Inona no andrasana?

1. soanja ( 19/04/2009 17:20)
Inona izany no andrasana izao na hoe iza no andrasana dia hisy ny fivoarana na fiovan-javatra?
Hanampy ihany ve ny Afrikanina rahalahy sy ranabavy sa hoe ahoana hono? Efa tonga ve i Ravalomanana sa mbola miomakomana?

Sa ve hoe tokony hilamina isika ka hanaiky izay misy na dia tsy mahafapo aza ny fahitantsika azy? Inona moa ny ara-dalana raha tsy manaiky ny lalana misy ny olona ao anatiny?

"Inona marina no zavatra takian'i Malagasy amin'izao fotoana izao?"

Mino aho fa io no fanontanian'izao tontolo izao ara-politika.

Amiko aza manantena izay avy any ivelany fa ireny toa tsy hamelona avokoa raha amin'izao no fahitako azy, rehefa milamina isika dia ho avy izy ireo hamelomaso izay natomboka. Nefa asa?

novalian'i majakely ny 20/04/2009 12:37
2. Havantsika ( 19/04/2009 17:38)
Salama e
Isika mandray an-tànana ny fiainam-pirenentsika no andrasana. Manana ny enti-miavon-tena samirery isika na dia tsy hanampy aza ny vahiny. Zara aza lasa ny mpiray tsikombakomba tamin'izy ireo mba tsy ho tantely afa-drakotra làlan-dava ny harem-pirenena
Raha voaloa ny hetra ireo orinasa lehibe, mahita mpividy ny force one, mandoa ny tokony haloan'ny ireo compagny lehibe mpitrandraka ny harena an-kibon'ny tany , tsy manodikodina volam-panjakana sy mangalatra ny mpitondra. dia dingana lehibe tokoa no vita ary ampy ahavitana ny transition hidirana amin'ny 4è republique milamina i Madagasikara.

Tohano ny hevitra tsara ka halavirintsika ny procès d'intention
Mandrampihaona e
3. xxx ( 19/04/2009 17:44)
raha miala itgv, voasambotra daholo ireo miaramila nanampy azy taminy fanonganam-panjakana, miverina ho filoha ra8(lanimbahoaka) dia hilamina isika, ary izany no andrasany firenena rehetra!!
4. Havantsika ( 19/04/2009 18:03)
Ny tsy fahamarinana ve raha hotohizana dia hampilamina ny tany?
Nisy fotoana na lanim-bahoaka ny olona iray fa misy dia misy tokoa ny fotoana lasa haloam-bahoaka ny mpitondra iray. Tsy ny voalaza fa tsara vita no hitsarana azy satria efa azony ny valim-pitiany tamin'ny fotoan-andro fa fitaka, ny halatra, ny famadihana tanindrazana, ny fanitsakitsahana ny lalàna fototra, ny fandripahana vahoaka
Ireo manan-danja aty amin'ny fiafarana
Asa soa no nataon'izay nanala ny olona tahaka izany dia ny Vahoaka Malagasy mahatsapa ny andraikiny ka aza heverina ho tsy fitiavana ny fahasahiana hanova
Mazotoa e§

5. xxx ( 19/04/2009 18:09)
ny nalohambahoaka aloha mbola sarotra inoana satria tsy misy porofo, fa ny zavanisy dia ny nangalana ny fahefana taminy basy, mahasahy manova tokoa fa tsy aminy alalany basy an, ka ny fiovana aminizao dia io voalazako io, ka asa raha hanaiky ianaona tsia fa za tsy tsy vonona ny hiova raha io!!
6. Havantsika ( 19/04/2009 18:24)
Marina ny voalazanao satria fifidianana no base hitondranao ny resaka sy ny vokatra namboamboarina sy niteraka ady hevitra teto amin'ny firenena no resahina. Fa moa ve heverinao fa raha mbola tiam-bahoaka sy notohanan'ny mpifidy azy Izy dia ho afaka teo?
Izay iray alehany na fictif ny isan'ny mpifidy azy na ireo mpifidy azy koa aza dia nandà na nandoa azy.
Ny système no tsy maintsy hovana eto ka izay mitondra ny transition tsy maintsy manova izany mba ho base vaovao no ifampitondrana sy tsy hiverenan'ny fanao ratsy teo aloha intsony.
Tsara ny tsy miova raha tsy resy lahatra, kanefa ilaina ihany ny manavao ny saina amin'ny maha mety azy
Misaotra e
7. soanja ( 19/04/2009 18:53)
Havantsika:

Salama e
Isika mandray an-tànana ny fiainam-pirenentsika no andrasana. Manana ny enti-miavon-tena samirery isika na dia tsy hanampy aza ny vahiny. Zara aza lasa ny mpiray tsikombakomba tamin'izy ireo mba tsy ho tantely afa-drakotra làlan-dava ny harem-pirenena
Raha voaloa ny hetra ireo orinasa lehibe, mahita mpividy ny force one, mandoa ny tokony haloan'ny ireo compagny lehibe mpitrandraka ny harena an-kibon'ny tany , tsy manodikodina volam-panjakana sy mangalatra ny mpitondra. dia dingana lehibe tokoa no vita ary ampy ahavitana ny transition hidirana amin'ny 4è republique milamina i Madagasikara.

Tohano ny hevitra tsara ka halavirintsika ny procès d'intention
Mandrampihaona e

Tohanako tokoa izany!

8. rajy ( 19/04/2009 18:56)
Saika tsy hiteny aho fa misy miseho ho hendry de omeko ditra kely. Raha nahandry fifidianana io fitondrana io de nanaiky tanteraka ny tenanay fa resy ra nandresy izy,tsy izay no nisy fa basy no nampiasaina noho izany na te hanova fisainana aza izahay de tsy mety aminay ny fomba toy izany. Inona no olana ra miaramila no nitondra teo?(Mba valio aho). Fitiavana te hameno paosy no anton'io aminay fa nihevitra ny ahita vola be tao zao aiza ,manao bodongerona entan'olona de milaza fa mampidina vidim-bary nefa vary tsy nanefana masonkarena akory. Tohano ao ny anao fa izahay avelao haka ny partie nay ry zama a!
9. rajy ( 19/04/2009 19:00)

10. soanja ( 19/04/2009 19:06)
Ka raha niandry fifidianana koa anefa dia iza no hilaza fa hety araka izay heverintsika ny fisehony?

Inona no nahatonga ny firenana ho lasa toy izao? Nitroatra ireo izay tsy nahazaka. Inona hono no tsy zakany???

Manohana tanteraka ny hiveranan'ny filaminam-pirenana ny tenako. Izay vita dia vita.

Ndao hifamela heloka! :-* :-* :-* :-*
11. xxx ( 19/04/2009 19:31)
soanja:

Ndao hifamela heloka! :-* :-* :-* :-*

Indrisy famela-keloka no rime pas avec politique !!!
12. ravalotgv ( 19/04/2009 19:53)
aleo zany esorin daholo na ra8 na i tgv eee aleo tsy asana filoha de amizay afak endahina ny diaspora rehefa tonga eto ami tanna ra za aloha aleo kootana fa samy matahotra symafiloha dholo reo gasy reto ary samy be taimbava nefa samy tsy hanao raha daholo.

tairo y gidra aloha fa zay malaza sy mande ami chaine rhetra ny gasy
tf1 tgv tvm tv8 tv5

snifff tchroufff tsy mbola ampy dozy
13. nancy ( 19/04/2009 20:24)
Tena miseho ho hendry marina...

Fa izao fitondrana tsy nisy fifidianana, nalaina tamin'ny basy izao no mety izany aminao? Izao fizahozahoana eraky ny tanana nefa tsy misy programa itondrana ny firenena izao no mety aminao?
Ny famoahana gadra no mety?
Ny fandrangarangana basy no mety?

Fanontaniana tsy tokony hipetraka akory ny anao ilay hoe" inona ny tsy zakany?". Mazava be anie fa tsy zakan'ny olona io fitondrana jiolahim-boto io e. Ny jiolahim-boto toa azy no manaiky an'io.

Mazava be koa fa i tgv sy ny forongony no nahatonga ny firenena toy izao.
Sa ianao de mbola sahy hiteny ihany faRavalomanana no namotika an'Antananarivo toy izao?

Ny filaminana tsy hiverina raha tsy miala teo io tgv ndoza io. Izahay indray tsy mamela ny helok'i tgv izany. Ny faisana nampitondrainy ny fianakavianay aza mbola tahaka ny inona. Sa efa ho lany ny vola rehetra ka dia hoe andao hifamela heloka?

soanja:

Ka raha niandry fifidianana koa anefa dia iza no hilaza fa hety araka izay heverintsika ny fisehony?

Inona no nahatonga ny firenana ho lasa toy izao? Nitroatra ireo izay tsy nahazaka. Inona hono no tsy zakany???

Manohana tanteraka ny hiveranan'ny filaminam-pirenana ny tenako. Izay vita dia vita.

Ndao hifamela heloka! :-* :-* :-* :-*

14. xxx ( 19/04/2009 22:03)
ity ny vaovao farany:
:

http://195.141.38.21/abcd/pick.asp?id=t30ipgia1sbhp2wyuevyfqznfA378542

15. bazylou ( 19/04/2009 23:21)
ny gasy anie dia olona tsy hay izay e!!
Dieny mbola tenya min'ny 13 mai ry lerony tsy nisy nikozy !!!
notokanan'ny tgv ny kianjan'ambohijatovo, nidingin drambo daholo ny mponina'antananarivo , fa hoe iza koa io e, izahay tsy mila an'izany e!!
Izao rehefa tratrany ny tanjony notadiavina, ireo be vava indray no mimenomenona eo amin'ny ambohijatovo, naninona tsy naka tany hafa !!
Tsy vaha olana intsony le ho etsy maintsy miala teo io ary le8 ihany no avelao hiverina sy hitondra!!
Mba mihevera tena hoaho , de olona niala andraikitra toa ireny ve ?? tsia!!
Izao mitsikafona daholo ny maimbo rehetra !!
Izany le8 izany tsy hotafaverina eo intsony e!!
Le fifidianan sy ny referendum izao no tokony eritreretinareo ary any no vaha olana eo! Raha maharesy arahaba soa arahaba tsara .
KAnefa na dia zany aza anie i tgv ef anikozy fa andraikitra ny azy e!! tsy hanakevitra ny hijanona eo izy!
Ary raha miala teo izy ary dia iza no atao eo???? iza???
le8 efa nilefa, tgv hesorina ,de iza ary ??? i maiholl ve sa i tava tsoavaly sa i bory satroka sa i asterix na koa i Ramerci na i tabera, sa i......
Tsy ho tafaverina eo i le8 e!! mangala sampy hafa indray !!!
Izao rehetra izao sy nynahatonga izao aloha dia tsy i tgv irery e!! coupable daholo ny mpijery sy ny mpilalao!

:-D :-D :-D :-D
16. xxx ( 20/04/2009 06:37)
nancy:

Tena miseho ho hendry marina...

Fa izao fitondrana tsy nisy fifidianana, nalaina tamin'ny basy izao no mety izany aminao? Izao fizahozahoana eraky ny tanana nefa tsy misy programa itondrana ny firenena izao no mety aminao?
Ny famoahana gadra no mety?
Ny fandrangarangana basy no mety?

Fanontaniana tsy tokony hipetraka akory ny anao ilay hoe" inona ny tsy zakany?". Mazava be anie fa tsy zakan'ny olona io fitondrana jiolahim-boto io e. Ny jiolahim-boto toa azy no manaiky an'io.

Mazava be koa fa i tgv sy ny forongony no nahatonga ny firenena toy izao.
Sa ianao de mbola sahy hiteny ihany faRavalomanana no namotika an'Antananarivo toy izao?

Ny filaminana tsy hiverina raha tsy miala teo io tgv ndoza io. Izahay indray tsy mamela ny helok'i tgv izany. Ny faisana nampitondrainy ny fianakavianay aza mbola tahaka ny inona. Sa efa ho lany ny vola rehetra ka dia hoe andao hifamela heloka?

Miombo-kevitra aminao tanteraka !

17. ralevazou ( 20/04/2009 07:39)
Salama dôly! za konkoh louh miombon kevitra tanteraka @io tokony ialan lé sefon fozaorana io tsy misy fepetra é!
ôtsan bandy mananiany fotsiny fa tsy hita ze mba ataony!
aleo nge hiziriziry eo rats hmmmm :-$ :!:
Jereo ny hahazoazy eo
18. essera ( 20/04/2009 10:06)
xxx:
raha miala itgv, voasambotra daholo ireo miaramila nanampy azy taminy fanonganam-panjakana, miverina ho filoha ra8(lanimbahoaka) dia hilamina isika, ary izany no andrasany firenena rehetra!!

Ary ny rezervista niaraka tam ra8 tam zany fotoana. Tsika rehetra miara-voasambotra zan e

19. ravonjison ( 20/04/2009 12:15)
nancy:

Tena miseho ho hendry marina...

Fa izao fitondrana tsy nisy fifidianana, nalaina tamin\'ny basy izao no mety izany aminao? Izao fizahozahoana eraky ny tanana nefa tsy misy programa itondrana ny firenena izao no mety aminao?
Ny famoahana gadra no mety?
Ny fandrangarangana basy no mety?

Fanontaniana tsy tokony hipetraka akory ny anao ilay hoe\" inona ny tsy zakany?\". Mazava be anie fa tsy zakan\'ny olona io fitondrana jiolahim-boto io e. Ny jiolahim-boto toa azy no manaiky an\'io.

Mazava be koa fa i tgv sy ny forongony no nahatonga ny firenena toy izao.
Sa ianao de mbola sahy hiteny ihany faRavalomanana no namotika an\'Antananarivo toy izao?

Ny filaminana tsy hiverina raha tsy miala teo io tgv ndoza io. Izahay indray tsy mamela ny helok\'i tgv izany. Ny faisana nampitondrainy ny fianakavianay aza mbola tahaka ny inona. Sa efa ho lany ny vola rehetra ka dia hoe andao hifamela heloka?

soanja:

Ka raha niandry fifidianana koa anefa dia iza no hilaza fa hety araka izay heverintsika ny fisehony?

Inona no nahatonga ny firenana ho lasa toy izao? Nitroatra ireo izay tsy nahazaka. Inona hono no tsy zakany???

Manohana tanteraka ny hiveranan\'ny filaminam-pirenana ny tenako. Izay vita dia vita.

Ndao hifamela heloka! :-* :-* :-* :-*

Miombo-kevitra @ Nancy tanteraka aho, saingy mbola ampiako ireo hevitra.
I Ravalo efa nilaza t@ telé TV5 fa ni-demissioner izany mihitsy izy, naveriny io teny io, fa nambanana basy izy, noho izany tsy maintsy niavo-tena.
Noho izany tsy hilamina mihitsy ny tany raha tsy miverina Ravalo, miala TGV, ary atao ny fifidianana.Izay lny dia lany. Izay ihany.
Fa io tsindry azolena, fisamborana, fisakanana olona sns...atao\' ny TGV io tsy maharitra ela io e. Efa tena tonga saina daholo ny olona sasany.
20. majakely ( 20/04/2009 12:37)
Ny hiverenan-dRavalo aloha ataoko fa tsy mety intsony satria efa teo izy no lasa ...Somary tara ihany...Saingy tsy mety koa ny an'i TGV Izao!!Donc arodany ilay HAT de ataovy farafahatarany alohan'ny 26 Juin ny fiidianana fa raha tsy izany de tsy hijanona ny korontana lava tsy misy farany ity ee...Zahay efa LEO!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0389