Raha TIM na ara-dalana mora tohina aza mamaky an'ity !!!

1. essera ( 07/05/2009 07:45)
Vaovao nivoaka mbola mafana tsara dia :
1/ Tsy nifanaraka i Raharinaivo sy Alain Andriamiseza. Ny lohandohan'ny ara-dalàna ireo. Novakian'ny Andriamiseza batsilana mihitsy moa io teo am Magro omaly. Matoa mampiseho amin'ny vahoaka taritina an'izany Alain A dia tena henjana ny toe-draharaha. No-rattraper-na haingana anefa io ny hariva tao ao Carlton fa we efa milamina (niantsoana mpanao gazety).
Conclusion dia : Aza sakantsakanana intsony ny mpiodana fa ry zareo aza dia efa mizara manao kiefitrefitra ry HAT.

2/ Neken'ny FMI ny fidiran'ny mpampiasa vola saodiana sy ejipsiana eto amintsika. Izany dia efa ahitana taratra fa misy fanohanana ny ezaka ataon'ny HAT avy amin'ny FMI. Azony atao tsara ny mametraka we tsy hiditra aminareo intsony izahay raha vao misy an'ireo saodian sy ejipsiana ireo.
conclusion : Ho sahirana i Tiko satria handefa PPN maro be ireo kila ireo ary mbola nampiany mihitsy moa hoe alefany mora dia mora. Tsy hitombina intsony ilay monopole tiko.
conseil : Tonga dia mitadiava asa ry zalah Groupe Tiko fa raha io trosa be io aza tena mety amidy hatramin'ny société vao voaloha.

Raha izao no jerena dia voamafy ilay vaovao hoe "misy tsara mihitsy ny karaman'ny mpiasam-panjakana" hatramin'ny faran'ny taona ary mahery aza hoy ny minisitra Razafimahaleo.
Conclusion : Diso ilay notenen'i Hery hoe telo volana (1er mois moa andoavana capsat, d 2ème mois moa an'ny mpiasam-panjakana sa aona raHery d 3eme mois efa rava.

aleo indray rôfavéo sao d monamonaina ny TIMandainga.

novalian'i fijo ny 07/05/2009 20:06
2. Mandefitra ( 07/05/2009 07:48)
de mba marina ve le faharoa io ry essera?

De mba ahoana ianao @ ilay tenin ny ambasadaora amerikanina? ilay resolution ny palementaire europeanina? ilya fivoriana tany addis abeba?

De mba ahoana ny fijerinao ny herisetra ataon ny capsat?

Raha hendry hoa dia karakarao malaky ny fifidianana, dia ndana mody any frantsa TGV fa mijaly ny ankizy, tsy ampy dada.
3. essera ( 07/05/2009 07:53)
Io fa nihinana ny trondro.


Rehefa tsy matoky mandefitra dia mijereva gazety nivoaka androany.

Aza miakapofona be na izany aza fa tsy noforoniko io fa tanteriko fotsiny ihany.
4. razily1 ( 07/05/2009 08:04)
za oaa efa nahazo seza fa aza tadiavina intsony de ajanony amizay le korotana sao misy hafa mitondra saina eo ndray :^) :^) :^) :^)
5. zoam ( 07/05/2009 08:07)
PPN na remeva ve aleo ihany mihina vary gasy makalioka mampandroso ny tantsaha malagasy,jereo foana haiti ,mpanafatravarymora be avy any usa nefa mba firenena mpamboly vary ihany ny anné70, izao ka dia miankina a 95% vary avy any usa ka izay ve no tiana hatao eto dago sa ahoana ,aleo ihany mahita ny tiko e
6. xxx ( 07/05/2009 08:08)
aoka izay oay an izay ihany anie no nahazoanareo hopa indray andro iry e
7. essera ( 07/05/2009 08:12)
Zoam, aza haiti foana no haverina fa hividy vary mora ianao sa hakan'i Tiko tombony ? Safidy io ka ianao ihany no erany.
1/ Resaka fambolena, azo atao ny mamboly zavatra hafa koa fa tsy vary ihany.
2/ Ary tokony ho fantatrao koa hoe efa firy taona i Madagasikara no nanondrana vary (lafolafo no andefasana azy) dia mividy vary (moramora kokoa) avy any ivelany. Sao dia mba tsy fantatrao aloha izay, pour info. Esory le subjectif be loatra ka raha tsy anah d tsy an'oul.
8. TWING ( 07/05/2009 08:32)
aza dia manao an izany oa fa aiza koa izany oe any Arabie aza 8 000 Ar ny vidin ny vary dia ahoana no hivarotana aza gala zto @ tanàna?
misaina @ loha oa fa tsy @ V
9. zoam ( 07/05/2009 08:38)
Raha hoe hamboly aty dago aloha arabie saoudite dia d'accord e sady dessert be ohatran'ireny ve moa ny azy ahagaga ,fa raha hivarotra fantiatoka ohatrany no alehany aty dia mametra panontaniana iahny .
10. Mandefitra ( 07/05/2009 09:20)
Tena mamaky gazety tokoa ve essera?
Gazety taratra :
- VONDRONA AFRIKANA< HANDRAY FEPETRA HENJANA
- Fitoviana anarana : fianakaviana iray natao savahao
- Ben'ny tanana taloha voatafika
- tetezamita : ela sy be fikenona loatra
- tovovavy malagasy : betsaka ireo te hanambady vazaha

Midi madagasikara :
- le riz a 8250 ar le kg en arabie saoudite
-rakotozandrindrainy raphael : les arrestations ne sont pas la seule solution

Express
- toliara : les boulangers se plaignent du prix de la farine

etc ...

santionany ireo, mampiharihary ny tsy fandehanan-draharaha eto @ firenena, ka ilaina haingan ny fifidianana raha tsy te ho KO i madagascar.

Raha mahita fifaliana @ zao ianao hoa dia mampieritreritra ny fitiavanao tanindrazana.
11. razily1 ( 07/05/2009 09:49)
ajanony amizay ny fiantsoana ady eto fa efa halamiko izao ny firenena ary aza enjehina ny mpanenjika fa manjary lasa manao polisy volera eto foana isika
12. pit ( 07/05/2009 09:57)
mankaery ny mpiray tanindrazana reetra mba tsy ho mora kivy @ fanapotena ny malagasy izao
13. razily1 ( 07/05/2009 10:07)
fankaherezana ihany no azo atao satria tsimaintsy mbola mitohy ny fakana vola ho an ireo vitsy an isa

aleo ampanginina ny vahoaka malagasy amin ny alalan ny basy sy tafondro sao tsy azo eo ny fananana :} :} :} :}
14. pit ( 07/05/2009 10:13)
satry mampalaelo ny toetsainao ry essera de faly enao fa tsy afa miodina tsony ny tiko vita malagasy, de enao zany no amelina reo fianakavina miôtra ny 5000( asa mivantana) nefa zao no tadidio malagasy toa anao reo very asa reo de aleonao mamelona vazaha 5000 hafa de mampaantra malagasy 5000 mampalaelo le toetsaina satry efa nosimbany tgv ny toetsanareo, tsy mba fière ve sika malagasy nanana ny "tiko" vita malagasy, reareantsika malagasy, orinasa afaka nampiasa malagasy maro, ny any amerikanina fière manana ny GM, ford, mc donald sns, ny frantsay manana ny renault,danon, sns sika malagasy inn no mba ananantsika zao,afarana daolo hatramin'ny dobera, ny menaka tsy aiko tsony, zao de mbola mamitaka ny malagasy iany @reto saoudien reto, aiza kou no isy protocole d'accord entre public privé zany vao2 ndray io, maereza daolo ry malagasy mpiray tanindrazana namana aminizao fanapotena haingana sy maharitra ny maha malagasy izao.
15. Mirananirina ( 07/05/2009 10:45)
Tsy nifanaraka i Raharinaivo sy Alain Andriamiseza. Ny lohandohan'ny ara-dalàna ireo. Novakian'ny Andriamiseza batsilana mihitsy moa io teo am Magro omaly

Iza amin'ireo mpanao politika ireo moa no mifanaraka tsara???????????????
Ireo nanositosika an'i Andry tgv nahazoany an'io toerana io,aiza izy ireo zao???????? :) :)
16. dylane83 ( 07/05/2009 12:23)
tgv sy ni tarini tsi messi akory nareo ka afaka hamerina zay zavatra rehetra nosimbanareo; ny vahoaka tsy mandady harona no hianjadianizani rehetra zany
17. xxx ( 07/05/2009 13:17)
ry kely loha essera, mahafaly anareo fa maty lé orinasa malagasy zay mamelona malagasy maro sy mivarotra ny vokany vita malagasy @ vahoaka malagasy, tsy mijery zay fomba hividianany ny vokatra any @ tantsaha za na ny fomba fivarotany ny entany fa @ maha orinasa malagasy azy, d aleonareo mifaly sy mividy ny any arabo sy hamelona arabo toy zay ny any tena, heverinareo fa homeny maimai-poana ny entana zay omeny, mba alefaso lavitra ny loha kelinareo é!!!
18. falyfenosoa ( 07/05/2009 13:40)
Tsy ny fahafatesan'ny TIKO no mahafaly.
-Navela hisokatra ny TIKO fa kosa mamerina ireo volam-panjakana tsy naloany.
-Averina amin'ny tompony ireo tany nalaina tsy ara-dalàna.
Fa metraka fanontaniana aho? Inona no mba nolazainareo ireo tamin'ny mpiasan'ny TELMA 800 very asa, ary noroahina tsy ara-dalàna?
Firy ny tantsaha mpamboly nalaina taminy an-terisetra ny taniny, moa mba nisy nahatsiaro azy ve ianareo?
Raha ny tenako tompoko anisan'ireo mitarika ny sendikan'ny mpanao asa-tanana sy mpamboly dia efa nanao taratasy mazava nitakiana ny hamerenana ny tany fambolena nalaina an-keriny.
Eto dia tiako ny manamafy ny hevitro ho an'ny mpitondra fanjakana manao ny tsy rariny na iza na iza ary tsy anavahana, mijaly lavitra noho ny mahazo ireo vahoaka ampijalianao ireo ianao rehefa tsy eo amin'ny fitondrana intsony.
19. essera ( 07/05/2009 14:57)

Fanontaniana tsotra ho an'i Pit, mety ve raha avela hanohy ny asany hatrany ny mpangalatra, mpanosihosy ny fiaraha-monina, ny volanao napoakan'ny olona.
Raha kristianina be aza ianao mba mety halahelo ihany raha ny fiainanao no napoakan'ny olona dia avy eo ilay olona manao grandes vacances.
Tsy ny mpiasa tao mihitsy no tsy tiako. firy ny mpiasan'ny Tiko namana sy mifandray am tena ary ny fianakaviana. Fa ny mety raha ny eritreritrao dia aleo hanohy ny asa ratsiny ra8 dia ny retra2 miasa ao aminy.

Efa nisy mesure noraisin'ny fanjakana koa raha nanaraka ianao hoe avela hisokatra ny tiko fa tsy maintsy manefa ny trosa ananan'ny fanjakana izy.
Ny fanjakana no hanara-maso ny mpitantana ao sao d mbola hanapoaka fanindroany indray.

Raha tsy diso aho dia tsy neken'ny dada ilay resaka sa tsy izay ve ?
20. reeves ( 07/05/2009 15:02)
Ka isolé zany resahin`i falyfenosoa izany ary na izany na tsy izany misy ny tribonaly misahana ny ady tany raha izay no niseho fa nahoana no tsy nisy namoaka porofo mikasika an`izany h@ zao ? Azo antoka fa Cartel mpanadio vola maloto ihany ( BLANCHIMENT D`ARGENT) no afaka mahavita miracle amin`ny vidin`ny PPN resahin`ireto Saoudiana ireto satria eto ambonin`ny tany , tsy misy MPANDRAHARAHA eny fa na dia ireo dondrona sy kentrina indrindra aza ka handeha hanao VENTE A PERTE . Loza mihantona ho an`ny toe-karena Malagasy ny decision rehetra izay raisin`ity HAT ka mampanontany tena hoe mba manana NOTION ELEMENTAIRE @ ECONOMiIE ve ny Minisitry NY toekarena HAT sA TSIA farafaharatsiny ? Sa ny hanao bizna no mahamaika ka atarazoka h@ 2010 ny fifidianana ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081