Tononkalo atolotra ho any fahombiazany HAT sy ny Capsat

1. xxx ( 09/05/2009 18:02)
Raha ny olombelona no hazavaina
Dia vatana, loha, fanahy ary saina
Ka ny saina sy loha dia lehibe indrindra
Satria mpitarika sady mpandrindra
Ny loha no misy ny zava-dehibe
Fa tsy fotsiny hoe: fasiana béret
Na koa anarany fotsiny toy ny HAT
Ao anatiny ao ilay sarobidy
Izay tsy itovizana amin’ny biby
Ka raha io no ratsy na koa poakaty
Dia hitovitovy amin’ny Capsat
Ka tsisy handeha amin’ny laoniny intsony
Fa ny ambany indray no hibaiko ny ambony
Ka raha ny vodiny no lasa lohany
Dia inona izany no mba atidohany? KAPAVENTINY !!!!
2. Mirananirina ( 10/05/2009 10:09)
ok =D> =D> =D> =D>
3. Havantsika ( 10/05/2009 19:12)
Ity mba azo hisainana,


Angamba raha nisy nampidi-doza
dia ireo taloha mpamita-bahoaka
nihevitra hamabo amin'ity tanam-poza
Kanjo voatery nandeha nitsoaka

Ny ratsy nataony toa zaka ihany
fa ny mampalahelo ireto zaza navelany
Miandry an'i dada mamitaka hatrany
milaza hiverina kanefa any ivelany

Andao re hifandamina hadinoy izay vita
Mahaiza mamelona ny fihavanana
ilaina mahomby ny tetezamita
Fa ampy izay efa vitan'i Ravalomanana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3487