Miambena,miambena ,vitantsika ve izany e

1. niryna ( 14/04/2009 17:19)
Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo) Deot 13:14

1 Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.

2 Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana,


3 hataontsika ahoana no fandositra raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa, Heb 2:1-3


^:^ ^:^
16 Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny.
17 Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
18 Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy.
Heb 2
^:^ ^:^

Inona no hevitra tiana ho tenenina hoe mitandrema ,mitandrema?
Inona izany hoe andeha isika hanompo andriamani-kafa ? toa tsy miteny mivantana kosa angamba ilay olona sa ahoana ary izany,sa mety ho fantatra ve fa mitarika andeha any amin'ilay andriamaninkafa ?
(l) niryna
novalian'i mia ny 15/04/2009 19:12
2. ikaretsaka ( 14/04/2009 18:21)
hoy i Md Augustin momba an'io hoe "fantaro aloha ny zavatra tandremana sy Ambesana fa sao manao alika miambina zavatra tsy hainy akory"
(teniny alohan'ilay hoe Tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao atao)
3. mia ( 15/04/2009 19:12)
Mila miorim-paka tsara aloha angamba ny finoantsika vao afaka miambina tsara isika ry niryna

atao ahoana moa no hiambiana nefa ny finoana aza mihozongozona sy tsy miorina tsara @ i kristy?

raha vao misy fissure kely ny dia ilaina haingana ny miverina @ fampianaran'i Jesoa Izay ao anaty baiboly
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1172