Iza no mampiasa pass taloha tafiditra France sy Canada ve?

1. Tazana ( 22/06/2009 11:55)
Fantatro fa miverimberina foana fa nony efa handeha zao vao tena matahotra aho sao dia efa eny amin'ny frontiere vao tsy tafiditra ka hoe mila mody Madagascar manao passeport...Ilay vola handoavana billet double aller retour manko tsy misy!
Ka misy olona ve mampiasa ilay passeport taloha ka tafiditra ireto frontieres ireto: Canada, France na Allemagne?!
Dia mba azonareo lazaina ve hoe avy aiza nankaiza. Ary raha misy olona nahita olana, naveriny nody ve nareo?
Moa ve raha tsy mbola manao pass ny embassade eo an-toerana dia azo atao excuse io sa resaka vava tsy miady?!

Misoatra re fa anarany mba fialan-tsasatra sao vao mainka aretin-andoha no ho azo!!!!
novalian'i Tazana ny 22/07/2009 21:36
2. Ratoa ( 22/06/2009 20:51)
Rahany ivelan'i Madagasikara ianao no mipetraka sy miasa dia azonao entina ombeny ombeny ny pasipaoro taloha paha lany andro azy. Satria tsy ny maso ivoho rehetra no afaka manavao pasipaoro.
Fa raha avy an'i Madagasikara kosa ianao, na nandalo kely fotsiny aza, dia tsy maintsy ilay pasipaoro vaovao no ammpiasaina.
Izany hoe tsy maintsy mandalo any Madagasikara rah te hanao pasipaoro vaovao rehefa ty misy eo an-toerana. Fa raha afaka mijanona ela ela ao Paris kosa ianao dia afaka manavao ao satria aomisy ilay fitaovana.
3. booboo ( 22/06/2009 21:09)
Raha mipetraka M/car no sady Malagasy dia tsy maintsy biométrique ny passeport vao tafavoaka eo Ivato.

Raha mipetraka ivelan'i M/car ka hivezy² an-tany hafa UE na tsy UE ohatra an'i UK dia tsy manahy mihitsy ny fampiasana ilay passeport mbola tsy biométrique.

Voalazan-dRatoa io é !
4. Tazana ( 23/06/2009 02:51)
Eny ary e!
Merci e!
5. Tazana ( 24/06/2009 02:03)
Tazana:

Eny ary e!
Merci e!


adinoko ny nanontany hoe fa maninona ilay UK? Tsy manaiky zany ry zareo?
ilay probleme ilay manova pass ka ny visa anatin'iny taloha iny ary ny carte de résidence anefa mbola tsy azo nefa mila mandeha...Eny e, tsy ho hita eo ihany ve rehefa midona!


6. Ratoa ( 24/06/2009 21:05)
Bjr
Adinoko:
Tsy maintsy misy pejy roa mifanatrika ny pasipaoronao. Izany hoe mbola misy takelaka roa fara faharatsiny fa tsy ilay pejy tokana any @ ny farany izay mifanatrika @ fonony.
7. xxx ( 24/06/2009 22:04)
naninona no tsy namboarina anefa ny pas fa manjary klandy no hiafarana
8. Tazana ( 25/06/2009 10:55)
xxx:

naninona no tsy namboarina anefa ny pas fa manjary klandy no hiafarana

Tsy azoko?
Raha afaka nanamboatra azy ve moa tsy ho nanamboatra? Fa tsy misy ilay machine aty Canada.
Tsy mi-cland zany indray raha izaho kah. Ahoana moa no hiainako aminizany...Ho faty henjehin
9. Ratoa ( 26/06/2009 00:03)
tsy klandy mihitsy ianao é!
ialy pass taloha anie valide 10 taona é. Raha mbola tsy lany andro ka mbola misy pejy fara faharatsiny 2 dia afaka mandehandeha ianao, maka visa naiza na aiza.
Raha tapakevitra indray fa hanavao dia manantona aloha ny ambassade na consulat gasy eo akaikinao maka ny andian-taratasy ilaina fa misy ao, efa asian-dry zareo fitomboka. Ny emprunte bio ihany atao mivantana ao Paris.
Na hody aza ianao dia manaova toraka izay: ento ireo taratasy efa vonona dia manantanteraka fotsiny ny eny an-toerana dia haingana be. Ny pass lany andro koa tsy misakana anao tsy hody.
Ny porofo fa manana anto-pivelomana raha miasa any ianao na ny 2ème pass raha manana double nationalité ianao no tena ilaina. Tsy porofo mihitsy ny carte de séjour hoe mahavelontena any ianao. Ohatra raha manaraka ny zanakao ianao ka milaza ny zanakao fa mila anao izy dia mety mahazo long séjour ianao, indrindra raha misy facture d'eau na électricité @ ny anaranao.
10. Tazana ( 26/06/2009 02:46)
Ratoa:

Ny porofo fa manana anto-pivelomana raha miasa any ianao na ny 2ème pass raha manana double nationalité ianao no tena ilaina. Tsy porofo mihitsy ny carte de séjour hoe mahavelontena any ianao. Ohatra raha manaraka ny zanakao ianao ka milaza ny zanakao fa mila anao izy dia mety mahazo long séjour ianao, indrindra raha misy facture d'eau na électricité @ ny anaranao.

Aza fady fa tsy mety lany ilay fanontaniako: inona no hilana ilay porofo antom-pivelomana fa ohatra ny tsy arako tsara...
Tsy hoe manan-janaka aho fa manana droit de résidence permanence na tsy haiko izay filaza azy any n-tany hafa. Nanontany teto amin'ny immigration teto aho hoe mbola mila visa ve sa ilay carte dia ampy? Dia hoe ilay carte dia ampy. Ka tsy haiko tsony inona ihany no tena izy fa indraindray tena mampivadika ati-doha.
Tsy ilay hody any Mada no manahirana ahy zany satria iny fantatro fa tafiditra any fa ilay visa hiverenana no nampanontany tena ahy zany hoe:
atao hoe lany daty ny pasipaoroko. Tsy misy fanaovana azy aty, mila mody Madagasikara aho zany manao pasipaoro vaovao? Dia raha eny, ny visa ao amin'ilay passeport taloha dia mila manao visa vaovao zany atao anaty pasipaoro vaovao? Zay no fanazavana azoko hatramin,izao.

Ary ny ao Paris zany manao passeport na dia tsy mipetraka any aza?

Fa zao indray, miandry ny carte-ko io aho dia hoe ilay carte dia ampy fa tsy mila visa hiverenana.
Ny ahy ny pasipaoro 2015 no lany daty nefa tsy betsaka page libre intsony fa 4 sisa. Kanefa misy tsy maintsy alehako any Europe dia efa handeny vola ihany ve no mampanontany tena ahy hoe sao dia tokony manova pasipaoro satria sao avy eo afaka 1 an (mivaoka sy miditra eto manko dia mitomboka foana ny page amin'lay pasipaoro ka ho lany daholo ihany ireo pages rehetra ireo...dia zay no hanaovako hoe sao mba mila manova aza...

Eny e, araka ny nolazaiko teo nefa tsy maintsy mandeha aho ka rehefa midona ve tsy ho hita eo zay apaokany...

Fa dia manontany tena aho hoe inona no ataon'ny gasy hafa na lany daty ny pasipaoro, na sanatria very, kanefa tsy misy embassade eo an-toerana.

Fa misaotra re manazava fa mety efa ny sahotaka ato an-tsaiko sisa no voasoratro eto fa tsy mazava intsony...Za moa zany efa kivy fa efa ho 1 an niezaka hi comprendre an'ity raharaha ity fa tsy mazava. Zao koa mbola kirizy angamba tsy hisy machine zany aty vetivety eo.
:cry: :cry: :cry:
11. Tazana ( 26/06/2009 02:50)
Andraso aloha fa toa azoko indray nony naveriko novakiana ilay resak'i Ratoa: rehefa hanao ilay pasipaoro no hilazanao hoe antom-pivelomana?
Facture hoy ianao zany?
Toy ny embassade mangataka ny relevé des comptes bancaires sy attestation de travail zany? Sa ahoana?

Aza fady fa ianao ihany no manana valiny eto dia ohatra ny hoe tena manararaotra aho...
12. Tazana ( 10/07/2009 22:37)
Hilaza vaovao fotsiny aho fa tsy nisy olana ilay pasipaoro teny amin'ny douanes na police des frontieres frantsay. Mino koa aho fa tsy misy olana ny miverina Canada satria passeport valide tsara.
Amin'ny manaraka moa zany rehefa mila manova dia hirariana efa mba eto ny machine .... :roll: 8O 8) :wink:
13. ni81 ( 11/07/2009 06:16)
Tsara kosa izany e! Dia manaova vakansa tsara izany e! :)
14. Ratoa ( 12/07/2009 02:29)
Tazana â
Ilay anto-pivelomana dia ilaina raha mankany Madagascar ianao. Ilaina io rehefa manao passeport gasy vaovao. Ny anto-pivelomana lazaiko dia taratasy milaza fa miasa ara-dàlana ianao ka mahavelotena na misy olona mamelona anao aty.
Ny aty ivelany tsy sarotiny rehefa manana carte de séjour ianao na manana ny nationalité an'ilay tany ipetrahanao.
Isika gasy moa hory hava-manana izay ihany. Ny tany ivantanana sy lalovana aza no tokony ho sarotiny. Anefa ny manapahefana gasy indraindray nosarotsarotiny izay . Jereo fotsiny izao ny fisavana entana eo Ivato rehefa tonga. Rehefa mandeha, miala avy ao Ivato aloha efa tsy dia sarotiny intsony ry zareo; fa rehefa miditra eo tena mankaleo mihitsy.
15. Tazana ( 15/07/2009 00:49)
Ni: misaotra betsaka!
Ratoa: Za nandeha mada farany, sac a dos 1 onja no teny amiko satria tampoka ny nodiako. Zay no hany tsaroako tsy nanako olana. Sinon, marina ny teninao! Resaka etiquette efa nahitako loza raha tsy hanonona afa tsy io...Mampalahelo koa ange ny olona any amintsika anefa ny tena tsy afaka hanavotra izao tontonlo izao! Izay ilay manahirana! Ankaotra izay, tsy misy olana ireo taratasy lazainao fa tsy maintsy entina manaraka hoy ny tao amin'ny embassade (nilaina tsinona tamin'ny nanao visa). Ka aty amiko ireo.
Tsy ho any Madagasikara nefa aho satria efa tafiditra teto tsy misy olana ilay passeport. Ny saika nataoko hoe hanolo azy eto Paris satria manolo ry zareo na tsy mipetraka eto hoy izy. Fa saingy ilay efa nosoratako tary ambadika ary hoe mampifilafila ohatra ny mila zavatra ilay rangahy ao nefa dia haka rendez-vous fotsiny ahy. sady koa za tsy hijanona eto fa mandehadeha dia mila entina foana ity pasipaor fa tsaroako anaty train miala Autriche sy avy any Autriche miditra Allemagne misy polisy misava foana. Ka raha tsy misy paps (visa sy pasipaoro sao dia eo koa no raisina!)
Avy eo nony nieritreritra fana,piny koa aho dia hajanoko amin'izao ny pasipaoro fa zany hoe tsy afaka mandeha voyage intsony kosa aloha raha tsy efa tonga ny machine satria tena efa 4 pages sisa (hitomboka ny iray rehefa miverina mody donc ilay mifanatrika farany sy page farany sisa dia mety tsy hety intsony.
fa tsy maninona fa aleo aloha mipirina mandrapahazo machine.
Misaotra betsaka tamin'ny fanomezana fampaherezana sy vaovao sy izay rehetra namaly!
Efa tena nidobodoboka ny foko ilay mandalo douanes iny! En plus koa efa maty miasa ilay pasipaoro angamba fa ohatra ny mitady hiendaka izany ny sary...angaha tsy loza e...efa hiomehezana sisa izao :))
Mamy ny mihoana aman-kavana rehefa irery an tany lavitra! Na tsy mahita ny tanindrazana aza, hafa ihany ny mahita havana akaiky! *misentomafy*


16. Ratoa ( 16/07/2009 23:25)
Mbola nosavana pasipaoro ve ianao raha niainga tao Frantsa ka hiditra n'i Allemagne? Autriche aloha normal, fa Allemagne pays fondateur 'ny Union européenne ary tsy misy frontièer intsony izao ny pays de Schengen.
Enfin arahabaina fa tody soa é!
17. Tazana ( 18/07/2009 20:04)
Ratoa:

Mbola nosavana pasipaoro ve ianao raha niainga tao Frantsa ka hiditra n'i Allemagne? Autriche aloha normal, fa Allemagne pays fondateur 'ny Union européenne ary tsy misy frontièer intsony izao ny pays de Schengen.
Enfin arahabaina fa tody soa é!

Misaotra Ratoa.
Non, niala France niditra Allemagne tsy nisy nisava satria tsy nisy polisy fa nandeha auto. Fa io ho any Autriche io avy eto no handeha train. Ka za taloha (fa efa 4 ans lasa izay mandeha train foana mandroso sy miverina dia voasava foana ny passeport na aller Allemagne Autriche io na miverina Autriche hiditra Allemagne. Anaty train toa misy polisy foana eo amin frontiere...Nefa asa aloha) :{ Suspens be indray aloha surtoutilay miaraka amiko io passport biometrique satria izy avy any Mada no nankaty ny ahy pass taloha..ka asa indray izay ho fijeridreo an izay. :roll:
Zay indray aloh fa mirary soa e!
18. Tazana ( 22/07/2009 21:36)
Hameno ny nolazaiko aho.
Tsy nisy polisy nisava niditra Autriche, tsy ohatra ny tamin:ny 5 taona lasa!
tsetsatsetsa tsy aritra ny hoe efa lasa adiny iray ny train vao niverina fa adino ny passeport fa raha tsy ny fahatahorana polisy sy raha haiko hoe tsy nisy polisy tsy niverina...nanjary nila nandoa billet vaovao mihitsy... :cry:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1369