mariônety daholy reo olona ireo!! itsika mora atao gauche de mandeha gauche de atao oe à droite de lasa makany! tsisy na iray aza ( afa tsy ra8 ) nitsinjo ny firenena fa de nameno pôsy daholy (ra8 sady nameno pôsy no nitsinjo firenena)
13. tsiafoi1
(
18/09/2009 10:50)
Za manokana ndray aloa dia efa tena fay an'ity taitaitra ny akanga tsara soratra ity, na fatra-pifidy ny tanora loatra, kao zao ity sendra ny ampelan-dohaliny
14. xxx
(
18/09/2009 10:50)
Refa marary saina ry halloween dia milaza sady efa misy2 ao analakely ao ,ry mpanakorontan-tolona ireo karamaina'i tgvendrana sy ny mpandoro ary ny mpandroba lazao fa tsy ny hat sy ramarosaona indray no ambadik'ireo,tony efa faikany hatra@tsinaimaintiny nateraka ho mpandainga,na ny ps ny aza tsy mahagaga ,zaoridiran'olona panapotika firenena tsy tonga saina tony fa andevozin'ny tsotsoka ,hampihadiana ohtra ny alika dia manimba tanindrazana ,enao anga no handova ny la frantsa?
eFA ATY @SIECLE FAHAFIRY TONY KARAMAINA'NY TSOTSOKA DIA MANIMBA TANINDRAZANA!
eFA ATY @SIECLE FAHAFIRY TONY KARAMAINA'NY TSOTSOKA DIA MANIMBA TANINDRAZANA!
15. Mirananirina
(
18/09/2009 10:55)
tsy ratsy indray iny hoe ny adala no tsy miova hevitra. :) Taminy voalohany mihitsy mbola ravalo no nitondra dia nanohana tgv aho,hijery ireo zavatra tsy mety ataon'ny mpitondra...kay hitako avy eo fa tsy izay no ao andohan'ireo fa hanao valifaty.Tsy hijery ny vahoaka akory!!!mbola lasa ihany ireo vendrana hanaraka azy.Dia izao tanteraka soamatsara izao moa...koa mialà amin'izay ary ianao Mr tgv fa vita ny valifaty.
18. milamm
(
18/09/2009 12:43)
roahy tany ny hat fa hariva ry akama isany ny andro,toy ny jamba misikidy ny masoandro ny hafa(frantsa) zy ireo tsy mahita ny mazava ho any tenany(M.kara).Olona natao hitarika no mahavita fanonganam-panjakana maharitra fa tsy saribakoly ampihetsehana,efa tokony hamandrika toerana hialokalofany zao no fahendrena an'i andry ra tsy te hanofa trano any nosilava taona maromaro,efa feno fahoriana ny kapoaka mangidy nampisotroany hat ireo maro an'isa diso fanantenana ka tsy ho voatohana toy ny rano vaky intsony,raha mbola ampiasa herisetra famoretana @ reto rasil mpikomy moa dia hiafara @ crime internationale izay azo henjehina @ lalany zon'olmbel eran-tany,miomana ela ry bitro lava nify sy ny akamany fa ho avy ny tsy mety @ ty 1 mandeha ty
19. Andryuwi
(
18/09/2009 13:14)
ary nahazo hery @ fiarahana @ ratsy iraka njay angah nareo zany zokibe milamm ka toa tena niova hatramin'ny style firesahana !!! io raha misy ny tena fitiavan'ny mpanao politika ny Malagasy (ny mpanao politika mantsy d tia an'i Madagasikara satria ao ilay harena tsetsefiny sy angalariny mba ahafahany manana trano be any afrika atsimo sy any frantsa any mba hialokalofany rehefa rahatrizay voaroka eo @ fitondran izy ireo) rah misy ny tena fitiavana ny Malagasy d tsotra ny tokony atao TSY AVELA MIROTSAKA INTSONY i RaTSY IRAKA; RAVALOMANANA; Pr ZAFY; ANDRY RAJOELINA ; MONJA ROINDEFO fa kosa rehefa mitsangana ny repoblika vaovao d raisin'ny fanjakana ho andraikitra ny fiarovana an'ireo olona ireo sy ny fananany satria Malagasy izy ireo noho izany d avela hitondra ny tetezamita i Rajoelina sy Roindefo fa omena ny miaramila sy ny société civile ny fikarakarana ny fifidianana!! raha zay no tanteraka d hilamina ny tanana !! tsy tsara miverina ireo efa nitondra satria MIKOTRIKA VALIFATY SY ASA DEMONY !!
20. nancy
(
18/09/2009 13:26)
Izaho indray dia vao niala tany mihitsy ity tgv ity fa hilatsaka maire dia efa mailo aho. Ny zavatra nampalaza ity tgv ity manko hatrizay dia resaka soiree live, frime teto amin'ny tanana. Vao hoe hilatsaka nefa i tgv dia nirohotra daholo ny tanora fa hanohana azy fa tsy mba nisy eritreritra lalina akory hoe satria nahoana? Ny toe-tsain'ny tanora mihitsy koa aloha no mila ovaina eto Mcar e.
Misy dikany anie rey olona matoa nisy ny atao hoe "fianarana" fa tsy nataotao foana e. Misy dikany matoa neken'izao tontolo izao fa ilaina ny fianarana politika alohan'ny anaovana politika (indrindra fa hoan'izay hitondra firenena), ilaina ny fianarana mitantana orinasa alohan'ny hitantanana orinasa, sns. Hanao maire izany mba tokony misy fianarana minimum momba izany atao ihany.
Nitohy moa ny tantara ka nihitatra hatramin'ny fidirany (tgv) lalina tamin'ny politika, hatramin'ny hoe "ho filoham-pirenena" izy, dia vao may ratsy satria tsy ao mihitsy ilay fototra e....
Amiko aloha dia tena ratsy foana io na izy nanongam-panjakana io, na niandry fifidianana dia ho lany satria fitaka be izany, ilay fototra mihitsy no tsy ampy ao aminy, milingilingy.

Mirananirina: