Tsy misy resa-pivavahana hoy andrywui?

1. hery ( 05/05/2009 11:15)
Gaga ihany ny tenanay maheno ny resaky ny TGV eto rehefa lazaina hoe tsy mamely io resaka Arabo tafiditra amin'ny fotoana tsy tokony idirana io.

Ny mampieritreritra, saingy tsy takatry ny TGV, dia hoe maninona no amin'ny fotoana tsy hidiran'ny firenena hafa rehetra no miditra ny arabo. Izany ve dia sarotra be ny mahazo azy? Toy ny hoe manameloka an'i Iran daholo ny tandrefana momba ny resaka nokleary, dia miala any ny Arabo manohana.

Tsy mampaninona mihitsy raha toa ka miara-miditra @ firenena hafa izy fa ity izy toa hiditra manokana no hafahafa... dia lazaivo fa hoe tsisy resaka fivavahana.

Ka na i Bin Laden tenany aza izany, na ireo mafia manam-bola be, no vonona hampiasa (hanadio) ny volany ao Madagasikara dia ho raisin'ny TGV satria hoe resaka sosialy?

Mba jereo ihany lehiretsy... fa toa hihafohy indray ilay telo volana raha izao.

novalian'i xxx ny 06/05/2009 13:36
2. xxx ( 05/05/2009 11:25)
Azon'elah ve zany resak'i Hery zany ry andrywui,sao mantsy mbola misy fanontaniana .TAPITRA
3. penguin ( 05/05/2009 11:34)
Ny azy andrywui tgvendrana dia ny fanaratsiana Silamo no heveriny tiana hambara. Amiko penguin kosa dia ny maha-tgvendrana ny tgv gasy atosika capsat no havoitrako mafy. Sahalan'ny Kristiana ihany afaka ahitana mahery fihetsika saingy ilay hoe tsisy hifandraisany dia tena diso satria izay hataon'ny Silamo dia mifandray amin'ny Fivavahana avokoa. Raha mandeha amin'ny tany Silamo dia na tsena, na fianarana na oniversitia na "high way" na tranom-panjakana na inona dia tsy maintsy misy trano fivavahana kely satria in-dimy isan'andro ireo no mivavaka ka tsy afaka hiazakazaka indimy any alavitra be. Mazava ho azy fa raha mampiasa vola amin'ny toerana iray izy dia manaraka izay no hataony. Tsy milaza aho hoe ratsy izany fa ilay hoe tsisy hifandraisany no ampiako tosika hoe TENA MIFANDRAY AMIN'NY FIVAVAHANA IO.
4. benkintana ( 05/05/2009 11:38)
Marina io voalazanao io Ramose Hery,
ary mampitandrina anareo ao @ fitondrana HAT izahay fa raha mihidi-kizo ao ianareo dia tsy anareo izany fa tsy safidim-bahoakanareo ,ka noho izany di a ampiharina @ nareo ny laàlana tandrin'izany
5. ravalotgv ( 05/05/2009 11:46)
tena diso io resak i hery io satria raha ny fahitako azy dia mora kokoa ny fiasana miaraka @ arabo satria ny frantsay izao manakorotana ary raha tafiditra anaty korotana ny arabo dia milaza izany fa mahay izy noho ny hafa satria ao anaty mangidy nomisy ny mamy. Ny gasy no vendrana raha tsy mahay mi negocier contrat fa tsy ny arabo mihintsy no afaka hanao ze tiany eto madagasikara. Raha resaka racisme aloha dia mitovy ihany satria ny gasy dia raisin izy reo afrikana, ary na europena na arabo na sinoa dia mihevitra ny afrikana ho vendrana daholo ary mety ho vendrana mahintsy satria manaiky ny investissement ataondry zareo. Satria izy tsy hiditra raha tsy hahazo tombotsoa

sniff
tcrouff
:@ :@ :@ :@ :@
hitombo ny mosquée fa voa indray ny eglizy amizao eto @ tanana

mety hianihana ery ambony ery @ le hoe maaaaaaaaanitra ny varinampango

de mandrehitra kely de omena kely ra hery sy Andrywui
=D> =D> =D> =D> =D> =D>
6. benkintana ( 05/05/2009 11:54)
benkintana tsy hahalala an'zany fa refa tsy mande @ laony de baomba ,un point c tout
7. xxx ( 05/05/2009 11:58)
aza be resaka eo lesy elah ry ravalotgv=andrywui ty a, koa raha tsy paiso toa anelah ny olona koa hanaiky resaka tgvendrana zany klé
8. falyfenosoa ( 05/05/2009 12:26)
Gaga ihany mahita ny fomba firesaka eto.
Raha nandinika ny politika teto hatramin'izay ny tena dia variana, nanomboka t@ taona firy moa no namatsy vola teto ny frantsay, ny FMI, banky iraisam-pirenena? dia ohatrinona no azon'ny malagasy? dia tafita ve ny malagasy?
Ny amerikana amiko dia ratsy saina, izay tsy manaiky ny zavatra ataony dia tafihana, jereo i IRAK, nolazaina fa manana fitaovam-piadiana mahery vaika (arme destructive) dia notafihina ary novonoina i Sadam Hussein, izao hitanareo tsara fa nandainga ny Amerikana sy ireo tany tandrefana miaraka aminy.
Firy moa ireo firenena ao @ SADC izay ampian'ny tany tandrefana no mba manana ny maha izy azy, malaza @ fandrosoana tokoa fa malaza @ aretina maro isan-karazany indrindra ny SIDA.
Ho ahy na frantsay na amerikana tsy misy ilako azy fa mpanapotika firenena daholo, rehefa tsy manaiky ny baikon'ny tandrefana (amerikana) ny tany arabo dia nolazaina fa mpampihorohoro.
Malagasy aho ary aleo hanana ny maha izy azy ny malagasy, na mahantra aza aho aleoko mahantra eto @ tanindrazako toy izay hahantra an-tanin'olona.
9. andrywui ( 05/05/2009 12:29)
zao ary !! hery !! moa tsy efa tamin andron'ny Ratsiraka no efa nifandray tam M/car zan arabo zany !! tadidinareo ve le teny Iavoloha oe nanafenandratsiraka ny fitaovampiadinao noklearin'i Saddam hussein ?? ka tsy any ny resako fa izao : rah te hampiditra resa pivavahana arabo zany ny arabo defa ela no nampidirany anzany fa tsy zao firtondrana ( zay lazainareo fa tetezamita HAT zao ) mihitsy :!!!! ka ity fitondrana ity ary tsy mbola tena izy ka innnn no hidiran'ny arabo fesona eto aloha fa rehefa hitany oe ity marina no ho mpitondra aharitra eo !! mety ho Tgv na tsia io de any ahay izy vao mety hiditra aminio resaka tsy mitombina lazainareo io !!! le izy ko anie de izao e !! le fitondrana mihitsy no tsy revinareo de ze zavatra mety hatao hamparatsy azy na de efa hevitra midona amin'ny rindrina zao aza de alefa ihany
10. falyfenosoa ( 05/05/2009 12:29)
hery: Lazaina fa misy ny fanadiovana vola maloto ataon'ny tany arabo, aiza no tena be MAFIA fa tsy any Italie, ary dia ataon'ny gasy sasany fitaovana ny fanaovana seminarista andehanana hivoaka an'i Madagasikara.
11. Mirananirina ( 05/05/2009 12:31)
Mba jereo ihany lehiretsy... fa toa hihafohy indray ilay telo volana raha izao.

efa 2 volana sisa e
12. andrywui ( 05/05/2009 12:36)
faharoa : maniinona koa moa raha miara miasa ny arabo sy ny malagasy ee !!!!?? niara niasa foana izy hatramzay xts nisy ninoninnnn ka zao nareo anzao atsanga rehetra zao !!! de hoe hiova musulman daol zao ny gasy ééé !! lasa cny corannn ndray zao no ampiasaina éé !! safidy io ! ary tsy misy gasy izay Kristianisma daholo ny 80% ny hanaiky terena amzany !! ary rah ny tenin penguin iny de fanaratsiana xfotsiny ny Tgv fa rah resaka fiaraha miasa am arabo zan de tsy hitako mitsy ze olana fa le sainareo mits ry penguin no efa voapetaka vy mahamay angamb ! ze ahatafarina ty firenena nentin'olona nitsoaka ny volampanjakanany ty no heverina zao fa tsy resaka fivavahana zany fa fandrebirebena saina saina zany ! ary ny colona tsy mivakla amzany aloh fa resa-paiso be !!! azafadyooooooo TAPITRA
13. xxx ( 05/05/2009 12:46)
Fa ianareo ve vendrana ry andrywui a, tsisy miaramiasa fotsiny zany ary efa tanjona zany hoe islamisé ny "jentilisa" hoy ianao zay
Ary tsy fantatra angaha fa izao mihitsy no hoirika hitsofohana satria mifanjevo be ny fitondrana capsat
azafady raha ilaza ano paiso aho azafady oooooooo,TAPITRA
14. andrywui ( 05/05/2009 13:14)
xxx12 === ny firenena hafa tsy misy manao barofo araka ny eritreritrareo TIM zan fa na te hiditra eto amin fika ratsy ho ataony aza izy sanatri de fifanarahana qmadio no hidirany eto !! iray zay !! faharoa :: tsy misy arabo hidongy ny tanin'ny gasy zan fa nareo ve efa mitapy sa ahoana e !! angah izy ty kanety k hoe dongiana tsy omena ha ha ha !! mba alefaso lavidavitra kely ee!! fahatelo : lay 2 volana nomen'i HERY sy nanaovany fifanarahana sy "Teny ho hitampoko , hitampirenena teto " tompoko defa 2vola sy 2andro sisa !!!! tsy maints mirodana aminio ozy ra- HERY io fanjakana io !! ary efa vitako kajy fa telo volana ihany !!
--- ELA NY ELA ZANY FA OZY RA-OAY ZAY OE HISY MPAMINANY HITSANGANA AO AMIN FORUM AO RAHA TANTERAKA ZANY !!!
--FA RAHA TSY TANTERAKA KOSA RY HERY !!!!

DE HAINAO NY VALINY FA ALEFANAY MAKA RIVOTRA MITSY IANAO FA PETSA ETO FOTSINY !!!! azafadyoooooo TAPITRA
15. xxx ( 05/05/2009 13:27)
Tena sasatra lesy zah manazava resaka @ ty andrywui ty raha tsy akama elah io efa nodakako tery sana bavy é, tsy miditra @ lohany lery mintsy le fanontaniana na fanazavana fa dia ahoana marina ???elah ty ve tena dondo sa mila scnner-na kely koa ny loha sao nasian'i salopard tany klé
16. hery ( 05/05/2009 13:34)
Fatahorana an'ilay hoe 2 volana sisa ve dia tsy maninona na hampidirina aza ny arabo?

Alefaso lavitra ny saina ry TGV fa aza matin-kanin-kely a. Tambazan'ny olona an'izao sy izao dia roboka tokoa.

Ny atahorako koa anefa dia mety fantatry ry zalahy mpitondra ireo izany fikaben'ny arabo izany fa tsy raharahany. Azony ny saosy dia iny izy no mpiaps' dia ny Gasy no ampandriana adrisa (ary tena mitsako tokoa raha tahaka andry andrywui).

Ahirato ny maso ho'a. Tsy maninona na tsy haverina mandrakizay aza Ravalo raha izay no tena mampalahelo anareo fa aza alatsaka an-kady ny firenena.

Ny mahagaga anie dia ianareo ihany no milaza hoe mbola tetezamita io fa tsy mbola tena fitondrana e. Ny asan'io fitondrana io izany dia mikarakara fifidianana sy manomana ny Gasy @ ilay tena fitondrana. Koa maninona no mampidi-kizo izay fitondrana ho avy eo?
17. andrywui ( 05/05/2009 13:36)
penguin aa! papa a !! sarotra be mitsy ny manazava resaka amin ndrangah !! resaka tokony ho hazavaina amin'ny olona normal 4mn !! tapa-kandro maninjitra mandahatra azy minalah foana !!! efa hoe tsy misy hifandraisn'ny resaka arapîvavahana sy ny resaka ara tsosialy ry nandra a !!! de mbola haverina amlah ndray zao zay ref any ambonimbony any fa tsy azonlah mitsy !! pppffffffff !tena reraka amlah aho letsy ry penguin !! fa raha zazakely elah efa voafetako marina !!!!! TAPITRA
18. hery ( 05/05/2009 13:38)
andrywui:
fa raha zazakely elah efa voafetako marina


Tena mamindra ny fombana CAPSAT fa tandremo
19. SerzaKomanda ( 05/05/2009 13:45)
aiza ny basiko teo aiza ny basiko teo
20. xxx ( 05/05/2009 13:49)
kobo ndray elah andrywui=serzaKomanda, tsisy saina mintsy ty elah ty sanabavy é,mba fetsifetsy oz le akama zay fa tsy dondrom-belona ,mamindra koa le havendranana tgvendrana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1731