Mailo ry ondrin'Atra ao amin'ny FJKM sao mivadika apondra

1. essera ( 02/04/2009 09:35)
Ny havana tiana no tiana hotenenina hoe :

Mitandrema ihany ianareo ao amin'ny FJKM fa manipulation goavana no efa tanterahin'ny mpitarika ao. Mino moa nareo tsara tsy mino anareo ny anareo fa efa niteny izahay.

Tandremo fotsiny ianareo avy eo mandika an'ilay hoe : "Niverina Ranavalona ka misy ny fanenjehana protestanta". Diso iny fa izao no hevitra tena tiany hatao : "Enjeho izahay mba ho justifié kokoa eo imason'ny manodidina"

I Marka mits no efa niteny hoe : "Minoa fotsiny ihany ka d ...."
novalian'i essera ny 02/04/2009 12:47
2. Oay ( 02/04/2009 09:50)
Ohatrany mitady hihoampefy i essera izany an!
Tandremo fa rehefa diso tafahotra ilay fahatokisantena d io no mahatonga ilay fihoarapefy (dérives).
inn ny antony mahatonga an'i Oay milaza anizany @ zokylahy essera: ilay lohateny ohatra hoe ny ondry ho lasa apondra!
Fivavahana no resahina d tadidio fa na vola be aza no nafafin'i dadanay tao @ FJKM d tsarovy fa nisy nanohitra hatrany anie i dada tao é! satria Andriamanitra d mitsinjo sy miha ny ondriny!
Ka izay no mahatonga ana miteny an'i essera hoe "avelao handeha fa Andriamanitra ilay ambony tsy voavidin'i dadanay na d voavidiny aza ny mpiangona" fa ny tokony atao raha mpino i essera d ny mivavaka ho an'io fiangonana io.
Aoka isika tsy homaika hanokatra lohahevitra fa manjary lasa mpametraka baomba toa ny fanatika fa tsy mpandalina!
3. essera ( 02/04/2009 10:01)
Nareo zany tsy mino mihitsy hoe MISY MANIPULATION GOAVANA BE ao am tanana ao. Mahery setra ilay izy fa tsy dia tokony hahatezitra fa Dada aza efa nampiditra osy taranaka milay be.

hi hi hi
4. Oay ( 02/04/2009 10:09)
essera:

Nareo zany tsy mino mihitsy hoe MISY MANIPULATION GOAVANA BE ao am tanana ao. Mahery setra ilay izy fa tsy dia tokony hahatezitra fa Dada aza efa nampiditra osy taranaka milay be.

hi hi hi


Ahoana moa ry essera no tsy hinoana hoe misy manipulation goavana be eto @ tanana, polifika anie no lalaovina é!
Fa ny ahy resantsika eto @ serasera no lazaiko hoe "aleo ilamina kely ilay com satria mitady hanenjik'isa ka mety mandratra ny efa mitovy fijery @ tena"! resaka crédibilité an'ilay fomba fanehoankevitra ilay izy ry zokilahy a!
Satria mbola averiko wa fa tsy mpametaka afisy isika rehefa hilalao an'io fika io fa ilay mpandalina sy mpamolavola, d za ohatrany mahita hoe manana ny hoentina @ izany essera asa anefa fa mety ho diso fijery za klé!


5. xxx ( 02/04/2009 11:14)
tsy hoe tsy mino ny manipulation za ry essera fa izao kosa klou a:
- ra tena tia ianao de tsy ho izao ny filazanao azy :Mailo ry ondrin'Atra ao amin'ny FJKM sao mivadika apondra.
- mila mandinika ihany koa fa fotoana karemy izao, tsy manenjika ny hafa fa mivavaka ho azy mba ho afaka @ zany ratsy zany izy.
- Tsy misy zavatra tsy hain'A/tra zany fa efa nilaza zany izy: nareo mangina fa za no hiady.

Aza de hitarina lavitra be le resaka fivavahana fa betsaka no tafintohina @ zany ra misy midila, ka manjary mahazo loza ianao mahatonga ny fanafintohinana.

Zay ihany ny ahy.
6. essera ( 02/04/2009 11:18)
Okay raOay, aleo ilam d alefa misesy amin'ny mahamety azy.

Ny somary mahavariana ahy dia ity. Hitako efa mandroso milamina ny tanana izay tsy miteny hoe milamina tanteraka (Analakely, 13 mai, Ambohijatovo sns.... Ny antony :

Jereo tsara teto amin'ny forum tamin'ireny nahamay be ireny fa nifanopa sisa no tsy niainga teto. Izao anefa tsy dia ahitan-teny na ny andaniny na ny ankilany fa eo ho eo ihany.

sa diso aho ve ? Tsy hanakorontana kosa aloh a na izany aza. Fa mety mbola mafana fo be fotsn.

:lol: :roll: :roll:
7. Oay ( 02/04/2009 11:38)
Kopy za ka!
essera a! ny olona nanaraka an'i TGV d olona efa tena very fanantenana t@ fiarahamonina ka d efa nisotro ny aleoko maty noho izany d tsy maintsy nisy olona fona teo @ 13 mai na naharitra herintaona aza ny fihetsiketsehana.
ireo olona maniry ny hiverenan'i dadanay kosa d ilay olona tsy mahatanty tsy mihinana ka na efa karama vary masaka araka ny fitenena aza d nalehony niasa toa izay hitaky ny zo-ny, noho izany ireo olona ireo raha ny fahitako d tsy manana lazon'ady tahaka ny olona nanaraka an'i TGV satria olona tsy mahatanty tsy mihinana d ny ataon'ireo raha vao mitarazoka eo ny filaharana d hitsoaka handaharana handeha hitady hanina ho anina aloha satria tsy hirotsaka intsony ny fananana avy atsy Swaziland.
Momba an'i dada ao Swaziland d manahy aho fa hoanindry zalahy velona ao i dada rehefa hitany fa tsy ho tafa intsony i dada eto Madagasikara ka tsy hisy tombony ho an'azy intsony ny fitazomana an'i dada ao andapa.
8. yvaj ( 02/04/2009 12:10)
Ny ahy zao an, ondry vaovao mitsy no hitako fa mety;
Fa maninona moa raha i Essera no mandray lay fahefana e, afaka manohy tsara ny asan'ny foza-orana ianao satria karazana iray ihany angamba ianareo o.
Raha tsy zany mantsy de ny jamba no ho avy eo itantana ny firenena afaka 2 na 3 volana.... De ho ekenao ve izany. De hanaiky an'izany daholo ve ny foza-orana rehetra.

Ianareo ve namono ny voay de ny hafa no hiravaka ny vanginy ?

Tsy maninona na ho apondra aza fa , ny hendry mody voky fa ny adala mane-
sika iany o; Refa misy tsy mety anie de mahay miova e, fa ny ny foza-orana rehetra sy ny karazana iray aminy ohatra ny kisoa midim-pidinana, na misy fiviliana aza tsy mahay fa manao itsin-dalana foana ho any an-kady.
Efa hita fa tsy zakan'ny ati-dohany ny mitondra firenena de mbola misisika iany, hany ka hatramin'izao tsy mety voatendry ireo mambra sasany ao amin'ny
governemantany.

Raiso io ry Esera fa tsisy asany koa ry zalahy izany.
Tandremo iany nefa fa sao an'ialahy indray ny tour avy eo an !

Sa aleo avy hatrany miverina @ i Dadanay iany ?
9. essera ( 02/04/2009 12:47)
Rabain oa efa noteneniko an'lisan fa ts poins miits. Fehiny tsotra fotsiny : misy ny atao hoe kely mandoa be, fa ny an-drabain tsy haiko le hoe efa be ve d mbola mandoa be no be indray izany.

Conclusion : sahirana ihany izy raha miverina na averina fa milamina ny ilany dia tsy hanaiky ilany. Ary ny fiverenany eo ho henjana ny gidra ho'aho fa avo 10 heny angamba. Tsy manozona a fa zavatra azo eritreretina tsara ilay izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0481