ANGAMBA

1. Zozoro ( 28/03/2009 08:45)
Mba mangataka ny tonon'ny hira : ANGAMBA - io no titre - (hirain'ny tarika Ramarson willson)

Angamba ifaliko ny volana mitranga
an-kabakaba-manga
Kanefa mbola tiako ny masonao mijery
Mibanjina ahy irery
Milaza ny fitia
Manganoano ery.......

Dia tsy haiko intsony....

Misaotra mialoha.
novalian'i Zozoro ny 29/03/2009 16:41
2. kalinou ( 29/03/2009 00:01)
jereo @ tononkalo RADO fa izy no namorona an'io ra tsy diso aho
3. Zozoro ( 29/03/2009 09:22)
kalinou:

jereo @ tononkalo RADO fa izy no namorona an'io ra tsy diso aho



Misaotra betsaka an'i kalinou
4. ni81 ( 29/03/2009 11:39)
ANGAMBA

Angamba hifaliako ny volana mitranga
An-kabakaba-manga,
Kanefa mbola tiako ny masonao mijery,
Mibanjina ahy irery,
Milaza ny fitia, manganohano ery,
Milaza ny fitia, manganohano ery,
Manganohano ery,
Angamba hafa kely ny tsiron-drano an’ala,
Madio mangalahala,
Fa mamy toa tantely ‘reo molotrao manify,
Mitsiky mena fify,
Manoroko ahy mangina,
Mandroatra fifaliana,
Manoroko ahy mangina,
Mandroatra fifaliana,
Angamba koa ho fatratra
Ny kalon’ny antsiva manako takariva,
Fa mbola tonga lafatra
Ny hiranao ngononina miantsa fisamonina,
Ny hiranao ngononina miantsa fisamonina,
Miantsa fisamonina,
Mitohoka ny sofiko ka zary nofinofiko,
Ka zary nofinofiko.
Izao tontolo izao, mirindra sy voalanto,
Fatratra sy kanto,
Anefa raha ianao, nefa raha ianao
Monja no tsy ao,
Izao tontolo izao ho tsoriko ry aina
Fa tany karankaina,
Izao tontolo izao ho tsoriko ry aina
Fa tany karankaina.

5. Zozoro ( 29/03/2009 16:41)
Misaotra indrindra ni81, tena mankasitraka ! misaotra eh! :-* :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2866