IZAY TIA ADALA

1. ni81 ( 21/05/2009 05:34)
http://www.dailymotion.com/related/xrpsc/video/x862dz_tsy-haiko-ny-tsy-hitia-de-bessa-nja_music?hmz=74616272656c61746564
novalian'i RATOVOARY ny 28/05/2009 12:23
2. sitlo ( 21/05/2009 05:40)
Ny generation 70 hoy aho manam-pahaizana noho ny generation 80.
3. maeva74 ( 21/05/2009 07:53)
Diso tokoa ve ny fony raha toa ka nitia mangina azy izy, asa lahy

Tsy haiko ny tsy hitia

Zay tia atao hoe adala, fa ny olo-kendry miala
Kanefa dia tsy ho haiko ny tsy hitia anao
Ity zaho fa hoe fahotana sy fandikana lalàna
Kanefa dia tsy ho haiko ny tsy hitia anao

Ref :
Tahaka ny rano an’ony
Zay tsy maintsy hivarina any an-dranomasim-be
Toy zany koa tsy hay intsony
Ny hanohitra izay tendry tsy maintsy haleha

Koa raiso ny tanako
Fa zay hombanao de hombako
Satria tsy mety haiko ny tsy hitia anao

Ref : …

Koa raiso ny tanako
Fa zay hombanao de hombako
Satria tsy mety haiko ny tsy hitia anao
Satria tsy mety haiko ny tsy hitia anao

BESSA
(l) (l) (l)
4. ni81 ( 21/05/2009 08:07)
Diso tokoa ve ny fony raha toa ka nitia mangina azy izy, asa lahy

dia valian'ny tononkira koa:
Zay tia atao hoe adala, fa ny olo-kendry miala
Kanefa dia tsy ho haiko ny tsy hitia anao
Hita izao fa hoe fahotana sy fandikana lalàna
voavaly avy hatrany
5. maeva74 ( 21/05/2009 09:29)
Raha tia ny fo aza mba raràna satria na fahotana , na nandika lalàna dia tsy misy intsony ny hampitsahatra azy afa- tsy ny miheno ny fidobony.

Nobedesiko ny foko,
notsatsoiko ny hadalany
Novalian'ny toloko
Dia noho ianao ihany
Aza dia esoina,
Ity fo misari-adala
Ny fitempony henoina
Mitempo anao ry malala


Raha misy fanantenana
Avia f'aza mihenahena
Raha tia ny fo aza raràna
Fa ny aty efa jambena
6. ni81 ( 21/05/2009 09:39)
doboy ary kou! :lol: :lol: :lol:
7. ari.malala ( 27/05/2009 06:07)
tsy adala iany fa jamba sy marenina koa hono ko! ary mahakilemaina kay zany le fitiavana ra zany kle :-P :^) :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
8. ni81 ( 27/05/2009 06:10)
tsy adala iany fa jamba sy marenina koa hono ko! ary mahakilemaina kay zany le fitiavana ra zany kle
fa nahoana akia?
9. ari.malala ( 27/05/2009 06:14)
atao hoe jamba sy marenina zay tia
kanefa ianao mbola mahita sy mandre
tsy maharesy ny sainao, toherinao ny fonao tia
satria ianao dia te hanafina fa hoe
efa voabaon'olon-kafa manontolo
ny henatra mampihatsara velatsihy
izaho indray na dia voasolo ao amponao aza mbola tia
tsy haiko afenina kanefa aho dia minia...
ny hasambarana ts hoe fodiana adala mody tia
ny hasambarako dia fantatro fa tsy eo anilanao
ny hasambaranao ry olontiako
eny antsandrin'olonkafa
ny hasambaranao no ekeko ho ahy

Ni, mananiany akia za fa maka reference @ io nataoko bold io ftsn a hihii
10. ni81 ( 27/05/2009 06:40)
Ni, mananiany akia za fa maka reference @ io nataoko bold io ftsn a hihii
:lol: :lol: hay ve e
11. fahamarinana ( 27/05/2009 07:34)
:arrow: hummm !! Misaotra tamin'ilay njakatiana ni a ! Ohatrany marina ilay voalaza an !
arimalala : Dia marina koa ilay maha-kilemaina,lasa sembana rehefa tsy eo izy ! Mba tiako ilay fomba fijerinjy na vazivazy aza ! tokoa moa zany !! (l)
12. RATOVOARY ( 27/05/2009 08:40)
Ny tonony tsara aloha efa tena ao iny fa na ny fomba nihiran'i Njakatiana azy koa no tena tiako be, na ny arrangement aza henoina tsotsotra fa tena milay.
Isan'ny hira fihainoko matetika rehefa ao antrano io CD Njakatiana chante Bessa io sy ilay Poa toy izay an'i Bessa
13. ari.malala ( 27/05/2009 10:48)
Ratovoary, in zany Njakatiana chante Bessa zany? za mba meo eeeeeeee :P
14. RATOVOARY ( 27/05/2009 11:25)
Ari.malala> Anaran'ny album misy an'io hira ataon'i Njakatiana io izany ry ari a!
Ny hiran'i Bessa no hirainy ao. Jereo tsara aloha io hira ao @ daily io fa i Njakatiana no mpihira fa i Bessa no namorona azy.
15. fahamarinana ( 27/05/2009 11:51)
:arrow: Zandry Tovo : misy tiako dia misy tsy tiako rahavao somary ovain'ny lery be zay ilay izy !....Aleoko bessa kah ! (l)
16. ari.malala ( 27/05/2009 12:55)
Njakatiana? toa i Liva Andrianavalona no tena nihira io hira io ko! izaho mantsy tsy afaka mijery dailymotion na youtube ka tsy maharaka :P
17. pisonatha ( 28/05/2009 11:58)
slt! "ts aiko ny ts hitia" angamb no tena lohatenin'io rse a!
Mlay b koa io a!fza aloa ts manana ny toninyd mial tsiny e!
:lol: :roll:
18. RATOVOARY ( 28/05/2009 12:23)
Zah manana ny album misy an'io fa ny olana dia protegé otran'ny virus zany ilay izy ka raha vao ampidirina @ ordi ny CD dia tsy voasokatra sady misy boite de dialogue mampatahotra be, ary raha vao tsoahina tao ilay CD dia redemarer automatique ny machine. In-2 aho nanao an'io fa tsy sahy tsony, sao dia simba eo ny fananan-dry zalah ka zay vao pouffff.... Aa hitako any zany :lol: 8-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4562