tetik'ady

1. sitlo ( 18/03/2009 16:06)
Aleo isika hoe realiste kely!

Tsy ho mora ny hanarina ny firenena. Firenena hoy aho fa tsy toe-karena.

Mazava fa na iza na iza, raha tsy hoe mana avy any an-danitra angaha, dia tsy hahavita hanarina ny firenena amin'ny fotoana fohy izany.

Ka izao no tetik'ady holazaina rehefa ho avy indray ny vahoaka hilaza hoe ny omaly tsy miova ihany izy ity: "vokatry ny krizy 2009".
novalian'i fijo ny 18/03/2009 22:36
2. zenamy ( 18/03/2009 16:29)
mazava be,vokatry ny krizy sy ny grevy be ireny io,fa omeo fotoana kely izahy hoy ry tgv.Toa hoe tsy ho atao aty dago indray ny UA
3. xxx ( 18/03/2009 16:35)
io no efa nolazaiko t@ vao nanomboka ny fanonganana hoe rehefa ho azony lerony ny fitondrana ka hitany fa tsy ho tafavaoka d ho avy @ zay ny fihalana bala: vokatry ny crise t@ tolona natao ka tsy ho vita haingana ny fanarenana fa mahandrasa, he!he!he!he!
4. sitlo ( 18/03/2009 16:46)
Toa ny tsena sinoa ihany no ho eo.

Ity aho eto fa tsy omeko folo taona dia hikorotana indray fa hoe mahantra ny vahoaka nefa ny ...
5. Oay ( 18/03/2009 16:54)
Tsy mikorontana izany ny vahoaka na mahantra aza raha toa ka:
_Tsy misy ny didy jadona.
_Ny mpitondra d tsy hita misongadina ny fananany.
6. andrywui ( 18/03/2009 16:59)
Tsy mbola tena nisy nanao didy jadona be otran dravalo io kosa aloh le mpitondra rehetra teo e! zany tena oe ze tiany hatao ,ze tiany tenenina , ze tiany ho vonoina , ze tiany halaina na tanin'olona na sehatr'asan'olona ,!! ny fampihorohoroana amzay sakafo isan'andro !! de hiaraha mahita eo ny tohiny e! rehefa miakatra aloh ny farimpiainan'y olona ka manao didy jadona aza maninnn moa ! tsy trongy vao homana tsony ny Malagasy !! tsy bodoina irery tsony ny sehatrasa rehetra !!

:@ :@ :@ :@ :@ :@ :@ :@ :@ :@ :@ :@
7. sitlo ( 18/03/2009 17:01)
hahaha, omeko folo taona ho aho.

Ho hitako eo izany hoe miakatra izany ny farim-piainana, toa ilay didy jadona fotsiny no ahiako ho hiatra.
8. xxx ( 18/03/2009 17:03)


Tsy mbola tena nisy nanao didy jadona be otran dravalo io kosa aloh le mpitondra rehetra teo e! zany tena oe ze tiany hatao ,ze tiany tenenina , ze tiany ho vonoina , ze tiany halaina na tanin'olona na sehatr'asan'olona ,!! ny fampihorohoroana amzay sakafo isan'andro !! de hiaraha mahita eo ny tohiny e! rehefa miakatra aloh ny farimpiainan'y olona ka manao didy jadona aza maninnn moa ! tsy trongy vao homana tsony ny Malagasy !! tsy bodoina irery tsony ny sehatrasa rehetra !!
:@ :@ :@ :@ :@ :@ :@ :@
9. Oay ( 18/03/2009 17:04)
sitlo:

hahaha, omeko folo taona ho aho.

Ho hitako eo izany hoe miakatra izany ny farim-piainana, toa ilay didy jadona fotsiny no ahiako ho hiatra.



sitlo a! sao d efa nandeha tany @ pomasy kosa ary nareo d efa nahita ny folo taona hoavy... d tantarao hoe inn avy ary no hitranga é!
10. sitlo ( 18/03/2009 17:06)
Tsy izany fa mba ato hoe efa nahita ny tolona 91 sy 02 aho eh!

Mahantra ny vahoaka foana no antony.

Deduction simple: 09
11. endrika01 ( 18/03/2009 17:07)
sitlo:
Aleo isika hoe realiste kely! Tsy ho mora ny hanarina ny firenena. Firenena hoy aho fa tsy toe-karena. Mazava fa na iza na iza, raha tsy hoe mana avy any an-danitra angaha, dia tsy hahavita hanarina ny firenena amin\'ny fotoana fohy izany. Ka izao no tetik\'ady holazaina rehefa ho avy indray ny vahoaka hilaza hoe ny omaly tsy miova ihany izy ity: \"vokatry ny krizy 2009\".
Ny fananam-pirenena sy zay kely hananana aza potehina sy dorana ka ho tafavoaka aiza e!Lasa foza orana ny firenena ,hihi,io lay navaliko ary am dinika ny namana ary aminy Eritreritra mandalo ary we ,isaky ny misy ny tranga hoatrizao!Dia ny teninizay hitondra eo dia ny hoe FANARENANA fa tsy mba hoe FAMPIVOARANA ireo mahantra izay tanisaina sy averimberina aminireny grevy grevy ireny,atao tohatra fiakarana fotsiny izy ireny,de hadino eo hoatriny dian ny tongotra mipetraka amtany. :D
12. andrywui ( 18/03/2009 17:07)
hiaraha-mahita eo anie zany ry sitlo e! fa ra didy jadona kosa anie no hitondrana firenena tsy misy handefitra anzany tsony amzao andro efa sivilise be zao e!! mba atao ankafetsena na atao ankolaka aza raha mba mety toy ny ataon'ity prezidan'ny vozongo ty !! maninnnn moa hafetsena zany !! zay no ilaina ! fa kosa anefa mba miadana ihany ny malagasy izany hoe mahita zay ho haniny tsy am fahasarotana intsony izy mba farafaharatsiny ! mba miakatra 60euro ny karamany farafaharatsiny !! defa OK anie zay e!!



:-w :-w :-w :-w :-w :-w :-w :-w
13. xxx ( 18/03/2009 17:11)
Ampiana an'ilay hoe: "amin'ny fotoana fohy" ka!

Ohatra ny hoe vitan'ny vava izy ity. Koa raha tsy ianao no iza mihoatra ny firenena eto an-tany koa ahavita hanarina firenena amin'ny fotoana fohy.

Ny tena tsy tian'ny vahoaka dia raofin'ny commune foana ny fako dia tsy nisy nohanina. Dia vao lany maire Andry dia misavovona amin'izay ny kaly.
14. andrywui ( 18/03/2009 17:16)
Misy sosy be vidina petrol anie ho avy tsy ho ela eo e!! tsy tenenina mafy fa io anie no tena nampitangizina be an'i Ramosé iry saiky tsy niala teo iny ee!! mamy be io vidina petrol bobaka be hotrandrahina io !! sady hovoaroaka teo zao reo sinoa ao ireo fa ny frantsay no hanoy azy !! de hanambola be amzay ny Fanjakana !!!

:lol: :lol: :lol: :lol: =D> =D> =D> =D> :lol: :lol: :lol: :lol:
15. sitlo ( 18/03/2009 17:20)
Ahoana koa ary ity ry Andrywui hoe "na didy jadona aza", dia avy eo indray "didy jadona kosa ve".

Hiakatra ihany io frais io rehefa hiakatra ny vidin-dasantsy na iza na iza no ho eo.

Inona ary ilay fomba hampandrosoana e? Hamorona asa? Iza no ho tompon'ilay orinasa?

An'i TGV ve? Dia hitovy amin'ny olana tamin'iny TIKO indray
An'ny vahiny ve? Dia hitovy amin'ny Shiritt

Mba realiste hoy aho eh! Tsy vitan'ny vava io.
16. sitlo ( 18/03/2009 17:23)
petrole?

Hay moa tsy misy mahantra any Iran sy Irak any.
17. andrywui ( 18/03/2009 17:28)
Ekeko zany sitlo a! fa raha mba nahita ho hanina k tsy nivelona tamle 28euro anie ny vahoaka tsy maninnn na nanao didy jadona aza ra8 e! fa sady tsy misy ho hanina (ny menakany aza teoho eo nampiakariny efa ho 30.000f mihitsy ) no mbola mijaly koa ny olona
18. andrywui ( 18/03/2009 17:32)
eny e !! nisy mahantra ary misy mahantra ao iran sy irak fa saddam hussein kosa ve no FILOHA nitondra azy tao ry ben laden sy ny tariny kosa ve no midirigé ny ekonomie ko aiza no hampiadana ny vahoaka*ny amzany fa ny terorisma no mahamaika azy !!! fa anga ry andry tgv hitovy aminireo ??
19. vaninna ( 18/03/2009 17:33)
i Tgv ange Tsy hanarina ny firenena ny mission ho ataony é
mazava ny mission-ny: hikarakara ny repoblika manaraka sy fifidianana vaovao
Izany hoe: handany ny vola fa tsy hampidibola sy hanao izay hampanankarena ny gasy ao anatin'ny 2 taona
Izay filoha vaovao aorian'io fifidianana io no hitanty Jungle be
Gouvernement de Transition izao=tetezamita, transitoire, fanomanana , fikarakarana sns ...
Azavaina ihany ny resaka sao dia manofy eny ampanidinana manko ny rehetra
20. sitlo ( 18/03/2009 17:44)
Dia tsy hisy hifidy ohatra ny tamin'ny 96 sy 00 indray koa izao ny gasy!

Dia ho lany indray ny tsy tiany dia hitokona indray ny tsisy atokona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078