Ny ho mety ho toetr'andro ara-politika eto Madagasikara

1. milamm ( 02/04/2009 13:16)
Manorana tokoa ny tifitra basy vary raraka eto ampovoan-tany mikararàna ny faty olona etsy sy aro ary tena mihafana ny tontolon'ny politika eto M.kara no ireo oram-batravatra mandalo sy tafio-drivotra miserana @ izao fotoana ,misaona ny lanitry ny firenena Malagasy satria raraka an-tany ny ràn'ireo mpiray tanindrazana ,very zo sy fanantenana ny rehetra satria tsy misy lanjany intsony izany AINA izany fa hevitra tsy mifanaraka @ eritreritry ny mpanao politikan'ny herisetra hafa dia alatsaka fehiny tsy misy hajany,noho ny fahafenoan-drano be loatra eto an-toerana dia maro ireo adidy sy andraikitra ho raisin'ny rehetra tompon'andraikitra isantsokajiny iaraha-misalahy hanarenana izao fahavoazana lehibe izao sy henatry ny firenena,hampandriana ny tany @ fanesorana,Andry, ireto miaramila mpikomy sy ny filohany fitsarana fara-tampony ary ireo mpanaraka ilay iraika
lahy @izao herisetra izao ,ka ampitampitao ny hevitra ialàna @ izao tsy rariny izao sy ny toetr'andro any amorontsiraka sy dilam-bato any aby.
novalian'i milamm ny 03/04/2009 04:26
2. rasobakobako ( 02/04/2009 14:25)
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah, sy fahamarinany avy amiko hoy Jehovah.
Isaia
54 : 17

Izaho aloha dia tena reraka @ ity politika famonoana olona ity. Nisafidy ny tenin'Andriamanitra aho "Izaho hiady ho anareo fa hianareo kosa hangina", tsy resy akory ny mangina e! Raha Andriamanitra nahary sy tompon'izao rehetra izao ve no miady eo @ toerako, mandry ivohon'ny vato aho fa ho voaaro. Inona moa no tsy ho foiny ho antsika ? Jesoa kristy aza natolony ho antsika, efa tanteraka anie ny famonjena antsika e! hadalan'izay mila seza sy voninahitra sy vola @ izao andro izao
3. rakaroka ( 02/04/2009 19:48)
Dia firy indray hono ny maty?...Efa tafahoatra noho ilay 'ndrepandeha iry izany :?: :roll: :roll:
4. milamm ( 03/04/2009 03:52)
http://www.midi-madagasikara.mg/midi/index.php?option=com_content&task=view&id=12897rakaroka ny sakoroka ao @ nanatà :cry:
5. milamm ( 03/04/2009 04:26)
efa mitapina ny sofiny mpanao ankeriny ka tsy misy intsony na ny fampitam-baovao sy fifanakalozan-kevitra @ maro an\'isa,zany hoe efa miha-manalavitra ny
hetahetan\'ny be sy ny maro,ilaina ny stratégie d\'orientation politique raha fanjakana mahaleo tena marina hialana @ ireto saribakoliny frantsay ireto sy hiadina @ ireo sakana nandavo ny firenena hatrizay,ireto no fandaharam-potoana sy dingana tsy maintsy atrehina @ zany
. miatomboka @ famerenana @ laoniny ny fahandriam-pahalemana (fanesorana sy fanagadrana ireo mpampihorohoro)
. fanarenana sy fampandehanana ny raharaham-pirenena ao anaty fahatonian-tsainy vahoaka iray manotolo ka ahafahany manomana haingana ny fifidianam-bahoaka
. fanokafana ireo fifandraisana sy fiaraha-miasa any ivelany tsikelikely mandrapaha-tongan\'ny valim-pifidianana
. fahalalahana tanteraka @ safidin\'ny mpitondra sy ny fahaleovan-tena ny fanjakana @ireo firenena iarahany miasa anarenana ny toekarena ,fahazakan-tena ara-tsakafo ady @ fahabadoana izay zo-ny olom-pirenena malagasy tsirairay tsy ankanavaka
Dia malahelo aho milaza amintsika fa tsy izay no miseho @ izao fotoana fa herisetra no porofo fa rakotry ny aizin\'ny horohon\'i deba indray ny lanitry gasikara ka i lafrantsa mitehaka etsy andaniny,\" Ampitampitao @ namako any ataovy mazava ,na basy mipoaka tsy misy mitsoaka...\" ary tsy mbola miondrika tanteraka i Madagasikara sy ny Malagasy fa eo ampitadiavana ny lalan-kivoahany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0806