hevitra momba ny fanabeazana

1. desirelyaime ( 14/04/2009 17:31)
Anisan'ny mampitaraina ny maro ny fitondràna, ny pôlitika... Ny tenanay dia mihevitra fa ny fanabeazana no fototry ny fiainam-pirenena ka tokony hilofosana mafy.
-Raha mba nobeazina hanaja ny fananana iombonana ny zaza sy ny tanora malagasy de tsy nandany vola isak'izay mihetsika ny fanjakàna hanarenana zavatra maro.
-Raha mba nanabe ny tanora sy zaza tsy hiady voalohan-toerana ny mpanabe dia ho foana ny hazakazaka amin'ny ady seza isan'andro eto amin'ny firenentsika.
-Raha mba nahay nanabe ny taranaka ny haino aman-jery sy ny ambarantongam-panabeazana isankarazany de tsy ho very toky sy tsy ho very finoana ny taranaka fa hahay handinika sy hamakafaka lalina ny tsara na ny ratsy
-Raha mba ....... anjaranao sisa manohy azy
2. lemenakely ( 14/04/2009 18:32)
desirelyaime:

Marina ary ekeko à 100% io zavatra lazainao io mila resaka fanabeazana goavana ny malagasy ! :idea:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.374