MASO MAY NY MENAKA !

1. endrika01 ( 20/05/2009 11:03)
Coucou doly njay o ! Misy namako ry zareo,nipitihany menaka mamay ny masony,tsy le hodi-maso fa ny vomasony mintsy,nanendy doughnuts izy de izy variana nandrotsaka azy iny no nipitika ny menaka.Tsy nanisy fanafody izy,fa noheveriny fa ny hodi-maso no voa dia nosasany taminy rano mangatsiaka.Efa ho 7 andro taty aoriana anefa vao tsikariny raha sendra nijery fitaratra izy,fa misy lalan-dra mena maromaro mitsivalana mifandray amle boribory maintimainty eo ampovoany masony,de tsikariny koa fa teo akaikinio faritra io,dia misy zavatra fotsifotsy somary miavotra kely hoariny aminy haavony vomasony,de za mou niteny azy we aza kitikitihana fa sao potsika eo ! Tsy hay na nana,na le may de nivonto le nofo-maso! Efa nasaiko nampiasa anle goute fanadiovana maso izy aloha mandram-pandehany any aminy mpitsabo (Physiomer ny anaranle goute,rano steriliser,eau de mer naturelle isotonique le izy) ny fanontaniana zany de we,inona no tokony atao,raha tojo ny cas hoatranio?Ndrindra fa lavitry ny tobim-pahasalamana?Mcei an :-*
novalian'i endrika01 ny 03/06/2009 17:41
2. vaotonga ( 20/05/2009 13:34)
Misy olona nanasitrana ahy any fa tsy haiko raha mety ho hitanareo na tsia.Menaka koa no nahazo ny ahy t@ aho mbola nianatra ary ny tarehiko no voa,efa nanomboka ho grave be ilay izy,soa ihany fa nisy an'io ol io raha tsy izany dia ho isa fotsiny angamba no nahazo ahy,tsy mampandoa vola be izy fa iraimbilanja ihany no alainy.Za bandy fa na bandy aza ve moa de ho tokony hanana tarehy horeur? Tsy mba nanana anabavy nihantahantana t@ nianatra de mba nikaozy lakozia kay saika lasa horeur e! Tena resaka serieux io fa tsy sangy an! ny ahy ny maraina fotsiny no nanaovany azy de hariva de niembaka daholo ny hoditra,de sitrana avy hatrany e! za ary mba gaga.Isa anefa na ho hainy le maso na tsia fa mba mandehana aloha mikaroka azy,aza de maika loatra makany @ doktera fa mba misy ihany anie Malagasy mahay zavatra e! Mahalala ny ol tokony hifandraisanao aho ahafahanao mihaona @io ol mpanao ody may io fa tsy sahiko omena eto ny num satria sao manahirana ka raha mi"interesse"ilay izy de ny e-mail nao no alefaso dia any no anomezako ilay num n'io ol io,za mako aty ivelan'ny tanindrazantsika fa tsy any Mada fa raha tany za de nanampy anareo nikaroka io ol io.
3. tsiambaratelo ( 21/05/2009 03:34)
Ka raha any ampitan-dranomasina lay olona voa izany de tsy misy solisio?
4. ni81 ( 21/05/2009 05:35)
Dia dokotera ihany izany no solisio fa izany ve no handehanana any dago!
5. vaotonga ( 21/05/2009 10:13)
tsiambaratelo:

Ka raha any ampitan-dranomasina lay olona voa izany de tsy misy solisio?


Dia tsy haiko aloha ry tsiambaratelo a! Ary na atao hoe hiantohan'izay ol hanafatra azy aza izy de heveriko fa tsy ande(le mpanao ody may) satria mbola tsy mba nivoaka an'ny Mada izany io ol io.Tena"sur" mintsy za fa tsy ande izy nefa raha tena mitady fanasitranana haingana sy tsy hamela"trace"@ vatana de tena azoko antoka 100% io ol io,ka toro-hevitra ihany ny ahy fa anjaran'izay mila fanampiana no manatanteraka azy raha azony atao ary indrindra raha heverin'le ol fa mety hety aminy le toro-hevitra.
6. endrika01 ( 23/05/2009 04:25)
Vaotonga> misaotra e,fa ( ) lou,azo atao angah ny mifanome adresse mail ato :wink: omena eto ve?Sa any aminy ps-nao ?
7. vaotonga ( 23/05/2009 06:21)
Ie,azonao alefa @ ps raha tianao.Mahazo matoky ianao fa tsy ho azo n'iza n'iza ny e-mail nao raha izaho no mandray azy satria ho ahy de tsy fanararaotana ahazoana ny e-mail nao no tadiaviko fa fanampiana an'le namanao.Iangaviako koa aza ianao mba tsy hampitampita ny Num na ny e-mail ko izay handraisanao ny information mikasika io mpanao ody may io,satria risika be mintsy izany,tazony ho anao irery ihany.Ny fitiavako anareo no andraisako risika hanome anareo ny e-mail ko sy ny Num n'io ol io.Mirary fahasalamana.
8. rova30 ( 23/05/2009 12:03)
tsiambaratelo:

Ka raha any ampitan-dranomasina lay olona voa izany de tsy misy solisio?



Na aty ampitandrano aza, toa misy mpanao ody may ka!... fa mba manontanintania ireny olona manodidina ireny ihany, sao mba mahasoa. Tsy mahasakana anao hamonjy dokotera ihany koa anefa!
Tsaboy , fa sarobidy ny maso!...enfin asaivo tsaboiny fa sao dia variana miandry ela eo .
9. ni81 ( 23/05/2009 14:41)
Na aty ampitandrano aza, toa misy mpanao ody may ka!... fa mba manontanintania ireny olona manodidina ireny ihany, sao mba mahasoa. Tsy mahasakana anao hamonjy dokotera ihany koa anefa!
Tsaboy , fa sarobidy ny maso!...enfin asaivo tsaboiny fa sao dia variana miandry ela eo .
ka tsy tonga dia mba atoronao kosa raha misy aty ampita!
10. rova30 ( 24/05/2009 07:11)

ni81

Olona nifanena sendrasendra no nahalalako hoe mpanao ody may izy, fa ny olana dia efa lasa ilay olona vao tena samy tonga saina daholo izahay hoe tena raimm sy valo dia sitrana ilay olona may!

Tsy izaho koa angamba no may tamin'iny sendra iny , dia variana be tsy mba naka ny adiresiny akory!

Fa raha misy zoki-olona ireny any akaiky any dia ireny anotanintaniana fa toa mahafantatra ihany ireny!

Ilay izy koa anie raha vao may iny mihintsy no tonga dia sitrany fa rehefa andrasana elaela tsy haiko raha mbola mety ihany ireny fitsaboana ody may ireny e!

ENYe! fantatro fa tsy dia manampy loatra koa ity resako ity fa rehefa sendra ny toy izao dia ny manontanintany eny ihany aloha no azo atao.
11. vaotonga ( 24/05/2009 07:31)
Nena ry rova30 efa herinandro mahery fa mbola tena afaka tsara a! ka tsy misy atahorana raha tena mpanao an'le izy le ol.Mahereza e! sitrana soa.
12. ni81 ( 24/05/2009 08:01)
rova30> azoko ilay tianao ho lazaina. Fa ny momba ilay hoe mety hisy mpanao ody may aty ampitan-drano no somary nahagaga ahy.
Any dago mantsy tena maro ny olona azo lazaina fa manana talenta angaha no azo hilazana azy!
Ny mpanao ody may, ny mpanao ody biby, ny manala zavatra lasa anaty maso, ny manala taolana ao an-tenda.

- Tompon-tranonay taloha tao Mahajanga (tsy fantatro izy na mbola velona na tsia) fa olona hatrany Marovoay aza sendra kenda dia tonga ao aminy dia ampisotroiny rano fotsiny dia afaka ilay taolana tao.

- Olona mpiara-monina taminay (mbola velona any izy @ zao), dia raha sendra ka tafiditry ny akotry na vato kely ny maso, dia alainy sy esoriny @ lelany dia afaka.
13. endrika01 ( 24/05/2009 08:46)
ni81 > dadany koa zany we,akotry esoriny amin'ny lela dia afaka.

Mbola manohy anle fanasana maso amin'ny goute izy,fa tsy mangidihidy be tsony ny masony ,araka ny nolazainy,na izany aza anefa efa naniraka azy hanantona mpitsabo ihany aho.


ny Malagasy anie izany ,manana talenta maro fa ny sasany tia tena dia tsy tia mizara e:wink:
14. ni81 ( 24/05/2009 10:30)
ny Malagasy anie izany ,manana talenta maro fa ny sasany tia tena dia tsy tia mizara e
:lol: sarotra kosa aloha ilay hizara e!
Raha ilay ramatoa manala akotry anaty maso io zao dia tsy mba ho vitako, na dia ampianariny sy hazavainy na hampitainy amiko aza ilay talentany.Tsy vitako izany hilelaka mason'olona ka! Aleo hijanona aminy ihany ny talentany :)

15. Koditra ( 24/05/2009 12:14)
N81:
sarotra kosa aloha ilay hizara e!
Raha ilay ramatoa manala akotry anaty maso io zao dia tsy mba ho vitako, na dia ampianariny sy hazavainy na hampitainy amiko aza ilay talentany.Tsy vitako izany hilelaka mason'olona ka! Aleo hijanona aminy ihany ny talentany
Ndàna haingana enao maka cours any aminy fa ny molotro tafiditry ny akotry. :-D :-D =)) =)) =))
16. Koditra ( 24/05/2009 12:21)
Endrika za mahay ody may, roraiko fotsiny ny faritra may dia maina avy hatrany afaka fotoana vitsy. Na any andafy aza dia haiko tsara fa mila manana webcam fotsiny ilay olona dia asehony amiko eo ny faritra may, ny ecran-ko ihany no roraiko defa mety. Tsy manao faritra saropady anefa. :-D :-D

Laingako zany fa marina ireo voalazan'ny namana hafa ireo, tsy mampino ilay izy nefa ny gasy dia misy tena mahay raha tokoa ary tsy dia tazana loatra ny olatra naterik'ilay may, tsy fanambaniana ny fitsaboana dokotera akory sanatri fa ireny manamaina ilay faritra may fotsiny fa mamela olatra glady ihany ka manimba ny endriky faritra may rehefa sitrana, indrindra ny tarehy.
17. ni81 ( 24/05/2009 17:38)
Ndàna haingana enao maka cours any aminy fa ny molotro tafiditry ny akotry
:-D :-D :-D :-D tongava haingana ary esorina izany akotry zany!
18. endrika01 ( 26/05/2009 11:40)
Koditra be vazivazy ndray io an,mhhh ! Zah nefa mora rikoriko be amle ivy ,kayi . :wink:
19. endrika01 ( 26/05/2009 11:47)
Koditra be vazivazy ndray io an,mhhh ! Zah nefa mora rikoriko be amle ivy ,kayi . :wink:
20. endrika01 ( 26/05/2009 11:51)
Koditra be vazivazy ndray io an,mhhh ! Zah nefa mora rikoriko be amle ivy ,kayi . :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5445