Afa-patorana dia milaha-bary sy menaka hoy TGVendrana

1. penguin ( 06/04/2009 05:45)
Efa nampalaza ny tarika ratsiraka moa ny fampilaharam-bary izay misy soratra hoe "RICE FOR PIGS" tamin'ny androny ka izao dia mitantara tsara ny mpilaha-bary any amin'ny firaisana fa izay be sandry ihany no mahazo ary afaka miverimberina. Na lazaina fa mitondra carnet aza dia tena misy ny mahazo ary mivarotra ny azony vao tafavoaka ny firaisana ary miverina maka satria bokonibe. Hatramin'izao aloha dia tsy misy fiantraikany amin'ny vidim-bary ireo fa karazan'ny endrika TSAKY POP alohan'ny fiafaran'i radidy ihany. Ny menaka moa dia MANDRY no tonga voalohany hoy ireo nahazo ary mba niatsara taty aoriana. I penguin moa dia tsy mitsahatra ny mamerina hoe ho avy aty Madagasikara hianatra amin'i andry tgvendrana sy ny governemantra roindefo izao tontolo izao izay sahirana mitady làlana hitsoahana amin'ny fisondrotry ny vidim-piainana satria aty Madagasikara no misy ny tena fatratra ahafehy io resaka ara-toekarena io. Rehareha ho an'i Gasikara izany ary ho tretrika ny Malagasy rehetra satria afa-patorana hoy andry tgvendrana.
novalian'i penguin ny 06/04/2009 11:10
2. rahiratra ( 06/04/2009 05:50)
Ny mofo-dipaina, hihihi aza salany kely ary ny fanamboarana ilay 1500 fmg no najanona fa ny lanjan'ny 1000fmg no nanasorana ko. Sa nampiana kely ry TGVendrana isany ? Rehefa malaza dia azo lelafina hatramin'ny tsy mety any amin'io TGV anarany fotsiny tsy azo hitaterana io.
3. penguin ( 06/04/2009 06:38)
Nifanaraka tamin'ny mpitatitra koa i andry tgvendrana fa ahena ny saran-dàlana mampifandray an'Antananarivo sy ny Faritra rehetra koa miandry ny fampidinana ny saran-dàlan'ny Air Mad mihodina eran'izao tontolo izao mba hiodinan'ny vahoaka madinika afa-patorana rehetra.
4. ravatorano ( 06/04/2009 06:41)
amizao kosa aloha dia misy olona hafam-pahasahiranana tokoa amin'ny fividianana ilay menaka 12 500 fmg na 2 500 ariary na dia milahatra tsy araky ny aina mihitsy aza.Toy izany koa ily vary 500 ariary ny kilao.
Zaho manokana dia tsy mbola nahita na nihinana na ny vary na ny menaka aloha ka tsy afaka milaza ny fahatsarany sy ny faharatsiany.
Fomba fiady ara politika avokoa moa ny fampidinanan ny vidin'entana io.Efa niteny moa ry zareo mpitondra ao amin 'io HAT io fa hatao mangarahara ny fitantanana ny kitapo-bolam-panjakana koa mba misy fanontaniana ihany hoe taiza ny vola nentina namatsiana ireo menaka sy vary ireo? nomena fotsiny ve izay ireny ho fanampiana ny fahatran'ny malagasy(DON) sa novidiana mora sa???
ary mankaiza ny vola miditra amin'izy ireny ?
raha ny mofo indray dia efa nihinanan aho fa tena tsara tsiro tokoa ilay mofo 200 ariary amizao fa ny lanjany aloha dia araky ny vidiny tokoa.
Ny vidin'ny mofo mihena dia manaraka an'izay koa ny lanjany ka noho izany tsy nisy fihenany mihitsy izany io saingy ilay vola miala moa no hitan'ny vahoaka ho mihena aminy dia izay.Ny kibo no ferana izany no tena dikany e !
:-D :-D :-D
5. mion ( 06/04/2009 06:46)
Ny ahy le mofo dipany 1000f tena ôtran'ny fanopana mintsy ny faahitako azy, sady ratsy tarehy no ôtran'ny feno mangahazo ny pate nanaovana azy. Ratsy e, ny 1500f afaka mizara 5 ngezangeza, fa le hita @ zao io zara afaka zaraina 3 miafiafy.
Le essence moa de zara raha nidina hatram n'ny nidinany farana 100f ve no elanelany de ahavita inn zany

Le menaka mandry be indray, de tena ratsy qualité e, tsy azo anendasana fa tonga de miraikitra ze endasina aminy

fa ny fozaorana angamba mety tsy miraikitra , ka za tsy ihinana fozaorana mintsy fa de aleo miafy @ diloilo coco refa tsita le menaka mahasalama

Mampime ty "mpitondra" ity , blà blà no tena betsaka , hita mintsy oe frantsay
6. penguin ( 06/04/2009 06:58)
Ny mofo natsiron-Dravatorano aloha dia tsy haiko hoe natsiro nohon'ny teo aloha ve sa hoe sahala ny teo aloha sa matsiro mihoatra amin'ny inona ? Miandry ny fahaizana hampidina vidim-piainana izahay ary mino fa Nobel Prize mihintsy no ho azo fa tsy sahalan'ireo azon'i Ravalo izay tsy izy hoy ny TGVendrana.
7. ravatorano ( 06/04/2009 07:07)
asa aloha fa samy hafa izany ny mofo tonga ao amiko sy ny any aminareo fa ilay boulangerie eny andoharanofotsy dia nanao ezaka mihitsy nanatsara ny mofony fa tsy mahare mangahazo na zavatra hafa izany izahay mihinanan azy fa tsy hoe fandokafana be fahatany akoriny !
Asa raha haharitra hatramin'ny oviana izao fihenan'ny vidin-javatra izao sa ve dia ho vonjy tavan'nadro ihany na natao ho tetik'ady politika (araky ny voalazako ery ambony ery )mba hakana ny fon'ny vahoaka
8. penguin ( 06/04/2009 09:21)
Ka izay anie no averimberiko ho ren-daza hoe ho reharehan'i Gasikara izany fahaizana hitana vidin-javatra izany nefa ny famokarana tsy resahana mialoha ary ny resaka varotra lazaina tsy ilaina ny fitobahan'ny entana ivelany satria osa tsy afaka mifaninana ny orin'asa Malagasy. Ary tsy nampidinina ngah ny vidin'ny savony mba hadio daholo ny vahoaka afa-patorana.
9. xxx ( 06/04/2009 09:49)
tgvendrana hoy enao? raha misy anefa ny vendrana de le ra8 nanome ny fahefana an'miaramila, zao nanenina hahahaha
10. penguin ( 06/04/2009 09:54)
Asa moa hoe iza no tena manenina ary iza no hanenina sy hiantso vonjy indray amin'ity resaka fahaizana tsy hitondra ho aiza ity.
11. xxx ( 06/04/2009 10:00)
penguin:

Asa moa hoe iza no tena manenina ary iza no hanenina sy hiantso vonjy indray amin'ity resaka fahaizana tsy hitondra ho aiza ity.


hohita eo ihany e, aleo aloha izy hiasa fa aza mahita volana alohan'ny biby eo, rehefa tsy mamely io de arodana indray e!
12. penguin ( 06/04/2009 11:10)
Arodana indray satria izay no filamatra ho an'i Madagasikara oooo? Izany no mampandroso ny firenena hafa an ? Afa-patorana isiaka hoy andry tgvendrana tany Nosibe ary handeha ny rehetra. Tehaka be aloha amin'iny satria toa tsy mahita afitsoka ireto Ministra notendrena erak'ireo Ministera isan-tokony fa mihainohaino tsy mahazo sitraka fa ny ivelany mpijinjaka no miogaoga. Hihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1375