Fanjakana petatoko vé no aleo hilamina. Bay ary

1. penguin ( 30/03/2009 10:47)
Rehefa azo ny fanjakana petatoko dia tonga ny hoe aleo hilamina amin'izay vé ? Tsy misy mihevitra ny hanankorontana ny Malagasy eto fa ny fanjerana ny fitondrana tematemaka no himasoana. Rehefa ireo mpanao barofo no mankeo @ 13 Mai dia fandaminana nefa mitarika any @ fandoroana sy famotehana fananan'olona fa ny olona maneho ny tsy fankasitrahany izao fitondrana tsy izy izao no asaina hoe mijanona vé ? Amin'ny andro tsy fiasana no afaka maneho hevitra hoy ireto ministra tarihin'i monja roindefo kanefa dia teny @ 13 no nanononana ny anaran'izy rehetra ary tanaty andro fiasana. NOlazaina fa ahidina ny vidin'ny mofo sy menaka kanefa mbola ny teo ihany aloha hatramin'izao ka asa na aiza no misy nidina izay afaka hiazakazahan'izay mahavita mifandrombaka. Tsy misy miala eo fa HOZONGOZO, HOZONGOZOY ary aza avela ahita tory.
novalian'i penguin ny 31/03/2009 05:57
2. xxx ( 30/03/2009 10:52)
marina izany e,aza havela ahita tory sy hisotro rano mandrapihalany
3. Mirananirina ( 30/03/2009 11:06)
NOlazaina fa ahidina ny vidin'ny mofo sy menaka kanefa mbola ny teo ihany aloha hatramin'izao ka asa na aiza no misy

NY fiainana mihamiakatra ihany?Ahoana no ampidinany an'io vetivety eo e.Manofy atoandro angaha ny Malagasy!!!!!!!!!!!!Tsy hisy izany vidimpiainana HIDINA izany,toerana ihany no ady eo
4. xxx ( 30/03/2009 11:22)
penguin:

Rehefa azo ny fanjakana petatoko dia tonga ny hoe aleo hilamina amin'izay vé ? Tsy misy mihevitra ny hanankorontana ny Malagasy eto fa ny fanjerana ny fitondrana tematemaka no himasoana. Rehefa ireo mpanao barofo no mankeo @ 13 Mai dia fandaminana nefa mitarika any @ fandoroana sy famotehana fananan'olona fa ny olona maneho ny tsy fankasitrahany izao fitondrana tsy izy izao no asaina hoe mijanona vé ? Amin'ny andro tsy fiasana no afaka maneho hevitra hoy ireto ministra tarihin'i monja roindefo kanefa dia teny @ 13 no nanononana ny anaran'izy rehetra ary tanaty andro fiasana. NOlazaina fa ahidina ny vidin'ny mofo sy menaka kanefa mbola ny teo ihany aloha hatramin'izao ka asa na aiza no misy nidina izay afaka hiazakazahan'izay mahavita mifandrombaka. Tsy misy miala eo fa HOZONGOZO, HOZONGOZOY ary aza avela ahita tory.

Izaho tsy hoe faly na tsy faly ny @ nialan'ra8 teo fa tsy efa betsaka v zay namoy ny ainy sy naratra zay ka tsy aleo v mba hijanona @ozay ny fanejehana ny atsy sy ny aroa io e!
Tsy milaza koa aho hoe mankasitraka na tsia izao fitondrana teteza-mita izao fa saingy amiko manoka adia refa io aloha ny eo dia aleo mba hanao izy izay vao hia eo ny atao fa tsy vao hoe mipetraka dia miamhatra ny atsy hoe aongany io fa tsy mamely. Raha toa kamiala indray io dia izay hipetraka eo izany dia ho toa izao hatrany v no hiainantsika eto. Asa anjaran'ny 1/1 indray no mandinika an'iny aloha oe mety aminy v izao sa tsia?
Amiko dia ny fihavanana no zava-dehibe ka raha hiady an-trano eto foana isika dia asa angah ahona no iafarany?
Raha ny @ireo fidinan-javatra nodradradraina indray dia aleo aloha ho hita fa vao manomboka anie ny anio e!


5. xxx ( 30/03/2009 11:55)
raha safidimbahoaka io tsisy hanozongozona mihitsy faza miteniteny foana, rehefa tsy hanampy ny vahoaka ianao de akombony ny vava, tsy mijanona eo ireo jihola ireo fa aza manahy ianao. tsss
6. penguin ( 30/03/2009 12:01)
Mandefa pitsikilo eny Ambohijatovo ary manangona ny anaran'ireo Mpiasampanjakana eny ry tarikin'ny Ministra vaovao tematemaka. Maina ihany anefa satria tsy mitovy tamin'ny teny andalam-be ny fandraisan'ny olon'ny Ministera an-dry zalahy fa trano mila ho foana no vantaniny ary zara raha nisy ny olona nandray azy mihoatra amin'ny isan'ny mpiasa ara-dàlana. HOZONGOZO, HOZONGOZOY tsy ahazo aina.
7. xxx ( 30/03/2009 12:08)
Asa iza no mahafaty letsy ny hozongozona sa ny basy ?
8. penguin ( 30/03/2009 12:23)
Misy farany ny basy ary tsy ripak'elah miaraka ireo olona rehetra ireo. Tsy Jeneraly ireo olona ireo ka matahotra satria ireto ambaniny no manery azy. Hankombona ny vavan'ny sasany, misokatra ny hafa ary raha tampenana dia milelalela ny hafa. Tsy ny fahamarinana no hampitandremana olona fa basy. HOZONGOZO, HOZONGOZOY tsy hisotro rano.
9. andrywui ( 30/03/2009 13:26)
Ary maninnn rah mipetrak tsara penguin de mba miandry ny fifidianana manaraka e !! na mba miandry kely taona vitsivitsy 2 na 3 na eo fa hita eo fon anie oe mahavoa na tsia lay Fitondrana vaovao e ! de any vao mba tokony havoaka zao gidragidra be anareo zao !! fa io anie tsy hanipy ny Fitondrana efa eo antanany eo zan tsony e ! zavatra ny Tompony mihitsy no tsy tia tsony de nanome azy olona ko !
10. KALACK ( 30/03/2009 14:30)
Hangina daolo nareo afaka andro vitsy monja fa hidina ny vary , hidina ny mofo , hidina ny menaka , solika sns .... de mba sur kosa fa hivadika TGV daholo isika rehetra , ka mba hankasitraka amzay angamba an ? sa aona penguin ?
11. penguin ( 31/03/2009 05:57)
Mandeha aty Madagasikara daholo ny Economiste rehetra eran'izao tontolo izao mianatra raha vitan'ny TGVendrana hatramin'ny farany izany fanenana vidin-javatra tsy misy famokarana fa manafatra entana avy ivelany sy manao fifanarahana ambadika na vonjy ranovaky ho tapi-maso izany. Tretrika tokoa ny Malagasy ary hisy amin'izay ny ahazo loka "nobel" satria lasa adala amin'ny fisondrotry ny vidim-piainana na ny tany matanjaka izay hivavahana sy angatahana fanampiana aza. Vao lany ben'ny tànana ny TGVendrana dia lasa Frantsa nitady fanampiana hanamboarana an'itsy sy iroa ka eto mba ry zalahy indray no hianatra ny fahaizan-tsiaka mampidina vidim-piainana ka tsisy handà izany. Ny fantatra aloha dia HOZONGOZO, HOZONGOZOY tsy hisotro rano na hidiro anatiny sahalan'ny nataony ihany koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008