Saika hangalatra vary tao @ Tiko kanjo

1. Noue ( 16/05/2009 05:01)
[size=70]Tsy nifankafantatra ireo mpitandro ny filaminana rehefa tao anatin'ny haizina ka raikitra ny fifampitifirana, tao Ambohitovolahy- Vodiala, any Ambatondrazaka, afakomaly tokony ho tamin'ny 11ora alina tany ho any. Vokany, miaramila iray sy sivily roa no fantatra fa naratra voatifitra. Araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana no nahalalana fa mpitandro filaminana avy amin'ny CNME ireto nitifitra ireto ary avy amin'ny kaomision'ny HAT kosa ireo voatifitra. Ka ny fanazavàna azo no nahalalana fa naharay fampandrenesana ny CNME mamita iraka ao an-toerana, fa misy fiara 4x4 roa mihaodihaody eny amin'ny manodidina. Vao nandre izany ry zareo dia lasa nizaha ny zava-nisy ary tsikaritra tamin'izany ireo fiara voatondro. Nasaina nijanona ireo fiara fa tsy nety ka nitifitra ireo avy amin'ny CNME. Voatifitra ny fiara iray ka tsy afaka intsony ary voa tamin'izany ihany koa ireo olona tao anatiny. Rehefa nozahana akaiky dia hita fa sivily sy miaramila ireo naratra, izay nalefa avy hatrany tany amin'ny hopitaly.
Namita iraka
Teo anatrehan'izany dia niezaka nanontany ny andaniny voatifitra ihany koa ny namanay any an-toerana ka tamin'izany no nilazan'izy ireo fa iraka avy amin'ny HAT ry zareo hanadihady ny fitaovam-panjakana tavela any. Teo ihany koa ny fandrenesana fa hisy hamaky ny Tiko ao an-toerana. Izao anefa no zava-nitranga. Nisy ny savorovoro teo amin'ny samy mpitandro filaminana vokatr'ity raharaha ity satria voahodidina miaramila hatrany amin'ny hopitaly nisy ireo naratra. Efa notazonina eny amin'ny zandary ilay miaramila naratra raha ny vaovao azo farany ary efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana rehetra. Ho hita eo ihany moa ny ho tohin'ity raharaha ity.
[/size]
novalian'i ravalotgv ny 16/05/2009 20:54
2. Noue ( 16/05/2009 05:23)


mpitandro filaminana avy amin'ny CNME ireto nitifitra ireto ary avy amin'ny kaomision'ny HAT kosa ireo voatifitra.
3. sadeky ( 16/05/2009 07:31)
milay be izany aleo hifampitifitra eo sarla kely sy alain ramarson ,samy saika samy hangalatra vary marina . :-D :-D :-D
4. bozyboleta ( 16/05/2009 07:34)
source : midi madagascar
Vohidiala
Affrontement sanglant entre militaires

Une course poursuite et des coups de feu mettant tout le village en émoi. Vohidiala, situé au bord de la RN44, à environ 50 km d'Ambatondrazaka et environ 80 km de Moramanga, a été le théâtre d'un affrontement sanglant entre les militaires. « Vers 21heures, les éléments de la CNME, déjà sur place depuis quelques jours pour diligenter une enquéte, ont été avisés d'un renseignement sur la présence de quelques personnes suspectes à bord de 4X4. Selon cette information, ces individus auraient l'intention de faire exploser les infrastructures du 'Fanampy Rice mill', le complexe rizicole du groupe Tiko » apprend-t-on auprès de la gendarmerie.
Fuite. Des éléments de la CNME, renforcés par quelques gendarmes du groupement de la circonscription se sont rendus sur les lieux. Et voilà, une voiture 4X4 avec quatre personnes à bord a été aperçue de loin. « Dès qu'ils nous ont vu, ils ont démarré le véhicule pour prendre la poudre d'escampette. Ce qui nous a obligé à ouvrir le feu en guise de sommation. En vain. Ils ont continué leur route. Nous obligeant ainsi à tirer », de sources informées. La fusillade n'a pas été sans conséquence. Le conducteur, un civil et non moins chauffeur d'une personnalité connue de la HAT, a reçu une balle dans sa jambe. Aussi, la voiture a été endommagée par les tirs.
Dissoute. Deux des passagers de la 4X4 sont adjudants de l'armée dont l'un de la Capsat.
La quatrième personne, quant à elle, responsable d'une ONG locale, aurait eu le rôle d'indicateur (mpanera). « Le tout forme une équipe qui agit dans l'illégalité, empruntant le nom de la cellule tactique - laquelle a été dissoute depuis déjà un mois, après la réinstauration de l'Emmo-Reg - pour accomplir ses tâches » rapporte-t-on. Autrement dit, il s'agit d'un affrontement entre la CNME et la cellule tactique, qui voit son nom usurpé par d'autres militaires. Cet affrontement aurait-il pour origine une mauvaise gestion de l'armée, une incompréhension, un parallélisme de forme ou tout simplement un non-professionnalisme? A chacun son interprétation. En tout cas, une enquéte est déjà en cours.

Didi R.

Mpijoko voajoko izany koh!
I "jeneraly" sa i "dalton" no nampindrana 4x4 sy naniraka ny saoferany?
I jeneraly moa efa malaza @ io resaka io.
I dalton indray koa mahalala tsara ny any satria avy any an-tanàna ary efa tratra nampandoro ny MBS ka izay no nisamborana azy t@ izany fotoana izay.
5. Noue ( 16/05/2009 07:41)
nataon'ny CNME ninanfatiny indray ny personnalité connue de la HAT sy ny capsat :-D :-D :-D mbola ho aiza anefa ee! ity halatra tsisy farany ity pffff
6. bozyboleta ( 16/05/2009 07:58)
Satria efa zatra misaron-tava rehefa manao opération.
Kinanjo tsisy nanao masque dia tsy nifankafantatra.

Tsy mba nikotrana polisy-volera koa angamba ry zareo talohan'izao dia nanjary samy polisy-polisy sy volera-volera daholo.:-D :-D :-D :-D
7. Noue ( 16/05/2009 08:11)
fa ilay misaron-tava no tsy azoko eee ! fa maninona no misaron-tava?? satria mba hitsinjovana ny any aoriana ve ??
8. bozyboleta ( 16/05/2009 08:22)
fa ilay misaron-tava no tsy azoko eee ! fa maninona no misaron-tava?? satria mba hitsinjovana ny any aoriana ve ??

Ie. Hitsinjovana ny any aoriana. Ny tenue de camouflage ndry zareo mantsy tsisy doublure otran'ny palitao ka tsy mety avadika de aleo misarontava fa iny mora esorina. :lol: :lol:
9. Noue ( 16/05/2009 09:41)
zany ny aina ka te hanao eo kooo !
10. xxx ( 16/05/2009 12:17)
efa lany vatsy ve ny tgv koa ny olona toa tady fahanana halatra é,ha ngalarina dahjolo zao ppn zao , mahamenatra
11. sitlo ( 16/05/2009 12:47)
Manao vazaha mody miady izany...
12. Noue ( 16/05/2009 14:00)
tsy hita eee ! asa raha izany no atao oe democratie ?? :^) :^) :^)
13. ndaty ( 16/05/2009 14:24)
bozyboleta:
Satria efa zatra misaron-tava rehefa manao opération.
Kinanjo tsisy nanao masque dia tsy nifankafantatra.


efa tsy mandeha @ laniny intsony ny resak'ise

Des éléments de la CNME, renforcés par quelques gendarmes du groupement de la circonscription se sont rendus sur les lieux.


ary tadidio nareo koahe fa charles sy lilison dia membre ny CNME. donc du côté ny ordre sy fiarovana ny fananan'olo na fananan-daty izany ry charles et lilison



14. Noue ( 16/05/2009 14:43)
na inona na inona lazaintsika eto dia ireo ny fahamarinana eee ! saika hangalatra sy handromba indray ny capsat ny FAT !!! dia izao no nihafarany !!!
15. ndaty ( 16/05/2009 14:51)
na inona na inona lazaintsika eto dia ireo ny fahamarinana eee ! saika hangalatra sy handromba indray ny capsat ny FAT !!! dia izao no nihafarany !!!

na inona na inona lazaintsika???? c'est du l'extremisme ça, c'est du tiankano tsy tiankano

iha izany du côté ny bodongerona, tsy mamky intsony ny fond du sujet, fa dia efa programmé @ logiciel Ravalomanana ny OS(operating systeme na systemed'exploitation) ny neurone-nao

mialà tsy hamindra aretin-draty aminay eto avao
16. Noue ( 16/05/2009 15:05)
aza hadino fa ny voalaza dia saika handromba sy hangalatra indray !! ary iraka avy amin'ny HAT ry zareo !! ka hodiana tsy hita sy tsy fantarina indray ve zany eee ???
17. ravalotgv ( 16/05/2009 20:54)
ka tsy misy rezega intsony ato amin ny base de tsimaintsy mangalatra kely fa tena kay efa traingondry lerony ny fika

sniff
tcrouff

manao regime indray zany aloha ra sarla sy ny ekipany

:@ :@ :@ :@ :@ :@ :@
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1951