fa maninona loatra e

1. xxx ( 13/05/2009 06:06)
ahoana kay ny atao hoe fitiavana rehefa fitia angalarina ivelan tokantrano?
fanontaniana tiako hapetraka ho an ny tovolahy io
novalian'i vale ny 05/06/2009 14:58
2. xxx ( 13/05/2009 06:51)
Tsy tokony hiisy olana izany satria fitiavana, ary ny fitiavana dia voalaza fa tsara. Nefa vokatry ny fangatahan'ny vhv maro sy ny finona kristianina ary ny lalana dia tsy azo atao ny mitia olona hafa ankoatra ny vadinao ao an-tokatrano. Satria lasa feno fialaonana angamba ilay ao an-trano.
Raha dinihina tsara dia fitiavan-tena ihany ilay izy nefa izay moa no mampirindra ny tokan-trano ka atao ahoana.
3. mmmhh ( 13/05/2009 11:47)
Fitiavan-tena zany,

Amiko aloha ratsy ilay izy e, tokony tsy hamboly fitiavana ivelan'ny tokantrano na ny lahy na ny vavy,
@ voalohany anie mety handrakandrana e, dia miha-tafalatsaka aveo nareo, dia eo manomboka miredareda ilay fitia nangalarina, dia matimaty ilay iray ao an-trano,
De manomboka ny disadisa isan-karazany ao anaty tokan-trano, satria ny iray mieritreritra foana an'ilay iray any ivelany,

Rah mbola tsy tafiditra dia aza manandrana, de rah mitady ho voasarika dia ampidiro ao an-tsaina foana hoe, rah mba ny vadiko moa no tratrako mampirafy dia ho zakako ve??
4. Mirananirina ( 14/05/2009 13:20)
Amiko aloha ratsy ilay izy e, tokony tsy hamboly fitiavana ivelan'ny tokantrano na ny lahy na ny vavy,
@ voalohany anie mety handrakandrana e, dia miha-tafalatsaka aveo nareo, dia eo manomboka

Raha ratsy maninona no manao daholo ny olona e???
Tsara matoa be mpanao an.Andao hanandrana e hihihi sangy io an
5. ni81 ( 14/05/2009 13:54)
Raha ratsy maninona no manao daholo ny olona e???
Tsara matoa be mpanao an.Andao hanandrana e hihihi sangy io an
ka tsy izay ataon'ny rehetra ange ry Mirana dia tsara e!
Mba henoy tsara ange ny tonon'ity hira ity e!
http://www.dailymotion.com/relevance/search/miredareda/video/x4syc8_miredareda_music
6. xxx ( 14/05/2009 14:53)
Mirananirina:

Raha ratsy maninona no manao daholo ny olona e???
Tsara matoa be mpanao an.Andao hanandrana e hihihi sangy io an


Loza !!!
Ahitsiko tsy manao an'i daholo ny olona , izany hoe tsy ny olona rehetra no manao azy, fa misy manao azy
7. lolmiam ( 15/05/2009 07:31)
misotra iany aloa e
ka ny fitiavana ve azo atao oe:ajanona zany
ary ny fangalarampitia ilain nge e
marina aloa fa mila mahay mitandrina e
adalan zay manimba tokantrano no izany aloa e

8. mmmhh ( 15/05/2009 08:49)
Raha ratsy maninona no manao daholo ny olona e???
Tsara matoa be mpanao an.Andao hanandrana e hihihi sangy io an

Ka ny zava-dratsy anie ry Mirana manintona olona kokoa toy izay ny tsara e,

9. xxx ( 15/05/2009 09:33)
xxx:

ahoana kay ny atao hoe fitiavana rehefa fitia angalarina ivelan tokantrano?
fanontaniana tiako hapetraka ho an ny tovolahy io


Ny tiako lazaina mikasika izao resaka izao dia ny reportage hitako tamin'ny télé indray alina izay:

ny zvt mahaliana t@ zany dia izao: ny zavaboahary rehetra dia manana gène ao anatiny te hanmpita amin'ny taranany na fitiavana ilazanao azy,na koa intuition na zvt hafakoa. Fa ny tena izy hoy ny mpandinika dia hampaharitra io gène io no antony voalohany.
dia raha nandinika ireo d hoe: ny olombelona koa dia tafiditra amin'izany fananana gène te hampira amintny taranany rehetra, d tsy voatery hoe ny lehilahy ihany na ny vhv ihany fa izy rehetra dia samy te ampita zany daholo.
izany oh no mahatonga ny civilisation sasany hanana vady maromaro, ny sasany kosa manjary be ny fandrafiana, ny fisarahana dia mbola ao anatin'izany tia ampita gène izany koa...
;-)
dia nolazainy moa hoe ny 1/10 n'ny zaza teraka eto ambonin'ny tany dia tsy ny iray @ ray amandreniny no niteraka azy, fa teraka tamin'ny ivelan'ny tokantrano. Be dia be izany 1/10 izany nefa tsy mahagaga ihany rehefa dinihina, ary nisy ohatra nasehony moa satria amin'izao fotoanan"ny teknolojia mandroso izao dia azo fantarina tsara iza no zanak'iza!

ho famintinana; tsy hoe satria fanaon'ny sasany dia tsy maintsy atao, na koa hoe tia manandrakandrana fa tena efa ao anatintsika mihitsy ny te hanao dia te hampita izany koa amin'ny taranatsika isika, ...

raha ny hevitro manokana indray dia tsy misy mihoatra afatsy ny hoe raha mahafaly anao amin'ny anananao, dia ataovy zay ahatsara azy hatrany; raha tsia dia inona no manakana raha misy azo atao? ka tsy ampisy question existentielle aminao izany? dia ataovy.
zay fa :lol: foana an!
10. Mirananirina ( 15/05/2009 15:57)
Voalaza teo :
Raha ratsy maninona no manao daholo ny olona e???
Tsara matoa be mpanao an.Andao hanandrana e hihihi sangy io an

Ka ny zava-dratsy anie ry Mirana manintona olona kokoa toy izay ny tsara e,

mmhhh,izay indrindra ange hoa e
11. Lejoba ( 18/05/2009 11:31)
tsy fitiavana no iantsoako an'izany fa fahataitairana na filàna fotsiny.
Koa inona izany no nahatonga anareo hanambady? Intérét?
Maha-be blem izany sady mandany vola, ankoatry ny hery sy fotoana.
Sérieux aloha fa tsy azoko mihitsy ny motivation-ireny sipa miaraka vadin'olona ireny eh : vengeance? inconscience?
Ohatry ny tsy mahatsiaro ho bandy angaha ialahy raha tsy miadaladala any ivelany any?
Reveo manja lesy ny ao @ tanàna fa raha izy no manao sao tsy ho tanty ah
12. soanja ( 18/05/2009 11:42)
xxx:

ahoana kay ny atao hoe fitiavana rehefa fitia angalarina ivelan tokantrano?
fanontaniana tiako hapetraka ho an ny tovolahy io


Amiko indray dia zavatra namboarin'olombelona, novolena tao an-tsainy ny tokatrano sy ny mariazy ary ny fifamatorana mba hisian'ny filaminan'ny fiainana na atao hoe fiarahamonina. Ny fitiavana kosa dia voajanahary ao amintsika.

Mampifandanja an'ireo dia zava-tsarotra tokoa raha tsy ampy fehin-dalana sy soatoavina mari-pototra manaja ny teny nomena. Io dia ny tsirairay ihany no afaka mamaly azy fa tsy ny hafa no ahita vahaolana ho anao. Ny feon'ny fieritreretana! Hatraiza ary ahoana no anehoako fitiavana mahasoa ahy sy ny fiarahamonina misy ahy!


13. Mirananirina ( 21/05/2009 10:49)
Raha ratsy maninona no manao daholo ny olona e???
Tsara matoa be mpanao an.Andao hanandrana e hihihi sangy io an



Loza !!!
Ahitsiko tsy manao an'i daholo ny olona , izany hoe tsy ny olona rehetra no manao azy, fa misy manao azy

ny akamaroay anie amin'izao e,indrindra ny lehilahy,fa be koa ny vhv manao izao an
14. vale ( 21/05/2009 15:26)
Ny hevitro indray de tsora, raha misy oul manaitra anao kokoa anefa enao efa manana dia ilay manaitra anao kokoa iarahana fa iny izany no tena tinao, satria manjary mampisy fiantraikany ao @ tokantranonao ny fanekenao (tsy fidiny) le vadinao, mety ho lasa kirina aminy enao, na sorisorena ka vao mainka tsy mahasambatra anazy izany, mety hahatonga anao hamprafy azy, aleo aza misaraka dia mijanona ho mpinamana amin'izay ny reltion efa nisy y avy eo mijanona ho tsara foan( raha tsy oe tsy compréhensif/ve angah le ray ilaozana!! ka handray anao ho ennemi! :lol: )rehefa tratran'ny coup de foudre izany manko tsy misy afa-bela izany, sarotrabe ny manohitra an'izany, ka tsara kokoa mitsotra amin'ilay iray sy mangata-tsodrano aminy dia miala tsiny aminy, mety harary azy izany anefa vao mainka izy mijaly raha oul mieritreritra oul-kafa foana no hiarahany,na oul mamitaka azy, c'est pas la peine.
15. Mirananirina ( 24/05/2009 09:09)
Ny hevitro indray de tsora, raha misy oul manaitra anao kokoa anefa enao efa manana dia ilay manaitra anao kokoa iarahana fa iny izany no tena tinao, satria manjary mampisy fiantraikany ao @ tokantranonao ny fanekenao (tsy fidiny) le vadinao, mety ho lasa kirina aminy enao, na sorisorena ka vao mainka tsy mahasambatra anazy izany, mety hahatonga anao hamprafy azy, aleo aza misaraka dia mijanona ho mpinamana amin'izay ny reltion efa nisy y avy eo mijanona ho tsara foan( raha tsy oe tsy compréhensif/ve angah le ray ilaozana!! ka handray anao ho ennemi! )rehefa tratran'ny coup de foudre izany manko tsy misy afa-bela izany, sarotrabe ny manohitra an'izany, ka tsara kokoa mitsotra amin'ilay iray sy mangata-tsodrano aminy dia miala tsiny aminy, mety harary azy izany anefa vao mainka izy mijaly raha oul mieritreritra oul-kafa foana no hiarahany,na oul mamitaka azy, c'est pas la peine. Miverina
=D> =D> =D>
tena marina mihitsy io an
16. ninichantal ( 24/05/2009 13:58)
Bjr,
za alou tsy tovolahy e, fa everiko fa ny mahatonga ny lehilahy surtout mangala-pitia any ivelany dia satria misy banga eo @ fiainany. mety misy resaka sexe tsy vitan'ny vadiny tiany andramana d any ivelany izy no manandrana d mety ho raikitra any no loza ; mety misy tantara enony ka tiany andramana any ivelany fa sao bedin'ny vadiny raha ampidirina @vadiny n yresaka d any ivelany izy no manandrana sns......., na mety misy reska vola koa possible an, misy sipa sosy b mahavidy2 azy ka mampirevy b azy d tiany anaovana ny reviny fona na misy sosy indrindra fa misy sosy. na koa efa nisy sipa hafa fomba2 fiaina na bika na fijery tiany mba andramana iarahana mitsy fa tsy mahazatra azy @ vadiny d iarahany e, na mety misy gidra2 lava koa ao @ tokatranony d mba mievitra izy oe andé analazy ra manao sipa any ivelany. na mety koa itany fa borné b loatra ny sain'ny vadiny d otrany té ho libre kely izy d mandé2 d mahita raha e!!!! na possible b koa oe refa b ny volandrangahy d mievitra izy oe mahavita na mamelona vdy hafa ankoatra ny ato antokatrano aho fa andé alou anampy iray d manjary lasa fierté ny lé oe manana sipa bdb any @ sisiny e. na koa oe itany fa vevavy itany fa tsy mietsika mitsy lay vadiny na arabola na mety aratsosialy sns.... tsy hay d nanjary nahatonga ny fitsiriritany ny vadin'olonkafa ka nahatonga azy mba nanandratsira koa e???? sa sendran'zay vevavy namono na mpisotro toaka ra léhilahy d mba nitady hafa noho izay toetra ananan'ny vadiny izay ? sa sao d b lotra koa aza lé sipa d votery rizalahy maka 2 na 3 vo maatsiaro afapo e! lol.
Avy @fitiavana daolo alou zany e fa saingy ny fitiavantena no nanjary nibahana b angamba o!!!
Dia atao aona moa fa na ny vehivavy koa aza anie ka mety tafapetraka eo @ lay toeran'ny lehilahy koa e d manjary ravehivavy ndray no manao sipa any ivelany....... c la vie daolo zany e!
B ny lesona raisina raha izany fiainana zany an! koa mahaiza mandanjalanja e. fa ra ny olontinao d ny fifanajana no anisann'y faneompitiavana voloany. soyez fidèl(e) daolo zany e!
17. Djhamhal ( 28/05/2009 14:27)
aleo aza misaraka dia mijanona ho mpinamana amin'izay
; tena sur @ zany ve nareo? fa tsy ho hisy valifaty ao ambadik'zay na misy ankiandry kendri- tohina fotsiny dia mipôka indray ny ady ? ary méme refrain foana ny gidraka hiseho??
18. vale ( 05/06/2009 14:58)
Djhamhal: sarotra aloha ny ahita olona hi-comprendre oe efa tsy tiana dia mionona izany e, matetika tokoa dia mamaly faty ny hiafarany, anefa anie raha olona misaina sy mieritreritra dia tokony hanaiky izy satria manjary lasa miatsaravelatsihy aminy fotsiny sisa ilay vadiny satria lasa tia olon-kafa tsinona koa!! raha olona misaina dia tokony oe manaiky satria efa tsy tiana intsony dia tokony tsy hisisika sady tokony hatsapa fa tsy afaka baikoina io fo io ka tokony tsy hanome tsiny ilay iray mandao izy. Marina fa sarotra anefa ny mahita olona mahatsapa an'izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0548