TIM ALEMAINA
1. naritsimba
(
26/05/2009 05:53)
Efa nisy resaka natsidiko teto mikasika ny resaka nataon'Andriamatoa Nirina izay filohan'ny TIM Alemaina.
Indro ny fanazavana mikasika an'izay dinika izay, marihako anefa fa sorce t@ gazety no nakana azy io.
Nitondra fanazavana mikasika ireo firaisana tsikombakomba fangoronan-karena nataon’ny fitondran-dRavalomanana sy ny masoivohon’ny Alemaina eto Madagasikara ny dokotera Rakotomalala Andriamampionona Nirina. Nandritra ny fito taona no voalaza fa nisian’izany ka nanomboka tamin’ny fanontana ny vola malagasy navadika ariary izany ka hatramin’ny famonoana ny orinasa Jirama.
Dokotera Rakotomalala Andriamampionona Anisan’ireo firenena tsy mankato ny maha ara-dalàna ny fitondran’ny tetezamita, izay tarihin’ny Filohan’ny Hat, Andry Rajoelina ny fitondram-panjakana any Alemaina tarihin’ny Filohan’ny Repoblika Federaly, Horst Köhler. «Noho ny firaisany petsapetsa tamin’ny fangoronan-karena niaraka tamin-dRavalomanana teto Madagasikara no mahatonga azy ireo tsy hankato ny fitondrana tetezamita. Mahalala tsara izany ny masoivohon’izy ireo miasa eto amintsika Dr. Wolfgang Moser sy ilay masoivoho taloha efa nodimandry», hoy ny fanazavana nomen’ny dokotera Rakotomalala Andriamampionona Nirina, filohan’ny Malagasy tsy vaky volo any Alemaina. «Nanomboka tamin’ny halatra be vava tamin’ny fanontana vola Fmg navadika ariary izany, nandalo tamin’ny famonoana ny orinasa Air Madagascar sy ny Jirama ary ny fanondranana ireo hazo sarobidy an-tsokosoko niainga teny Manandriana Avaradrano. Ny Gtz dia mahalala tsara ny momba ity raharaha farany ity. Anisan’ireo ihany koa Denis Andriamandroso, Patrick Ramiaramanana, Razoarimihaja ary Donat Andriamahefamparany», hoy ihany izy.
Nafenina
Nambaran’ity filohan’ny Malagasy tsy vaky volo ity fa «tsy natonta indray mandeha ireo vola navadika ho ariary fa nisy ny natonta an-tsokosoko ary nofihinin-dRavalomanana sy ny ekipany. Iarahantsika mahalala fa tany Alemaina avokoa no nanamboarana ireo vola ireo. Fantatry ny Filoha Horst Köhler sy ireo masoivohon’ny Alemaina niasa nandritra ny fitondran-dRavalomanana avokoa ireo kanefa dia nafeniny. Ireo orinasa nampidirin-dRavalomanana toy ny Lufthansa Consulting sy ny La Meyer dia efa avy nambotry orinasa tany Afrika ary tena mpisoloky iraisam-pirenena mihitsy ny mpitantana azy. Neken’ny banky iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena anefa izany. Mampanahy ny fisian’ny tambazotra fambotriana an’i Madagasikara iraisan’ireo tomponandraikitra sasantsasany amin’ireo mpamatsy vola ireo sy ireo orinasa nampidirin-dRavalomanana ireo».
«Nokaramaina 30 000 euros»
Nambarany fa rehefa niara-niasa tamin’ny Lufthansa Consulting ny orinasa Air Madagascar dia nokaramaina volabe hatrany amin’ny 30 000 erô isam-bolana i Dr. Klaüs Öelisch izay notendrena ho tale jeneraly. Talohan’io dia efa niara-niasa tamin’ny Air Gabon ity orinasa avy any Alemaina ity ary banky tanteraka iry voalohany. Mbola sahin-dRavalomanana ihany anefa no nampiditra azy teto. Nananontanona ny fahapotehan’ny orinasa Air Madagascar ary nisy mpiasa 300 nokasaina noroahina. Taty aoriana dia niala moramora avy eo ilay orinasa alemà.
Voalaza fa ny orinasa La Mayer izay nandray ny ampahany betsaka tamin’ny fitantanana ny orinasa Jirama dia avy any Oldenburg any avaratr’i Alemaina. Donat Andriamahefamparany no nitondra azy io teto Madagasikara. Tany amin’io tanàna io mantsy izy no nianatra. «Orinasa mpisoloky izy io. Nisy resaka tsy mazava ny fifanarahana nataon’i Donat Andriamahefamparany fony izy minisitry ny Angovo tao amin’ny fitondran-dRavalomanana sy ity orinasa ity. Dia izao no niafaran’ny orinasa Jirama», hoy ihany izy. Tamin’ny 2006 izy io dia voalaza fa nisoloky ny volan’ny tafika an’habakabaka alemà mitentina 40 000 000 erô, araka filazam-baovao niely tany Alemaina.
Nandefa olona
Araka ny fanazavan’ny dokotera Rakotomalala ihany, dia nandefa olona hijery akaiky mikasika ireo zavatra rehetra tao amin’ny masoivohon’ny Alemaina miasa eto Madagasikara ny governemanta alemà. Fantatr’izy ireo avokoa ireo voatanisa etsy ambony saingy tsy niteny sy niloa-bava ny fitondram-panjakana alemà. Nahoana anefa ny masoivohon’ny Alemaina, Wolfgang Moser no miditra lalina amin’ny raharaham-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao ary milaza fa tsy mankato ny fitondrana tetezamita? Ry zareo ihany anefa no anisan’ny nanakiana ny fividianana ny Force II. Misy tombontsoan’ny Alemaina manokana ao matoa tsy resahiny ireo voatanisa etsy ambony. Izy ireo dia mahalala ny olan’i Madagasikara, indrindra ny fanjakan’ny kolikoly teto tamin’ny andron-dRavalomanana. Vao nitondra iray volana sy tapany Ravalomanana dia nanakiana ny tsy nety nataony aho. Amin’ny fomba ahoana moa no nasahian’ny masoivohon’ny Alemaina hiteny fa tsy ara-dalàna ny fitondrana tetezamita? «Modia ianareo rehefa tsy hiara-hiasa amin’ny Malagasy intsony», hoy izy namarana ny teniny.
http://www.laverite.mg/index.php?option=com_content&view=article&id=7337:fambotriana-ny-vahoaka-malagasy-mpiray-petsapetsa-ravalomanana-sy-ny-alema&catid=38:articles-malagasy&Itemid=57

novalian'i naritsimba ny 28/05/2009 13:17
2. essera
(
26/05/2009 06:01)
Efa betsaka bain le resaka AM-PAHENDRENA sy ARA-DALANA nampiasain'i Dada fa ny olona d'accord aminy sisa d ireto :
- Ny mikipy
- Voan'ny maso be tsy mahita
- Izay nahazo tombotsoa tsy ara-drariny taminy.
Ny fitaovam-piadiana mahery vaika efa napetraky dada teto dia ny :
ARA-DALANA, izy amin'io eo AMBONIN'ilay ARA-DALANA. Ianao no maty mandoa hetra sy manaraka ny baikony.

3. bazylou
(
26/05/2009 06:28)
ry lerony anie lest olona efa voan'ny aza manadino ka ts ytafala ao mihitsy na efa hita aza fa maty ambohoka le movma e!! aiza koa letsy no hisy manif atao nefa ny lohany misawala any RSA!! :-D :-D
4. essera
(
26/05/2009 06:31)
Ka hain'i Alain le mampanantena diso ela be sad mateza d maztou ar ko nareo ts tenenina mits ko.
5. xxx
(
26/05/2009 06:54)
Zay le resaky ny mamo Nirinabe ve lesy no henon'elah ,fantatro tsara iny tary iny ary niaraka foan zay teny @ ambasady t@ andron'ireny R8vs RatsyIraka reny saingy tsy tafa le akama fa taraiky ao Alemaina ao fa tsy avelan'ny vadiny miverina koa moa ,le Ramatoa taranaka tsar Romanoff iny ve ,de lasa tsy nisy lanja teo anivon'ny firenena dia io manosompotaka io sisa,
Hiverina hiboroso soavaly ndray lery io dia hiafara foana hotr'izao ,
INONA NTSONY NO MAHATAITRA

6. essera
(
26/05/2009 06:59)
Fa ny mahavarina ange ry xxx.4 na niaraka aza nareo d mbola nandeha tsara ny soavaly ra8 tam zany fotoana d efa niteny mits lery wé mis ts milam prezda ny adklenao fa aza manao an zany. Zany wé ra efa niala iz vao nanao vava d manosopotaka fa raha efa tao iz sad soavaly natanjaka be tam zany ra8 d ts manosopotaka fa mahita ny ao anaty vilany ar naakobo an le krevety masiso ao anaty lakavy.
7. xxx
(
26/05/2009 07:14)
Non diso elah fa Nirina leity hotran'io foana !! surtout refa nahazo toaka zay lery fa elah hitany fa Andriana Ambohimalaza teo de lasa andevon'Isotry,
Zany no fombany ka zay no mahagaga @ iny taray iny

8. essera
(
26/05/2009 07:32)
Sao d kosa alo zao no marina. Misy ts mahataty an'lé oul tonga d omena ny direkta be satria lery mahits toraka be refa mikôzy fa aoka tsy ho adino
9. naritsimba
(
26/05/2009 08:57)
Ny mahavariana ahy ary mbola hiadivako hatramin'izao dia mazava:
1-Moa ve tsy azon'ny olona iray mahita ny tsy mety ataon'ny namany na ny mpitondra namany ny miteny ny tsy mety ataony, io izany dia na any anaty orinasa aza dia mitranga foana: raha manao ny tsy mety ny DG anankiray ka hitan'ny Directeur namany dia tsy misy sahy miteny, dia raha misy mpiasa milaza an'io tsy mety io dia enjehina, na afindra toerana na tsy omena asa, efa niainako izany ary anisan'ny tsy nitiavako ny fitondrana RA8 satria na hita sy voaporofo izao aza fa misy ny famoaham-bola tsy ara-dalàna dia arovana ihany ilay mpitantana.
2-Moa ve raha toa tsy marina io voalazan'ilay Dokotera Nirina avy any Alemaina io, azon'ny mpitondra any Alemaina atao ange ny mampanao fanadihadiana, tsy azo atao mantsy ny manoso-potaka @ tsy marina.
3-Mbola ho ela iska vao handroso raha ny fisainan'ny olon-tsotra aza dia mbola manome rariny ny mpangalatra rehefa namany sy akaiky azy ilay mpanao ratsy.

10. essera
(
26/05/2009 09:21)
Ny zvtr tena loza d ireo nandalovan'ny gaz toxique Ravalo. Ny antony hitenenako hoe gaz toxique d samy tsy misy mahita ny oul fa miaina amin'ilay izy.
Madio ny rivotra satria lazaina fa ara-dalàna daholo izay fanamelohana, fanaovana antsojay, fanakatonana orin'asa, ny fampidirana ampoja.
Rehefa tsy zakan'n kila intsony ilay izy d mivadika hoe fanosora-potaka. Izay ange ilay tsy lasa e, tsy nisy sahy niteny ny olona teo aloha hoe efa mihoso-potaka be ange nareo sao d migadra na mahazo sazy.
Tokony eritreretinareo tsara io ry mpiondana fa tsy hoe Andry vs Ravalo no tena antony 100%.

11. xxx
(
26/05/2009 09:40)
cyril ----anao socryl ty laha mbo miseho be vava eto iha mahita ndaty re
lat...omby iha laha tsy faly con
lat...omby iha laha tsy faly con
12. essera
(
26/05/2009 09:47)
Avoahy tao ono zan cyril zan zalah fa omena socryl. Mis ndaty miseho b sandry koa ange ato e. Efa nitondra pilotra ve alou ty danty ty é ???
Tsy d b omby loatra aty fa enao koa ohatran ts miresaka mazava.
Mitenena mazava aingana anao ?
Cyril, xxx10. te demande.
hi hi hiiiiiiiiiiiii

13. xxx
(
26/05/2009 20:12)
ià avao manahaky loha malaso zao ,ty ndaty ty ol mavandy koahy ,
Manana sokril ho an'i baviny hono lery é =)) =))

14. fijo
(
27/05/2009 20:34)
naritsimbanmisy sahy miteny an'i andry ve izao ny hat hoe ratsy be izao ataony izao???
15. naritsimba
(
28/05/2009 13:17)
fijo> inona ilay ratsy hitanareo ataony eh, raha misy manana porofo dia omeo ahy dia atolotro azy, ary mbola azoko atao ihany koa ny mamoaka izany @ RAdio sy TV, izay ny ahy ny fomba fiasako tsy mila kiafinafina mihitsy, aoka anefa tsy ho entina @ tsy fitiavana fotsiny.