Ze fikanareo ,plaisiranay...
1. rastafarai
(
23/04/2009 08:44)
Hiady an-trano ve isika
Raha tsy mitovy politika
Hifandavo tsy hifanarina
Tahaka ny valala an-karona
Hiady an-trano ve ny gasy
Hifampitifitra amin ny basy
Nefa mpiray firenena
Sao dia tokony hihevi-tena
Hiady an-trano ve ny Merina
Raha ny mpitondra no heverina
Ka hifamono sy hifandritaka
Dia ny vahoaka no voafitaka
Hiady an-trano ve Iarivo
Ka poa-basy no handrivo
Hajininika ve ny rà
Vokatr’ity adilahy
Aoka re f’efa tsy rariny
Ireto adilava sy ny tariny
Fitiavan-tseza hotompoina
No antony hifamonoana
Dia aiza ilay fihavanana
Izay nirina mba hotanana
Ilay nampiavaka antsika
Hoe Gasy fa tsy Afrika
Raha tsy mitovy politika
Hifandavo tsy hifanarina
Tahaka ny valala an-karona
Hiady an-trano ve ny gasy
Hifampitifitra amin ny basy
Nefa mpiray firenena
Sao dia tokony hihevi-tena
Hiady an-trano ve ny Merina
Raha ny mpitondra no heverina
Ka hifamono sy hifandritaka
Dia ny vahoaka no voafitaka
Hiady an-trano ve Iarivo
Ka poa-basy no handrivo
Hajininika ve ny rà
Vokatr’ity adilahy
Aoka re f’efa tsy rariny
Ireto adilava sy ny tariny
Fitiavan-tseza hotompoina
No antony hifamonoana
Dia aiza ilay fihavanana
Izay nirina mba hotanana
Ilay nampiavaka antsika
Hoe Gasy fa tsy Afrika
novalian'i essera ny 24/04/2009 09:42
5. essera
(
23/04/2009 09:11)
Létié, Ifiona koa speed loatra nanakara an'le iz an am rastafarai. Aleo asiako feony sad ataoko ny arrangement rangah ry Ifiona. Mihira sisa no ataon-jy fa aleo iangaliako ny mélodie/arrangement
7. ndenn
(
23/04/2009 10:53)
Raha mila producteur matanjaka dia andefaso hafatra aho ,ity ny adresse mail ko < andriamby@ hotmail .fr>
10. essera
(
24/04/2009 09:42)
6. Mpandefa : ndenn [ Valio ] 23-04-2009 12:53:38
Lohateny : Re : Ze fikanareo ,plaisiranay...
Raha mila producteur matanjaka dia andefaso hafatra aho ,ity ny adresse mail ko < andriamby@ hotmail .fr
Sérieux ve ra-ndenn sa vazivazy ?
