Namana

1. xxx ( 15/04/2009 07:51)
Ketako no anarako. Niara-nipetraka t@ namana atao hoe Bozy aho t@ vao tonga teto Frantsa. Avy eo moa dia nifindra toerana ary eo @ 100km eo no elanelanay sy Bozy @ zao fotoana izao.

Manana namana atao hoe Peta i Bozy ary nifindra aty @ tanàna hipetrahanay io namany io taona vitsivitsy izao, ary dia natorony azy ny adiresinay fa nisy ttasy ho karakarainy hono. Dia tonga tato an-trano i Peta ary dia lasa mpinamana izahay roa.

Dia niteny tamiko izy hoe: mba ampianaro ordi zà retsy e! Dia hoy aho hoe tongava ary @ manaraka e! Fa zà ange oa tsy mahay mampianatra toy ireny mpampianatra ireny e! hihi. Dia nifampiantso dia isaky ny alarobia hariva @ 17h30 izy no tonga.
Tato aoriana dia tsy afaka nampianatra azy aho fa nisy zavatra nataoko mandritra ny 5 volana teo ho eo. Dia nolazaiko izy hoe rehefa vita io zavatra ataoko io dia mandeha aty indray ianao manohy izay tianao ho fantatra.

Tapitra ilay 5 volana ary dia niantso azy aho raha afaka mandalo aty @ zay izy fa vita ilay zavatra nataoko. (Marihiko fa nandritra io 5 volana io dia miantso azy in-1 isan-kerinandro tsy tapaka mihitsy aho an. Izy tsy mba niantso na dia in-1 aza.) Tsy mbola afaka aho retsy fa marary ny rafozako ka sahirana be izahay hoy izy. Eny ary hoy aho fa rehefa sitrana e!
Dia miantso mahalankalana indray aho mba manontany ny fahasalaman-drafozany. Tsy isan-kerinandro fa isan-tapa-bolana na mahery aza.

Indray andro dia iantsena izahay ary nifanena t@ naman-dry zareo ary olom-pantatray koa. Dia niresadresaka teo, ary t@ zany no nahalalanay fa maty ilay rafozam-bavin’i Peta fa saingy tsy mba nampandre anay akory izy, kanefa ange ka 2Km fotsiny no elanelanay na dia kôminina roa samihafa aza e!Tsy nampaninona ahy izany fa kosa raha vao tafaverina tato an-trano aho dia niantso an’i Peta ary nirary fiononana ho azy. Dia namerina niteny indray t@ farany hoe mandalova rehefa malalaka e! Eny hoy izy.

Tapa-bolana taorian’io dia niantso azy indray aho, dia nilaza izy fa mbola sahirankirana, sady hita fa toa tsy te hiresaka izany. Dia nanontaniako hoe fa misy inona niseho fa lasa hafa mihitsy ny fifandraisan-tsika? Tsy misy inona hoy izy, ary dia nanao fialan-tsiny indray izy fa maika hivoaka.

Nony farany dia tapaka ny hevitro fa tsy hiantso azy intsony aho fa toa mahita vahaolana tsy hiresahana amiko foana izy satria raha maika hivoaka ange ka afaka mamerina miantso e! Fa hitako fa tsy te hifandraindray aminay intsony izy no tena marina fa tsy sahy manambara ny tena heviny.

Koa dia efa ho 8 volana izao fa tsy mbola nifanena izahay ary zà tsy niantso azy intsony ary izy koa tsy niantso mihitsy (efa mahazatra)
Aleo samy maka ho azy fa mandreraka raha mihatsaravelatsihy.






2. xxx ( 15/04/2009 09:25)

ka rehefa tsy te hiresaka na tsy te hifandray izy dia avelao ho any fa aza mivadika ati-doha @izany.
Namana feno ny tanana ka raha iray na 20 no tsy tia dia" mitotoa koba hatavy hoy isika malagasy izay!" :lol:
3. diamondra27 ( 15/04/2009 09:37)
ra le tantara no jerena de efa nanao ze azondry atao ndry sady manana faharetana be

ra za de adaboko any koa io fa za tsy lany andro aminy eo , izy mila zavatra amiko ndray ve no mila tambatambazana

ny olona koa refa tsy hifandray aminao izany dia manao toa io , tsy sahy miteny mivantana fa mihatakataka eny fa dia anjaranao no maka décision oe ampy zay

manaova bjr bjr de ampy zay e
4. xxx ( 15/04/2009 10:56)
xxx sy diams a! Marina daholo ny voalazanareo ireo fa ilay fihetsiny no tena nahakamo e!
Rehefa sendra mifanena dia hiarahaba azy aho ka! Tsy maintsy ataoko izany satria koa zà no zandry tokony hanatona.
Fa fotsiny i rams-ko no mety tonga dia hihatakataka sy tsy hiresaka @ zay fotoana izay. Efa velom-panontaniana mihitsy mantsy izy hoe fa naninona azy ireo hono isika e? Dia hoy aho hoe tena tsy fantatro oa fa efa mba niala nenina aho fa aleo @ zao.
5. fahamarinana ( 15/04/2009 13:40)
:arrow: rehefa niala nenina dia tsara ! Mety mba sahiran-tsaina izy dia tsy dia mila fifandraisana ,eny na mpinamana aza nareo ! (l)
6. ikaretsaka ( 15/04/2009 13:57)
afaka adidy 2 fatana hono fa nahiota kitay tsa nirehatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2873