Fa maninona ?

1. niryna ( 21/04/2009 05:08)
Matetika dia mitranga ao amintsika izany fanontaniana izany ,manampy antsika ity izay mangetaheta izany fanontaniana izany.Tsy ho voatery olon-dehibe fa ny zaza koa
.
Fa maninona Atra no nanao izao tontolo izao ?
-Namboarin'Atra isika saria tiany sy nahafinaritra Azy avokoa izay rehetra nohariany ary tiany hiaraka Aminy koa isika .Nataony koa isika satria tiany isika

1 Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
31 Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
Gen 1:1,31

,
Ahoana no nanomezan'i Adama ny anaran'ny biby ?
Nonomen'Atra asa izy mba anome ny anaran'ireo karazana biby ,ary taty aoriana dia samy nanonona ny karazany avy ny firenena rehetra
9 Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan-aina rehetra, dia izany no anarany.

20 Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bidi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy Gen 2:19-20


Fa maninona ny olona no misy karazany maro ?
Ataovy hoe mitovy daholo ny olona,mitovy ny lokon'ny volony,ny alavany ,ny tarehiny ,ny hodiny,angamba mety ho leon'ny fiainana isika e 27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.Gen 1:27 noho izany ny olona dia tsy nataony ho fetsy noho ny biby fa nataony ho sarobidy kosa isika tsirairay avy na ny kely indrindra na ny antitra indrindra dia misy antony avokoa no nahatonga antsika eto

mbola hitohy : afaka eirtreritra ve isika hoe firy taona ity tany iainantsika ity ?iny tselatra,ny rivodoza? ohatran'iza Atra izany ? aiza izy no mipetraka,fa maninona isika no tsy mahita azy? maheno ny feony ve ny kristiana,? fa maninona aho no mila dada roa dia ny raiko niteraka ahy sy ny ray any an-danitra? mahita ny zavatra rehetra ataontsika ve izy?
(l) niryna

:
novalian'i niryna ny 25/04/2009 03:28
2. ikaretsaka ( 21/04/2009 11:30)
Nahazo depliants TJ t@ ity volana ity ndray an
3. niryna ( 25/04/2009 03:11)
ikaretsaka:

Nahazo depliants TJ t@ ity volana ity ndray an



8O =)) =)) mbola ho tohizako ? ie aleo ho tohizako ihany aloha fa mety mahasoa ny hafa
4. niryna ( 25/04/2009 03:28)
niryna:

mbola hitohy : afaka eirtreritra ve isika hoe firy taona ity tany iainantsika ity ?i

Tsy misy siantista ka afaka anaporofo ny taon'ity tany ipetrahantsika ity ,sa misy ? ary satria koa tsy misy olona afaka iverina tamin'ny taloha dia mety ho sarotra tokoa izany e sa ahoana ary ? Sady tsy misy boky mizara izany nanamboaran'Atra ny tany izany ,eny e, ny Genesisy milaza fa tsy voasoratra hoe tamin'izao Atra no nanao azy e ? Misy miteny hoe billions any ny taonan'ity tany ity ,nefa koa misy milaza fa tsy tonga amin'izany.Ny fantansika kosa angamba dia hoe Atra no nanao an'i Adama sy Eva aman'arivo taona maromaro tany e .
woa ,mahatonga saina ity rehefa nitaraina i Joba
4 Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?

6 Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, Ary iza no nametraka ny vato fehizorony,

7 Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, Ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra? Joba 38:4-7


ny tselatra,ny rivodoza? ohatran'iza Atra izany ? aiza izy no mipetraka,fa maninona isika no tsy mahita azy? maheno ny feony ve ny kristiana,? fa maninona aho no mila dada roa dia ny raiko niteraka ahy sy ny ray any an-danitra? mahita ny zavatra rehetra ataontsika ve izy?
mba tohizo e ?

:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0642