Tonon-kira mivantambantana

1. RATOVOARY ( 24/03/2009 07:47)
Nataoko ato ity satria tafiditra ao anatin'ny kolntsaina ihany ilay izy.
Maro ireo mpihira amin'izao fotoana no efa manao an'io tononkira mivantambantana io, ao ny milaza ny azy ho VAZO MITENY, ny an'ny hafa kosa dia tena fitia te hisarika ny sain'ny mpihaino ho vetaveta mihitsy ( izay aloha ny fahitako azy ).
Ny an'ny vazo miteny aloha dia ara-bakiteny tena miteny tokoa ary mivantana ny tiany hambara, faireto vetaveta tonon-kira ireto tena mba aingampanahy manao ahoana loatra fa toa tsapako ho manimba ilay filaza enti-mamaritra ny maha-kanto sy kolotsaina azyilay izy ( fitaizana, fanabeazana ny olondrehetra) ary ny tena lasibatra dia ny zaza tsy amy taona sy ireo zatovo no tena tia sy mivoy ary mihirahira azy etsy sy eroa.
Ity zao misy santionan-kira iray omeko anao de diniho ny fahavetavetana ao anatiny :
O ôôô darlin e ! misy zavatra tiako hambara e / *2
Tsy mba zavatra ratsy ohatry ny inona e ! nefa ohatran’ny manalasala e / *2
Darlin ho'a darlin e ! misy zavatra tiako hambara e !
Tiako ambara aminao le filing e ! misy zavatra tiako hambara e
Tsy dia zavatra ratsy ohatran'ny ny inona e ! nefa oatran’ny manalasala e ! /*2
Zavatra tsy azo tenenina, fa voarara sy misy manejika e
Saromana sy afenimpenina, lazaina fa teny tsy mendrika e
Fa mbola voafetra mahabedy sy mahavoasazy
Nefa ny olon-drehetra mankafy sy mitia azy
Resaka tsy azo tononina tsy azo lazaina amin'ny teny gasy
Henatry ny fiaraha-monina lazaina fa hoe teny ratsy
Satria misy teny gasy anie indraindray mankarary ny sofina e
Tsy azo tenenina mafy, fa bitsibitsihina fotsiny e
Nefa dia tsotra sy maivana, raha atao amin'ny teny vahiny
Toa vetivety sy haingana, nefa tsy ifanomezana tsiny
Ka ambarako anao ilay filing e, ambarako madio tsara
Ndeha izato izy darling e, faisons l’amour ce soir

Oô darlin e ! faisons l’amour ce soir
Darlin oa darlin e ! faisons l’amour ce soir *2

O ôôô darlin e ! misy zavatra tiako hambara e / *2
Tsy mba zavatra ratsy ohatry nyinona e ! nefa hoatran’ny manalasala e / *2
Darlin oa darlin e ! misy zavatra tiako hambara e !
Tiako ambara aminao le filing e ! misy zavatra tiako hambara e
Tsy dia fôpla be tahaky ny inona e ! nefa ohatran’ny manalasala e!
Tsy maninona be tahaky ny inona ane le filing oa darling
Resaka tsy azo lazaina fa mahasosotra sady mandrangitra e
Nefa dia zavatra ilaina , matsiro ary koa mahafinaritra e
Fa oe maramara adalana ary koa fahotana
Ne fa dia zavatra tsara, mahasoa ny fahasalamana
Tsy azo lazaina mivantana nefa ohatran’ny manelingelina e
Nefa dia ilain’ny vatana, ilaina amin'ny mahaolombelona e
Raha lazaiko teny gasy ilay izy betsaka be no ho tezitra e
Sao dia lasa teny ratsy, ka aleo dia hazava ny hevitra e
Fa mora vitaina raha atao amin'ny teny vazaha
Tsy mankarary ny saina ary tsy mahasosotra ho'a
Ka ambarako anao ilay filing e, ambarako madio tsara
Koa de la be darling e
faisons l’amour ce soir
novalian'i Ratoa ny 28/08/2009 16:25
2. ari.malala ( 24/03/2009 08:33)
Io Ratovo ilay tenenin'ny tarika Ny ainga hoe misy tonokira efa mitapy dia avela fa tsy misy lalàna a! Tsy io iany, fa maromaro izy ireo... Asa angaha maninona tokoa ry zareo ao ambonimbony ao no tsy mba mandray andraikitra @ ireny sa dia variana tanteraka @ ady seza!!! Eritreto tokoa anie hoe zaza 5taona no mihira io hira io e :roll: :roll:
3. ikaretsaka ( 24/03/2009 18:48)
ny ahy raha mivantana le izy ka misy toana hahatongavana dia tsy maninona..
fa le miady rima @ na pas no tena tsy ammely..
le hoe inona no ifandraisan'ny biskleta sy moto @ pecto sy torto?
4. ari.malala ( 25/03/2009 06:42)
d ra io hira io d in no tina ahatongavana @ io ri ika? alaovy sary antsaina hoa hoe neuveu anao na nièce nao 5taona no mihirahira ny faisons l'amour ce soir... inona no hoteneninao anazy? aza mihira anizany? ho gaga izy hoe fa manin...
5. RATOVOARY ( 25/03/2009 07:29)
Ny tena tiak ahatongavana zany de hoe : efa baranahiny loatra ilay resaka tononkira eto Madagasikara, tsy voahaja intsony ny maha fanabeazana azy, fa toa vao mainka aza misarika ho any @ fahavetavetana ilay izy. Tokony hisy censure ihany io resaka tononkira io. Tadidiko raha nandefa tononkira tao @ OMDA zahay taloha de jerena daholo na sao dia efa an'olona na efa misy tononkira mitovy @io, ary koa sao dia handoto ny fiaraha-monina, ao anatin'izany ny fomba handraisan'ny olona azy ilay hira.
Eo amin'ny lafiny kolontsaina koa tsy hitako izay saina hokoloina amin'ireny tononkira ireny, hokoloina ho vetaveta? Mety ho izay angamba no mahamaro ny fanolanana amin'izao fotoana izao.
6. xxx ( 25/03/2009 12:11)
Tsy haiko izany hoe alefa any @ OMDA vao afaka avoaka ve ny hira ?

Taratry ny tontolo iainan'ny olona ny hira, ka matoa mivatambatana toy izany ny tononkira dia angamba toy izany no firesaky ny olona @ izao fotoana, na ny tontolon'ilay mpanoratra hira

Ny ahy ny dihy izao no tsapako koa fa miha "vetaveta" @ fijeriko azy, nefa toa adopter n'ny olona maro ilay izy, dia lasa mandini-tena aho hoe izaho ve no "has been " sa ahoana ? Tsy manova ny fijeriko anefa izany
7. RATOVOARY ( 25/03/2009 12:53)
Tsy haiko izany hoe alefa any @ OMDA vao afaka avoaka ve ny hira ?
Raha efa mpikambana ao @ OMDA ny mpanakanto iray, izy io aloha birao izay miaro ny zon'ny mpamorona, afaka manao sivana koa anefa izy io taloha ( zay izao no tsy haiko fa efa tsy any tsony kou moa ) .
Eny e! taratry ny tontolo iainana tokoa, tsy haiko koa enao na efa mitaiza na tsia, na izahay koa no efa diso mikombona loatra ny fitaizana anay taloha, fa mba hevero hoe ny zanakao na ny zaza tezainao no mihirahira an'io hira io, fa ny hiafarany liana izy hanakatra izay hevitr'ilay hira ary mety hanao fampiarana aza.
8. ikaretsaka ( 25/03/2009 23:15)
ny an'ny gasy aza mbola mba code-ny ilay tononkira mivantana matetika.. ka raha zaza 5 sy 6 taona raha tsy misy olondehibe na sakan-jaza lehibe noho izy manoro azy angaha de tsy ho hainy mihitsy ilay hevitra ambadik'ilay hira fa de hirahirainy fahatany le izy...
(they don't mean what they say)
amiko io dia matoa ianao no sadaikatra ambony ihany dia ianao no efa maloto eritreritra fa tsy tokony hampiraika anao ilay izy raha arakao fa ny zavatra ambarany aza tsy hainy akory

fa raha le tena teny ratsy be misy tonga de miteny mivantana ilay zava-pady ireny dia hafa indray

Fa io toa tsy ny OMDA loatra no tokony omena tsiny fa le haino aman-jery (media) any @ tsika tsy mbola mande ny classification an'ny visa zao sy ny visa zao ka ny hiran'i momota tsy koi na miaraka @ hiran'i rah kicky aza!
9. ari.malala ( 26/03/2009 06:42)
Ny hira, ny dihy efa miha vetaveta mintsy! Ary mitombina ilay lazain Ratovoary hoe mety izany no maha betsaka ny fanolanana, satria na ny ankizy kely aza anie misy mifanolana e! Ho ahy indray dia samy omeko tsiny na ny OMDA na ny media... fa ny OMDA no mahazo tsiny bebe kokoa satria raha hatrany dia efa voasivana ny tononkira na ny karazan-kira toy ireny dia tsy ho afaka ny ho diffusé @ radio na @ télé mintsy!

Ika, tsy resaka maloto saina, fa mba hainao moa fa ankoatranao RAD ao antrano dia ny fiarahamonina sy ny media no mitaiza ny zanakao iany koa? Ary rehefa izy samy mpinamana no mifanontany hoe inona ny dikan'izao ka mifanoro sy mifampitarika any, hainao ny zavatra mety ho vitan'izy ireo? sa ianao manana assurance fa eo anilan'ny zanakao à 100% 24h/24? (enfin fanontaniana mipetraka ftsn iany moa izany fa ika v hitaiza :-D :-D :-D) Dia apetrako iany ny fanontaniana fa tsy novalian'ika fa ngamba tsy hitany, miteny ianao hoe raha misy tiana ahatongavana na mivantana aza tsy maninona, dia raha io hira nomen'Ratovoary io hoà de inona no tena tian'io hira io ahatongavana? Raha hirain'ny zaza 5 na 6 taona io dia inona no tiany ahatongavana? sa inona no hotenenina azy? hehehe imagineo hoe mamonjy fetim-pianakaviana ianareo, na mariage, d amireny moa ilay misy mihirahira, ny ankizy no tena mafana fo @ io resaka hirahira io... iny misy ankizikely 6taona mihira an'io faisons l'amour ce soir io fa ngamba d 8O 8O dool ny ray trano kle :-D :-D hitako eto mints!
10. RATOVOARY ( 26/03/2009 12:34)
Lasa resaka fanabeazana le iz na dia resaka kolontsaina aza no tena saika foo-diako teto. Tsy maninona fa hevitra aposaka daholo reny.
Ika> Be de be ny tononkira gasy am'zao no tena hita mivandravanrda fa vetaveta, sahala @zany zao le hoe "Ao anaty sôsety, anaty kirihitra, an'alan'akondro" iny. Tsy ananako mantsy ilay tonony fa raha nisy de nomeko an'lah le izy fa tena manimba be e!
Marina ny an'i Ari hoe tsy voatery ho ialahy ao antrano no hampahafantatra azy ny hevitra ambadika fa na ry zareo samy ankizy aza de hifanotany ,...de hifanatsafa ...de hifampianatra, de ny hiafarany hifampihatra eo. Sady amin'izao ny ankizy efa diso kinga saina loatra letsy e! ary tsy vitan'ny saina irery no kinga fa kinga daholo zay afaka miasa rehetra :lol:
11. ari.malala ( 27/03/2009 07:48)
Ratovoary, mampime koa ilay hoe kinga daolo zay afaka miasa rehetra :-D normal ko ny dessins animés aza anie izao efa ilay mifanoroka avec fougue be reny tsy misy censure tsy maninona fa alefa e! hafa iany ny t@ andron-dry Clémentine sy ry Tic et Tac sy ry Bisounours mbakan-dry Alice au pays des merveilles kle :°)
12. Ratoa ( 28/08/2009 16:25)
Ny fahaizan'ny RAD ihany no mitondra n'io é! Tsy voavoalohany izao fa izao inao no mitaiza dia manaitra anao io. Fony zahay teny amin'ny lycée no nivaoka ny "ao an-trano falafa" . Inona ny interprétation tsy natao tamin'izany, hatramin'ny fanovana ny tonon-kira", "Ravorondreo" nihiranay teo imason'i nenibenay ka tena sendaotra izy "inona no antony ihirana izany hira tsy mendrika izany?" Izahay anefa tsy nahita izay tsy nahamendrika azy fa taminay, nampiomehy fotsiny ilay hira. Nony taty aoriana lehibebe izahay, novainay ny tonon-kira, dia nisy koa ilay hira vazaha hoe "voulez-vous coucher avec moi ce soir?"
Tsy nandavo anay izany ary tsy nisakana anay tsy handeha amin'ny lalan'ny fahamarinana sy ny finoana ary ny fanajana ny mpiara-belona izany.
Fehiny: ny saina mandray no maha neutre na tsara na ratsy izay re amin'nalalan'ny hira fa ny hira sy ny tono-kalo dia mivoatra araky ny teotra-andro. Ary tsy ny teny gasy ihany na ny mpana-kanto gasy ihany no ahenoan'ny ankizy izany fa ny teny hafa rehetra izay hain'ny ankizy mihaino sy mamerina ary mihira.
Toa izany koa ny dihy. Avy amin'ny faritra samihafa no nangalana ireny ary miampy ny avy aty am-pita. Taloha tsy nandihy hafa tsy valse sy slow satria izay no nekena sy nentin'ny mpanjana-tany. Tamin'nizany fotoana izany, ireny no atao hoe dihy mihaja. Nisy ilay sangisangy zari-tenany iny nilaza fa ny afindrafindrao tsy azo avela anefa novalian'nilay zanaka avara-pianarana hoe:"bal ihany atao rankizy an! Tato ariana (année 1960...) dia nihezahana mafy ny afindrafindrao ny ny salegy izay tsy narian'ireo RAD taloha mihitsy. "
Anjaranao RAD izany ny manitsy ny sainy. Matetika koa ireo ankizy , indrindra ny zaza madinika, dia tsy mihevi-dratsy satria tsy fantany izay lazainy ka raha mi-insiste ianao , iny izy no handeha andalinina ny dikany, dia angamba koa anandrana fa voankazo voarara mantsy. (noraranao na fantany fa tsy tianao dia hitady ny antony tsy itiavanao azy izy)
Lava be fa aza fady ô.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3316