fomba fanoratra atao ohatran'ny sms

1. ari.malala ( 27/05/2009 10:51)
Miarahaba indray,

Mba mahavariana ahy hoa e, maninona no refa manoratra de lasa zatra manafohy teny ohatran'ny any @ sms ny ankamaroan'ny olona? Nefa anie eto @ internet tsy misy limite de caractère otran'ny @ sms e! manjary tsisy fantatra izay ambara, raha olona somary votsa aloha no mamaky azy fa tena sahirana e! :P
novalian'i ni81 ny 08/06/2009 14:11
2. ni81 ( 27/05/2009 11:20)
:-D :-D :-D :-D efa zatra ilay olona akia dia kamo angamba hanoratra lava be toa antsika izao a!

3. ari.malala ( 27/05/2009 11:34)
Ni, ka manahirana akia ko! misy dinika novakiako izay, fa sahirana be za vao vaoavakiko hatr@ farany lay izy :-P naverina in 3 angamba raha kely vao azoko hatr@ farany :-D :-D :-D :-D misy hoe "mfanrk" fa teo aho ko teo, inona aza no tian'io tenenina elaela vao tonga saina hoe mety hoe mifanaraka ngamba :-D :-D :-D :-D tsy tadidiko moa hoe inona ilay phrase fa io mfanrk io no tena nitsatoka tao andohako fa tena nampitsatoka ahy teo @ lecture mantsy :-D :-D :-D
4. RATOVOARY ( 27/05/2009 11:35)
ari.malala:
.....hoa e....

Tsy sanatria akory te-hitsingoloka fa io zao ianao dia efa tratra, tokony "ho aho" no izy :-D :-D :-D
Fa lainga lainga aloha fa izaho aza sahirana matetika mamaky azy e! Tsy mpampiasa koa moa ny tena dia rariny raha tsy hahay hamaky. :lol:
5. benasy ( 27/05/2009 11:41)
Andao isika hiezaka hameno ny saratra soratana amin'izay tsy miroanahana be intsony koa ny ankizy madinika mamaky ny hafatra rehetra !
Toe-tsaina ilay izy no tena marina; tiako ny teniko noho izany hajaiko !
Misy olona sasany sarotiny ery amin'ny teny vahiny ampiasaintsika, saingy tsy mampaninona azy raha atao tsirambina ny teny Malagasy !
6. fahamarinana ( 27/05/2009 11:54)
:arrow: benasy : hevitra mety sy ahomby ! Ny olana ,raha ny amiko dia efa mifangaro ny fiteniko fa tsy malagasy ofisialy intsony koa e ! (l)
7. ari.malala ( 27/05/2009 12:36)
Ratovoary, misaotra indrindra @ fanitsiana :oops: fa tena miombon-kevitra tanteraka @ Benasy aho @ io hoe averina soratana feno izay tiana ambara amin'izay sady mamerina ny tsipelina fahiny mbola nianatra no mamerina mianatra ny teny malagasy izay efa simba be ihany amin'izao fotoana izao.

Asa re raha nety izay nosoratako[size=13px]Size 10px[/size] :-P :^)
8. Tazana ( 27/05/2009 12:49)
Ary efa renareo ve tamin'ny vaovao fa ny ankizy any am-pianarana zatra mi-texte (na manao sms arakaraka izay filazanao azy: ary inona io amin'ny tenintsika?) Ka ny ankizy zatra mitext na any am-pianarana aza dia laatsaka daholo fa tsy feno tsara ilay teny soratana. Misy olona koa na email aza dia manao an'io fa vao mainka loza satria tsy sms fohy kely no vakiana fa lava...Nefa moa angamba mitsitsy vola cyber (inona koa io amin'ny teny gasy?)
Tsy hita hany ity fiainana ity. Za efa nahazo sms tsy nifankahazo ka noeheveriko anarana tanàna ilay izy dia hay kay zavatra hafa mihitsy. Soa fa mbola nitohy ny resaka dia teo vao nanontany tsara....
9. ari.malala ( 27/05/2009 13:06)
Tazana, ireo cousines ko no mpitaraina amin'io resaka sms io, hoe na feuille de copie aterina eny @ mpampianatra aza misy lasa fanoratra sms no nanoratana azy ka nahazo 0 hihih! nihomehezako fotsiny fa hoy aho hoe hadalàna ny anareo! fa manahirana anie ny mamaky ny sms alefan-dry zareo e! na ny mail! izaho raha sendra mahazo mail ka fanoratra sms dia valiako soa amantsara fa tsy asiako inon'inona ny valiny lasa any, amin'izay tonga saina ilay mpanoratra hoe tsy misy azoko izay tiany ambara :P
10. Tazana ( 27/05/2009 13:15)
ari.malala : :-D mpampianatra ny cousine nareo? Ilay tamin'ny vaovao aza ho aho fa examen baccalauréat mihitsy! Ankizy efa lehibe zao ve dia tsy mba tonga saina hoe fanadinana anie ity. Tsy hitanareo mampalasa kamo ve ny zavatra vaovao rehetra. Mety ankapobe be nefa ny zavatra lazaiko fa na izany aza.
11. xxx ( 27/05/2009 14:04)
Ny ahy efa fantatro fa tsy omeko finday ny zanako raha tsy afaka BAC, raha tsy izany dia very maina ny fianarana orthographe amin'ity fampiasana SMS ity !!!
12. tess ( 27/05/2009 17:10)
ari.malala:

Miarahaba indray,

Mba mahavariana ahy hoa e, maninona no refa manoratra de lasa zatra manafohy teny ohatran'ny any @ sms ny ankamaroan'ny olona? Nefa anie eto @ internet tsy misy limite de caractère otran'ny @ sms e! manjary tsisy fantatra izay ambara, raha olona somary votsa aloha no mamaky azy fa tena sahirana e! :P

ny ahy manokana dia ny hakamoako hanoratra ilay teny tanteraka am ilàna azy....

:-P
13. ikaretsaka ( 27/05/2009 17:27)
Kamovavy tsss
14. tess ( 27/05/2009 19:01)
ka ny mandalo eto anie ry ika ka vonjy tavan'andro e!
iza kou no hikalikaly fomba fanoratra eo! ny coneksion mangony fotsiny, raha vao misokatra sy misosa tsara de manararaotra manoratra haingana sady fohy , hafohezina zay zé azo afohezina, zay mahazo mahazo zé tsy mahazo mahazo mandingana :wink: :-D
15. ari.malala ( 28/05/2009 05:46)
Tazana, nony nanoratra tsara ve aho dia lasa tsy azonao ny tiako tenenina? :-D :-D :-D :-D ny cousines ko hoy aho no mpitaraina fa lasa manoratra toy ny sms na dia feuille de copie aterina eny @ mpampianatra aza! tsy misy resaka mihintsy ao hoe mpampianatra ny cousine ko :-D :-D :-D :-D

xxx, hevitra mety tokoa aloha e! :D

Tess, hihihi tsotra sady mazava be an! kamo hihihi
16. andrywui ( 28/05/2009 09:44)
mampresk at ndr1 ari.mall an , f innnnn no ts azon ise aml fanortr otrz e, zvt mazv b ary l tian h tenennnnn rah ts w ang ka ten frants l iz v met ts h fanttr, hi hi hi
17. accolade ( 28/05/2009 11:04)
Tsy voatery ho marina anie izay soratana e! mihinambary aza misy latsaka ! fa mba ezaka takiana amintsika fotsiny hoe tandrovina ny teny Malagasy !
18. Tazana ( 28/05/2009 11:31)
ari.malala:

ny cousines ko hoy aho no mpitaraina fa lasa manoratra toy ny sms na dia feuille de copie aterina eny @ mpampianatra aza!

D :-D :-D :-D ity ilay resaka mampiomehy rehefa tsy mifankahazo...za zany no tonga dia nandray fotsiny hoe mpampianatra fa aza fady ari a...azony hoy aho hoe mitaraina no ho ny feuille de copie dia noraisiko hoe mpampianatra angamba. Zanaka mpampianatra za no mahatonga an'zany...naheno Dadanay mitaraina na midera ny mpianany tamin'izany fotoana :)


19. Mirananirina ( 28/05/2009 11:40)
iza ve ka efa misy ireto,tsy azoko taloha
koi29,
chui
bjr,slt; sns.....mandreraka be an.
20. ari.malala ( 28/05/2009 13:08)
Mirana, :-D :-D :-D :-D :-D ny ahy taloha ilay koi29 io taloha ny famakiako azy dia koi 29 (ilay chiffre 29) :-D :-D :-D :-D ny an-driko aza mba chui, fa misy ny sasany ch8, rehefa hanao bonne nuit dia bn8 :roll: :-D :-D

Tazana, tsy misy tsiny ka! :) resaka sendra tsy nifankahazo fotsiny :P

Tess, fa angaha akia ny manoratra @ forum toy itony koa ilàna limite de caractère sa hoe ny manoratra mampi coice connex°?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1654