sakodiavatra

1. rahery08 ( 17/04/2009 18:55)
Miarahaba anareo rehetra!
Sao dia mba hainareo ny tonon' ilay hira hoe sakodiavatra?

Toy izao ny fanombohany

Sanganehana ô! sakodiavatra
matahotahotra, izany foko mangahiahy
ka hamindra ho vahotra
fa vao tonga elatra aho ry lahy ka tena variana

Zanahary o.....


Tsy haiko raha misy diso io
fa ra mba hainareo dia mba ahitsio di mba tohizo
novalian'i rahery08 ny 24/04/2009 03:45
2. lembelo ( 21/04/2009 08:01)
Efa ela tokoa izany. Tsy haiko fa dia mitondra ny anjara-biriky e (araka ny fahalalako azy),
"...Zanahary o !
'zay mahita
Na ny eto an-toerana na ny any am-pita,
Hioanao no mahay misafidy
Ka andrasako eto fa sarobidy
mba henoy 'zany vavakay ..."
Tiako ho fantatro koa iza no nanao io hira io, ny "circonstances" nanaovana azy (fangataham-pitahiana ho an'ny tanindrazana vao nahazo fahaleovan-tena ?).
3. rahery08 ( 24/04/2009 03:45)
Misaotra namaly!
Toa izany Robinson Désiré zany no nanao io hiea io!
Di zany voalazanao zany hoe: ho an ny tanindrazana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3667