"Le Petit Nid" sy ny fanomezana fanampiana ireo naratra

1. karavasy ( 26/03/2009 07:01)
Miseho amin'ny endrika association AMIE ry zalahy ary milaza ho malala-tanàna ka manolotra fanampiana ho an'ireo naratra teny Ambohitsirohitra hatrany. Dia be no tsy mahalala ary mihevitra fa asa soa tokoa satria manolotra fanampiana. Aza adino fa tarika Ratsiraka ireo ary faly izy satria ny hetsika nahafatesana sy nandratrana olona no hiverenan-dratsiraka sy ny sesitany rehetra. Zahavo ho fantatrao fa na ny nanaganana io fianarana io aza volaln-dry sophie ratsiraka izay nenjehina tamin'ny fangoronana sy didin'ny be sandry. Lazaina masina moa ireny izao. Ekena fa ny vola tsy misy lokony ka rehefa manolotra dia vola izay. Na koa hoe inonao ny omby maty fa ny hena hanina. Izay no mandredrika ny firenena satria voan'ny tapi-maso lava.
novalian'i penguin ny 26/03/2009 12:34
2. tataka ( 26/03/2009 07:18)
Rehefa tsy mijery dia tsy mahita ny tarehiny sy ny orony mampiavaka ny fianakaviana ratsiraka. Tsy misy vola maloto fa rehefa vola dia vola na avy tamin'ny varotra rongony io na vaky trano vola miady io ary hinanan-kanina rehefa noana. Izay no filamatra amin'izao. Tsy mila mitady izay fihaviany fa vola io hoy ny makorel sady olona marary mila fanafody. =)) =))
3. essera ( 26/03/2009 09:52)
Salama e,

Izay tsy mirevy deba sy olona jamba aloha, fa izao koa ry "karavasy". Inona no mety aminao, tsy misy manampy ve ireny olona ireny fa avela ho faty sy tsy hisy mpitsabo ao, tsy misy hividianana fanafody.

Rehefa manao izy dia raiso amin'ny côté positif. Fa zah zao tsy manana atolotra an'ireo dia tsy miteny. Ary karavasy mety manana atolotra ihany fa misalobok'omana e.

"Mipetrah tsara" izany no tokony atao, fa raha ohatra anao daholo ny olona eto ambonin'ny tany dia vao miha-pire lavitra noho izao efa fahantrana lalina izao no hiseho.

Raha mati-kambo izy an'azy any izany fa ny marary andrianina.

Tandremo sao tsy hainareo ny mampiasa karavasy fa tonga d mifototra any amin'ny tarehy any a.
4. penguin ( 26/03/2009 12:34)
Mbola ao koa ilay zatovolahy maty nianjera teny Mahamasina tamin'i Rossy. Mila fanampiana mandram-pahafatiny ny reniny satria zaza vao afaka bacc hiditra eny Ankatso izay nantenaina no lasa. Mpitolona nanampy isa ka misaotra mialoha amin'ny fikarakarana mandrampahafatiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0069