ny lasan'ilay sipa

1. sitlo ( 03/06/2009 18:03)
Taloha izany dia nisy sipa niara-nianatra taminay izay nanana lasa ratsy. Tsy ho teneniko eto ilay izy fa "ratsy" amin'ny maro. Mety ho tsara amin'ny sasany.
Dia indray andro izay izahay nanao beloty tao ambany esplanade dia notaritin'ilay sipa ny resaka. Mino aho fa kofa koa no tiany nanontaniana.
Dia bla bla bla fa ny tena tiany notenenina dia hoe: ny lasa tsy hiverina intsony koa maninona no iny foana no itondrana olana? Raha azony natao hono ny manova ny lasa dia novainy.
Somary resiny lahatra am-bava izahay tamin'izay fa na izany aza mbola tsy nieritreritra ny hiaraka aminy ihany. Izany hoe tsy resiny lahatra an-tsaina.

Raha ny tantara indray no jerena dia tahaka izany no nahafeno olona an'i Madagasikara. Satria ny mifindra monina no mety.

Inona no fika fa ny ahy mantsy tsy mety amin'ny saiko mihitsy rehefa mitantara izay izy hoe izaho efa nanao an'izao sy izao...
novalian'i ni81 ny 15/07/2009 19:23
2. kotobekibo ( 03/06/2009 18:50)
Inona no fika fa ny ahy mantsy tsy mety amin'ny saiko mihitsy rehefa mitantara izay izy hoe izaho efa nanao an'izao sy izao...


Raha zà manokana aloha d tsy blem amiko ny lasan'ny sipa 1 .
Zà koa mba nanao hadalàna be d be h@ fahazazako ka h@ izao , izay azoko novaina d novaiko teo @ fihainako .
Ny fihainana tsy miverin-dàlana izany , fa kosa atao anatra ny ho @ manaraka ny lasa mba tsy hamerenana azy ireny , raha mbola azo atao .
Ny sipa koa anie ka tahaka an-tsika e! samy olombelona nanao fihainana , tsy olana amiko rehefa vonona ny hiova izy .

Raha tsy tantin'élah d teneno izy tsy hitantara ny lasany dia vita .
Raha fantatr'élah ny lasany , tadidio fa élah koa efa nanondrana taloha .
Raha mbola tsy tanty d aza miaraka aminy fa lasa sujet hiadivana foana izay rehefa ao aoriana , tsy hilamina ny tokatrano


Mazotoa baina a! :wink:
3. simplex ( 03/06/2009 18:50)

tsy izany ny fa ny vevavy mintsy no be resaka ee :roll:

;-)
4. simplex ( 03/06/2009 18:54)

zany hoe mody mihaino fotsiny koa toi :)
fa tsy mihaino an, vao mia marary andoha @ tsinapa fotsiny ao ra vao zay manko 8)

;-)
5. kotobekibo ( 03/06/2009 20:06)
ka raha tsy tanty v lesy dia mbola avela ho tantarainy eo ihany . Raha tsy hoe efa " maso " angamba
:-D :-D :-D
6. sitlo ( 03/06/2009 21:43)
kotobekibo:
Raha fantatr'élah ny lasany, tadidio fa élah koa efa nanondrana taloha.

Izay indrindra. Style Jesosy, ie izay tsy nanota no aoka hitora-bato.
Mitombona izay raha lasa nenina hakana lesona ilay izy. Tahaka an'io ohatra noraisiko teo aloha io.
Fa ity ohatra iray hafa ity indray: nisy sipa niaraka tamiko izay taloha dia nony efa somary stable iny tsara ny fiarahana dia nanombola nitantara amin'izay izy. Indray andro hono natory tany amin'ny kofany taloha izy. Dia ilay kofany tsy maintsy nandeha niasa alina. Dia niaraka tamin'ilay zandrin'ilay kofa izy. Dia izay hono no nitarika ny fisarahan-dry zareo. Dia tsy ampy erinandro taorian'izay angamba izahay dia nisaraka.
Ekeko hoe ny lasa tsy hiverina intsony, fa na izany aza mba asiana fetrany ihany ilay izy.
7. cutie ( 03/06/2009 22:05)
:-D :-D :-D :-D :-D
8. soanja ( 04/06/2009 05:58)
sitlo:

Taloha izany dia nisy sipa niara-nianatra taminay izay nanana lasa ratsy. Tsy ho teneniko eto ilay izy fa "ratsy" amin'ny maro. Mety ho tsara amin'ny sasany.
Dia indray andro izay izahay nanao beloty tao ambany esplanade dia notaritin'ilay sipa ny resaka. Mino aho fa kofa koa no tiany nanontaniana.
Dia bla bla bla fa ny tena tiany notenenina dia hoe: ny lasa tsy hiverina intsony koa maninona no iny foana no itondrana olana? Raha azony natao hono ny manova ny lasa dia novainy.
Somary resiny lahatra am-bava izahay tamin'izay fa na izany aza mbola tsy nieritreritra ny hiaraka aminy ihany. Izany hoe tsy resiny lahatra an-tsaina.

Raha ny tantara indray no jerena dia tahaka izany no nahafeno olona an'i Madagasikara. Satria ny mifindra monina no mety.

Inona no fika fa ny ahy mantsy tsy mety amin'ny saiko mihitsy rehefa mitantara izay izy hoe izaho efa nanao an'izao sy izao...


Miankina amin'ny tsirairay tokoa izany ka. Misy karazany ny olombelona; ao ny tia mitantara sy mizara izay tsapany any sao mba manampy anao hijery ny fiarahana aminy amin'ny ho avy sy ny amin'ny ankehitrio, ao ireo izay mihidy vava tokoa manafina izany satria mihevitra izy fa raha miseho izany dia mihanjaka izy, ao koa ireo izay tsy salama ara-fihetsem-po ka mbola mitampikitra amin'ny lasa izay heverina fa mbola isan'ilay androaniny.

Miankina amin'ilay olona iarahana ihany koa io; ao ny tia mihaino ary ao ny malemy ka tsy mahazaka fangirifirian'ny lasa na ny azy na ny olon-tiany.

Fa indrindra raha ny fitiavana dia ny fahafantarana ilay olona miaraka aminao no zavadehibe sy ny fifampitokisana manoloana izany rehetra izany.




9. RATOVOARY ( 04/06/2009 06:24)
Soanja:
Fa indrindra raha ny fitiavana dia ny fahafantarana ilay olona miaraka aminao no zavadehibe sy ny fifampitokisana manoloana izany rehetra izany.

Vao saika hilaza an'io aho ry Soanja fa ny anao no tonga aloha =D> =D>
Rehefa ao ny fifampitokisana tsy hitako izay olana raha samy mba mitantara ny lasany eo, tsy ny fitantarana an'iny akory no hiverenana any @iny lasa iny fa mba tsiaro fotsiny ary mba ho lesona araka ny ilazanao azy ery ambony.
Ilaina koa ny fanomezan-danja ny fihainoana ilay miaraka aminao, isan'ny mampitombo bebe kokoa ny fifampitokisana io fifampihainoana io. Isan'ny mahakivy ny andanininy matetika ny fitsenanao azy eny ampanomohana ny rasaka ny filazana fa "zay ndray ny anao e!! ...zany foana ve e!! " sns. Ary isan'ny manamafy orina ny fitiavana ny fihainoana azy, indrindra raha mba mizara aminao ny lasany izy.Tsarovy fa tiany ianao matoa itantarany izay mba hany tsimbaratelony any.
10. mmmhh ( 04/06/2009 08:40)
tsy aleonao kosa izy mitantara toy izay hiaraka eny nareo de aty afara henonao aman'olona we i Ranona hono kay efa nanao an'zao, kay izy iny efa zao na zao,
vao may sorena enao @ fotoana harenesanao azy @ olon-kafa,
matoa koa izy nitantara de sur izy fa na ho ela na ho haingana tsy maintsy renao le izy ankoatra izay efa hainao, enao rahateo koa moa niteny we "nanana laza ratsy izy", zany we malaza be zany le zavatra nataony,

Marina fa lasany le izy fa mety hieritreritra enao @ zay fotoana izay we, matoa nafeniny ahy izany de mety mbola hataony hatram'zao,
11. fahamarinana ( 04/06/2009 11:09)
:arrow: sitlo :aleo ange hono ny lasa homban'ny lasa fa ny ho avy no atrehana e ! Moa rahateo tantarany iny ,azy irery ihany ary na ianao na ry zalahy tsy mbola teo ! :) (l)
12. Mirananirina ( 04/06/2009 11:54)
Ny lasa efa lasa ka tsy hiverina intsony;koa maninona moa raha mitantara ny lasany ratsy izy.zaranao aza fantatra ny momba azy taloha toy izay ny olona no milaza aminao ny momba azy.
13. endrika01 ( 04/06/2009 12:14)
sitlo:
Taloha izany dia nisy sipa niara-nianatra taminay izay nanana lasa ratsy. Tsy ho teneniko eto ilay izy fa \"ratsy\" amin\'ny maro. Mety ho tsara amin\'ny sasany. Dia indray andro izay izahay nanao beloty tao ambany esplanade dia notaritin\'ilay sipa ny resaka. Mino aho fa kofa koa no tiany nanontaniana. Dia bla bla bla fa ny tena tiany notenenina dia hoe: ny lasa tsy hiverina intsony koa maninona no iny foana no itondrana olana? Raha azony natao hono ny manova ny lasa dia novainy. Somary resiny lahatra am-bava izahay tamin\'izay fa na izany aza mbola tsy nieritreritra ny hiaraka aminy ihany. Izany hoe tsy resiny lahatra an-tsaina. Raha ny tantara indray no jerena dia tahaka izany no nahafeno olona an\'i Madagasikara. Satria ny mifindra monina no mety. Inona no fika fa ny ahy mantsy tsy mety amin\'ny saiko mihitsy rehefa mitantara izay izy hoe izaho efa nanao an\'izao sy izao...
De aona kou ,le bandy mitantara ny lasany ireny?Toa mambabo fo,mampite hamihina mafy be,sy mampite hihaino fonafona, mampangoraka ,tsy handry ery ny hisokafany vava,hiteny we... C est la vie! Courage leisy e,raiso ho anatra ny am ny hoavy,sns sns(l)
14. raclo ( 04/06/2009 16:29)
kotobekibo:

Inona no fika fa ny ahy mantsy tsy mety amin'ny saiko mihitsy rehefa mitantara izay izy hoe izaho efa nanao an'izao sy izao...


Raha zà manokana aloha d tsy blem amiko ny lasan'ny sipa 1 .
Zà koa mba nanao hadalàna be d be h@ fahazazako ka h@ izao , izay azoko novaina d novaiko teo @ fihainako .
Ny fihainana tsy miverin-dàlana izany , fa kosa atao anatra ny ho @ manaraka ny lasa mba tsy hamerenana azy ireny , raha mbola azo atao .
Ny sipa koa anie ka tahaka an-tsika e! samy olombelona nanao fihainana , tsy olana amiko rehefa vonona ny hiova izy .

Raha tsy tantin'élah d teneno izy tsy hitantara ny lasany dia vita .
Raha fantatr'élah ny lasany , tadidio fa élah koa efa nanondrana taloha .
Raha mbola tsy tanty d aza miaraka aminy fa lasa sujet hiadivana foana izay rehefa ao aoriana , tsy hilamina ny tokatrano


Mazotoa baina a! :wink:

tena marina mitsy zany lazainao zany

15. kotobekibo ( 04/06/2009 20:58)
zà koa aloha miombo-kevitra @nareo rehetra eo ambony e!
16. ari.malala ( 05/06/2009 06:12)
Iza moa no tsy nanao erreur teo @ fiainana? fa maninona rehefa ny azy dia dramatiséna fa rehefa ny anao izany dia misosa fotsiny? tsy mety izany!
17. endrika01 ( 05/06/2009 07:35)
ari.malala> fita wa,refa ny bandy no mitantara,le joba mihaino am-pitiavana be,fa refa ny sipa no mitantara de manorisory andri lerony,hi hi ,ndraindray koa lou misy sipa miremena de mampamonamonaina be zany,hotry ny we ny famerimberenana aniny foana no vao maika maha big love, ny fiarahana,fa mety ho tonga de casser :P
18. tywa68 ( 06/06/2009 07:16)
Inona no fika fa ny ahy mantsy tsy mety amin'ny saiko mihitsy rehefa mitantara izay izy hoe izaho efa nanao an'izao sy izao...

Mody tsy mihaino d maka doliprane avy eo :-D :wink:
19. endrika01 ( 06/06/2009 09:36)
Raha ohatra we,hoatranty ny cas anle sipa.De tsara be ,raha averiny foana foana. Zah anie mbola anjely no niarahanao e,ka rehefa vita ve ny lalana de fanitsakitsahana toy izao no ataonao ahy! :P de io lay lasanle sipa,de averiny foana foana ohatra an,de mety hanindrona anle bandy de tsy hitany zay atao,hapetrany le sipa a,marina ny zvt averimberiny,tsy ho apetrany le sipa a, marina ny zvt averimberiny,hi hi,de fanimpanina eo le bandy :-*
20. Djhamhal ( 08/06/2009 14:42)
Inona no fika fa ny ahy mantsy tsy mety amin'ny saiko mihitsy rehefamitantara izay izy hoe izaho efa nanao an'izao sy izao...

ny tsy azoko de ; sipan'lah ve klou le sipa ary tian'lah ??? sa tantarana sipa fotsiny ! fa ra sipan'lah le izy dia teneno izy tsi hiteniteny ze lasany any ! fa ny fiarahanareo sy ny ho avin'zany no resahina é! sady manao fitiavana marche arière koa ny fitanisana an'zany fa tsy misy voka-tsoa miitsy!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.304