LEVELO

1. ni81 ( 05/08/2009 07:05)
Nodimandry teo @ faha 50 taonany. Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany sy ho an'ny mpankafy rehetra. :(
http://www.dailymotion.com/relevance/search/kivarivary/video/x70iso_kivarivary-levelo_music
2. ravatorano ( 05/08/2009 08:05)
Misaona ny zavakanto

Nodimandry omaly i Levelo

Banga iray ny olomangan’ny zavakanto malagasy. Nodimandry teo amin’ny faha-50 taonany omaly tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany i Levelo na Rakotoarivelo Jean Brito. Aretina nitaiza azy eo amin’ny taovam-pisefoana (sohika) no nihetsika ka nitarika fahafatesana ho azy. Araka ny fitantaran’i Lolona (vadiny sady mpihira miaraka aminy), dia sempotra izy ny maraina ka nentina tany amin’ny hopitaly Befelatanana. Mbola tsy tonga fa teny an-dalana anefa dia tapitra ny ainy. Namela kamboty telo sy zafikely iray ary mananontena i Levelo izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Efa nitondra avo ny kanto malagasy tany ampitan-dranomasina ny tarika Levelo ary mpitandro ny vakoka nentin-drazana. Valiha sy gitara ary ny feony miampy ny fitafy gasigasy avy eto anivon-tany no mampiavaka ny tarika Levelo (satroka penjy, malabary…). «Kivarivary», «Donakafon’ampombo» no santionany amin’ireo vazony tsy mety lany hamamiana. Nanomboka ny fiainana maha mpanakanto azy niaraka tamin-dRainitse izy ary mpitendry sy mpihira tao vao nandeha irery nitondra ny anarany. Mpiasan’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Fialamboly ihany koa izy nandritra ny taona maro. Izahay eto amin’ny Gazetiko dia mirary fionona feno ho an’ny vady aman-janany sy ny fianakaviany iray manontolo.
Fy
gazetiko
05/08/2008
3. sitlo ( 05/08/2009 13:03)

Dia nasiany soratra
teo an-dohan'ny farafara
Dia nasiany soratra hono o
teo an-dohan'ny farafara

Izay nilaza
veloma ry dadafara
Izay nilaza hono o
veloma ry dadafara

4. sitlo ( 05/08/2009 13:05)
Ireny no anisan'ny antsoiko hoe mpanakanto. Mba mpamorona.
5. Papoose ( 05/08/2009 15:20)
6. booboo ( 05/08/2009 15:32)
Mirary fionona ho an'ny fianakaviany sy ny mpakafy azy

Ilay donakafon'apombo iny no hirany tiako indrindra :}
7. pissoa ( 05/08/2009 15:48)
Hatraty :)

Misaotra azy amin'ny kantony dia mirary faherezana ho an'ny fianankaviany.
8. fahamarinana ( 05/08/2009 16:09)
:arrow: Dia handry am-piadanana tokoa anie izy !
Ny harena napetrany amin'ny hira dia ho tavela mandrakizay ! Mahatsiaro manokana ireo namana rvg mpandahatra an'ny Levelo koa aho e ! :( (l)
9. Zozoro ( 06/08/2009 13:12)
Mpifanila vodirindina isika.

Veloma ry Zoky ry Sakaiza... tsy mba hanadino ny Belamba sy ny zanaky ny Belamba. Na fararano tapia aza any amintsika dia noho ianao dia fararanom-bazo koa.
10. ari.malala ( 06/08/2009 13:40)
Raha tsy diso aho dia anisan'ny hirany ihany koa ity, entiko ampiononana antsika rehetra

Fandalovana avokoa ny eto an-tany
Na ny ratsy na ny soa izay vitanao tety
Hisaraka aminao indray andro any

Tsikitsiky hafaliana teo anilan'olon-tiana
Mbola ho foana, tsy mba misy ny ho doria,
Fa mandalo re ny fiainana ety
Alahelo sy tomany nijalianao teto an-tany
Mbola ho foana
Tsy mba misy ny ho doria
Fa mandalo re ny fiainana ety...

Na i dada nanasoa niasa tamin-kerim-po
Na i neny izay nitondra 10 volana
Hisaraka aminao indray andro any

Anatranatra sy teny zay fanaon'izy ireny
Mbola ho foana, tsy mba misy ny ho doria
Fa mandalo re ny fiainana ety...

Mandria am-piadanana Levelo
11. Samoana ( 06/08/2009 15:34)
Isaky ny mitangorona mihira izahay aty andakira aty dia tsy maintsy misy vetso Levelo anaty repertoire. Vita ny asany teto fa nantsoina hidoboka ampongan-danitra indray izy e :cry:
12. Mirananirina ( 08/08/2009 08:26)
Levelo m'a prouvé que le rythme existait, il a donné une vie à la musique. Il va me manquer.
Sa musique rassemblait toutes les générations, elle était intemporelle. c'était magnifique ! C'est une énorme perte pour la musique.Merci Levelo
13. tovolahy007 ( 09/08/2009 14:30)
Enao no lasa ra zoky fa ny asanao velona mandrakizay. Tsy ho adino mitsy ry "Tapatapaka Moza no nanaovana fefy ny ady natao", "Rasoanantenaina", sns... Mandria ampiadanana Levelo.
14. endrika01 ( 22/08/2009 13:18)
Mirananirina:

Levelo m'a prouvé que le rythme existait, il a donné une vie à la musique. Il va me manquer.
Sa musique rassemblait toutes les générations, elle était intemporelle. c'était magnifique ! C'est une énorme perte pour la musique.Merci Levelo



15. endrika01 ( 22/08/2009 13:20)
Mirananirina:
Levelo m\'a prouvé que le rythme existait, il a donné une vie à la musique. Il va me manquer. Sa musique rassemblait toutes les générations, elle était intemporelle. c\'était magnifique ! C\'est une énorme perte pour la musique.Merci Levelo
16. Simpona ( 24/08/2009 15:07)
Tsy hitako nandalo intsony izy e
Bozaka maina an-davenona o
Aloka matahotra andro sisa e
Fa maty any ho any a ilay fakiteranay e
...

Mankahery ny fianakaviany sy ny mpakafy rehetra

Kanto tokoa raha ny sangan\'asany na ny tonon-kira na feony na ny zava-maneno tinendriny.

Izy no lasa fa ny hafatra napetrany no aoka ho tsarovana mandrakariva :
\"... mifankatiava raha manan\'aina, mifnakatiava raha manan\'aina ...
... tsongonolombolo ra-fihavanana e fa mananjina o
Ny velona rehetra mameno tany e tsy mahavita tena\"
17. aivetinakely ( 02/09/2009 14:04)

Mirary fiononana tanteraka ho an'ny vady aman-janany.
Misaotra an'Ilevelo nanadratra avo dia avo ny kanto malagasy teo amin'ny sehatry ny hira.
Mahereza ireo tarika nilaozany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2351