Ajanony amin`izay ny fanaratsiana

1. vaniahjolie ( 22/06/2009 23:46)
Tsy handroso mihintsy i Gasikara raha resaka fanaratsiana be fahatany foana no atao, na raha mety maninona moa raha tsikera dia mba arahina vahaolana??
Miezaha mampandroso ny tenanao aloha dia ho afaka handroso koa ny fiaraha-moninao. Raha maloto lalandava sy mpanakiana be fahatany fotsiny ny olona iray dia ho lasa toy izany foana izy fa tsy afaka ny hivoatra mihintsy.
Tsy izaho no te ho mpananatra fa izany no zava-misy.
novalian'i rhina ny 15/08/2009 10:30
2. soanja ( 23/06/2009 13:32)
vaniahjolie:

Tsy handroso mihintsy i Gasikara raha resaka fanaratsiana be fahatany foana no atao, na raha mety maninona moa raha tsikera dia mba arahina vahaolana??
Miezaha mampandroso ny tenanao aloha dia ho afaka handroso koa ny fiaraha-moninao. Raha maloto lalandava sy mpanakiana be fahatany fotsiny ny olona iray dia ho lasa toy izany foana izy fa tsy afaka ny hivoatra mihintsy.
Tsy izaho no te ho mpananatra fa izany no zava-misy.


Tokony arahim-bahaolana foana ny olana apetraka hita amin'ny firahamonina ka! Izay no fiainana. Saingy akory atao samihafa isika olombelona. Ao ny mahita ho tenenina be dia be nefa tsy manao raha. Ao ny tsy miteny tsy mivolana fa tonga dia asa tsy ankitsitsy mandray ny voalaza. Ary ao ireo izay mitady sy mikatsaka ny marimaritra ahitany mangirana satria izay no momba azy.

Ny fandrosoan'i Madagasikara dia ny fitambaran'ireo miara-miasa hahasoa ampilaminana.


3. kartera ( 26/06/2009 21:45)
tena marina zany rehetra izany ary mateti-pitranaga aty am tany mahantra ny fanaratsiana na ny mifaly @ fahavoazan 'ny sasany.
mila ezaka amtsika tsirairay anefa izany rehetra izany satria hoy ny taolo aza mijery arina an-tava na ko hoe entan-jaray mora zaka.
ka na dia hevitra fotsiny no arosonao hahasoa ny namanao rah misy lesoka hitanao eny aminy na amin' ny fiainany d'efa zava-dehibe ngeh zany
fa misy ny sasany de sahy mmeh sy miteny ratsy any andamosin'ny anakiray ary dia tena faly indrindra ref misy mahavoa ny iray.
nefa dia tena hiterabokatsoa ho an'ny firenena toko anefa rah mahay mifapizara tombotsoa ny piara-belona rehetra,fa tsy mifamingana.
4. sakaymena ( 27/06/2009 05:08)
fa ndraindray kou avy amin'ny fialonana no matonga ny fanaratsiana ny hafa. ka na de tsys fifandirana aza de mande ny fanaratsiana zany hoe halako volo tsy tiko tarehy.
ary io koa de aretina fa misy oul tena tsy mataty mijery oul manao zvtr tsara ary tonga de ohariny @ tenany dia mitsiry eo ny fankahalany sy ny fanaratsiana ary io no tena ratsy fa ny oul toy zany dia tsy hahay hijanona @zany fanaratsiana izany satria de las ao anatin'ny rany mihintsy iny toetra ratsy iny.
5. rhina ( 15/08/2009 10:30)
marina ny teninao ry vaniahjolie fa zao e!
mety ho diso ve a !!
tsy aintsika ny mandray ny tsikera hahatsara zavatra sy ny fanaratsina be fahatany.
mila dinihana tsara io. Ilaina ny miara manaiky @ maro @ maha mety na tsy mety ny zavatra iray.
sa ahoana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4136