nahoana no ahilika sahady ny TIM @lay assise nationale?????

1. mazavajery ( 28/03/2009 04:31)
satria efa fantatra fatsy mbola misy mahazaka ny filoha RAVALOMANANA eto madagascar dia atao daholo ny hevitra mamohehitra anilihana azy.
Inona no vitan'i 2éme république nandritra ny 20ans nitondrany???? crise sy risoriso no nihainantsika teto. Iray volana no andehanana makany tanà-diego . in-30 miempita baka TAMATAVE-MANANARA sns... Ny projet rehetra tsy manara-penitra ka vao lalovan'ny cyclone dia rava anefa nandaniana volam-panjakana , ny halatra no betsaka. Nandalo teo indray i Zafy indrisy fa tsy nahazo famatsiana hatraiza² hany hery nanao MADARAID.
Diso nisongadina loatra ny zava-bita an-dRAVALOMANANA 5 taona monja ka mataotra ireo mpanohitra satria tsy azo afenina @ vahoaka ny zava-bita :NY lalana, ny kit scolaire, ny rano fisotro madio, ny fahafoanan'ny dahalo, ny toeram-pitsaboana sns...
tsy nahita tombo-tsoa mihitsy ireo mamba seza sy mpanao afera maizana @ fanafarana "dog rice" , la farine stock , ny menaka tsy ara-dalana sns.... ka dia nosoketaina ho manao monopole ny filoham-pirenena Marc-Ravalomanana.
Ho hita tsika eo izany vary 600Ar sy menaka 2500Ar ho avy izany!!!!
:roll: ^^ :evil:
novalian'i rajy ny 28/03/2009 19:11
2. xxx ( 28/03/2009 05:31)
:-D :-D :-D : Ilay comparaison-nao mihintsy no tena mahatsikaiky!
Ohatrany mampitaha ianao hoe iza no tsara mofogasy vao mafana sa menekely masiso :-D :-D :-D
Samy nanao zavatra tsara daholo izay ary samy nanao zavatra ratsy avokoa ireo mpitondra antsika teto.
Ny lalana namboarin'i Ra8 re tompoko dia lalana efa nisy no norakofany goudron. Toy ny trano efa nitasangana fa tsy vita lalotra ka nolalorana.
Ny kit scolaire indray dia zavatra azo atao hoe madinika satria dia ny EPP isaky ny fokotany dia efa hita t@ 2e repoblika.
Ny rano fisotro dia zara raha niova satria dia maro ireo tanana atao hoe lehibe eto M/car no mbola tsy manana an'io.Tsy Tana irery no atao hoe M/car. Jereo ny havantsika any atsimo fa mbola misotro rano-potaka @ arabe rehefa mba misy orana latsaka.
Ny dahalo dia tsy foana izany velively, vao maika ary nirongatra satria nahazo fitaovana mahery vaika. Ny securite moa dia tsy lazaina intsony fa t@ andron'i Ra8 no tena ratsy na an-tanana na an-tsaha ary maro ireo lalam-pirenena tsy azo andehana alina intsony satria misy manafika.
Ny toeram-pitsaboana dia azo lazaina fa ny teo ihany noa namboamboarina nefa zavatra efa nolovaina t@ 1ere repoblika.

Ny tetiky ra8 dia mazava be fa nitovy tsy nisy valaka t@ tetiky Ratsiraka t@ ny andron'ny PROCOPS. Atao izay hi-monopoliser-na ny PPN sy izay zavatra ilain'ny Malagasy amin'izay tsy afaka ny hanongana azy moramora ny vahoaka satria fantratr'izy ireo(Ra8 sy Deba) fa hiakatra ny vidin'entana raha vao ilaozany.
Tsy ho mora no ahatongavana @ vary 600A sy menaka 2500A izany satria i M/car dia mody natao hoe misokatra @ marcher Internationale nefa dia natao ambony be ny taxes sy douanes mba hitsinjovana ilay orinasan'i Ra8 .

3. xxx ( 28/03/2009 06:04)
agnay aloha tsa te hahalala an zany razoky a!
ny fatatsay aty sahave de nahazo lycée moderne agnay, milay an zany lycée aty zany, agnareo any tana agny zao mety aty koa ro hianatsa

ny lalana sy hopitaly efa hatram 1e repoblika tarognin lahy de tsa nisy entretien koa aia tsa ho potika ny tanàna,

angaha tsa hitan lahy hoe milay zao ny lalagna ao an-tampon'ny horombe nanaovan'ny fitondran-dra8 azy

ialahy io ve efa nahita ny tetezan'i fatihita tsa nisy niraharaha nandritra ny firy taona , nefa de napoaka koa sy ahateo, de hitan lahy ny solony agnilany eo, milay be...

akory ny kidognan'i ivoloina de tarogno koa hoe efa tam 1e repoblika igny ro teo

na efa teo litsy ny lalagna, hopitaly, epp... hatram 1e repoblika, rehefa tsa misy entretient sy reparation de mitovy amin'ny vao naorina izy aty afara

agnay aty sahave aza efa misy aterinateto zao koa ho ho ho

misaotsa liaka, r8 ihany litsy no ilaitsika, mipodiagna agnao baba ah
4. ravatorano ( 28/03/2009 06:54)
samy mahery reto
io zany miankina amin ilay faritra tokoa fa misy ny nahavitan'ny fanjakana zavatra tsara na lalana na sekoly na hopitaly satria nihetsika ny olom boafidy tao fa amin'ny akapobeny dia hita sy tsapa fa nanao ny LALANA sy nahavita be momba izany ny fitondran'i Ravalomanana !
Azo mbola hiadina hevitra ny ankoatran'izay nefa ary satria tsy anjely latsaka antany ny mpitondra rehetra nifandimby teto dia azo tsaraina amin'ny zava bitany avy izy ireo.
Raha ny fanilihana ny TIM dia tsy dia any loatra angamaba no tena resaka fa i Ravalomanana izy tenany no tsy tian dry zareo ankilany handray anjara amin izany fikaonan-doham-pirenena izany.
Raha politika no nampigadra an'ireo izay nafahana nomena grace presidentielle,raha politika koa no nilazana fa nahatonga ny "sasany" amin izy ireo namono olona(10 août,rahraha NOsy be sy antsiranana) na nanimba fananam-bahoaka (fanapoahana tetezana snss) ka hazahoany izany famotsoran keloka izany dia ataokoa fa mifanakaiky amin ny sain dry zareo ihany zany ilay resaka Ambohitsirohitra dradradraina lava izao.
Misy milaza sy manadino ny nataon'ny fitondrana teo aloha tamin'ny fitondrana ntaony teo ary isan'izany ny ao amin'ny MTS izay tsy mitsahatra ny hahazahoan'ny tarik'i Ratsiraka na izy vata-tenany mihitsy ho eo amin'ny latabatry ny fifanakalozan-kevitra sy izay atao hoe assises nationales.
Raha izay amiko dia tena ho fampihavanam-pirenena tokoa ve izany ??????
Ilay fampihavanam-pirenena moa izany dia natao hamotsoran-keloka faobe ho andry zareo ngeza rehetra nanao politika ireo ka ho madiodio mangarahara ry zareo izay nanao izany hatramin'ny 26 jiona 1960 ka mandraka ankehitrio sa misy vanimpotoana sasany tsy anaovana an'izany ??????
Dia mety ve izany
mety ve ilay famotsoran keloka izay atao hoe fampihavanam-pirenena ?????
5. ravatorano ( 28/03/2009 06:59)
raha izany dia tsara fotorina tsara momba ny 10 août 1991 ireny, fantatra ny nanome baiko iza no tsy nahita ireny horonan tsary ireny izay misy feon izay nibaiko rehetra tamin 'ireny.iza no nandray anjara rehetra tamin 'ireny .Ataovy ny fanadihadiana dia reketo ny fitsarana tena izy momba izany.Dia aoka tsy hadino koa ny teny ambohitsirohitra iza no nitarika teny,iza no nampitifitra,iza no nitifitra,ataovy ny akety dia alefaso ny fitsarana dia ho hita eo ny tena marina fa tsy hoe fampiahavanam-pirenena dia misy ailika d misy raisina an-tanan-droa !
Samy manana horonan tsaray amin ireny avokoa ary maro isika no nahita nohon'ny nanaparitahana izany tamin'ny alalan'ny haino amamn-jery samihafa ary koa ny CD namidy erak'i gasikara.
Misy manadino sa efa nahazo toerana ao amin 'ny HAT ny momba ny 10 aogositra ireny na dia nolokaloka aza fa hitady ny marina momba izany !
Tena tsy azoko mihitsy aloha ny atao hoe politika e !
6. xxx ( 28/03/2009 07:35)
Ra xxx2
De arabaina leka nareo niangaran'i Ra8. Fa de ho hitatsika eo ny kilonga nareo agny shy ateo re ho lasa prezida tahaka an-dra8 . Ny atahorako dia hoe mipoapoka gny lalagna shy ny lishe ka nefa ny mpianatsa tsa ampy hagnina :-D :-D :-D Endry aho e aza mahita ahy moa!De mety aminareo tokoa ny misaotsa an'i ra8 fa i any ka tsa hipody koa fa dia karakarao ao ny lishe nareo sao dia lasa ohatsa ny lishe sy ny epp ary ny hopitalin'ny 1er repoblika koa.
I tampon'i Horombe ze 48 km ve leka no hireharehan'ilahy fa izany nanamboatsa ny 1000km Tana- Tulear tsa mba hitan'ialahy??? Dia hita fa kilonga voky ronono mitapo-drano Tiko marina leka nareo zany.
:-D :-D :-D
7. Oay ( 28/03/2009 07:53)
Misaotra an'i Ravatorano fa d ao @ ilay fomba fijery mahintsy tsara satria tsy misy fiandaniana, izay ilay atao hoe mpandrindra mitady ny marindrano!
Manamafy fotsiny i Oay hoe tsy rariny raha toa ka tonga i dada8 d tsy havela haneo ny heviny.
Fa kosa anefa mba tsy hiverimberenan'ny fanonganampanjakana d tokony avela mahaleo tena ny fitsarana mba hitsarana ny zavatra nitranga hatramin'izay ka hatramin'izao!
Raha ohatra moa ka tsy sahy ny mpanao politika d tsotra:
Rehefa tsy mahazo mandray anjara @ ilay fihaonambe i dada8 d tsy tokony omena famontsorak'eloka koa ny deba sy ny tariny.
8. rajy ( 28/03/2009 19:11)
Tena mbola atahorana mafy zalah ny TIM a , ireo tsy misehoseho fa sahirana izay hifaninana aminy , tsy eo akory Ra8 de jereo ny olony maika fa hoe tonga eo tsy ho tantara be . Mitsangana hatramin'ny maty ngamba .arosoy ny fifidianana de ho hita eo e , any ihany ny fanafodiny manaiky zay raha resinareo eo , sa tsy mahasahy? De androso zavatra hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078