citron + atody????

1. flodine ( 23/06/2009 13:04)
Sao mba efa nisy nihinana citron+ atody, satri misy calisuim. Zah dia efa nanandrana nanamboatra, ka toa tsy mety rava ilay akorany? nalonako 5j be zao le izy vao nandramako.
Fanontaniana: ahoana ny fomba fihinana azy? de tsy mety rava ve iny akorany iny?
Misaotra mialoha.
novalian'i bichette ny 30/07/2009 07:01
2. Tazana ( 23/06/2009 16:41)
Ilay manampy amin'ny resaka taolana ve no ilanao azy?

raha izay dia atao anaty vera 1 ny atody tsy vakiana fa atody iray manontolo. Pressez-na ny citron mandra parakotra ilay atody ary miandry quelques heures. Misy réaction eo amin'ilay citron misintona ny calcium eo amin'ilay coquille an'ilay oeuf dia ilay jus de citron no sotroina na marikivy aza.
Manampy koa io mi déoxyder ny vatana.
3. Tazana ( 23/06/2009 16:44)
ity misy site hitako sao manampy anao!
http://www.naturopathe.com/piljac/Coquille%20d'oeuf.htm
4. ari.malala ( 24/06/2009 09:23)
Tazana, tsy asiana tantely tsy asiana siramamy ve? tsy tampohina rano?
5. Tazana ( 24/06/2009 10:12)
ari.malala:

Tazana, tsy asiana tantely tsy asiana siramamy ve? tsy tampohina rano?

Azo sotroina amin'izao na tapohina rano kah - jereo ilay jereo eto eo amin'ilay valiny faharoa io.
Ilay tsiro aloha dia ratsy dia ratsy....ary mila atao matetika koa zay vao mitondra ny apport calcique ilain"i vatana. Raha ohatra tapaka ny taolana ohatra dia pendant 3 semaines 5 jours sur 7 manao azy foana! Fa tena calcium tsara nefa izy.

6. xxx ( 24/06/2009 11:41)
Tazana:

Ilay manampy amin'ny resaka taolana ve no ilanao azy?

raha izay dia atao anaty vera 1 ny atody tsy vakiana fa atody iray manontolo. Pressez-na ny citron mandra parakotra ilay atody ary miandry quelques heures. Misy réaction eo amin'ilay citron misintona ny calcium eo amin'ilay coquille an'ilay oeuf dia ilay jus de citron no sotroina na marikivy aza.
Manampy koa io mi déoxyder ny vatana.


raha vhv bevoka ( efa 6mois)
ve mahazo mihinana azy io koa?
7. flodine ( 24/06/2009 11:47)
Tazana:

ity misy site hitako sao manampy anao!
http://www.naturopathe.com/piljac/Coquille%20d'oeuf.htm

Ie, @ resaka taolana sy volo mihitsana no ilako azy io satri ny voloko akia tena mihitsana be mihitsy.
Misaotra betsaka akia Tazana.

8. Tazana ( 24/06/2009 14:31)
Ilay resaka bevohoka tsy fantatro ry Flodine! Maninona raha manontany dokotera? Fa ilay izy aloha tena efficace raha resaka apport calcique. Fa zay kosa hoe mila atao mitohy fa tsy kely dia mijanona.
Mirary soa indrindra e!
Fa ilay resaka vola rehefa bevohoka ve tsy normal? Toa mahare an'io foana aho amin'izay mitondra vohoka manko...Dokotera hanontaniana ĥoe...Ilay zazakely iny manko mitroka ny nutrients rehetra anao dia izay no ilana hampitomboina ny apports nutritifs.
9. ari.malala ( 25/06/2009 06:02)
Tazana, misaotra akia a! efa nojereko ilay site :)
10. mirana5 ( 25/06/2009 18:04)
hitako lay site fa tsara be toro hevitra mahasoa ka! misaotra é :D
11. Tazana ( 25/06/2009 18:40)
Tsara raha samy mahazo ny mahasoa azy! Tsy misy fisoarana.
Za koa tato nahazo zavatra betsaka koa kah.
Zao no hoe ny hevitry ny maro mahataka-javatra! :wink:
12. Papoose ( 25/06/2009 19:24)
Tena nde mba hanandrana an'izany ny tenanay sao de mba mahasoa....mampatanjaka!! :D
13. roxanaha ( 26/06/2009 10:39)
Tena efficace tokoa aloha io atody sy citron io e!. Nenà napiko tantely kely. Tsaroko tsara isaky ny hanao fanadinana no hinanako azy satria reraka @ lay manao révision. Décalcifié dia marary nify fa vao nanao an'io tonga de ça va.
14. ndotofetsy ( 26/06/2009 18:17)
ary ahoana raha lamokany le atody dia azo sotroina foana ve
:^) :^)
15. Papoose ( 08/07/2009 14:57)
andramo aloha dia mba lazao anay ny vokany :^)
16. bichette ( 30/07/2009 07:01)
Dia nianatra zavatra vaovao indray aho izany androany ! misy fanontaniana, ilay atody efa nampiasaina iny, azo mbola ampiasaina ny ampitsony ve ? sa efa lasa ny calcium amin'ilay akora iny ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1944