vetsovetso tsy ahavita inona

1. Arrow ( 08/04/2009 13:54)
Very fanahy mbola velona mihitsy @ ny fiainan'ny Malagasy eto Mkara, sarotra no mampandroso ny firenena sy mampandroso ny olona. Ny zava-misy @ izao kanefa dia tsy manampy @ izany mihitsy. Mety tsy nisy angamba ny fahalalahana fa tsy nanahirana ny fiainako manokana izany, tsy nisy angamba ny fifanan-kalozan-kevitra tany @ Assemblée na Sénat..., tsy nanahirana ny fiainako manokana izany. Fa ny zava-misy ankehitriny kosa dia manahirana ny fiainako manokana. Asa ny hanjo ireo olombelona 20 tapitrisa ireo. Ny dingana tokony hatao tsy vita indray...Raha hisy ilay hoé demokrasia (énga anié), dia tena fahasambarana be tahaka ny inona moa no ho entin'izany, t@1992-1996 izany dia nisy tokoa,
Ho tonga saina anie izay be loha be, fa tsy misy afa-tsy ny lanieran'ireo rehetra nitondra sy mitondra amin'izao ihany no hamerana izao fahavoazana izao. Fa mampanino moa ny fahazoana io fahefana io é? samy ho faty ihany, sady raha farafahabetsany 10 taona ihany no eo...fa mba jereo ré izay tokony ho atao fa dia tena TSY METY KOSA. Mirary soa ho anao izay mba nahavaky izao vetsovetso izao, dia samy ho tahin'Atra (fahasalamana, fianarana, asa, sy fihariana...)
Olona tsotra, tsinontsinona, mba te hanana fiainana tsara.
2. Mirananirina ( 10/04/2009 17:00)
tsara ny vetsovetsonao.Izay o ilaina e
3. fahamarinana ( 11/04/2009 08:22)
arrow:
Olona tsotra, tsinontsinona, mba te hanana fiainana tsara.

:arrow: Zo-anao tanteraka ,Zo-ko ,Zo n'ny rehetra no manantena izay ! Asa anefa hoe rahoviana no hiova e !...Manana finoana na dia efa ela ihany isika no nanatena sy nino ,sa ahoana ? :? (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3731