50 taona

1. bazylou ( 21/05/2009 09:36)
50 taona izao ny fahaleovan-tena , FUTURE DRAGON DE L'OCEAN INDIEN no nisy antsika T@ 1960,50 taona aty aoriana , LE PLUS PAUVRE DU MONDE, Dia mbola ireo tsy mataho-tody ireo ihany ve no hofidina hanamafy bebe kokoa ny fahapotehina ? 20 tapitrisa ny Malagasy fa tsy ry zareo ireo ihany, ka aleo olom-baovao mihitsy e, rehefa samy ho retsy ihany ,aleo mba ho an'ny hafa indray ny Tirelire , mino anefe aho fa tsyn maintsy mba misy olona tsara sy feno fahendrena ary tia tanindrazana any ho any , fa tsy @ ireo mpanao politika efa fantatra fa galifantsy ireo daholo, Ary tokony mba ho avy any Fianarantsoa na Tulear indray ,satrie ireo no mbola tsy nisy teo, aleo mbe hifandimbiasana ny toerana e!
Ka ny antsika mody mivavaka rehefa manao propagandy dia faly tokoa ny Gasy , kay olona Jiolahy tsy valahara daholo , mpangalatra sady tia tena, tsy mba ny hampandroso ny firenena no atao ,fa ny hampahantra ny vahoaka , dia afenina any @ banky soisa ny vola , dia any @ firenena efa mandroso no manangana Biulding hanatsarana bebe kokoa ny Tanin'olona nefa ny an' ny tena eto mampihomehy be ,aoka ho tonga saina @ izay ry gasy a! Izao aza dia mbola misy adala mbola mitady ny hamerenana an-dRa8 ihany,nefa iny no tena nanapotika ny firenena sy nampahantra ny Malagasy tao anatin'ny fotoana fohy : FAMPANDROSOANA HAINGANA NO nampanantenainy ,kanjo , FAMPAHANTRANA RAPIDE no nahazo ny gasy. tsy vanona e!Aiza daholo ireo Malagasy manam-pahaizana mba tsara sitra-po ? mijoroa ianareo fa ho tohananay ! :evil: :evil: :evil:
novalian'i fijo ny 21/05/2009 20:25
2. andrywui ( 21/05/2009 09:39)
: FAMPANDROSOANA HAINGANA NO nampanantenainy ,kanjo , FAMPAHANTRANA RAPIDE no nahazo ny gasy. tsy vanona e!Aiza daholo ireo Malagasy manam-

angah zany tsapany ry bazylou a!! ny hameno paosy haingana sy hanagadra olona rapide no tena adiny teo !!
zao malaeolo sy be fialonana ny fitondrana efa eo antanan'olona
3. ravalotgv ( 21/05/2009 09:44)
tsapatsapa vodin akoho rehefa tsy atody ve tsy ho tay
sniff
tcrouff

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
4. Mirananirina ( 21/05/2009 09:55)
Aiza daholo ireo Malagasy manam-pahaizana mba tsara sitra-po ? mijoroa ianareo fa ho tohananay !

IO dia hitovizako aminao bazylou
marina mihitsy fa mila olona vaovao i Madagascar,ka io olombaovao io aoka ho MANANA FAHAIZANA fa tsy bado toy ny sasany.
5. bazylou ( 21/05/2009 10:38)
ka maninoan ary leolona vaovao no tsy mitsangana ?? isika 20.000.000 ireo ve dia handany andro amin'izao fotsiny.
Reveko le fahasahina sy fahavononan'ny tgv anao 4e rep nefa tsy misy zavtra mora !! eo no tokony hanampiana azy mba au moins hanana stabilité hanaovana le fifidianana rapida au moins, fa tsy izao kobaka ambavan'ny tim syny fandrangitan'i le8 atsy sy ary izao no lohalaharana!! ry gtt tia tanindrazana hono nefa aty andafy daholo ry lerony!!!! mandevy tay atsalaka fotsiny! mba aiza ireo gtt ireo amin'ireto malagasy aty andafy ?? niady ny hifidianan'ireo gasy aty andafy ve ireo ?? tsia,
Ny any mada izao no fond de commerceny aza, ary zarany izao no atao mba hisy ny saosy sy hifanitsaka ohatrany alika eto fotsiny.
6. hery ( 21/05/2009 10:45)
Araka ny efa naverimberiko tamin'ireny fiatombohan'ny krizy ireny dia efa mba nanomana olona vaovao izahay hisolo an-dRavalo amin'ny fifidianana manaraka. Olom-baovao tanteraka. Efa maty paika daholo ny fiomankomanana ary efa nanomboka ny mission tany ambanivohitra satria any no tena herin'ny vahoaka.

Noho ity gidraka ity anefa dia somary voatohina ilay programanay. Ary ny tena tahotray dia raha tafaverina eo Ravalo (izay probable satria tsy hain'ny HAT ny niandry ny andro zoma), dia ho lasa vao maika tian'ny olona ka ho sarotsarotra ny hidiranay antsehatra. Na izany na tsy izany dia vonona ny hifandrina amin'ny TIM koa izahay.

Tamin'ny voalohany dia 4 taona no nokasainay hiomanana amin'ny fifidianana ho avy. Amin'izao anefa dia tsy fantatra hoe oviana marina no hisian'ny fifidianana manaraka. Koa somary voakorontana ny fandrindrana izay natao. Na izany aza anefa dia vonona koa izahay raha mitovy ny hery enti-miady.

Olom-baovao tanteraka, mbola tsy nandray anjara tamin'ny fitondrana nisesy, na dia efa heno matetika aza ny anarany.

Ny tiana ho tenenina dia hoe misy ny olom-baovao ary efa ela nikotrehana saingy nosimbain'ny TGV ilay izy. Olombaovao fa tsy TGV na ex-AREMA na ex-TIM. Izahay dia afaka nifaninana tsara tamin'ny TGV raha niandry fifidianana ry zareo. Raha azy Antananarivo dia anay kosa Toliara sy Fianarantsoa.

Mino izahay fa betska aminareo no hanohana anay rehefa tonga ny fotoana.
7. Mirananirina ( 21/05/2009 10:59)

Maika ny hahita izany izahay
8. TWING ( 21/05/2009 11:06)
fa angah oa ny vahiny no nahatonga atsika malagasy maro an isa tahaka an'izao e?
sa ve GOAKA ny Kapoty zaraina?LOL

Réfléxion: si les Chinois vivaient à Madagascar,ils seront les premiers dans tout les secteurs
et si nous, Malgaches, en Chine. Nous serions plus de 20 millions à mandier.
9. bazylou ( 21/05/2009 11:07)
tsy i tgv mihitsy no nanimba le izy rahavonona ianareo e!! izy aza novao maika niaccelere azy!! ary izao no fotoana tsara indrindra hisehony raha milay ny anareo!!! sa tsy mbola ampyny saosy???
10. Mirananirina ( 21/05/2009 11:15)
tsy i tgv mihitsy no nanimba le izy rahavonona ianareo e!! izy aza novao maika niaccelere azy!! ary izao no fotoana tsara indrindra hisehony raha milay ny anareo!!! sa tsy mbola ampyny saosy???

Sambatra ny anareo be saosy :(
11. bazylou ( 21/05/2009 11:25)
ka tsy azoko naie le anareo ry mirananirina e!! izao no fotoana maha poinsa izany, dia inona no hisalasalany sa koa miandrya n'i le8 hisponsa indray!!
Propice be izao andro sy situation izao hoa n'izay tena vonona e!!
12. Mirananirina ( 21/05/2009 11:28)
ka tsy azoko naie le anareo ry mirananirina e!! izao no fotoana maha poinsa izany, dia inona no hisalasalany sa koa miandrya n'i le8 hisponsa indray!!
Propice be izao andro sy situation izao hoa n'izay tena vonona e!!

bazylou a,miandry izay olona tena milay hilatsaka eo fotsiny anie izahay e.
13. ndaty ( 21/05/2009 11:33)
Mino izahay fa betska aminareo no hanohana anay rehefa tonga ny fotoana.

iza le anarana ary, teteza-mita izao, na tiana na tsy tiana hisy ny fifidianana au grand maximum dans 19 mois, aiza le anarana

ka le ananarana tsy hay ka dia hanohana anareo @ ahoana ary zahay nahoda...
14. bazylou ( 21/05/2009 11:36)
dia tena vonona ve iaanreo raha misy izany !! olona iray tena vaovao mihitsy , tsy nilatsaka politika na ancien ministra , na ancien pm, fa tean olona hafa mihitsy !! ho sarotsarotra ihany izany raha tsy izao izy no mipotra!!
sady izaho sy ianao no vonona, fa ny olona etsyampita efa mpanompo sy andevo lahikelin'ny sasny ve dia hanaiky ?? ho sarotra be io.
15. hery ( 21/05/2009 11:56)
Araka no nolazaiko, 4 taona no noeritreretinay hiomanana. Hitantsika ny vokany rehefa olona malaza be tampoka no milatsaka... lasa raisin'ny olona ho mpanavotra dia manararaotra dia esorina indray. Tian'ny olona ao anatin'ny fotoana fohy. Ny anay dia misoko mangina miala avy any amin'ny fototra. Efa miparitaka tsikelikely any ambanivohitr'i Toliara sy Fianarantsoa ny fampitàna ny programa. Inoako fa ho faly ianareo rehefa mahita azy satria matotra izy vao hiseho. Io no olana kely taminay satria tsy nieritreritra izahay hoe haingana be toa izao no fivoaran'ny toe-draharaha. Tsy maintsy ho vonona izahay na dia ato ho ato aza ny fifidianana, fa mety ho nahomby be be kokoa izahay raha nifanandrify tamin'ny fotoana nieritreretanay azy ilay izy.

Tsy afaka milaza anarana aho satria izy no mila miteny voalohany ny hilatsahany hofidina rehefa tonga ny fifidianana. Aza maika fa ho tonga izany.

Raha tena mila olona vaovao (tsy mbola minisitra, tsy mbola nitondra) kanefa efa nifanerasera sy afaka ary vonona hifanerasera akaiky amin'ny vahoaka, dia fantatro fa hiaraka aminay ianao.

Angamba be ny manontany hoe nahoana aho no miady ny handravana ny HAT?

Satria tsy tetezamita nifanarahana io fa tetezamita noterena. Tokony hiroso amin'ny tetezamita matotra. Tsy olana aminay raha miverina i Ravalo ka mitana ny teniny hoe hametraka rafitra tetezamita ifanarahan'ny rehetra. Izany hoe miaraka mamolavola ny fifidianana sy ny rafitra rehetra.

Efa nametraka sosokevitra amin'ny vahaolana azo atao izahay teo aloha. Miverina i Ravalo mba ho filoha andrin'ny fiandrianam-pirenena sy demokrasia fotsiny. Tsy omena fahefana na inona na inona izy (tahaka an-dRatsiraka t@ 1991) fa atsangana kosa ny teteza-mita izay andraisan'ny hery politika rehetra anjara. Tsy ny seza no mahamaika satria tsy misy ny vola fa ny fahafahan'ny rehetra mamolavola ny ho avy. io rafitra tetezamita io no manao ny fihaonambem-pirenena sy mikarakra ny fifidianana.
Tsy hisy ny fisamborana politika mandritra ny tetezamita. Tsy hosamborina na hogadraina aloha ny TGV ary avotsotra izay gadra politika hafa. Rehefa vita ny fifidianana ka mahazo fitondrana izay lany dia izay vao miverina mitsara izay tokony hotsaraina.

16. xxx ( 21/05/2009 12:13)
Fa inona ny mahazo an'i ra-hery mpaminany amin'ity ascension ity no toa manao resaka matotra be. Fambara ratsy zao io sa fambara tsara.
17. ndaty ( 21/05/2009 12:25)
hery:
Io no olana kely taminay satria tsy nieritreritra izahay hoe haingana be toa izao no fivoaran'ny toe-draharaha.

voalohany, tsy mahay mi-prevoir ny fivoaran'ny toe-draharaha izany le olonareo.

or gouverner et presider , c'est prevoir, donc hanahirana ihany ny hanome toky ny olona tsy mahya mi-prevenir evolution na situation politique. Izaho zao de fa nahay depuis 2007 nahalany maire an'i TGV , fa hiongana RAVALO

hery:
Tsy olana aminay raha miverina i Ravalo ka mitana ny teniny hoe hametraka rafitra tetezamita ifanarahan'ny rehetra. Izany hoe miaraka mamolavola ny fifidianana sy ny rafitra rehetra.

je comprends plus rien:

Raha i ravalo izany no manao teteza-mita dia lany ilay olonareo, fa raha olonkafa dia mety tsy ho lany izy. Logique baka aia izany logique izany????

ary connaissant ravalo, tsy hanao teteza-mita izany izy raha miverina eo, efa legal izy hoy izy, ary ny election manaraka @ novembre 2011, donc ny novembre 2011 sy ny 19 mois ny andry mitovitovy ihany
18. xxx ( 21/05/2009 13:03)
Hoy Hery

Mino izahay fa betska aminareo no hanohana anay rehefa tonga ny fotoana.

Ndao nama fa vonona ny hiara-dia tsika é

Tsy afaka milaza anarana aho satria izy no mila miteny voalohany ny hilatsahany hofidina rehefa tonga ny fifidianana. Aza maika fa ho tonga izany.

Misy fotoanany avokoa ny zava-drehetra

Tsy hisy ny fisamborana politika mandritra ny tetezamita. Tsy hosamborina na hogadraina aloha ny TGV ary avotsotra izay gadra politika hafa. Rehefa vita ny fifidianana ka mahazo fitondrana izay lany dia izay vao miverina mitsara izay tokony hotsaraina.

Demokrasia ny hatao fa tsy valy faty,ekena

Tonga ny olom-baovao zany fa dia zay no tena ilaina,ary mahavariana fa efa misy marary fo sahady ry zalahy ato zany
19. hery ( 21/05/2009 13:12)
ndaty> TSY i Ravalo velively no hiandraikitra ny rafitra tetezamita tiana hatsangana.
Isika rehetra no handrafitra ny tetezamita. Tsy ekena raha tetezamita tsy ifampierana izany. Izay no tsy hanekenay ny tetezamitan'ny HAT satria tetezamita nalaina t@ basy.

ndaty> tamin'ny 2007 ianareo vao ni-prévoir hoe hiongana Ravalo? Izahay efa tamin'ny 2006 dia ni-prévoir hoe anjaranay indray amin'ny 2012. Tsy mbola vonona fotsiny izahay tamin'ny 2006 ka tsy nirotsaka. Nefa tsy nieritreritra ny haka fahefana mihitsy izahay. Ka ny zavatra tsy noeritreretinay ho tonga dia hoe hisy olona handrava ny zavatra demokratika ka tsy ho amin'ny 2012 indray ny fifidianana.

Na izany na tsy izany dia na ianareo manohana anay na ianareo manohana kandidà hafa.
20. xxx ( 21/05/2009 13:27)
hoy hery

Na izany na tsy izany dia na ianareo manohana anay na ianareo manohana kandidà hafa.

Dakoro @ nao zàh fa tsy hifanambatambazana na hifaneréna fa safidin'ny tsirairay

Fa raha ny amiko manokana aleo olom-baovao fa tsy reto efa mifampiandry hanao valifaty lava zao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0786