Afaka manova ny efa voasoratra ve ny VAVAKA ?

1. mmmhh ( 29/04/2009 07:32)
Mandinika ny korontana misy eto @ firenentsika ity zah de somary lasa ny saiko,
Matoa izao reetra izao mitranga dia efa voasoratra izany, ary efa voalazan'ny baiboly rahateo fa any am-parany hisy korontana , ady, sns e....
koa na hivavaka be tahaka ny ahoana ary ve zah / enao / isika dia mety hanova zavatra ve izany?
Raha eny, afaka miova zany ny efa voasoratra? tsy misy dikany izany ny maha-voasoratra ny tranga iray.
raha tsia kosa, tsy tokony hivavaka ho an'ny firenena / na olona iray zany isika?
Tsy mananihany zah fa tena mahalasa ny saiko kely fotsiny le izy,
novalian'i popotame ny 08/06/2009 12:32
2. roxanaha ( 29/04/2009 09:02)
Na izaho kou aza de mba mametraka io fanontaniana io. Misy hira zay anefa t@ za mbola tany Dago henoko matetika @ radio évangélique ray zay hoe" ny vavaka manova zavatra". Donc rehefa tena atao ny analyse de mety hoe misy fotôna tena catastrophique ny fiainana fa hoho io vavaka io dia milamina ihany avy eo. Ity misy verset biblique manazava fa ny vavaka dia solution mampilefa ny loza: lioka 21:5-36 [.....] and 36:"fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo ka handositra zany zavatra ho avy rehetra zany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona".
3. niryna ( 29/04/2009 10:59)
mmmhh:

Mandinika ny korontana misy eto @ firenentsika ity zah de somary lasa ny saiko,
Matoa izao reetra izao mitranga dia efa voasoratra izany, ary efa voalazan'ny baiboly rahateo fa any am-parany hisy korontana , ady, sns e....
misy antony avokoa ny zavatra rehetra ary matoa mipoitra ny tranga na inona izany na inona dia misy zavatra ao ambadik'izay.Ny fiainantsika tsirairay dia azo ijoroana vavolombelona amin'izany .e satry aza hoe izao anie ny antony nanaovaKo an'io e saingy ny fisainantsika dia tsy mitovy izay fisainan'Atra ka raha manaiky izany isika dia ho hitantsika ny voninahitra mibaribary asehony antsika ary vao maika aza mampantanjaka ilay finoana kely izay tao anaty ary dia izara izany fahasoavandehibe sy ny voninahiNy izany amin'ny hafa isika.

koa na hivavaka be tahaka ny ahoana ary ve zah / enao / isika dia mety hanova zavatra ve izany?
aleo ataoko hoe na dia kely toy ny voatsiperifery aza ny finoantsika hoy ny soratra masina dia ho tonga hazo lehibe fialokalofana izany ary raha iteny ny tendrombohitra aza isika dia hifindra tokoa izany .Raha ny hevitro hoe tendrombohitra mitranga amin'ny fiainantsika? dia ilay fampaherezana nomen'ny tompo manao hoe " mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no aname anareo fitsaharana"
Une fois isika mivavaka amin'Atra zavatra iray dia apetraka eo am-pelantaNy Irery izany zavatra izany ary Izy no anova azy amin'ny fotoana izay anaovany azy.Ny dikany esorina ny doubt,ny tsy finoana ,ny tsy fitokisana Azy satria ireo dia mampiova zavatra betsaka ka mahatonga ilay fiahiana sy fanahiana ary tsy finoana sy tsy fahatokisana ny asa lehibe efa nataony hatrizay.Dia iverenako ny Israely niampita ny ranomasina mena afaka manambara izany finoana lehibe izany .

Raha eny, afaka miova zany ny efa voasoratra? tsy misy dikany izany ny maha-voasoratra ny tranga iray.
tsy fantatro aloha izay tena tianao ho lazaina amin'izany e satria amintsika toa heverina ho ratsy kanefa ny zavatra rehetra nataon'Atra dia tsara avokoa hoy izy,ary moa sy soa ihany ve no raisina avy Amiko ?
Dia mety miteny angamba hianao hoe koa maninona no maty daholo ireo olona tsy manantsiny ohatra ,dia ny valiny dia hoe tsy Atra no nampamono an'ireny ,na koa tsy fantatro fa satana dia tsy kely lalana ka tsy matahotra izay Atra atahoran'ny mpino azy,aminy heveriny fa tsara izany satria ao anatin'ny maizina izy kanefa kosa dia Atra tsy amela fotsiny ny ran'olona tsy manantsiny amin'izao satria izay mino Azy dia anome tso-drano ny taranaka aman-dimbiny Atra ary izay manalavitra ny tavaNy sy manao tsinotsinona ireny oloNy ireny kosa dia hianjeran'ny fahatezeran'Atra izy raha toa ka tsy mibebaka ary dia ny taranany mifandimby no hianjeran'izany fahatezeran'Atra izany satria Atra saro-piaro Izy
Raha resaka mitranga eran-tany dia marina tokoa ny voalazanao fa efa voasoratra ary misy ny efa nandalo ,misy ny vao andalo ary misy ny mandalo.Tadidio foana fa ity tany an-dalovantsika ity feno ny herin'i satana ary efa kely sisa ny fotoana an-jakany na hoe andrao atao hoe tsy fantatra izany ,ity no misy azy,feno ny fanahy maloto eraky ny manodidina antsika,miambena ,miambena izay no hafatro tary ambadika tary satria Atra tsy andrin'ny hafa andrin'ny zanaNy foana " tsy amela anao ho irery aho hoy Izy,mihaino ny fitarainana izy,mijery antsika izy ary miandry antsika hibebaka sy hiverina Aminy, ka izay firenena tsy manana an'Atra sy tsy mifikitra amin'Atra velona dia hianjady fahoriana avokoa,eny ny kristiana no voalohany amin'izany satria tsy tiany ho voavonjy ny fanahin'ireo izay mino ka dia ataony avokoa izay hery rehetra ahafahana mandroba izany amin'ny fomba maro samihafa ka ny olona no fitaovana am-piasainy amin'izany.
Noho izany tsy mankahala ilay olona isika fa mivavaka azy mba ho fanahin'Atra amin'zay no ho tonga sy hitsidika ary ipetraka ao aminy.
Dia ahoana izany ny firenentsika? dia maro be ny firenena mijaly amin'izao fotoana izao fa ny zavatra mitranga ao aminy no tsy mitovy saingy samy mitondra fahoriana.. Jereo izany hoe zaza 12 taona dia efa asiana mivarontena ary ankizy marobe no mirenireny tsy manankelofana ,tsy mivavaka amin'Atra velona fa mivavaka amin'ny zavatra noharian'ilay Atra velona sns e ,saingy Atra irery ihany no afaka anova ny toetran'ny olona amin'ny fotoana izay izy ihany no anao izany( jereo ilay video hoe Islam4Jesus nalefako ao) tena mampalahelo sy maha ontsa fo ilay izy ,ohatra iray io fa maro sy tsy ho voatanisa eto ny fahoriana mahazo antsika satria mitsoaka an'Atra ny fontsika ary manao an'Atra hafa ho Atra .Na vola io na harena io na voninahitra io na inona na inona endrika ka atao ambony noho Atra dia izay no mitranga ka ny solution dia ny faniriana ny firenena mba iverina amin'Atra ary hifona Aminy amin'ny ratsy sy ny fahotana rehetra natao sy mibahana amotehana ny hafa satria tsy misy na iray aza ho afabela amin'ity tany ity fa ho adiny avokoa isika

raha tsia kosa, tsy tokony hivavaka ho an'ny firenena / na olona iray zany isika?
Tsy misy teny milaza ao anatin'ny baiboly ka manambara fa tsy mamaly vavaka Atra .Na inona na inona vavaka ataontsika ka arahina amin'ny finoana an'ilay Atra ivavahantsika dia mamaly vavaka foana izy.Ny fotoanaNy no miandry Azy ka hoe eny,miandrasa kely na hoe mety ho tsara amiko izany fa fantany fa tsy mahasoa ahy ,eny aminy fa tsia kosa amiko satria tsy ny sitrapoNy no arahiko fa ny ahy dia milaza aho fa tsy mamaly vavaka izy.Izay mahasoa antsika ka mifanaraka ny sitrapony no omeny fa tsy izay rehetra heverintsika fa tsara amintsika ,izay aloha no experiences itako e .
Hoy kristy manambara hoe hatramin'izao dia mbola tsy nangataka zavatra tamin'ny Anarako hianareo,. ny dikany dia mangetaheta antsika Izy mba anatona Azy isika satria ny fahotana ,ny aretina,ny fahoriana ny zavatra mitranga ny olona rehetra dia efa nianjady tamin'izany izy ka namoizany ny ainy ary dia miantso antsika Izy mba angataka zavatra amin'ny Anarany ary dia ataony ho tafapaka amin'ny Rainy izany hafatra izany fa hoy Izy hoe izaho ao amin'ny Ray ary Izy ao amiKo.
Andramo aza manomboka anio ny mangataka zavatra amin'ny anaraNy raha mbola tsy nanandrana hianao/isika.Mivavaha,mifona,mamela-heloka,mangataha famelankeloka ary manetretena ka miake ny fahotana ary dia resaho amiNy avokoa izany fa ho maivana ny alahelonao ,ny fahorianao,ny enta-mavesatra izay babenao isan'andro tafiditra amin'izany ny fo lentika,fo maloto,fo tsy mahay mamela heloka,fo mitazona lolom-po,fo mandainga ,fo feno fitaka,fo feno fankahalana ,fo feno fahakiviana ,fo feno fanahiana ,fo feno tsy fitoakiana Aminy sns...

Tsy mananihany zah fa tena mahalasa ny saiko kely fotsiny le izy,
misaotra anao mizara
,jereo anie ny tantaran'i Joba e,rehefa nitondra fahoriana maro izy ,maty ny zanany rehetra ,very ny fanany,ny namany nandatsa azy ny vadiny nanakivy azy sns ary farany dia niteny taminy Atra hoe taiza hianao fony aho nanao izao tontolo izao? kanefa na inona nahazo azy dia tsy nandositra an'Atra izy ary ny azy dia hafakely satria tany amin'ny farany dia nahazo zanaka sy harena indray izy .
Ilay miaraka amin'Atra dia feno fiadanantsaina sy feno fahatokisana ary finoana ny zavatra izay tsy takatry ny sain'olombelona kanefa dia ovain'Atra amin'ny fotoana izay mahamety Azy

Izay zavatra mandalo amin'ny fiainantsika dia misy antony avokoa indraindray tokoa anefa dia mampalahelo ary tena mampalahelo tokoa fa dia miandry antsika hibebaka sy hiverina amiNy tanteraka tokoa isika ka tsy hanana fanahiana fa Izy no Atra nahary ity tany ity,Izy no Atra afaka manova ny rano ho divay,Izy no Atra velona izay mbola manao fahagagana isan'andro isan'andro hatramin'izao ora anorako izao.Mety ho tsy tazan'ny masontsika kanefa dia mbola misaotra Azy isan'andro isika fa mbola nomeny aina vaovao indray ka afaka mizara ny voninahiNy eto androany.

Dia maninona ary no mikorontana ny tany? satria manalavitra Azy ny fontsika ary manao an'Atra tsy misy isika ka mitsambiky mikimpy.Ka ny firenenanan'ny tsirairay no mbola hiandrasany hatramin'izao fa dia mitaona antsika ary aho.
Lavabe fa azafady e
(l) niryna


4. sapele ( 29/04/2009 11:18)
Izay efa voasoratra de voasoratra!lalana efa nomanin'Atra hizoran-tsika zao crise zao,fa ny vavaka koa anefa manova zavatra!izany akory tsy midika hoe ny vavaka hatao no tsy maintsy hanova ny mpitondra fa ny vavaka atao no manova ny fiainanao manokana ary na misy aza ny crise, isika tokony hisaotra foana @fiainana omeny an-tsika ,Ny vavaka atao koa anefa no mety hanova ny mpitondra raha izay no sitrany sy voasoratra.amiko ny mpitondra de ilaina fa ny fianako anefa tsy miankina aminy.(ohatra; T@ fotoana nitondran'ny mpitondra teo aloha mbola tsisy ny crise de nakatony ny orinasa niasako,sahirana tanteraka aho ary nitolona am-bavaka ny mba hahitako asa,vao naomboka ny crise de naita ity asa aty ivelany ity aho.)zany hoe ny fiananao manokana miankina amin"Atra fa tsy amin'ny mpitondra akory,ka mahereza mivavaka e!.
5. mmmhh ( 29/04/2009 13:16)
Ka izao anie e,
Misy milaza ao @ baiboly, azafady fa zah tsy mahay andalana, hoe : tsy misy afaka manova izay efa voasoratra, .... izay efa voasoratra dia voasoratra,
rah azoko tsara dia na aninona aho na aninona, dia tsy maintsy mitranga izay efa voasoratra.

fa ny lalana hahatanterahany angamba no azoko hovaina rah azoko tsara ? sa???...


6. coopsal ( 29/04/2009 13:54)
mmmhh:

Mandinika ny korontana misy eto @ firenentsika ity zah de somary lasa ny saiko,
Matoa izao reetra izao mitranga dia efa voasoratra izany, ary efa voalazan'ny baiboly rahateo fa any am-parany hisy korontana , ady, sns e....

==> Ny dinika napetrak'i pakopako atsy ambadika atsy ahafahana mahazo fanazavana ny amin'ity napetrakao ity.
Tsy Ishmael no handova ny tany nampanantenain' Andriamanitra ho an'ny taranany, kanefa navelan' Andriamanitra ho teraka i Ishmael. Kanefa na dia teraka sy notsofin-drano ho tonga firenena ihany aza Ishmael, dia nasain' Andriamanitra nesorina tsy hifangaroharo amin'Isaac, ary tsy hipetraka eo amin'i Abrahama akory, satria Isaac no hahatanterahan'ny fampanantenan' Andriamanitra.
Ny azoko tsoahina amin'izany dia hoe, Andriamanitra nanoritra zavatra iray (ohatra hoe ny fandovan'ny taranak'i Abrahama avy amin'ny vadiny Saraï ny tany Kanaana). Izay zavatra rehetra mitranga ka tsy manimba iny fikasan' Andriamanitra iny dia avelan' Andriamanitra hitranga (Satria ny fahaterahan' Ishmael tsy manakana an'Isaac tsy ho teraka, fa ny fipetrahan'Ishmael eo amin'i Abrahama kosa manimba ny programan' Andriamanitra, koa nasainy noroahina Ishmael sy ny reniny).
Ka misy karazany roa ny voasoratra, ny iray antsoiko hoe voasoritra : ny fikasan' Andriamanitra, dia ny sitrapoNy, iny tsy afaka hiova,
misy kosa ny hoe voasoratra : efa fantatr' Andriamanitra mialoha izay hataonao amin'ny safidinao amin'ny ora sy fotoana efa fantany rahateo. Izany hoe, tsy misy miafina amin' Andriamanitra.

mmmhh:

koa na hivavaka be tahaka ny ahoana ary ve zah / enao / isika dia mety hanova zavatra ve izany?

==> Eny, mety hanova zavatra izany. fa ny zavatra miova eto dia tsy ny sitrapon' Andriamanitra, fa ny fahafantaranao izay sitrapon' Andriamanitra izay. Raha fantatrao ohatra fa araka ny sitrapon' Andriamanitra dia hisy aman'hetsiny no ho ringana eto Madagasikara, sy hoe ny olona toy ny ahoana ireo ho ringana ireo, dia ho fantatrao izay tokony hataonao sy izay tsy tokony hataonao. Ary ny olon'ny vavaka marina dia mahafantatra an'izany.

mmmhh:

Raha eny, afaka miova zany ny efa voasoratra? tsy misy dikany izany ny maha-voasoratra ny tranga iray.

==> Izay voasoratra dia voasoratra, tsy miova izany.

mmmhh:

raha tsia kosa, tsy tokony hivavaka ho an'ny firenena / na olona iray zany isika?

==> Tena ilaina ny mivavaka ho an'ny firenena sy ny ny olona. Ao @ Baiboly dia ahitana ohatra maro ny amin'izany.
Tenin' Andriamanitra tamin'ny vahoakan'Israely ohatra hoe : "Hanafika ny Mpanjakan'i Babylona, koa izay te hanavotra ny ainy dia aoka tsy hanohitra ny mpanjakan'i Babylona fa hilavo lefona. Fa izay rehetra mitoetra eto Jerosalema sy Joda dia ho ringana". Izay nivavaka dia nahafantatra fa rehefa nanafika ny Mpanjakan'i Babylona, raha te hamonjy ny aina dia milavo lefona.
Teto amintsika dia efa nisy Mpanjakan'i Babylona nanafika ary nandroba, fa Andriamanitra no miteny amin'izay mivavaka amiNy hoe : "aoka ianareo hilefitra dia ho voavonjy ny ainareo".
Efa fantatr' Andriamanitra mialoha anefa hoe iza no tsy hilefitra, izany hoe tsy hino ny tenin' Andriamanitra na tsy hivavaka ka hahafantatra, dia fantatr' Andriamanitra fa ho maro no ho ringana noho izany.


mmmhh:

Tsy mananihany zah fa tena mahalasa ny saiko kely fotsiny le izy,

==> Ny valin-teniko koa tena faran'izay matotra, fa izany no fampianaran'i KRISTY
7. ikaretsaka ( 29/04/2009 16:12)
manampy ngamba fa tsy manova...
tsy gaoma manko io fa vavaka ho'zy ilay theologien 1 izay
8. rakaroka ( 29/04/2009 21:19)
Tena mitombina ny sainao lasana ambiroa @ zava-misy any Dago, ary diso koa ny any raha mihevitra ny toa ahy ho tafandri-mandry satria tsy any. oh TSIA dia TSIA! Matoa aho mitafa eto hatry ny ela aza , raha ny marina dia tsy misy afa tsy fikatsahana ny soa ho an´ireo malagasy toa ahy eran-tany fa INDRINDRA INDRINDRA ´reo any an- tanindrazana!
Hatry ny ela aho no nifandrirotra t@ Prime izay aza tsy tafandry mandry @
fikororosin´ny firenena : MALAHELO TOKOA TOKOA,
Tafaresaka t@ olona maaaro koa izay mametra-panontaniana fa raha mihazakazaka ny fandrosoana @ lafim-piainana maaaro aty, dia efa ho azo refesiny 1 km ny ezaka vitan´ny hafa, isika zara raha nahafaka 1sm angaha dia mijotso indray aza, noho ny fahapotehina isan- karazany!
Mahonena ny saiko ny mahita ´reo gasy maaaro miezaka tahaka ny inn anefa tsy tafa...
Efa nisy fotoan´andro izay nifandrombonako t@ vondron´olona tetsy sy teroa niheverana an´i Madagasikara!
Nisy fijery hafa aza no mihevitra fa efa "civilisation fin du siecle" no mihatra any...
Ny tsapako mivaingana dia TOLONA ny vavaka fa tsy toloko ftsn.
TOLONA tokony hiaro "fahendrena-fahalalana ary atrik´asa" ary ao anatin´ny HAZAVANY mazava ho azy.
Raha toa ka hay ny mivavaka araka ny tokony ho izy dia misy tokoa ny valim-bavaka ihoirana ny sarotra, dia tahaka ny efa fahita t@ tolona tetsy sy teroa tao @ tantara , fa indrisy ....
9. ikaretsaka ( 29/04/2009 23:43)
misaotra an-drakaroka
tolona tokoa ny vavaka fa tsy sento sy toloko
10. rakapy ( 30/04/2009 00:12)
Lasa nanao detour be ilay resaka :-D
Raha ny fahazaoko ny tian'i mmmmhh lazaina dia hoe.
Voalaza ao anaty baiboly fa hoe efa voasoratra avokoa izay NISEHO, MISEHO ary ny MBOLA HISEHO.Izany hoe tsy misy zavatra hafa hiseho izany fa efa vita PLAN ny tanataran'ndra-olombelona sy ny tany iainany???

Izay hametrahany fanotaniana hoe: Ity zava-mitranga eto M/car ity izany dia efa voasoratr'A/tra??? Ka na hanao inona na hanao inona isika dia tsy hiisy zavatra hiova eo fa izao efa voasoratra ka tsy maintsy ho tanteraka ???

Raha raisina sy dinihina izany ,dia midika fa na hivavaka sy hangataka toy ny inona izany ny olombelona dia ho zava-poana ihany izany???.


Nefa araka ny voalazanareo namana sasany etsy ambony indray dia milaza fa mety hanova zavatra ny vavaka.???
Dia midika izany fa niova nanaraka ny vavakao ny plan'A/tra???

Dia ny fantaniana hoe: Ny sitrapon'iza izany no ho tanterahina??? Ny an'olombelona sa ny an'A/tra???


11. ikaretsaka ( 30/04/2009 15:30)
misy hira katolika izay manao hoe "tsy mamela antsika hisedra izay tsy zakantsika ny tompo"
12. rakaroka ( 30/04/2009 19:22)
Ny tena fanontaniana angamba dia hoe : "Iza marina no manao ny tantara?"
Tena hoe "marionnette ve no namoronan'Andriamanitra antsika ?" na
"Simple acteurn'ny fiainana" ka dia tsy misy afa tsy ny mi-subir izay nisy sanatria! Koa raha izany inona no mahasamihafa antsika @ zava-boahary hafa?...
13. fijo ( 30/04/2009 21:14)
raha io loahevitra i ono raisina,dia tsy misy hilana azy izany ny vavaka
14. mmmhh ( 01/05/2009 06:41)
rakapy:
Lasa nanao detour be ilay resaka
Raha ny fahazaoko ny tian'i mmmmhh lazaina dia hoe.
Voalaza ao anaty baiboly fa hoe efa voasoratra avokoa izay NISEHO, MISEHO ary ny MBOLA HISEHO.Izany hoe tsy misy zavatra hafa hiseho izany fa efa vita PLAN ny tanataran'ndra-olombelona sy ny tany iainany???

Izay hametrahany fanotaniana hoe: Ity zava-mitranga eto M/car ity izany dia efa voasoratr'A/tra??? Ka na hanao inona na hanao inona isika dia tsy hiisy zavatra hiova eo fa izao efa voasoratra ka tsy maintsy ho tanteraka ???

Raha raisina sy dinihina izany ,dia midika fa na hivavaka sy hangataka toy ny inona izany ny olombelona dia ho zava-poana ihany izany???.


Nefa araka ny voalazanareo namana sasany etsy ambony indray dia milaza fa mety hanova zavatra ny vavaka.???
Dia midika izany fa niova nanaraka ny vavakao ny plan'A/tra???

Dia ny fantaniana hoe: Ny sitrapon'iza izany no ho tanterahina??? Ny an'olombelona sa ny an'A/


Mazava be mintsy ny fomba fandraisan'i Rakapy an'le tiako hanontaniana
15. xxx ( 01/05/2009 08:35)
Mety azo ovana io ra mmmmmmmmmmmmmmmmmh a ! alaivo ohatra i Ninive de mety hazava @ ol e ! zany hoe tsy isika akory no manova fa mangataka fanovna zay an !
16. fijo ( 01/05/2009 18:51)
tsy ilain aizany ny vavaka wa raha izany
17. tywa68 ( 02/05/2009 17:53)
Ny vavaka d manampy anao hisedra ny mianjady aminao ary manome hery @zavatra atao rehetra, zany hoe manome fifaliana na d mahakivy aza ny zava-mitranga satria tsy hanome ny tsy zakatsika ny Tompo tia antsika :-*
18. coopsal ( 04/05/2009 07:27)
fijo:
tsy ilain aizany ny vavaka wa raha izany

==> Raha tsy ilain'ny olon'ny nofo ny respiration dia tsy ilain'ny olon'ny fanahy ny vavaka.
Ny vavaka tsy asa atao fa fiainana (respiration) mihitsy. Raha tsy miasa ny olona iray mety mbola ho velona, fa ny olona sempotra (satria tsy mi respirer) dia tsy afaka ho velona maharitra fa ho faty. Tahaka izany ny fanahin'izay velona ara-panahy, raha tsy mivavaka dia sempotra ary ho faty ny hiafarany raha tsy mivavaka.

Na matory aza ny olona dia mbola manao respiration foana, tahaka izany ny fanahin'izay velona ara-panahy, na dia toa matory aza eo anatrehan'ny fiainana tsy maintsy atrehina dia mbola mivavaka tsy mitsahatra izy.

Ny maty tsy mila respiration, tsy mahasoa azy sady tsy hainy rahateo izany.
Ny maty ara-panahy tsy mila vavaka, tsy mahasoa azy sady tsy hainy izany.
Mila velona ny olona izay vao afaka hi-respirer.
Mila velona ara-panahy aloha izay vao afaka hivavaka.
19. soanja ( 05/05/2009 00:37)
mmmhh:

Mandinika ny korontana misy eto @ firenentsika ity zah de somary lasa ny saiko,
Matoa izao reetra izao mitranga dia efa voasoratra izany, ary efa voalazan'ny baiboly rahateo fa any am-parany hisy korontana , ady, sns e....
koa na hivavaka be tahaka ny ahoana ary ve zah / enao / isika dia mety hanova zavatra ve izany?
Raha eny, afaka miova zany ny efa voasoratra? tsy misy dikany izany ny maha-voasoratra ny tranga iray.
raha tsia kosa, tsy tokony hivavaka ho an'ny firenena / na olona iray zany isika?
Tsy mananihany zah fa tena mahalasa ny saiko kely fotsiny le izy,



Raha hivavaka isika dia ny fiombonana amin'Izy Tompo no katsahina sy andrandraina. Manampy ny vavaka satria mampitambatra antsika amin'ny eritreritra sy fanahy mpampiray ary afaka manome HERY mampiova ny fizotran'ny zavamisy iray hanaraka ny fizotran'ny fanahin'ireo miasa mitady ny hatsarana sy fahafahana hiala amin'ny zioga mangeja amin'ny tontolo misy antsika. Manova betsaka kokoa ireo miara-miombom-bavaka ny vavaka noho ny asa atrehana heverina fa hanova izay lavitra sy tsy ifandraisana saingy kosa ny HERY vokatr'ireo asam-panahy ireo no manome ny FAHAGAGANA afaka hasehon'Andriamanitra amintsika miharihary raha haintsika ny mamaky sy mahatsapa izany fahagagana izany.

Tsy eo no ho eo anefa ny fahagagana fa zava-miasa miandalana sy iafiana ary ifampizarana. Mila mifamdray ny rehetra eo amin'ny tontolo iasana vao afaka hiseho ny fahagagana. Tsapan'Andriamanitra fa mioitra ianao miasa amin'ny fanatsarana, manana ny fanantenana ary mino ny fahavitrihany sy ny heriny. Ireo rehetra ireo no MANOVA izay rehetra heverina fa misy ary manome anao fijery vaovao ny fiainana.

Mazotoa mikatsaka an'Andriamanitra. Tsy ho voatery ao anaty boky velively fa ao anatintsika sy ny tontolo iriariavantsika na amin'ny tsara na amin'ny ratsy.


20. rakaroka ( 05/05/2009 05:11)
[quote=soanja]

Manova betsaka kokoa ireo miara-miombom-bavaka ny vavaka noho ny asa atrehana heverina fa hanova izay lavitra


'za indray aloha dia tsy hampianatra olona toa izao mihitsy ! Dia hino tokoa ny kely saina rehetra fa vitan'ny vavaka tsy misy atrik'asa ity fiainana, ary
tompon'andraikitra @ tsy fandrosoan'ireo olona aho raha hampianatra toa izao. Ho ahy tsy sarahina ny mivavaka sy miasa :idea: !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1773