Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo) Deot 13:14
1 Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.
2 Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana,
3 hataontsika ahoana no fandositra raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa, Heb 2:1-3 ^:^ ^:^
16 Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny.
17 Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
18 Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. Heb 2 ^:^ ^:^
Inona no hevitra tiana ho tenenina hoe mitandrema ,mitandrema?
Inona izany hoe andeha isika hanompo andriamani-kafa ? toa tsy miteny mivantana kosa angamba ilay olona sa ahoana ary izany,sa mety ho fantatra ve fa mitarika andeha any amin'ilay andriamaninkafa ?
(l) niryna